1I stalo se, že když král seděl v domě svém, a Hospodin jemu dal odpočinutí vůkol přede všemi nepřátely jeho,
1[Ny nanirian'i Davida hanao tempoly sy ny toky nomen'Andriamanitra azy ny amin'ny haharetan'ny fanjakany, ary ny vavaka nataon'i Davida tamin'izany] Ary raha nipetraka tao an-tranony ny mpanjaka, ary efa nampiadanin'i Jehovah tamin'ny fahavalony rehetra manodidina azy izy,
2Řekl král Nátanovi proroku: Pohleď medle, já bydlím v domě cedrovém, truhla pak Boží přebývá mezi kortýnami.
2dia hoy ny mpanjaka tamin'i Natana mpaminany: Akory izato izaho mitoetra amin'ny trano sedera, nefa ny fiaran'Andriamanitra kosa mitoetra ao anaty lay!
3I dí Nátan králi: Cožkoli jest v srdci tvém, jdi, učiň, nebo Hospodin s tebou jest.
3Dia hoy Natana tamin'ny mpanjaka: Andeha, ataovy izay rehetra ao am-ponao; fa Jehovah no momba anao.
4Potom té noci stalo se slovo Hospodinovo k Nátanovi, řkoucí:
4Ary tamin'ny alin'iny ihany dia tonga tamin'i Natana ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
5Jdi a pověz služebníku mému Davidovi: Takto praví Hospodin: Zdaliž ty mi stavěti budeš dům, v kterémž bych přebýval?
5Andeha, lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hianao va no hanao trano hitoerako?
6Poněvadž jsem nebydlil v domě od toho dne, jakž jsem vyvedl syny Izraelské z Egypta, až do dne tohoto, ale přecházel jsem s stánkem a příbytkem sem i tam.
6Fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin'ny nitondrako ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany Egypta ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby sy nifindrafindra toerana. [Heb. lay][Heb. tabernakely]
7Nadto kudyž jsem koli chodil se všechněmi syny Izraelskými, zdali jsem jedno slovo řekl kterému z soudců Izraelských, kterémuž jsem přikázal pásti lid svůj Izraelský, řka: Proč jste mi neustavěli domu cedrového?
7Ary tamin'izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin'ny Zanak'Isiraely, moa nisy nitenenako akory va ny firenen'Isiraely, izay notendreko ho mpiandry ny Isiraely oloko, ka nanaovako hoe: Nahoana no tsy manao trano sedera ho Ahy ianareo?
8Protož nyní toto díš služebníku mému Davidovi: Takto praví Hospodin zástupů: Jáť jsem tě vzal z ovčince od stáda, abys byl vývodou lidu mého Izraelského.
8Koa lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Izaho no naka anao avy tany an-tsaha, dia avy tamin'ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko.
9A býval jsem s tebou všudy, kamž jsi koli se obracel; všecky také nepřátely tvé vyhladil jsem před tváří tvou, a učinil jsem tobě jméno veliké, jako jméno vyvýšených na zemi.
9Ary nomba anao tamin'izay nalehanao rehetra Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana malaza tahaka ny anaran'izay lehibe ambonin'ny tany ianao.
10Způsobím tolikéž místo lidu svému Izraelskému, a vštípím jej, a bydliti bude v místě svém a nepohne se více, aniž ho budou více trápiti lidé nešlechetní jako prvé,
10Ary hifidy tany ho an'ny Isiraely oloko Aho sady hamponina azy, ka dia handry fahizay amin'ny fonenany ary tsy hanana ahiahy intsony izy, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy intsony tahaka ny taloha
11Hned od toho dne, jakž jsem ustanovil soudce nad lidem svým Izraelským, až jsem teď dal odpočinutí tobě přede všemi nepřátely tvými. Přesto oznamujeť Hospodin, že on sám tobě dům vzdělá.
11sy tahaka ny hatramin'ny nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko; ary hampiadana anao ho afaka amin'ny fahavalonao rehetra Aho. Ary lazain'i Jehovah aminao koa fa hanome taranaka ho anao Izy.[Heb. nampiadana][Heb. hanao trano]
12Když se vyplní dnové tvoji, a usneš s otci svými, vzbudím símě tvé po tobě, kteréž vyjde z života tvého, a utvrdím království jeho.
12Ary rehefa tapitra ny andronao, ka hodi-mandry any amin'ny razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny zanakao izay haterakao, ary hampitoeriko ny fanjakany;
13Onť ustaví dům jménu mému, a já utvrdím trůn království jeho až na věky.
13dia io no hanao trano ho an'ny anarako, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianan'ny fanjakany ho mandrakizay.
14Já budu jemu otcem, a on mi bude synem. Kterýž když zhřeší, trestati ho budu metlou lidskou a ranami synů lidských.
14Izaho ho rainy, ary izy ho zanako. Raha manao izay meloka izy, dia hanariko amin'ny tsorakazon'ny olona sy ny kapoky ny zanak'olombelona;
15Ale milosrdenství mé nebude odjato od něho, tak jako jsem je odjal od Saule, kteréhož jsem zahnal od tváři tvé.
15nefa ny famindram-poko tsy mba hiala aminy, tahaka ny nanesorako izany tamin'i Saoly, izay nesoriko teo alohanao.
16A tak utvrzen bude dům tvůj a království tvé až na věky před tebou, a trůn tvůj bude stálý až na věky.
16Ary ny taranakao sy ny fanjakanao hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay.
17Vedlé všech slov těchto, a podlé všeho vidění tohoto, tak mluvil Nátan Davidovi.
17Araka izany teny rehetra izany sy araka izao fahitana rehetra izao no nolazain'i Natana tamin'i Davida.
18Tedy všed král David, posadil se před Hospodinem a řekl: Kdo jsem já, Panovníče Hospodine, a jaký jest dům můj, že jsi mne přivedl v ta místa.
18Ary Davida mpanjaka niditra ka nipetraka teo anatrehan'i Jehovah ary nanao hoe: Zinona moa aho, Jehovah Tompo ô? Ary zinona ny mpianakaviko, no novimbininao ambaraka ankehitriny aho?
19Nýbrž ještěť se to málo vidělo, Panovníče Hospodine, že jsi také mluvil i o domu služebníka svého na dlouhé časy, ješto jest to povaha lidská, Panovníče Hospodine.
19Ary mbola ataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Jehovah Tompo ô, fa, indro, efa voalazanao koa ny amin'ny taranaky ny mpanomponao hatramin'ny mbola any aoriana lavitra aza. Ary izany dia fanaon'ny olona, Jehovah Tompo ô.
20Ale což již více má mluviti David před tebou? Však ty znáš služebníka svého, Panovníče Hospodine.
20Ka inona intsony no holazain'i Davida aminao? Fa Hianao, Jehovah Tompo ô, no mahalala ny mpanomponao.
21Pro slovo své a podlé srdce svého činíš všecky tyto věci veliké, v známost je uvodě služebníku svému.
21Noho ny teninao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe rehetra io, hampahalalanao ny mpanomponao.
22(Protož zveleben jsi Hospodine Bože, nebo není tobě rovného, anobrž není žádného Boha kromě tebe), podlé toho všeho, jakž jsme slýchali ušima svýma.
22Koa amin'izany dia lehibe Hianao, Jehovah Andriamanitra; fa tsy misy tahaka Anao, ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao araka izay rehetra ren'ny sofinay.
23Kdo tedy jest jako lid tvůj, jako Izrael, který národ na zemi, jehož by Bůh šel, aby jej sobě vykoupil za lid, a dobyl sobě jména, a učinil tobě, ó Izraeli, tyto veliké věci a hrozné v zemi tvé, před oblíčejem lidu svého, kterýž jsi sobě vysvobodil z Egypta, z pohanstva bohů jejich?
23Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan'Andriamanitra havotana ho olony, sy hanaovany anarana ho Azy, ary hanaovany zavatra lehibe ho anareo sy zava-mahatahotra ho an'ny taninao teo anatrehan'ny olonao, izay navotanao ho Anao avy tamin'ny firenen'i Egypta sy ny andriamaniny?
24A vzdělal jsi sobě lid svůj Izraelský, sobě v lid až na věky, a protož, Hospodine, jsi jejich Bohem.
24Dia nampitoerinao ny Isiraely olonao ho olonao mandrakizay: ary Hianao, Jehovah ô, no efa tonga Andriamaniny.
25Nyní tedy, Hospodine Bože, slovo to, jímž jsi se zamluvil služebníku svému a domu jeho, naplniž je až na věky, a učiň tak, jakž jsi mluvil,
25Ary ankehitriny, Jehovah Andriamanitra ô, ilay teny nolazainao ny amin'ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao.
26Tak aby zvelebováno bylo jméno tvé až na věky, když se říkati bude: Hospodin zástupů jest Bůh nad Izraelem, a dům služebníka tvého Davida aby byl stálý před oblíčejem tvým.
26Ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe; Jehovah, Tompon'ny maro, no Andriamanitry ny Isiraely; ka dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak'i Davida mpanomponao.
27Nebo ty, Hospodine zástupů, Bože Izraelský, zjevil jsi mně služebníku svému, řka: Dům ustavím tobě. Protož usoudil služebník tvůj v srdci svém, aby se modlil tobě modlitbou touto.
27Fa Hianao, Jehovah Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, efa nilaza tamin'ny mpanomponao hoe: Izaho hanome taranaka anao; koa izany no nampahasahy ny fon'ny mpanomponao hanao izao vavaka izao aminao.[Heb. hanao trano ho anao]
28A tak již, Panovníče Hospodine, ty sám jsi Bůh, a slova tvá jsou pravda, jimiž jsi zaslíbil služebníku svému dobré věci tyto.
28Ary noho izany, Jehovah Tompo ô, satria Hianao no Andriamanitra, ary marina ny teninao, ary Hianao efa nilaza izany zava-tsoa izany ny amin'ny mpanomponao,dia aoka ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa Hianao, Jehovah Tompo ô, efa niteny izany; eny, aoka ny fitahianao no hitahianao ny taranaky ny mpanomponao mandrakizay.
29Již tedy rač požehnati domu služebníka svého, aby trval na věky před oblíčejem tvým. Nebo ty jsi, Hospodine Bože, mluvil, že požehnáním tvým požehnán bude dům služebníka tvého na věky.
29dia aoka ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa Hianao, Jehovah Tompo ô, efa niteny izany; eny, aoka ny fitahianao no hitahianao ny taranaky ny mpanomponao mandrakizay.