1Vznikla-li by jaká nesnáz mezi některými, a přistoupili by k soudu, aby je rozsoudili, tedy spravedlivého ospravedlní, a nepravého odsoudí.
1[Ny amin'ny kapoka hatao amin'izay meloka, sy ny fitondran-doloha ny vadin-drahalahy, ary ny tsy hanaovana varo-dratsy] Raha misy olona manana ady ka mankeo amin'ny fitsarana ary tsarain'ny mpitsara, dia aoka hohamarininy izay marina ary hohelohiny kosa izay meloka.
2Bude-li pak hoden mrskání nepravý, tedy káže ho položiti soudce a mrskati před sebou, vedlé nepravosti jeho v jistý počet ran.
2Ary raha tokony hokapohina ny meloka, dia aoka hampandrin'ny mpitsara izy ka hokapohina eo anatrehany, ary hatao araka ny helony no isan'ny kapoka hatao aminy.
3Čtyřidcetikrát káže ho mrštiti, aniž přidá více, aby, jestliže by jej nadto mrskal ranami mnohými, nebyl příliš zlehčen bratr tvůj před očima tvýma.
3Hatramin'ny efa-polo no kapoka azo hatao aminy, fa tsy hatao mihoatra; fandrao raha mihoatra noho izany, dia ho toy ny tsinontsinona eo imasonao ny rahalahinao.
4Nezavížeš úst vola mlátícího.
4Aza manakombona ny vavan'ny omby mively vary.
5Když by bratří spolu bydlili, a umřel by jeden z nich, nemaje syna, nevdá se ven žena toho mrtvého za jiného muže; bratr jeho vejde k ní, a vezme ji sobě za manželku, a právem švagrovství přižení se k ní.
5Raha misy mpirahalahy miara-monina, ary maty momba ny anankiray, dia aoka tsy hanambady vahiny any ivelany ny vadin'ny maty; fa ny rahalahin'ny vadiny ihany no aoka hanambady azy ka hitondra loloha azy.
6Prvorozený pak, kteréhož by porodila, nazván bude jménem bratra jeho mrtvého, aby nebylo vyhlazeno jméno jeho z Izraele.
6Ary ny lahimatoa izay haterany dia hitondra ny anaran'ilay rahalahy izay efa maty, mba tsy ho faty maso eo amin'ny Isiraely izy.
7Nechtěl-li by pak muž ten pojíti příbuzné své, tedy přijde příbuzná jeho k bráně před starší a řekne: Nechce příbuzný můj vzbuditi bratru svému jména v Izraeli, a nechce podlé práva švagrovství pojíti mne.
7Ary raha tsy sitra-dralehilahy ny hitondra loloha ny vadin-drahalahiny, dia aoka hankeo amin'ny vavahady ho eo amin'ny loholona ravehivavy ka hanao hoe: Ny rahalahin'ny vadiko tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny, fa tsy mety mitondra loloha ahy.
8Tedy povolají ho starší města toho, a mluviti budou s ním; a stoje, řekl-li by: Nechci jí pojíti,
8Dia hantsoin'ny loholona amin'ny tanàna ralehilahy ka hadininy; ary raha mikiry izy ka manao hoe: Tsy sitrako ny hanambady azy,
9Přistoupí příbuzná jeho k němu před staršími, a szuje střevíc jeho s nohy jeho, a pline mu na tvář a odpoví, řkuci: Tak se má státi muži tomu, kterýž by nechtěl vzdělati domu bratra svého.
9dia hanatona azy eo anatrehan'ny loholona ny vadin-drahalahiny ka hanala ny kapa amin'ny tongo-dralehilahy, dia handrora amin'ny tavany ka hiteny hoe: Toy izany no hatao amin'izay olona tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny.
10I bude nazváno jméno jeho v Izraeli: Dům bosého.
10Ary ny anaran-dralehilahy dia hatao eo amin'ny Isiraely hoe: Fianakavian'ilay nalan-kapa.
11Když by se svadili někteří spolu jeden s druhým, a přistoupila by žena jednoho, aby vysvobodila muže svého z ruky bijícího jej, i vztáhla by ruku svou a uchopila by ho za lůno:
11Raha misy olona miady, ary ny vadin'ny anankiray manatona hamonjy ny vadiny amin'ny tànan'izay mamely azy, ary maninjitra ny tànany ka mandray azy an-kasarotana,
12Tedy utneš ruku její, neslituje se nad ní oko tvé.
12dia hotapahinao ny tànany; tsy hiantra azy ny masonao.
13Nebudeš míti v pytlíku svém nejednostejného kamene, většího a menšího.
13Aoka tsy hisy vato mahery sy reraka ao an-kitaponao.
14Aniž budeš míti v domě svém nejednostejného korce, většího a menšího.
14Aoka tsy hisy famarana mihoatra sy latsaka ao an-tranonao.
15Váhu celou a spravedlivou míti budeš, též míru celou a spravedlivou budeš míti, aby se prodlili dnové tvoji v zemi, kterouž Hospodin Bůh tvůj dává tobě.
15Vato feno lanja sady marina ary famarana tonga ohatra sady marina no aoka hotananao, mba ho maro andro ianao any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao.
16Nebo v ohavnosti jest Hospodinu Bohu tvému, kdožkoli činí ty věci, všeliký činící nepravost.
16Fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany zavatra izany, dia izay rehetra manao ny tsy marina.
17Pamatuj na to, coť učinil Amalech na cestě, když jste šli z Egypta:
17[Ny amin'ny handringanana ny Amalekita] Tsarovy izay nataon'ny Amalekita taminao teny an-dalana tamin'ny nandehananareo avy tany Egypta,
18Kterak vyšed tobě v cestu, zadní houf tvůj všech mdlých, kteříž šli za tebou, pobil, když jsi ty byl zemdlený a ustalý, a nebál se Boha.
18dia ny nitsenany anao teny an-dalana sy ny namelezany ny vodi-lalanao, dia izay rehetra tsy afaka teo aorianao, raha reraka sy sasatra ianao; fa tsy natahotra an'Andriamanitra izy.Ary rehefa omen'i Jehovah Andriamanitrao fitsaharana amin'ny fahavalonao rehetra manodidina ianao any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, dia hovonoinao ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eo ambanin'ny lanitra intsony: aza hadinoinao izany.
19Protož když byl Hospodin Bůh tvůj dal tobě odpočinutí ode všech nepřátel tvých vůkol v zemi, kterouž Hospodin Bůh tvůj dává tobě v dědictví, abys dědičně obdržel ji, vyhladíš památku Amalecha pod nebem; nezapomínejž na to.
19Ary rehefa omen'i Jehovah Andriamanitrao fitsaharana amin'ny fahavalonao rehetra manodidina ianao any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, dia hovonoinao ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eo ambanin'ny lanitra intsony: aza hadinoinao izany.