1Stalo se pak jednoho dne, že řekl Jonata syn Saulův služebníku, kterýž nosil zbroj jeho: Poď, půjdeme k stráži Filistinských, kteráž jest na oné straně. Ale otci svému toho nepověděl.
1Ary tamin'ny indray andro dia hoy Jonatana, zanak'i Saoly, tamin'ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin'ny miaramilan'ny Filistina izay erỳ an-dafy erỳ. Nefa tsy nilaza tamin-drainy izy.
2Saul však zůstával na kraji pahrbku pod jabloní zrnatou, kteráž byla v Migron; a lidu, kterýž byl s ním, bylo okolo šesti set mužů,
2Ary Saoly nitoetra tao an-tsisin'i Gibea teo ambanin'ny hazo ampongabendanitra any Migrona; ary ny vahoaka teo aminy dia tokony ho enin-jato lahy;
3Tolikéž Achiáš syn Achitobův, bratra Ichabodova, syna Fínesova, syna Elí, kněze Hospodinova v Sílo, kterýž nosil efod. Ale lid nevěděl, že by odšel Jonata.
3ary teo koa nisalotra efoda Ahia, zanak'i Ahitoba, rahalahin'i Ikaboda, zanak'i Finehasa, zanak'i Ely, mpisoron'i Jehovah tany Silo. Fa tsy fantatry ny olona fa lasa Jonatana.
4Mezi těmi pak průchody, jimiž pokoušel se Jonata přejíti k stráži Filistinských, byla skála příkrá k přecházení s této strany, též skála příkrá k přecházení s oné strany; jméno jedné Bóses, a jméno druhé Seneh.
4Ary teo an-daniny roa teo an-tenatenan'ny hadilanana izay nitadiavan'i Jonatana hankanesana ao amin'ny miaramilan'ny Filistina dia nisy harambato kitso loha: ny anaran'ny anankiray dia Bozeza, ary ny anaran'ny anankiray kosa Sene.
5Jedna skála byla na půlnoci proti Michmas, a druhá na poledne proti Gabaa.
5Ny iray amin'ireo harambato ireo dia nijoro avo teo andaniny avaratra manandrify an'i Mikmasy, ary ny iray kosa nijoro avo teo atsimo manandrify an'i Gibea.
6I řekl Jonata služebníku, kterýž nosil zbroj jeho: Poď, přejděme k stráži těch neobřezaných, snad bude Hospodin s námi; neboť není nesnadné Hospodinu zachovati ve mnoze aneb v mále.
6Ary hoy Jonatana tamin'ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin'ny miaramilan'ireo tsy mifora ireo; angamba homba antsika Jehovah, fa tsy misy mahasakana an'i Jehovah tsy hamonjy, na amin'ny maro, na amin'ny vitsy.
7Odpověděl oděnec jeho: Učiň, cožkoli jest v srdci tvém, obrať se, kam chceš; aj, budu s tebou podlé vůle tvé.
7Dia hoy kosa ny mpitondra ny fiadiany taminy: Ataovy izay rehetra ao am-ponao; mandrosoa ihany; indro, hanaraka anao aho araka ny sitraponao.
8I řekl Jonata: Aj, my jdeme k mužům těm, a ukážeme se jim.
8Ary hoy Jonatana: Indro, handroso ho amin'ireo olona ireo isika ka hiseho aminy.
9Jestliže řeknou nám takto: Počkejte, až přijdeme k vám, stůjme na místě svém, a nechoďme k nim.
9Ary raha hoy izy: Andraso mandra-pahatonganay any aminareo, dia hitoetra ao amin'izay itoerantsika ihany isika ka tsy hiakatra eny aminy.
10Pakli by řekli takto: Vstupte k nám, jděme, nebo vydal je Hospodin v ruku naši. To zajisté nám bude za znamení.
10Fa raha hoy kosa izy: Miakara etỳ aminay, dia hiakatra isika, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tanantsika izy; ary izany no ho famantarana ho antsika.
11Ukázali se tedy oba dva stráži Filistinských. I řekli Filistinští: Hle, Hebrejští lezou z děr, v nichž se byli skryli.
11Dia niseho tamin'ny miaramilan'ny Filistina izy roa lahy, ary hoy ny Filistina: Indreo, misy Hebreo mifongatra avy any an-davaka niereny.
12I mluvili někteří z stráže té k Jonatovi a k oděnci jeho, a řekli: Vstupte k nám, a povíme vám něco. Pročež řekl Jonata k oděnci svému: Podiž za mnou, nebo je vydal Hospodin v ruku Izraele.
12Ary ny miaramila namaly an'i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany hoe: Miakara etỳ aminay, dia hanehoanay zavatra ianareo. Ary hoy Jonatana tamin'ny mpitondra ny fiadiany: Manaraha ahy, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tànan'ny Isiraely izy.
13A tak lezl čtvermo Jonata a oděnec jeho za ním. I padali před Jonatou, a oděnec jeho mordoval je, jda za ním.
13Ary Jonatana nananika, nandady tongotra aman-tanana, ary nanaraka azy ny mpitondra ny fiadiany. Dia lavo teo anatrehan'i Jonatana ny Filistina, ary ny mpitondra ny fiadiany namono teo aoriany.
14A to byla porážka první, v níž zbil Jonata a oděnec jeho okolo dvadcíti mužů, jako v půl honech rolí dvěma volům s zápřež.
14Ary tokony ho roa-polo lahy no matiny aloha, izay novonoin'i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany tao anatin'ny tany tokony ho antsasaky ny vavasa iray akera.
15Protož byl strach v tom ležení a na tom poli, i na všem tom lidu; strážní i oni loupežníci děsili se též, až se země třásla, nebo byla v strachu Božím.
15Koa nisy hovitra tao amin'ny toby tany an-tsaha sy tamin'ny vahoaka rehetra; ary ny teo amin'ny miaramila sy ny mpandrava nangovitra koa, ary nihorohoro ny tany, ka dia nisy fampangovitana avy tamin'Andriamanitra.
16A vidouce strážní Saulovi v Gabaa Beniaminově, oznámili, jak množství to narůzno prchá, a vždy více se potírá.
16Ary ny mpitilin'i Saoly ao Gibean'ny Benjamina dia nitazana, ka, indro, niely ny vahoaka sady nifanaritaka be ihany.
17Saul pak řekl lidu, kterýž s ním byl: Vyhledejte i hned a zvězte, kdo jest z našich odšel. A když vyhledávali, hle, Jonaty nebylo a oděnce jeho.
17[Ny nanenjehan'i Saoly sy ny Isiraely ny Filistina, sy ny nampianianan'i Saoly ny olona, ary ny zavatra niseho avy tamin'izany] Ary hoy Saoly tamin'ny olona teo aminy: Alaharo, ka izahao izay niala tamintsika. Ary nony voalahatra ny olona, dia Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany no tsy teo.
18I řekl Saul Achiášovi: Postav sem truhlu Boží. (Truhla pak Boží toho času byla s syny Izraelskými.)
18Dia hoy Saoly tamin'i Ahia: Ento etỳ ny fiaran'Andriamanitra (fa teo amin'ny Zanak'Isiraely ny fiaran'Andriamanitra fahizany).[Na: Ento etỳ ny efoda. (Fa nisalotra ny efoda teo anatrehan'ny Isiraely izy fahizany.)]
19I stalo se, když ještě mluvil Saul k knězi, že hřmot, kterýž byl v vojště Filistinských, více se rozcházel a rozmáhal. Protož řekl Saul knězi: Spusť ruku svou.
19Ary raha Saoly mbola niresaka tamin'ny mpisorona, dia nandroso sy nitombo ny tabataba terỳ an-tobin'ny Filistina. Ary hoy Saoly tamin'ny mpisorona: Aoka ihany.
20Shromáždili se tedy Saul i všecken lid, kterýž s ním byl, a přišli až k té bitvě; a aj, byl meč jednoho proti druhému s hřmotem velmi velikým.
20Ary Saoly sy ny vahoaka rehetra izay teo aminy nivory, ka dia tonga tany amin'ny ady izy, ary indreo ny Filistina nifamely tamin'ny sabany, dia izy samy izy, ka nifanaritaka be ihany.
21Hebrejští pak někteří byli s Filistinskými prvé, kteříž táhli s nimi polem sem i tam; i ti také obrátili se a stáli při lidu Izraelském, kterýž byl s Saulem a s Jonatou.
21Ary ny Hebreo izay teo amin'ny Filistina taloha ka niara-niakatra taminy ho any an-toby avy tamin'ny tany manodidina dia nikambana tamin'ny Isiraely izay teo amin'i Saoly sy Jonatana koa.
22Všickni také muži Izraelští, kteříž se skryli na hoře Efraim, když uslyšeli, že by utíkali Filistinští, honili je i oni v té bitvě.
22Ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely izay niery tany amin'ny tany havoan'i Efraima, raha nandre ny nandosiran'ny Filistina, dia nanenjika azy fatratra koa tamin'ny ady.
23I vysvobodil Hospodin toho dne Izraele. Boj pak protáhl se až do Betaven.
23Ary Jehovah namonjy ny Isiraely tamin'izany andro izany; ary tafahoatra any Betavena ny ady.
24A ačkoli muži Izraelští utrápili se toho dne, však Saul zavázal lid s přísahou, řka: Zlořečený muž, kterýž by jedl chléb prvé, než bude večer, a než se pomstím nad nepřátely svými. A tak neokusil všecken lid chleba.
24Ary ory ny lehilahy amin'ny Isiraely tamin'izany andro izany, nefa Saoly efa nampianiana ny olona hoe: Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio tontolo andro mandra-pamaliko ny fahavaloko. Dia tsy nisy olona nitendry hanina na dia iray akory aza.
25Všecken pak lid té krajiny šli do lesa, kdež bylo hojnost medu po zemi.
25Ary ny olona rehetra amin'ny tany dia niditra ny ala; ary nisy tantely teny ambonin'ny tany.[Heb. ny tany rehetra]
26A když všel lid do lesa, viděl tekoucí med; žádný však nepřičinil k ústům svým ruky své, nebo se bál lid té přísahy.
26Ary rehefa tonga teo anaty ala ny olona, indro, nisy tantely nitsororoka; fa tsy nisy olona sahy nanainga ny tànany ho amin'ny vavany, fa natahotra ny fianianana izy.
27Ale Jonata neslyšev, že otec jeho zavazoval lid přísahou, vztáhl hůl, kterouž měl v ruce své, a omočil konec její v plástu medu, a obrátil ruku svou k ústům svým; i osvítily se oči jeho.
27Fa Jonatana kosa tsy nandre ny nampianianan-drainy ny olona; koa dia narosony ny loha-tehiny teny an-tànany ka natsobony teo amin'ny tantely, ary nataony teo am-bavany ny tànany, ka dia nazava ny masony.
28Odpovídaje pak jeden z lidu, řekl: Velikou přísahou zavázal otec tvůj lid, řka: Zlořečený muž, kterýž by jedl chléb dnes, ačkoli zemdlel lid.
28Ary nisy olona anankiray niteny taminy ka nanao hoe: Rainao anie ka efa nampianiana mafy ny olona hoe: Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio; ka efa reraka ny olona.
29Tedy řekl Jonata: Zkormoutil otec můj lid země. Pohleďte, prosím, jak se osvítily oči mé, hned jakž jsem okusil maličko medu toho.
29Dia hoy Jonatana: Ikaky efa nampiditra loza tamin'ny tany; koa jereo, masìna ianareo, he! izato fahazavan'ny masoko tamin'ilay nanandramako kely tamin'ity tantely ity.
30Čím více kdyby se byl směle najedl dnes lid z loupeží nepřátel svých, kterýchž dosáhl? Nebyla-liž by se nyní stala větší porážka Filistinských?
30Ka mainka fa raha navela hihinanan'ny olona ny babo azony tamin'ny fahavalony, tsy ho nahafatesana be lavitra va ny Filistina?
31A tak bili toho dne Filistinské od Michmas až do Aialon; i ustal lid náramně.
31Ary izy ireo namely ny Filistina tamin'izany andro izany hatrany Mikmasy ka hatrany Aialona, ary reraka indrindra ny olona.
32Protož obrátil se lid k loupeži, a nabravše ovcí a volů i telat, zbili je na zemi; i jedl lid se krví.
32Dia nanaovan'ny olona an-kazakazaka ny babo, ka naka ondry aman'osy sy omby ary zanak'omby izy, dia namono azy teo amin'ny tany, ka dia nohanin'ny olona mbamin'ny ràny.
33I pověděli Saulovi, řkouce: Aj, lid hřeší proti Hospodinu, jeda se krví. Kterýž řekl: Přestoupili jste přikázaní. Přivaltež i hned ke mně kámen veliký.
33Ary nisy nanambara tamin'i Saoly hoe: Indro, ny olona manota amin'i Jehovah, fa mihinana zavatra mbamin'ny ràny izy. Ary hoy Saoly: Efa diso ianareo, manakodiava vato lehibe etỳ amiko anio.
34Opět řekl Saul: Rozejděte se mezi lid a rcete jim: Přiveďte ke mně jeden každý vola svého a jeden každý dobytče své, a bíte tuto a jezte, i nebudete hřešiti proti Hospodinu, jedouce se krví. Přivedli tedy všecken lid jeden každý vola svého rukou svou té noci a zabíjeli tu.
34Ary hoy koa izy: Mieleza eny amin'ny olona ianareo, ka lazao aminy hoe: Samia mitondra ny ombiny etỳ amiko, ary samia mitondra ny ondriny, ka vonoy eto izy, dia hano, ary aza manota amin'i Jehovah amin'ny fihinanana zavatra mbamin'ny ràny. Ary ny vahoaka rehetra samy nitondra ny ombiny niaraka taminy tamin'izany alina izany ka namono azy teo.
35Vzdělal také Saul oltář Hospodinu; to nejprvnější oltář udělal Hospodinu.
35Ary Saoly nanao alitara ho an'i Jehovah; io no alitara voalohany naoriny ho an'i Jehovah.
36Potom řekl Saul: Pusťme se po Filistinských v noci, a budeme je loupiti až do jitra, aniž zůstavujme z nich koho. Kteříž řekli: Cožť se koli vidí za dobré, učiň. Ale kněz řekl: Přistupme sem k Bohu.
36Ary hoy Saoly: Andeha isika hidina hanenjika ny Filistina anio alina ka hamabo azy ambara-pahazavan'ny andro, ary tsy hasiantsika miangana izy. Dia hoy ny olona: Ataovy izay sitrakao. Fa hoy ny mpisorona: Andeha isika hanatona an'Andriamanitra etoana.
37I tázal se Saul Boha: Pustím-li se za Filistinskými? Dáš-li je v ruku Izraelovu? I neodpověděl mu v ten den.
37Ary Saoly nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Hidina hanenjika ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tànan'ny Isiraely va izy? Fa tsy namaly azy akory Izy androtr'iny.
38Protož řekl Saul: Přistupujte sem všecka knížata lidu, a vyzvězte a vyhledejte, kdo se jest dopustil dnes hříchu nějakého?
38Ary hoy Saoly: Manatona etỳ, ianareo loholona rehetra, ary fantaro ka izahao izay nahatonga izao fahotana androany izao?
39Nebo živť jest Hospodin, kterýž vysvobozuje Izraele, že byť pak i na Jonatovi synu mém to bylo, smrtí umře. I neodpověděl jemu žádný ze všeho lidu.
39Fa raha velona koa Jehovah, Izay Mpamonjy ny Isiraely, dia na amin'i Jonatana zanako aza no hahitana izany, dia ho faty tokoa izy. Fa tsy nisy namaly azy ny vahoaka rehetra.
40Řekl také všemu Izraelovi: Buďte vy na jedné straně, já pak a Jonata syn můj budeme na druhé straně. Odpověděl lid Saulovi: Učiň, cožť se za dobré vidí.
40Dia hoy kosa izy tamin'ny Isiraely rehetra: Hianareo no aoka ho an-daniny, ary izaho sy Jonatana zanako kosa ho an-daniny. Ary hoy ny vahoaka tamin'i Saoly: Ataovy izay sitrakao.
41Protož řekl Saul Hospodinu Bohu Izraelskému: Ukaž spravedlivě. I přišlo na Jonatu a Saule, lid pak z toho vyšel.
41Dia hoy Saoly tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Asehoy izay marina. Ary Jonatana sy Saoly no notànany, fa afaka ny olona.
42I řekl Saul: Vrzte los mezi mnou a mezi Jonatou synem mým. A postižen jest Jonata.
42Ary hoy Saoly; Manaova filokana ny amiko sy Jonatana zanako. Ary Jonatana no notànany.
43Řekl tedy Saul Jonatovi: Pověz mi, co jsi učinil? I pověděl mu Jonata a řekl: Toliko jsem okusil maličko medu koncem holi, kterouž jsem měl v ruce své, a aj, proto-liž mám umříti?
43Dia hoy Saoly tamin'i Jonatana: Ambarao amiko izay nataonao. Ary Jonatana nanambara taminy hoe: Nanandrana tantely kely monja tamin'ny tendron'ny tehina tetỳ an-tanako aho, ary, indro, tsy maintsy ho faty aho.
44Odpověděl Saul: Toto učiň mi Bůh a toto přidej, že smrtí umřeš, Jonato.
44Dia hoy Saoly: Hataon'Andriamanitra toy izany anie, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy hatao maty tokoa ianao, ry Jonatana.
45I řekl lid Saulovi: Což tedy umříti má Jonata, kterýž učinil vysvobození toto veliké v Izraeli? Odstup to, živť jest Hospodin, že nespadne vlas s hlavy jeho na zemi, poněvadž s pomocí Boží učinil to dnes. I vyprostil lid Jonatu, tak aby nebyl usmrcen.
45Fa hoy ny vahoaka tamin'i Saoly: Ho faty va Jonatana, izay nanao izao famonjena lehibe izao tamin'ny Isiraely? Sanatria izany! Raha velona koa Jehovah, tsy hisy na dia ny singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin'ny tany, fa niara-niasa tamin'Andriamanitra izy androany. Ary ny vahoaka namonjy an'i Jonatana, ka dia tsy maty izy.
46Tedy odtáhl Saul od Filistinských; Filistinští také navrátili se k místu svému.
46Ary Saoly niakatra rehefa avy nanenjika ny Filistina; ary ny Filistina kosa dia lasa nankany amin'ny taniny.
47Saul pak uvázav se v království nad Izraelem, bojoval vůkol se všemi nepřátely svými, s Moábskými a s syny Ammon, a s Edomem, i s králi Soba, a s Filistinskými; a kamž se koli obracel, ukrutnost provodil.
47[Ny ady nataon'i Saoly, sy ny filazana ny amin'ny taranany] Ary Saoly nahazo ny fanjakan'Isiraely ary niady tamin'ny fahavalony rehetra manodidina, dia tamin'ny Moaba sy ny taranak'i Amona sy ny Edomita sy ny mpanjakan'i Zoba ary ny Filistina; ary izay nalehany rehetra dia resiny avokoa.
48Sebrav také vojska, porazil Amalecha, a vysvobodil Izraele z ruky zhoubců jeho.
48Ary namory miaramila izy, dia namely ny Amalekita ka namonjy ny Isiraely tamin'ny tànan'izay namaboazy.
49Byli pak synové Saulovi: Jonata a Jesui a Melchisua; a jména dvou dcer jeho, jméno prvorozené Merob, jméno pak mladší Míkol.
49Ary izao no zanakalahin'i Saoly: Jonatana sy Jisvy sy Malkisoa; izao kosa no anaran'ny zananivavy roa: ny anaran'ny vavimatoa Meraba, ary ny anaran'ny faravavy Mikala.
50A jméno manželky Saulovy Achinoam, dcera Achimaasova; jméno pak hejtmana vojska jeho Abner, syn Ner, strýce Saulova.
50Ary ny anaran'ny vadin'i Saoly dia Ahinoama, zanakavavin'i Ahimaza: ary ny anaran'ny komandin'ny miaramilany dia Abnera, zanak'i Nera, rahalahin-drain'i Saoly.
51Nebo Cis byl otec Saulův, a Ner otec Abnerův, syn Abielův.
51Ary Kisy no rain'i Saoly; ary Nera, rain'i Abnera, dia zanak'i Abiela.Ary mafy ny ady tamin'ny Filistina tamin'ny andron'i Saoly rehetra; koa raha nisy olona matanjaka sy mahery hitan'i Saoly, dia nalainy ho azy.
52Byla pak válka veliká s Filistinskými po všecky dny Saulovy, protož kohožkoli Saul viděl muže silného, a kohokoli udatného, bral ho k sobě.
52Ary mafy ny ady tamin'ny Filistina tamin'ny andron'i Saoly rehetra; koa raha nisy olona matanjaka sy mahery hitan'i Saoly, dia nalainy ho azy.