1Stalo se také potom, že umřel král Ammonitský, a kraloval Chanun syn jeho po něm.
1[Ny nahatonga ny niadian'i Davida tamin'ny Amonita sy ny Syriana, ary ny nandreseny azy] Ary rehefa afaka izany, dia maty ny mpanjakan'ny taranak'i Amona, ka Hanona zanany no nanjaka nandimby azy.
2I řekl David: Učiním milosrdenství s Chanunem synem Náhasovým, jakož otec jeho učinil milosrdenství nade mnou. Tedy poslal David, aby ho potěšil skrze služebníky své pro otce jeho. I přišli služebníci Davidovi do země Ammonitských.
2Ary hoy Davida: Hanisy soa an'i Hanona, zanak'i Nahasy, aho, toy ny soa nataon-drainy tamiko. Ary Davida naniraka ny mpanompony hitsapa alahelo azy ny amin-drainy. Ary tonga tany amin'ny tanin'ny taranak'i Amona ny mpanompon'i Davida.
3I řekla knížata Ammonitská k Chanunovi, pánu svému: Cožť se zdá, že David činí poctivost otci tvému, že poslal k tobě, kteříž by tě potěšili? Zdaliž ne proto, aby shlédl město a vyšpehoval je, a potom je podvrátil, poslal David služebníky své k tobě?
3Ary hoy ireo mpanapaka ny taranak'i Amona tamin'i Hanona tompony: Moa ataonao ho fanajana ny rainao no anirahan'i Davida hitsapa alahelo anao? Fa tsy hizaha ny tanàna sy hisafo azy ary handrava azy va no nanirahan'i Davida ireo mpanompony ireo hankatỳ aminao?
4A tak Chanun vzav služebníky Davidovy, oholil každému půl brady, a zustřihoval roucha jejich až do polovice, totiž až do zadků jejich, a propustil je.
4Dia nosamborin'i Hanona ny mpanompon'i Davida, ka noharatany ny ila-somony, sady nofolonany hatreo amin'ny foto-peny ny akanjony, ka dia nalefany hody izy.
5To když oznámili Davidovi, poslal proti nim, (nebo muži ti zohaveni byli velice), a řekl jim král: Pobuďte v Jerichu, dokudž neobrostou brady vaše, potom se navrátíte.
5Ary dia nisy lasa nanambara izany tamin'i Davida, ary izy naniraka hitsena azy, fa afa-baraka loatra ireo lehilahy ireo; ka dia hoy ny tenin'ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin'ny somotrareo, vao mody ianareo.[Na: menatra]
6Vidouce pak Ammonitští, že se zošklivili Davidovi, poslavše, najali ze mzdy z Syrie z domu Rohob, a z Syrie Soba dvadcet tisíců pěších, a od krále Maacha tisíc mužů, a od Istoba dvanácte tisíc mužů.
6Ary nony hitan'ny taranak'i Amona fa efa mangidy hoditra eo anatrehan'i Davida izy, dia naniraka nanakarama ny Syriana any Beti-rehoba sy ny Syriana any Zoba izy, dia miaramila an-tongotra roa alina, ary tamin'ny mpanjakan'i Maka, olona arivo lahy, ary tamin'ny olona tany Toba, roa arivo sy iray alina.
7Což uslyšev David, poslal Joába se vším vojskem udatných.
7Ary nony ren'i Davida izany, dia naniraka an'i Joaba sy ny miaramila rehetra izy, dia ny lehilahy mahery.
8A tak vytáhše Ammonitští, šikovali se k boji u brány, Syrští také, Soba a Rohob, a Istob i Maacha zvláště byli na poli.
8Ary ny taranak'i Amona nivoaka ka nilahatra hiady teo anoloan'ny vavahady; ary ny Syriana avy any Zoba sy Rehoba sy ny olona avy tany Toba ary Maka nitokana teny an-tsaha kosa.
9A protož vida Joáb proti sobě sšikovaný boj s předu i s zadu, vybrav některé ze všech výborných Izraelských, sšikoval je také proti Syrským.
9Ary rehefa hitan'i Joaba fa teo anoloany sady teo ivohony ny fahavalo, dia nifidy olona tamin'ireo voafantina tamin'ny Isiraely rehetra izy, ka nalahany hiady tamin'ny Syriana.
10Ostatek pak lidu dal pod správu Abizai bratra svého, a sšikoval jej proti Ammonitským.
10Ary ny olona sisa kosa nomeny ho entin'i Abisay rahalahiny halahany hiady amin'ny taranak'i Amona.
11A řekl: Jestliže Syrští budou silnější mne, přispěješ mi na pomoc; jestliže pak Ammonitští silnější budou tebe, také přispěji, abych pomohl tobě.
11Ary hoy izy: Raha tsy tohako ny Syriana, dia vonjeo aho; fa raha tsy tohanao kosa ny taranak'i Amona, dia hovonjeko ianao.
12Posiliž se, a buďme udatní, bojujíce za lid náš a za města Boha našeho, Hospodin pak učiní, což se jemu dobře líbiti bude.
12Mahereza ary, ka aoka hitombandahy isika ho an'ny firenentsika sy ny tanànan'Andriamanitsika; ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony.
13I přistoupil Joáb s lidem svým k bitvě proti Syrským, a oni utekli před ním.
13Ary Joaba sy ny olona nanaraka azy nandroso hiady amin'ny Syriana; ary dia nandositra niala teo anoloany ireo.
14Tedy Ammonitští vidouce, že utíkají Syrští, utekli i oni před Abizai a vešli do města. I navrátil se Joáb od Ammonitských a přišel do Jeruzaléma.
14Ary nony hitan'ny taranak'i Amona fa nandositra ny Syriana, dia mba nandositra koa izy niala teo anoloan'i Abisay ka niditra tao an-tanàna. Ary Joaba niverina avy namely ny taranak'i Amona ka tonga tany Jerosalema.
15Ale Syrští vidouce, že by poraženi byli od Izraele, sebrali se vespolek.
15Ary nony hitan'ny Syriana fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia nivory izy.
16Poslal také Hadarezer a vyvedl Syrské, kteříž bydlejí za řekou, a přišli k Helam; Sobach pak, hejtman vojska Hadarezerova, vedl je.
16Ary Hadadezera naniraka naka ny Syriana izay tany an-dafin'ny Ony; ary dia tonga tany Helama izy; ary Sobaka, komandin'ny miaramilan'i Hadadezera, no nitarika azy.[Eofrata]
17I oznámeno to Davidovi. Kterýžto shromáždiv všecken lid Izraelský, přepravil se přes Jordán, a přitáhli k Helam. I sšikovali se Syrští proti Davidovi, a bojovali proti němu.
17Ary nony nambara tamin'i Davida izany, dia nampamory ny Isiraely rehetra izy ka lasa nita an'i Jordana, dia tonga tany Helama. Ary nilahatra ny Syriana hiady amin'i Davida, ka dia rafitra ny ady.
18Tedy utekli Syrští před Izraelem, a porazil David z Syrských sedm set vozů a čtyřidceti tisíc jezdců. Sobacha také hejtmana vojska toho ranil, i umřel tu.
18Ary vaky nandositra teo anoloan'ny Isiraely ny Syriana, ka nahafaty ny tao an-kalesy fiton-jato sy ny an-tsoavaly efatra alina tamin'ny Syriana Davida sady namely an'i Sobaka koa, ilay komandin'ny miaramila, ka nahafaty azy teo.Ary nony hitan'ny mpanjaka rehetra izay nanoa an'i Hadadezera fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia nanao fihavanana tamin'ny Isiraely izy ireo ka nanompo azy. Dia natahotra ny Syriana, ka tsy nety namonjy ny taranak'i Amona intsony.
19Když pak viděli všickni králové, kteříž byli při Hadarezerovi, že jsou poraženi od Izraele, vešli v pokoj s Izraelem a sloužili jemu. A nesměli již více Syrští táhnouti na pomoc Ammonitským.
19Ary nony hitan'ny mpanjaka rehetra izay nanoa an'i Hadadezera fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia nanao fihavanana tamin'ny Isiraely izy ireo ka nanompo azy. Dia natahotra ny Syriana, ka tsy nety namonjy ny taranak'i Amona intsony.