Czech BKR

Malagasy

Deuteronomy

26

1Když pak vejdeš do země, kterouž Hospodin Bůh tvůj dává tobě v dědictví, a opanuje ji, bydliti v ní budeš:
1[Ny fisaorana ho fanao raha manatitra ny fahafolon-karena, ary izay tokony hatao aminy] Ary rehefa tonga ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao ianao ka mandova azy ary monina ao,
2Vezmeš prvotin všeho ovoce země té, kteréž obětovati budeš z země své, již Hospodin Bůh tvůj dává tobě, a vlože do koše, půjdeš k místu, kteréž by Hospodin Bůh tvůj k přebývání tam jménu svému vyvolil.
2dia analao ny voaloham-bokatra rehetra amin'ny tany, izay alainao avy amin'ny taninao, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao, ka ataovy an-karona; ary mankanesa ho any amin'ny tany izay hofidin'i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany;
3A přijda k knězi, kterýž těch dnů bude, díš jemu: Vyznávám dnes Hospodinu Bohu svému, že jsem všel do země, kterouž s přísahou zaslíbil Hospodin otcům našim, že ji nám dá.
3dia mankanesa amin'ny mpisorona amin izany andro izany, ka lazao aminy hoe: Manambara amin'i Jehovah Andriamanitrao aho anio fa tonga eto amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razantsika homeny antsika.
4I vezma kněz z ruky tvé koš, postaví jej před oltářem Hospodina Boha tvého.
4Dia horaisin'ny mpisorona eny an-tananao ny harona ka hapetrany eo anoloan'ny alitaran'i Jehovah Andriamanitrao.
5A mluviti budeš před Hospodinem Bohem svým, řka: Syrský chudý otec můj sstoupil do Egypta s nemnohými osobami, a byv tam pohostinu, vzrostl v národ veliký, silný a mnohý.
5Dia hiteny eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao hoe: Syriana mpanjenjena no raiko, ka nidina tany Egypta izy, dia nivahiny tany mbamin'ny olom-bitsy; ary tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa.
6A když zle nakládali s námi Egyptští, trápíce nás, a vzkládajíce na nás službu těžkou,
6Ary nanao ratsy tamintsika ny Egyptiana ka nampahory antsika sy nampanao antsika fanompoana mafy.
7Volali jsme k Hospodinu Bohu otců našich, a vyslyšev Hospodin hlas náš, popatřil na trápení naše, práci naši a ssoužení naše.
7Dia nitaraina tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, isika, ka nihaino ny feontsika Izy ary nijery ny alahelontsika sy ny asantsika ary ny fahoriantsika;
8I vyvedl nás Hospodin z Egypta v ruce silné a v rameni vztaženém, v strachu velikém, a znameních i zázracích.
8ary tanana mahery sy sandry nahinjitra sy fampahatahorana lehibe sy famantarana ary fahagagana no nitondran'i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta,
9A uvedl nás na toto místo, a dal nám zemi tuto oplývající mlékem a strdí.
9dia nitondra antsika niditra teto amin'ity tany ity Izy ka nanome antsika ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely.
10Protož nyní, hle, přinesl jsem prvotiny úrod země, kterouž jsi mi dal, ó Hospodine. I necháš toho před Hospodinem Bohem svým, a pokloníš se před ním.
10Ary ankehitriny, Jehovah ô, indro, efa nentiko ny voaloham-bokatra amin'ny tany izay nomenao ahy. Dia avelao eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao ny zavatra, ary mivavaha eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao.
11I veseliti se budeš ve všech dobrých věcech, kteréž by tobě dal Hospodin Bůh tvůj, i domu tvému, ty i Levíta i příchozí, kterýž jest u prostřed tebe.
11Ary mifalia amin'ny soa rehetra izay nomen'i Jehovah Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao ianao sy ny Levita mbamin'ny vahiny eo aminao.
12Když bys pak vyplnil všecky desátky ze všech úrod svých léta třetího, jenž rok desátků jest, a dal bys Levítovi, příchozímu, sirotku i vdově, a jedli by v branách tvých a nasyceni byli:
12Rehefa voangonao ny fahafolon-karena rehetra avy amin'ny vokatrao amin'ny taona fahatelo, izay taona fanangonana ny fahafolon-karena, dia omeo ny Levita sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany, mba hohaniny ao an-tanànanao, ka ho voky izy,
13Tedy díš před Hospodinem Bohem svým: Vynesl jsem, což posvěceného bylo, z domu svého, a dal jsem také Levítovi, příchozímu, sirotku a vdově vedlé všelikého přikázaní tvého, kteréž jsi mi přikázal; nepřestoupil jsem žádného z přikázaní tvých, aniž jsem zapomenul na ně.
13ary dia lazao eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao hoe: Efa navoakako avokoa ny zava-masina tao an-tranoko ka nomeko ny Levita sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, araka ny lalànao rehetra izay nandidianao ahy; tsy nandika ny didinao aho na nanadino azy.
14Nejedl jsem v zámutku svém z toho, a neujal jsem z toho k věci obecné, aniž jsem dal něco odtud ku pohřbu; poslechl jsem hlasu Hospodina Boha svého, učinil jsem podlé všeho, což jsi mi přikázal.
14Tsy nisy nohaniko teo amin'ny fisaonako, na nentiko nivoaka teo amin'ny fahalotoako, na nataoko fahan-kanina noho ny maty; fa efa nihaino ny feon'i Jehovah Andriamanitro aho ka nanao araka izay rehetra nandidianao ahy.
15Popatřiž z příbytku svatého svého s nebe, a požehnej lidu svému Izraelskému a zemi, kterouž jsi dal nám, jakož jsi s přísahou zaslíbil otcům našim, zemi oplývající mlékem a strdí.
15Tsinjovy ao amin'ny fonenanao masina any an-danitra, ka tahio ny Isiraely olonao sy ny tany izay nomenao anay araka izay nianiananao tamin'ny razanay, dia tany tondra-dronono sy tantely.
16Dnes Hospodin Bůh tvůj přikazuje tobě, abys ostříhal ustanovení těchto a soudů; ostříhejž tedy a čiň je z celého srdce svého a ze vší duše své.
16[Teny farany hampahazoto ny Isiraely hatoky ny fahasoavan'i Jehovah sy mpanaraka Azy] Anio no andidian'i Jehovah Andriamanitrao anao hanaraka ireo didy sy fitsipika ireo; koa tandremo sy araho amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ireo.
17Dnes i ty připověděls se k Hospodinu, že jej budeš míti za Boha, a choditi budeš po cestách jeho, a ostříhati ustanovení jeho, a přikázaní i soudů jeho, a poslouchati hlasu jeho.
17Efa nampiteny an'i Jehovah ianao androany fa ho Andriamanitrao Izy, ka handeha amin'ny lalany sy hitandrina ny lalàny sy ny didiny ary ny fitsipiny ianao ary hihaino ny feony.
18Hospodin také připověděl se k tobě dnes, že tě bude míti za lid zvláštní, jakož mluvil tobě, abys ostříhal všech příkázaní jeho,
18Ary Jehovah kosa efa nampiteny anao androany fa firenena rakitra soa ho Azy ianao, araka izay nolazainy taminao, mba hitandremanao ny didiny rehetra,sy hanandratany anao ho ambonin'ny firenena rehetra izay nataony, ho fiderana sy ho anarana ary ho voninahitra ary mba ho firenena masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao ianao, araka izay nolazainy.
19A že tě vyvýší nade všecky národy, kteréž učinil, abys byl vzácnější, slovoutnější a slavnější nad ně, a tak lid svatý Hospodinu Bohu svému, jakož jest mluvil.
19sy hanandratany anao ho ambonin'ny firenena rehetra izay nataony, ho fiderana sy ho anarana ary ho voninahitra ary mba ho firenena masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao ianao, araka izay nolazainy.