Czech BKR

Malagasy

2 Samuel

9

1Tedy řekl David: Jest-li ještě kdo pozůstalý z domu Saulova, abych jemu učinil milosrdenství pro Jonatu?
1[Ny soa nataon'i Davida tamin'i Mefiboseta] Ary hoy Davida: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan'i Saoly mba hasiako soa noho ny amin'i Jonatana?
2Byl pak služebník domu Saulova, jehož jméno bylo Síba. I zavolali ho k Davidovi. I řekl král jemu: Ty-li jsi Síba? Odpověděl: Jsem služebník tvůj.
2Ary nisy mpanompon'ny fianakavian'i Saoly, Ziba no anarany. Ary nantsoiny hankany amin'i Davida izy, ka hoy ny mpanjaka taminy: Hianao moa no Ziba? Ary hoy izy: Izaho mpanomponao no izy.
3Řekl jemu král: Jest-liž ještě kdo z domu Saulova, abych jemu učinil milosrdenství Boží? Odpověděl Síba králi: Ještě jest syn Jonatův chromý na nohy.
3Ary hoy ny mpanjaka: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan'i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon'Andriamanitra? Dia hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Mbola misy zanakalahin'i Jonatana iray ihany ao, nefa malemy tongotra izy.
4I řekl jemu král: Kdež jest? Odpověděl Síba králi: Tam jest v domě Machiry, syna Amielova v Lodebar.
4Ary hoy ny mpanjaka taminy; Aiza anefa izy? Dia hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Indro izy ao an-tranon'i Makira, zanak'i Amiela, ao Lo-debara.
5Protož poslav král David, vzal ho z domu Machiry, syna Amielova z Lodebar.
5Ary Davida mpanjaka naniraka haka azy tao an-tranon'i Makira, zanak'i Amiela, tao Lodebara.
6A když přišel Mifibozet syn Jonaty, syna Saulova, k Davidovi, padl na tvář svou a poklonil se. I řekl David: Mifibozete. Kterýž odpověděl: Aj, služebník tvůj.
6Ary nony tonga teo amin'i Davida Mefiboseta, zanak'i Jonatana, zanak'i Saoly, dia niankohoka sy nitsaoka azy izy. Ary hoy Davida: Mefiboseta! Dia hoy izy: Inty ny mpanomponao.
7Řekl jemu David: Neboj se, nebo jistě učiním s tebou milosrdenství pro Jonatu otce tvého, a navrátím tobě všecka pole Saule otce tvého, a ty jídati budeš za stolem mým vždycky.
7Ary hoy Davida taminy: Aza matahotra, fa hasiako soa tokoa ianao noho ny amin'i Jonatana rainao, ary hampodiko ho anao ny tany rehetra izay an'i Saoly rainao, ary ianao hihinana eo amin'ny latabatro mandrakariva.
8Kterýž pokloniv se, řekl: Co jest služebník tvůj, že jsi se ohlédl na psa mrtvého, jakýž jsem já?
8Dia niankohoka izy ka nanao hoe: Zinona moa aho mpanomponao izay toy ny alika maty, no mba jerenao?
9Zatím povolal král Síby, služebníka Saulova a řekl jemu: Cožkoli měl Saul i všecka čeled jeho, to jsem dal synu pána tvého.
9Dia niantso an'i Ziba, mpanompon'i Saoly, ny mpanjaka ka nanao taminy hoe: Izay rehetra nananan'i Saoly sy ny mpianakaviny rehetra dia nomeko ny zanakalahin'ny tomponao.
10Budeš tedy jemu spravovati rolí, ty i synové tvoji i služebníci tvoji, a snášeti budeš, aby měl syn pána tvého pokrm, kterýž by jedl, ale Mifibozet syn pána tvého jídati bude vždycky za stolem mým. (Měl pak Síba patnácte synů a dvadceti služebníků.)
10Koa ianao sy ny zanakaolahy ary ny mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra hanin-kohanina ho an'ny zanakalahin'ny tomponao; fa Mefiboseta, zanakalahin'ny tomponao, hihinana eo amin'ny latabatro mandrakariva. Ary Ziba nanana zanakalahy dimy ambin'ny folo sy mpanompo roa-polo.
11Odpověděl Síba králi: Vedlé všeho, jakž přikázal pán můj král služebníku svému, tak učiní služebník tvůj, ačkoli i Mifibozet mohl by jídati za stolem mým jako jeden z synů královských.
11Ary hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Araka izay rehetra nandidianao mpanjaka tompoko no hataon'ny mpanomponao. Fa ny amin'i Mefiboseta, hoy Davida, dia hihinana eo amin'ny latabatro toy ny anankiray amin'ny zanakalahin'ny mpanjaka izy.
12Měl také Mifibozet syna malého, jemuž jméno bylo Mícha; a všickni, kteříž bydlili v domě Síbově, byli za služebníky Mifibozetovi.
12Ary Mefiboseta nanan-janakalahy tanora, Mika no anarany. Ary izay rehetra nitoetra tao an-tranon'i Ziba dia mpanompon'i Mefiboseta avokoa.Ary Mefiboseta nonina tany Jerosalema; fa teo amin'ny latabatry ny mpanjaka no nihinanany mandrakariva; ary nalemy ny tongony roa.
13A tak Mifibozet zůstával v Jeruzalémě, proto že vždycky za stolem královským jídal; a byl kulhavý na obě noze.
13Ary Mefiboseta nonina tany Jerosalema; fa teo amin'ny latabatry ny mpanjaka no nihinanany mandrakariva; ary nalemy ny tongony roa.