Czech BKR

Malagasy

1 Samuel

1

1Byl muž nějaký z Ramataim Zofim, s hory Efraim, jehož jméno bylo Elkána, syn Jerochama, syna Elihu, syna Tohu, syna Zuf Efratejského.
1[Ny nahaterahan'i Samoela, sy ny nanolorana azy ho an'i Jehovah] Ary nisy lehilahy Efraimita anankiray tany Ramataima-zofima any amin'ny tany havoan'i Efraima, Elkana no anarany zanak'i Jerohama, zanak'i Eliho, zanak'i Toho, zanak'i Zofa.
2A ten měl dvě ženy, jméno jedné Anna, a jméno druhé Penenna. Měla pak Penenna děti, ale Anna neměla dětí.
2Ary namporafy izy, Hana no anaran'ny vadiny anankiray, ary Penina no anaran'ny anankiray; ary Penina nanan-janaka, fa Hana kosa tsy mba nanana.
3I chodíval muž ten z města svého každého roku, aby se klaněl a obětoval Hospodinu zástupů, do Sílo, kdež byli dva synové Elí, Ofni a Fínes, kněží Hospodinovi.
3Ary ralehilahy niakatra isan-taona niala tamin'ny tanànany hivavaka sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, tao Silo. Ary tao izy mirahalahy, zanak'i Ely, dia Hofinia sy Finehasa, mpisoron'i Jehovah.
4Když pak přišel den, v němž obětoval Elkána, dal Penenně manželce své, a všechněm synům i dcerám jejím díly.
4Ary tamin'ny andro namonoan'i Elkana zavatra hatao fanatitra dia samy nomeny anjara iray avy Penina vadiny sy ny zananilahy ary ny zananivavy rehetra.
5Anně pak dal díl jeden výborný, nebo Annu miloval, ale Hospodin zavřel byl život její.
5Fa Hana kosa nomeny anjaran-droa, satria izy no tiany, nefa nataon'i Jehovah momba.
6Přesto kormoutila ji také velmi protivnice její, toliko aby ji popouzela, proto že Hospodin zavřel byl život její.
6Ary ny rafiny dia nanorisory azy mba hampalahelo azy mafy noho ny nanaovan'i Jehovah azy momba.
7To když činíval každého roku, a Anna též chodívala do domu Hospodinova, tak ji kormoutívala protivnice; ona pak plakávala a nic nejídala.
7Ary izany no fanaon'i Elkana isan-taona, raha niakatra ho any an-tranon'i Jehovah Hana, ary izany koa no nanorisoren'ny rafiny azy, koa nitomany izy sady tsy nety nihinan-kanina.
8Tedy řekl jí Elkána muž její: Anna, proč pláčeš? A proč nejíš? Proč tak truchlí srdce tvé? Zdaliž já nejsem tobě lepší nežli deset synů?
8Fa Elkana vadiny nanao taminy hoe: Ry Hana, nahoana no mitomany ianao? ary nahoana no tsy mety mihinan-kanina ianao? ary nahoana no malahelo fo ianao? Tsy tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka folo mirahalahy va aho?
9Vstala tedy Anna, když pojedli v Sílo a napili se; a Elí kněz seděl na stolici u veřeje chrámu Hospodinova.
9Ary rehefa nihinana sy nisotro tao Silo izy, dia nitsangana Hana. Ary Ely mpisorona nipetraka tamin'ny sezany teo anilan'ny tolam-baravaran'ny tempolin'i Jehovah.
10Ona pak jsuci v hořkosti srdce, modlila se Hospodinu a plakala velmi.
10Ary Hana dia nalahelo fanahy indrindra, ka nivavaka tamin'i Jehovah izy sady nitomany dia nitomany.
11A učinila slib, řkuci: Hospodine zástupů, jestliže vzhlédneš na trápení děvky své a rozpomeneš se na mne, a nezapomeneš na děvku svou, ale dáš služebnici své plod pohlaví mužského: tedy dám jej tobě, Hospodine, po všecky dny života jeho, a břitva nevejde na hlavu jeho.
11Ary nivoady izy ka nanao hoe: Jehovah, Tompon'ny maro, raha mba hitsinjo tokoa ny alahelon'ny ankizivavinao Hianao ka hahatsiaro ahy ary tsy hanadino ny ankizivavinao, fa hanome ahy zazalahy, dia homeko ho an'i Jehovah kosa izy amin'ny andro rehetra hiainany, ka tsy hokasihin-kareza ny lohany.
12I stalo se, když se dlouho modlila před Hospodinem, že Elí pozor měl na ústa její.
12Ary raha mbola naharitra nivavaka teo anatrehan'i Jehovah izy, dia nodinihin'i Ely ny vavany.
13Ale Anna mluvila v srdci svém; toliko rtové její se hýbali, hlasu pak jejího nebylo slyšeti. I domníval se Elí, že by opilá byla.
13Fa niteny anakampo Hana, ka ny molony ihany no nihetsiketsika, fa ny feony tsy re akory; ka dia nataon'i Ely fa mamo izy.
14Protož řekl jí Elí: Dlouho-liž budeš opilá? Vystřízvěj z vína svého.
14Dia hoy Ely taminy: Mandrapahoviana no ho mamo ianao? Esory aminao ny divainao.
15Odpověděla Anna, řkuci: Nikoli, pane můj, žena jsem ducha truchlivého, ani vína ani nápoje opojného jsem nepila, ale vylila jsem duši svou před Hospodinem.
15Dia namaly Hana ka nanao hoe: Tsia, tompoko; vehivavy malahelo fanahy aho, fa tsy nisotro divay na toaka tsy akory, fa mamoaka ny ato am-poko eto anatrehan'i Jehovah aho.
16Nepřirovnávejž děvky své k ženě bezbožné, nebo z velikého myšlení a hořkosti své mluvila jsem až dosavad.
16Aza mba atao ho vehivavy tena ratsy fanahy ny ankizivavinao; fa ny haben'ny fahoriako sy ny alaheloko no nitenenako mandraka ankehitriny.
17Jíž odpověděl Elí, řka: Jdiž u pokoji, a Bůh Izraelský dejž tobě k prosbě tvé, zač jsi ho prosila.
17Dia namaly Ely ka nanao hoe: Mandehana soa aman-tsara; ary homen'Andriamanitry ny Isiraely anao anie izay nangatahinao taminy.
18I řekla: Ó by nalezla děvka tvá milost před očima tvýma! Tedy odšedši žena cestou svou, pojedla, a tvář její nebyla více smutná.
18Ary hoy izy: Aoka hahita fitia eo imasonao ny ankizivavinao. Dia lasa nandeha ravehivavy, ary nihinana izy ka tsy nalahelo tarehy intsony.
19I vstali velmi ráno, a poklonu učinivše před Hospodinem, navrátili se, a přišli do domu svého do Ramata. Poznal pak Elkána Annu manželku svou, a Hospodin rozpomenul se na ni.
19Ary nifoha maraina koa izy ireo ka nivavaka teo anatrehan'i Jehovah, dia lasa nody ka tonga tao an-tranony tany Rama; ary Elkana nahalala an'i Hana vadiny, ary Jehovah nahatsiaro azy.
20I stalo se po vyplnění dnů, jakž počala Anna, že porodila syna, a nazvala jméno jeho Samuel; nebo řekla: Vyprosila jsem ho na Hospodinu.
20Ary tamin'ny fahatanterahan'ny andro dia nanan'anaka Hana ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hoe Samoela, fa hoy izy: Tamin'i Jehovah no nangatahako azy.[Samoela = Nohenoin'Andriamanitra (?)]
21Šel pak muž ten Elkána se vší čeledí svou, aby obětoval Hospodinu obět výroční a slib svůj.
21Ary ralehilahy Elkana sy ny ankohonany rehetra niakatra hamono zavatra mba hanaterany ny fanatitra fanao isan-taona ho an'i Jehovah sy ny fanalam-boadiny.
22Ale Anna nešla, nebo řekla muži svému: Až odchovám dítě, tehdy povedu je, aby ukáže se před Hospodinem, zůstalo tam na věky.
22Fa Hana kosa tsy mba niakatra; fa hoy izy tamin'ny vadiny: Aoka aloha mandra-panoty ny zaza, fa amin'izay aho vao hitondra azy hiseho eo anatrehan'i Jehovah, ka hitoetra ao mandrakizay izy.
23I řekl jí Elkána muž její: Učiň, cožť se dobrého vidí, zůstaň, dokudž neodchováš jeho. Ó by toliko utvrdil Hospodin slovo své! A tak zůstala žena, a krmila syna svého, až jej i odchovala.
23Ary hoy Elkana vadiny taminy: Ataovy ary izay tianao; mitoera ihany mandra-panotinao azy; ary hefain'i Jehovah anie ny teniny. Dia nitoetra ravehivavy ka nampinono ny zanany mandra-panotiny azy.
24Potom, když ho odchovala, vedla jej s sebou, se třmi volky a jednou efi mouky a nádobou vína, i uvedla jej do domu Hospodinova v Sílo; dítě pak ještě bylo malé.
24Ary nony efa maoty ny zaza, vao nentiny niakatra niaraka taminy izy mbamin'ny vantotr'ombilahy telo sy koba iray efaha ary divay iray tavoara, ka nentiny ho ao an-tranon'i Jehovah tao Silo izy; ary mbola kely ny zaza.[Na: (izay efa telo taona)][Na: siny hoditra]
25Tedy zabili volka a přivedli dítě k Elí.
25Dia novonoiny ny vantotr'ombilahy iray, ary nentiny ho ao amin'i Ely ny zaza.
26Ona pak řekla: Poslyš mne, pane můj. Jako jest živa duše tvá, pane můj, já jsem žena ta, kteráž jsem stála tuto s tebou, modleci se Hospodinu.
26Ary hoy Hana: Tompoko ô, raha velona koa ny ainao, tompoko, izaho ilay vehivavy nitsangana teto anilanao ka nivavaka tamin'i Jehovah.
27Za toto dítě jsem prosila, a dal mi Hospodin k prosbě mé to, čehož jsem prosila od něho.
27Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako; dia nomen'i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy.Koa atolotro ho an'i Jehovah kosa izy: eny, amin'ny andro rehetra hiainany dia voatolotra ho an'i Jehovah izy. Dia nivavaka tamin'i Jehovah izy.
28Protož já také oddávám jej Hospodinu; po všecky dny, v nichž živ bude, oddanýť jest Hospodinu. A učinil tu poklonu Hospodinu.
28Koa atolotro ho an'i Jehovah kosa izy: eny, amin'ny andro rehetra hiainany dia voatolotra ho an'i Jehovah izy. Dia nivavaka tamin'i Jehovah izy.