Czech BKR

Malagasy

Ruth

3

1Řekla jí potom Noémi svegruše její: Má dcero, nemám-liž pohledati tobě odpočinutí, aby tobě dobře bylo?
1[Ny nangatahan'i Rota an'i Boaza hitondra loloha azy araka ny hevitra natoron'i Naomy] Dia hoy Naomy rafozani-vavy taminy: Tsy hitady izay tokan-trano hahitanao fiadanana va aho, anaka, mba hahasoa anao?
2Anobrž zdaliž Bóz ten příbuzný náš, s jehož jsi děvečkami byla, nebude víti ječmene na humně noci této?
2Ary ankehitriny tsy isan'ny havantsika va Boaza, tompon'ny ankizivavy izay niarahanao? Indro, mikororoka vary hordea eo am-pamoloana izy anio alina.
3Protož umej se a pomaž, roucho své také oblec, a jdi na humno, však tak, aby nebylo známé muži tomu, prvé než by přestal jísti a píti.
3Koa mandroa sy mihosora diloilo ary miakanjoa, dia midìna any am-pamoloana; nefa aza atao fanta-dralehilahy akory ianao, raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy.
4A když půjde ležeti, znamenej místo, na kterémž lehne, a přijduc, pozdvihneš pláště u noh jeho, a tu se položíš; on pak oznámí tobě, co bys měla činiti.
4Ary rehefa mandry izy, dia fantaro izay andriany, ary midìra, ka songay ny lamba eo an-tongony, dia mandria eo ianao; ary holazainy aminao izay hataonao.
5Jížto Rut řekla: Cokoli mi rozkážeš, učiním.
5Dia hoy izy taminy: Eny, fa hataoko izay rehetra lazainao amiko.
6Šla tedy na to humno, a učinila všecko, což jí rozkázala svegruše její.
6Dia nidina tany am-pamoloana izy ka nanao araka izay rehetra nandidian'ny rafozani-vavy azy.
7Když pak pojedl Bóz a napil se, a rozveselilo se srdce jeho, šel spáti vedlé stohu; přišla i ona tiše, a pozdvihši pláště u noh jeho, položila se.
7Ary rehefa avy nihinana sy nisotro Boaza, ka faly ny fony, dia nandeha handry teo amin'ny faran'ny antontam-bary izy; fa nandeha nitsaitsaika kosa Rota, dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo.
8A když bylo o půl noci, ulekl se muž ten a zchopil se, a aj, žena leží u noh jeho.
8Ary nony namatonalina, dia taitra ralehilahy ka niarina hitsapa, ary, indro, nisy vehivavy nandry teo an-tongony.
9I řekl: Kdo jsi ty? A ona odpověděla: Já jsem Rut, děvka tvá. Vztáhni křídlo pláště svého na děvku svou, nebo příbuzný jsi.
9Dia hoy izy: Iza moa izato? Ary hoy kosa ravehivavy: Rota zatovovavinao aho; mba rakofy ny lambanao ny zatovovavinao, fa havana mahavotra ianao.
10A on řekl: Požehnaná jsi ty od Hospodina, dcero má. Větší jsi nyní pobožnosti dokázala, nežli prvé, že jsi nehledala mládenců bohatých aneb chudých.
10Dia hoy izy: Hotahin'i Jehovah anie ianao, anaka; efa nanao soa be lavitra tamin'ny ato aoriana ianao noho ny tamin'ny voalohany, noho ny tsy nanarahanao ny zatovo, na ny malahelo, na ny manan-karena.
11Protož nyní, dcero má, neboj se; vše, čehož žádáš, učiním tobě, nebo víť všecko město lidu mého, že jsi ty žena šlechetná.
11Koa ankehitriny anaka, aza matahotra; hataoko aminao izay rehetra angatahinao; fa fantatr'izay rehetra ao an-tanànan'ny fireneko fa vehivavy tsara ianao.
12A také jest to pravé, že jsem příbuzný tvůj, ale jestiť příbuzný bližší nežli já.
12Ary ankehitriny marina izany, fa havana mahavotra aho; nefa misy havana mahavotra akaiky kokoa noho izaho.
13Odpočiniž tu přes noc, a když bude ráno, jestližeť on bude chtíti práva příbuznosti k tobě užiti, dobře, nechť užive. Pakliť nebude chtíti práva užiti k tobě, já právem příbuznosti pojmu tebe, živť jest Hospodin. Spiž tu až do jitra.
13Mitoera ihany atỳ anio alina, ary rehefa maraina, raha hitondra loloha anao izy, dia tsara izany, aoka izy no hitondra loloha anao; fa raha tàhiny kosa tsy hanao izany izy, dia ho entiko loloha ihany ianao, raha velona koa Jehovah, mitoera ihany atỳ mandra-pahamarain'ny andro.
14A tak spala u noh jeho až do jitra. Potom vstala prvé, nežli by kdo poznati mohl bližního svého; nebo pečoval Bóz, aby někdo nezvěděl, že přišla žena ta na humno.
14Dia nandry teo an-tongony mandra-pahamarain'ny andro Rota, ary nifoha, raha mbola maizimaizina, ilay mbola tsy ahitana tarehy iny. Fa hoy ralehilahy: Aza avela ho fantatr'olona fa tatỳ am-pamoloana ravehivavy.
15A řekl: Přines loktušku, kterouž se odíváš, a drž ji. A když ji držela, naměřiv jí šest měr ječmene, vložil na ni. I vešla do města.
15Dia hoy koa izy: Ento etỳ ny lamba itafianao, ka hazòny izy. Ary rehefa nataony izany, dia namatra vary hordea inenin'ny famarana Boaza, ka nampitondrainy azy izany. Dia lasa nankany an-tanàna Boaza.
16A přišla k svegruši své. Kteráž řekla: Kdo jsi ty, dcero má? I vypravovala jí všecko, což jí učinil muž ten.
16Ary rehefa tonga tany amin'ny rafozani-vavy Rota, dia hoy Naomy: Nanao ahoana izay tany, anaka? Dia nambarany azy izay rehetra nataon-dralehilahy taminy.
17A řekla: Šest měr těchto ječmene dal mi, nebo řekl ke mně: Nenavrátíš se prázdná k svegruši své.
17Ary hoy koa izy: Ireto vary hordea inenin'ny famarana ireto dia nomeny ahy; fa hoy izy tamiko: Aza mandeha tsy mitondra zavatra ho any amin'ny rafozanao-vavy.Dia hoy izy: Mitoera ihany, anaka, mandra-pahafantatrao izay hiantefan'ny raharaha; fa tsy hijanona ralehilahy, fa hovitainy anio ihany ny raharaha.
18I řekla jí Noémi: Počekej, dcero má, až porozumíš, jak to padne; neboť neobleví muž ten, až tu věc dnes k místu přivede.
18Dia hoy izy: Mitoera ihany, anaka, mandra-pahafantatrao izay hiantefan'ny raharaha; fa tsy hijanona ralehilahy, fa hovitainy anio ihany ny raharaha.