1Stalo se potom, že porazil David Filistinské, a zemdlil je; i vzal David Meteg Amma z ruky Filistinských.
1[Ny nandresen'i Davida ny fahavalony] Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy; ary ny fanapahana ny renivohitra dia nesorin'i Davida tamin'ny tanan'ny Filistina.
2Porazil také Moábské a změřil je provazcem, na zemi je rozprostíraje; a odměřil jich dva provazce k zbití a celý provazec k živení. I učiněni jsou Moábští Davidovi služebníci, a dávali jemu plat.
2Ary nandresy ny Moabita koa izy, dia nampandriny tamin'ny tany ireo ary nohariny tamin'ny kofehy, ka izay indroan'ny kofehy novonoiny, fa ny erany kosa novelominy; ka dia tonga mpanompon'i Davida ny Moabita ka nandoa hetra.
3Porazil též David Hadadezera syna Rohobova, krále Soba, když byl vytáhl, aby rozšířil končiny své až k řece Eufraten.
3Dia resin'i Davida koa Hadadezera, zanak'i Rehoba, mpanjakan'i Zoba, tamin'izy lasa nampody ny fanjakany teo amoron'ny ony Eofrata.
4A pobral mu David tisíc vozů a sedm set jezdců, a dvadceti tisíc mužů pěších, a zpodřezoval David žily všechněm koňům vozníkům; toliko zanechal z nich ke stu vozům.
4Ary Davida nahazo babo taminy, dia miaramila an-tsoavaly fiton-jato amby arivo sy miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin'i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin'ny kalesy zato ihany no navelany.
5Přitáhli pak byli Syrští od Damašku na pomoc Hadadezerovi králi Soba, ale David porazil z Syrských dvamecítma tisíc mužů.
5Ary tonga ny Syriana avy tany Damaskosy hanampy an'i Hadadezera, mpanjakan'i Zoba; dia nahafatesan'i Davida olona roa arivo sy roa alina koa ny Syriana.
6Tedy osadil David stráží Syrii Damašskou, a byli Syrští služebníci Davidovi, dávajíce plat; nebo zachovával Hospodin Davida, kamžkoli se obrátil.
6Ary nametrahan'i Davida miaramila tany Syria momba an'i Damaskosy; dia tonga mpanompon'i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany.
7Pobral také David štíty zlaté, kteréž měli služebníci Hadadezerovi, a přinesl je do Jeruzaléma.
7Ary nalain'i Davida ny ampinga volamena izay teny amin'ny mpanompon'i Hadadezera ka nentiny nankany Jerosalema.
8Z Betach též a z Berot, měst Hadadezerových, nabral král David velmi mnoho mědi.
8Ary teo Beta sy Berotahy, tanànan'i Hadadezera, no nahazoan'i Davida mpanjaka babo varahina be dia be.
9A když uslyšel Tohi král Emat, že porazil David všecko vojsko Hadadezerovo,
9Ary nony ren'i Toy, mpanjakan'i Hamata, fa efa naharesy ny miaramilan'i Hadadezera rehetra Davida,
10Poslal Tohi Jorama syna svého k králi Davidovi, aby ho pozdravil přátelsky, a spolu s ním se radoval z toho, že šťastně bojoval s Hadadezerem, a porazil ho; (nebo Hadadezer vedl válku proti Tohi). Kterýžto přinesl s sebou nádoby stříbrné, též nádoby zlaté a nádoby měděné.
10dia nirahin'i Toy Jorama zanany hankany amin'i Davida mpanjaka hiarahaba azy sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin'i Hadadezera sy ny nandreseny azy (fa Hadadezera dia fahavalon'i Toy); ary gorama nitondra fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary fanaka varahina;
11Ty také obětoval král David Hospodinu s stříbrem a zlatem posvěceným ze všech národů, kteréž podmanil,
11dia nohamasinin'i Davida mpanjaka ho an'i Jehovah koa izany mbamin'ny volafotsy sy ny volamena izay nohamasininy avy tamin'ny firenena rehetra izay efa resiny,
12Totiž z Syrských a Moábských, též z synů Ammon a z Filistinských, i z Amalechitských a z kořistí Hadadezera syna Rohobova, krále Soba.
12dia tamin'i Syria sy Moaba sy ny taranak'i Amona sy ny Filistina sy ny Amalekita ary ny babo azony tamin'i Hadadezera, zanak'i Rehoba, mpanjakan'i Zoba.
13Zvelebil také David své jméno, když se navracoval od pobití osmnácti tisíců Syrských v údolí solnatém.
13Ary Davida nahazo laza nony niverina avy nandresy ny Syriana valo arivo sy iray alina teo amin'ny Lohasahan-tsira.
14Protož i nad Idumejskými stráž postavil, všecku krajinu Idumejskou stráží osadiv. I učiněni jsou všickni Idumejští služebníci Davidovi; nebo zachovával Hospodin Davida, kamž se koli obrátil.
14Ary nametrahany miaramila tany Edoma; eny, nametrahany miaramila avokoa Edoma rehetra, ary ny mponina rehetra tany Edoma dia tonga mpanompon'i Davida. Ary Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany.
15I kraloval David nade vším Izraelem, a činil David soud a spravedlnost všemu lidu svému.
15[Ny mpanao raharaham-panjakana tamin'i Davida] Ary Davida nanjaka tamin'ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra marina ny vahoakany rehetra.
16Joáb pak syn Sarvie byl nad vojskem, a Jozafat syn Achiludův kancléřem;
16Ary Joaba, zanak'i Zeroia, no komandin'ny miaramila; ary Josafata, zanak'i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana;
17Sádoch také syn Achitobův a Achimelech syn Abiatarův kněžími, a Saraiáš písařem.
17ary Zadoka, zanak'i Ahitoba, sy Ahimeleka, zanak'i Abiatara, no mpisorona; ary Seraia no mpanoratra;ary Benaia, zanak'i Joiada, no mpifehy ny mpiambina andriana; ary ny zanak'i Davida no mpanolo-tsaina. [Heb. Kerenita sy Peletita][Na: mpisorona]
18Benaiáš pak syn Joiadův byl nad Cheretejskými a Peletejskými, a synové Davidovi knížaty.
18ary Benaia, zanak'i Joiada, no mpifehy ny mpiambina andriana; ary ny zanak'i Davida no mpanolo-tsaina. [Heb. Kerenita sy Peletita][Na: mpisorona]