1Tedy Bóz všed do brány, posadil se tam. A aj, příbuzný ten, o němž on byl mluvil, šel tudy. I řekl jemu: Poď sem, a poseď tuto. Kterýž zastaviv se, sedl.
1[Ny nampakaran'i Boaza an'i Rota, sy ny nahaterahan'i Obeda, ary ny filazam-pirazanana hatramin'i Fareza ka hatramin'i Davida] Ary rehefa tafakatra teo am-bavahady Boaza ka nipetraka teo, dia, indro, nandalo ilay havana mahavotra voalazany, dia hoy Boaza: Ranona iry ô! maitia kely ange; mipetraha eto. Dia nanatona izy ka nipetraka.
2A vzav Bóz deset mužů z starších města toho, řekl: Posaďte se tuto. I posadili se.
2Dia naka folo lahy tamin'ny loholona tao an-tanàna Boaza ka nanao hoe: Mipetraha eto ianareo. Dia nipetraka ireo.
3Tedy řekl příbuznému tomu: Díl pole, kteréž bylo bratra našeho Elimelecha, prodala Noémi, kteráž se navrátila z krajiny Moábské.
3Dia niteny tamin'Ilay havana akaiky izy ka nanao hoe: Naomy, izay niverina avy tany amin'ny tany Moaba, dia mivarotra ny tany izay an'i Elimeleka rahalahintsika.
4A já jsem umínil netajiti toho před tebou, a pravímť: Ujmi pole to před přísedícími těmito a staršími lidu mého. Jestliže chceš koupiti, kup; pakli nekoupíš, oznam mi. Nebo vím, že kromě tebe není žádného, kterýž by měl právo koupiti je, a já jsem po tobě. Tedy on řekl: Já koupím.
4Ary izaho nikasa hampandre anao hoe: Vidio eto anatrehan'izay mipetraka eto sy eto anatrehan'ny loholona amin'ny fireneko izany. Raha hanavotra ianao, dia avoty; fa raha tàhiny tsy hanavotra ianao, dia lazao amiko mba ho fantatro; fa tsy misy tokony hanavotra afa-tsy ianao, ary izaho no manarakaraka anao. Ary hoy izy: Hanavotra ihany aho.
5I řekl Bóz: Když ujmeš pole to od Noémi, tedy i Rut Moábskou, manželku mrtvého, sobě pojmeš, abys vzbudil jméno mrtvého v dědictví jeho.
5Dia hoy Boaza: Amin'izay andro ividiananao ny tany amin'ny tànan'i Naomy, dia amin'i Rota koa, vehivavy Moabita, vadin'ny maty, no hividiananao azy, mba hamelo-maso ny anaran'ny maty ao amin'ny lovany ianao.
6Odpověděl příbuzný ten: Nemohuť koupiti, abych snad nezahladil dědictví svého. Uživ ty práva příbuznosti mé, nebo já ho nemohu užiti.
6Fa hoy ilay havana mahavotra: Tsia, tsy mahazo manavotra ho an'ny tenako aho, fandrao mahasimba ny lovako; avoty ihany ho anao ny ahy, fa tsy mahavotra aho.
7(Byl pak ten obyčej od starodávna v Izraeli při koupi a směnách, ku potvrzení všelijakého jednání, že szul jeden obuv svou, a dal ji druhému. A to bylo na svědectví té věci v Izraeli.)
7Ary ny amin'ny fanavotana sy ny fanakalozana teo amin'ny Isiraely fahiny hahamafy ny teny rehetra dia izao: nesorin'ny lehilahy ny kirarony ka nomeny ho an'ny namany; dia vavolombelona teo amin'ny Isiraely izany.
8Protož řekl příbuzný Bózovi: Ujmi ty. I szul obuv svou.
8Ary hoy ilay havana mahavotra tamin'i Boaza: Vidio ho anao izany. Dia nanaisotra ny kirarony izy.
9Tedy řekl Bóz starším těm a všemu lidu: Vy svědkové jste dnes, že jsem ujal všecko, což bylo Elimelechovo, i všecko to, což bylo Chelionovo a Mahalonovo, od Noémi.
9Ary hoy Boaza tamin'ny loholona sy ny vahoaka rehetra: Hianareo no vavolombelona androany fa efa novidiko tamin'ny tànan'i Naomy izay rehetra an'i Elimeleka sy izay rehetra an'i Kiliona sy Malona.
10Ano i Rut Moábskou, ženu Mahalonovu, vzal jsem sobě za manželku, abych vzbudil jméno mrtvého v dědictví jeho, a aby nebylo zahlazeno jméno mrtvého z bratří jeho, a z brány místa jeho. Vy svědkové jste dnes toho.
10Ary Rota koa, vehivavy Moabita, vadin'i Malona, dia lasako ho vadiko hamelo-maso ny anaran'ny maty ao amin'ny lovany, mba tsy ho faty maso ny anaran'ny maty eo amin'ny rahalahiny sy eo amin'ny vavahadin'ny fonenany; ianareo no vavolombelona androany.
11I řekl všecken lid, kterýž byl v bráně města, i starší: Svědkové jsme. Dejž Hospodin, aby žena vcházející do domu tvého byla jako Ráchel a jako Lía, kteréžto dvě vzdělaly dům Izraelský. Počínejž sobě zmužile v Efratě, a dosáhni jména v Betlémě.
11Dia hoy ny vahoaka rehetra izay teo amin'ny vavahady sy ny loholona: Eny, vavolombelona izahay; hataon'i Jehovah tahaka an'i Rahely sy tahaka an'i Lea anie izay vehivavy efa ho tonga ao an-tranonao; fa izy roa vavy no nanangana ny tranon'ny Isiraely; ary aoka ho lehibe any Efrata anie ianao, ary halaza any Betlehema anie ny anaranao;
12A ať jest dům tvůj jako dům Fáresa, (kteréhož porodila Támar Judovi,) z semene toho, kteréž by dal tobě Hospodin s mladicí touto.
12ary ho tahaka ny taranak'i Fareza, izay naterak'i Tamara tamin'i Joda, anie ny taranakao avy amin'ny zanaka izay homen'i Jehovah anao amin'ity vehivavy ity.
13A tak Bóz pojal sobě Rut, a byla manželkou jeho. A když všel k ní, dal jí to Hospodin, že počala a porodila syna.
13Ary Boaza dia nampakatra an'i Rota ka nanambady azy; ary Jehovah nampanan'anaka azy, ka niteraka zazalahy izy.
14I řekly ženy Noémi: Požehnaný Hospodin, kterýž nedopustil toho, abys měla zbavena býti příbuzného v tento čas, tak aby trvalo v Izraeli jméno jeho.
14Ary hoy ireo vehivavy tamin'i Naomy: Isaorana anie Jehovah, Izay tsy namela anao androany tsy hanan-kavana mahavotra, ary aoka halaza ny anarany eo amin'ny Isiraely.
15Onť očerství duši tvou, a chovati tě bude v starosti tvé; nebo nevěsta tvá, kteráž tě miluje, porodila ho, kteráž tobě lepší jest, nežli sedm synů.
15Dia hamelona ny ainao sy hitaiza anao izy, rehefa antitra ianao; fa niteraka azy ny vinantonaovavy, izay tia anao, ilay tsara lavitra aminao mihoatra noho ny zanaka fito lahy.
16Tedy vzavši Noémi dítě, položila je na klín svůj, a byla pěstounkou jeho.
16Dia nandray ny zaza Naomy ka nitrotro azy, dia tonga mpitaiza azy.
17Daly mu pak jméno sousedy, kteréž pravily: Narodil se syn Noémi, a nazvaly ho jménem Obéd. Onť jest otec Izai, otce Davidova.
17Ary ny vehivavy namany nifidy ny anarany ka nanao hoe: Misy zazalahy teraka ho an'i Naomy; ary ny anarany nataony hoe Obeda; izy no rain'i Jese, rain'i Davida.
18A tito jsou rodové Fáresovi: Fáres zplodil Ezrona;
18Ary izao no taranak'i Fareza: Fareza niteraka an'i Hezrona;
19Ezron pak zplodil Rama, Ram pak zplodil Aminadaba;
19ary Hezrona niteraka an'i Rama; ary Rama niteraka an'i Aminadaba;
20Aminadab pak zplodil Názona, Názon pak zplodil Salmona;
20ary Aminadaba niteraka an'i Nasona; ary Nasona niteraka an'i Salmona;
21Salmon pak zplodil Bóza, Bóz pak zplodil Obéda;
21ary Salmona niteraka an'i Boaza; ary Boaza niteraka an'i Obeda;ary Obeda niteraka an'i Jese; ary Jese niteraka an'i Davida.
22Obéd pak zplodil Izai, Izai pak zplodil Davida.
22ary Obeda niteraka an'i Jese; ary Jese niteraka an'i Davida.