Czech BKR

Malagasy

1 Samuel

2

1I modlila se Anna a řekla: Zplésalo srdce mé v Hospodinu, a vyzdvižen jest roh můj v Hospodinu; rozšířila se ústa má proti nepřátelům mým, nebo rozveselila jsem se v spasení tvém.
1[Fisaorana nataon'i Hana] Ary Hana nivavaka ka nanao hoe: Ny foko ravoravo amin'i Jehovah, Ny tandroko voasandratra amin'i Jehovah; ny vavako misokatra hamaly ny fahavaloko; fa mifaly amin'ny famonjenao aho.
2Neníť žádný tak svatý jako Hospodin; nýbrž žádného není kromě tebe, neníť žádný tak silný jako Bůh náš.
2Tsy misy masina tahaka an'i Jehovah, fa tsy misy afa-tsy Hianao; ary tsy misy vatolampy tahaka an'Andriamanitsika .
3Nemluvtež již více hrdě, a nevycházej z úst vašich slovo pyšné; nebo Bůh silný vševědoucí jest Hospodin, a usilování jeho jemu nepochybují.
3Aza dia mahery miteny avonavona; ary aoka tsy haloaky ny vavanareo ny fireharehana. Fa Jehovah no Andriamanitry ny fahalalana, ary Izy no mandanja ny asa.
4Lučiště i silní potříni jsou, a mdlí opásáni jsou silou.
4Tapaka ny tsipìkan'ny olo-mahery, ary izay mila ho reraka dia sikinana hery.
5Sytí z chleba jednají se k dílu, a hladovití přestali lačněti, tak že neplodná porodila sedmero, a kteráž mnoho dětí měla, zemdlena jest.
5Mikarama mofo ny voky, ary mianina kosa ny noana; ny momba miteraka fito, ary mihamalemy kosa ny maro anaka.
6Hospodin umrtvuje i obživuje, uvodí do pekla i vyvodí.
6Jehovah no mahafaty sy mahavelona; izy no mampidina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ary mampitsangana.[Heb. Sheola]
7Hospodin ochuzuje i zbohacuje, ponižuje i povyšuje.
7Jehovah no mampalahelo sy mampanan-karena; izy no mampietry sy mampisandratra.
8Nuzného vyzdvihuje z prachu, a z hnoje vyvyšuje chudého, aby je posadil s knížaty, a stolici slávy dědičně jim dal; nebo Hospodinovy jsou stěžeje země, na nichž založil okršlek.
8Izy no manangana ny malahelo ho afaka amin'ny vovoka, ary manandratra ny mahantra hiala eo amin'ny zezika, mba hampiara-mitoetra azy eo amin'ny mpanapaka ka hampandova azy ny sezam-boninahitra; fa an'i Jehovah ny andrin'ny tany, ary izany no ametrahany izao tontolo izao.
9Onť ostříhá noh svatých svých, ale bezbožní ve tmě umlknou; nebo ne v síle záleží síla člověka.
9Ny tongotry ny olo-masiny dia tandremany, fa ny ratsy fanahy kosa hampangininy any amin'ny maizina; fa tsy amin'ny hery no handresen'ny olona.[Na: hangina]
10Kteříž se protiví Hospodinu, setříni budou, na takové s nebe hřímati bude. Hospodin souditi bude končiny země, a dá sílu králi svému, a vyvýší roh pomazaného svého.
10Ho torotoro izay miady amin'i Jehovah; any an-danitra Izy no hampikotrokorana hamely azy. Jehovah hitsara ny vazan-tany, ary Izy hanome hery ny mpanjakany sy hanandratra ny tandroky ny voahosony.
11I navrátil se Elkána do Ramaty, do domu svého, a pacholátko přisluhovalo Hospodinu při knězi Elí.
11[Ny nanompoan'i Samoela teo anatrehan'i Ely, ary ny ratsy nataon'ny zanakalahin'i Ely, sy ny nampilazan'Andriamanitra ny loza hanjo azy] Ary Elkana nankany an-tranony tany Rama; fa ny zaza kosa nanao fanompoam-pivavahana tamin'i Jehovah teo anatrehan'i Ely mpisorona.
12Synové pak Elí byli bezbožní, a neznali Hospodina.
12Ary ny zanakalahin'i Ely dia tena ratsy fanahy, tsy nahalala an'i Jehovah.
13Nebo těch kněží obyčej při lidu byl: Kdokoli obětoval obět, přicházel kněžský mládenec, když se maso vařilo, maje v ruce své hák třízubý,
13Ary izao no fanaon'ny mpisorona tamin'ny olona: Raha nisy olona namono zavatra hatao fanatitra, dia avy ny zatovon'ny mpisorona nitondra fitrebika telo rantsana teny an-tànany, raha mbola nahandroina ny hena,[Na: tsy nahalala an'i Jehovah, na ny tokony ho anjaran'ny mpisorona avy amin'ny olona. Koa raha]
14A vrazil jej do nádoby neb do kotlíku, neb do pánve, aneb do hrnce, a cokoli zachytil hák, to sobě bral kněz. Tak činívali všemu lidu Izraelskému, kteříž tam přicházeli do Sílo.
14dia natsindrony tao anatin'ny fanendasana ny fitrebika, na tao anatin'ny fahandroan-kena, na ny vilany, na ny vilanibe, ka izay rehetra azon'ny fitrebika tao dia nalain'ny mpisorona ho azy. Ary izany no fanaony tao Silo tamin'ny Isiraely rehetra izay tonga tao.
15Nýbrž, prvé než tuk zapalovali, přicházel mládenec kněžský a říkal člověku, kterýž obětoval: Dej masa, ať upeku knězi, nebo nevezme od tebe masa vařeného, ale surové.
15Ary raha tsy mbola nodorany ho fofona ny sabora, dia avy ny zatovon'ny mpisorona ka nanao tamin'izay lehilahy namono zavatra hatao fanatitra hoe: Omeo hena hatsatsika ho an'ny mpisorona; fa tsy haka hena masaka aminao izy, fa ny manta ihany.
16Jemuž odpověděl-li člověk ten: Nechť jest prvé zapálen tuk, a potom vezmeš sobě, čehož žádá duše tvá, on říkal: Nikoli, ale dej hned; jestliže pak nedáš, mocí vezmu.
16Ary raha nisy olona nanao taminy hoe: Hodorana aloha ny sabora, dia amin'izay vao halainao izay sitraky ny fonao, dia novaliany hoe: Tsia; fa omeo ankehitriny izao ihany; fa raha tsy izany, dia halaiko an-keriny.
17I byl to hřích mládenců těch před Hospodinem velmi veliký; nebo pohrdali lidé obětmi Hospodinovými.
17Ka dia lehibe indrindra ny helok'ireo zatovo ireo teo anatrehan'i Jehovah, satria halan'ny olona ny fanatitra ho an'i Jehovah.
18Samuel pak přisluhoval před Hospodinem, mládenček, oděný jsa efodem lněným.
18Fa Samoela nanao fanompoam-pivavahana teo anatrehan'i Jehovah raha mbola zaza, ary nisalotra efoda rongony fotsy izy.
19A matka jeho dělávala mu sukničku malou, a přinášela jemu každého roku, když přicházela s mužem svým k obětování oběti výroční.
19Ary nanaovan-dreniny akanjo kely izy, ka nentiny ho azy isan-taona isan-taona izany, raha niara-ran'ny mpisorona avy amin'ny olona. Koa raha niakatra tamin'ny vadiny hanatitra ny fanatitra fanao isan-taona izy.
20I požehnal Elí Elkánovi a manželce jeho, řka: Dejž tobě Hospodin símě z ženy této za oddaného, kteréhož jsi vyžádal na Hospodinu. I odešli na místo své.
20Ary Ely nitso-drano an'i Elkana mivady ka nanao hoe: Homen'i Jehovah zaza amin'ity vehivavy ity anie ianao ho solon'ilay voatolotra ho an'i Jehovah. Dia lasa nody izy mivady.
21Tedy navštívil Hospodin Annu, kteráž počala a porodila tři syny a dvě dcery. Ale mládenček Samuel rostl před Hospodinem.
21Ary Jehovah namangy an'i Hana, ka dia nanan'anaka koa izy ary niteraka lahy telo sy vavy roa. Ary Samoela zaza nitombo teo anatrehan'i Jehovah.
22Elí pak byl starý velmi a slyšel všecky věci, kteréž činili synové jeho všemu Izraeli, a kterak obývali s ženami, kteréž přisluhovaly u dveří stánku úmluvy.
22Ary efa antitra indrindra Ely, ary izy nandre izay rehetra nataon'ny zananilahy tamin'ny Isiraely rehetra sy ny nandriany tamin'ireo vehivavy izay nanompo teo amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
23I řekl jim: Proč činíte takové věci? Nebo já slyším zlé slovo o vás ode všeho lidu tohoto.
23Dia hoy izy taminy: Nahoana ianareo no manao izany zavatra izany? fa reko amin'izao olona rehetra izao ny ratsy ataonareo.
24Nikoli, synové moji, neboť není dobrá pověst, kterouž já slyším, že odvracíte lid Hospodinův.
24Tsia anaka, fa tsy tsara ny teny reko; fa mampanota ny olon'i Jehovah ianareo.
25Zhřeší-li člověk proti člověku, souditi ho bude soudce; pakli kdo zhřeší proti Hospodinu, kdo se zasadí o něho? Ale neuposlechli hlasu otce svého, nebo je chtěl zbíti Hospodin.
25Raha misy olona manota amin'olona, dia ny mpitsara no hitsara azy; fa raha misy manota amin'i Jehovah kosa, iza no hifona ho azy? Nefa tsy nihaino ny tenin-drainy izy ireo, satria sitrak'i Jehovah ny hahafaty azy.[Heb. Andriamanitra]
26Ale mládenček Samuel prospíval a rostl, a milý byl, jakož před Hospodinem, tak i před lidmi.
26Ary Samoela zaza nitombo, sady tian'i Jehovah sy ny olona koa izy.
27I přišel muž Boží k Elí a řekl jemu: Takto praví Hospodin: Zdaliž jsem se patrně nezjevil domu otce tvého, když byli v Egyptě, v domě Faraonově?
27Ary nisy lehilahin'Andriamanitra nankany amin'i Ely ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Tsy efa niseho tokoa tamin'ny ankohonan-drainao va Aho, raha mbola tany Egypta tao an-tranon'i Farao izy?
28A vyvolil jsem ho sobě ze všech pokolení Izraelských za kněze, aby obětoval na oltáři mém, a aby kadil vonnými věcmi a nosil efod přede mnou; dal jsem také domu otce tvého všecky ohnivé oběti synů Izraelských.
28Eny, nofidiko tamin'ny firenen'Isiraely rehetra ho mpisoroko izy mba hanatitra fanatitra eo ambonin'ny alitarako sy handoro ditin-kazo manitra ary hisalotra efoda eo anatrehako, ary nomeko ho an'ny tarana-drainao ny fanatitra rehetra ataon'ny Zanak'Isiraely amin'ny afo.
29Proč pošlapáváte obět mou, i suchou obět mou, kterouž jsem přikázal v příbytku tomto? A víces ctil syny své nežli mne, abyste tyli prvotinami všech obětí suchých Izraele lidu mého.
29Nahoana no hitsahinareo ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hohanina izay aterina ho Ahy, dia ilay nasaiko hatao ao amin'ny fonenako, ka ny zanakao no omenao voninahitra mihoatra noho Izaho, mba hanatavy anareo amin'izay tsara indrindra amin'ny fanatitra rehetra aterin'ny Isiraely oloko?
30Protož praví Hospodin Bůh Izraelský: Řeklť jsem byl zajisté, dům tvůj a dům otce tvého přisluhovati měl přede mnou až na věky, ale nyní praví Hospodin: Odstup to ode mne; nebo těch, kteříž mne ctí, poctím, kteříž pak mnou pohrdají, v pohrdání přijdou.
30Koa izany no anaovan'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hoe: Efa voalazako tokoa fa ny taranakao sy ny tarana-drainao no handeha eo anatrehako mandrakizay; fa ankehitriny kosa, hoy Jehovah, sanatria Ahy izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manamavo Ahy no ho afa-baraka.
31Aj, dnové přicházejí, že odetnu rámě tvé a rámě domu otce tvého, aby nebylo starce v domě tvém.
31Indro, avy ny andro izay hanapahako ny sandrinao sy ny sandrin'ny tarana-drainao, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra amin'ny taranakao.
32A viděti budeš protivníka v příbytku Páně, ve všem, čehož Bůh štědře udíleti bude Izraelovi, aniž bude starce v domě tvém po všecky dny.
32Ary hahita ny manjo ny fonenako ianao na inona na inona soa omena ho an'ny Isiraely, ka tsy hisy lehilahy ho tratrantitra amin'ny taranakao mandrakizay.[Na: fahavalo eo amin']
33A ačkoli nevyhladím do konce muže od oltáře svého, abych trápil oči tvé a bolestí ssužoval duši tvou, všecko však množství domu tvého zemrou v věku vyspělém.
33Nefa tsy dia hofongorako avokoa tsy ho eo anilan'ny alitarako izy, mba hahapahina ny masonao sy hampalahelo ny fonao; ary ny taranakao rehetra dia ho faty raha vao herotrerony.[Na: Ary ny lehilahy amin'ny taranakao izay tsy hofongorako tsy ho eo anilan'ny alitarako dia hahapahina ny masonao sy hampalahelo ny fonao]
34A to měj za znamení, což přijde na dva syny tvé, Ofni a Fínesa: oba jednoho dne umrou.
34Ary izao no ho famantarana ho anao, izay hanjo ny zanakao roa lahy, dia Hofinia sy Finehasa: ho indray andro maty izy mirahalahy.
35Vzbudím pak sobě kněze věrného, kterýž vedlé srdce mého a vedlé duše mé vše konati bude, a vzdělám jemu dům stálý, aby přisluhoval před pomazaným mým po všecky dny.
35Ary Izaho hanangana mpisorona mahatoky ho Ahy, izay hanao araka ny ato am-poko sy ato an-tsaiko; ary Izaho hampaharitra ny taranany, ka handeha eo anatrehan'ny voahosotro mandrakizay izy.Ary ho avy izay sisa rehetra amin'ny taranakao ka hiankohoka eo anatrehany hangataka vola kely sy mofo iray ka hanao hoe: Masìna ianao, mba tendreo ho isan'ny mpisorona aho, mba hahazoako sombi-mofo hohanina.
36A budeť, že kdožkoli pozůstane z domu tvého, přijde, aby se poklonil jemu, pro peníz stříbrný a pro skyvu chleba, a řekne: Připusť mne, prosím, k jedné třídě kněžské, abych jedl chléb.
36Ary ho avy izay sisa rehetra amin'ny taranakao ka hiankohoka eo anatrehany hangataka vola kely sy mofo iray ka hanao hoe: Masìna ianao, mba tendreo ho isan'ny mpisorona aho, mba hahazoako sombi-mofo hohanina.