1Nyní tedy, ó Izraeli, slyš ustanovení a soudy, kteréž já učím vás činiti, abyste živi byli, a vejdouce, dědičně vládli zemí, kterouž Hospodin Bůh otců vašich vám dává.
1[Famporisihan'i Mosesy ny Isiraely mba hazoto mitandrina ny lalàna] Ary ankehitriny, ry Isiraely, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay ampianariko anareo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo.
2Nepřidáte nic k slovu, kteréž já přikazuji vám, aniž co ujmete od něho, abyste tak přikázaní Hospodina Boha svého, kteréž já přikazuji vám, zachovali.
2Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo, ary aza anesoranareo, fa tandremo ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo izay andidiako anareo.
3Oči vaše viděly, co učinil Hospodin pro Belfegor, jak všecky lidi, kteříž odešli po Belfegor, vyhladil Hospodin Bůh tvůj z prostředku tvého.
3Ny masonareo efa nahita izay nataon'i Jehovah noho ny tamin'i Bala-peora; fa ny olona rehetra izay nanaraka an'i Bala-peora dia naringan'i Jehovah Andriamanitrao tsy ho eo aminao.
4Vy pak, přídržející se Hospodina Boha vašeho, živi jste do dnešního dne všickni.
4Fa ianareo izay nifikitra tamin'i Jehovah Andriamanitrareo kosa dia samy velona avokoa izao anio izao.
5Viztež, učilť jsem vás ustanovením a soudům, jakž mi přikázal Hospodin Bůh můj, abyste tak činili v zemi, do kteréž vejdete k dědičnému držení jí.
5Indro, efa nampianariko didy sy fitsipika ianareo, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitro ahy, mba harahinareo any amin'ny tany izay efa hidiranareo holovana.
6Ostříhejtež tedy a čiňte je, nebo to jest moudrost vaše a opatrnost vaše před očima národů, kteříž, slyšíce všecka ustanovení tato, řeknou: Jistě lid moudrý a rozumný národ veliký tento jest.
6Koa tandremo ary ataovy izany, fa izany no ho fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny imason'ny firenen-tsamy hafa; fa handre izany lalàna rehetra izany izy ka hanao hoe: Olona hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena io
7Nebo který národ tak veliký jest, kterýž by měl bohy sobě tak blízké, jako jest Hospodin Bůh váš ve všem volání našem k němu?
7Fa iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana andriamanitra akaiky azy tahaka an'i Jehovah Andriamanitra amin'izay rehetra iantsoantsika Azy?
8A který jest národ tak veliký, kterýž by měl ustanovení a soudy spravedlivé, jako jest všecken zákon tento, kterýž já vám dnes předkládám?
8Ary iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana didy sy fitsipika marina tahaka izao lalàna rehetra izao, izay ataoko eo anatrehanareo anio?
9A však hleď se a bedlivě ostříhej duše své, abys nezapomenul na ty věci, kteréž viděly oči tvé, a aby nevyšly z srdce tvého po všecky dny života tvého; a v známost je uvedeš synům i vnukům svým.
9Kanefa kosa mitandrema ianao, ka tandremo tsara ny fanahinao, fandrao hadinoinao ny zavatra izay efa hitan'ny masonao, ary andrao miala amin'ny fonao izany, amin'ny andro rehetra hiainanao, fa ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao izany,
10A nezapomínej, že jsi onoho dne stál před Hospodinem Bohem svým na Orébě, když mi byl řekl Hospodin: Shromažď mi lid, ať jim předložím slova má, z nichž by se učili mne báti po všecky dny, dokudž živi budou na zemi, a témuž aby syny své učili.
10dia izay hitanao tamin'ny andro izay nitsangananao teo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao tany Horeba, fony Jehovah nilaza tamiko hoe: Angony etỳ amiko ny olona, dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hatahotra Ahy amin'ny andro rehetra hiainany ambonin'ny tany sady hampianariny ny zanany koa.
11Tedy přistoupili jste, a stáli jste pod horou; (hora pak ta hořela ohněm až do samého nebe, a byly na ní tmy, oblak a mrákota.)
11Dia nanakaiky ianareo ka nitsangana teo am-bodin'ny tendrombohitra; ary ny tendrombohitra nirehitra afo manakatra ny lanitra, sady nisy aizina sy rahona ary aizim-pito.
12I mluvil k vám Hospodin z prostředku ohně. Hlas slov slyšeli jste, ale obrazu žádného jste neviděli kromě hlasu,
12Dia niteny taminareo teo amin'ny afo Jehovah; ny teny ihany no renareo, fa tsy nahita endrika akory ianareo.
13Jímž vyhlásil vám smlouvu svou, kteréžto přikázal vám ostříhati, totiž desíti slov, a napsal je na dvou dskách kamenných.
13Dia nambarany taminareo ny fanekeny, izay nandidiany anareo harahina, dia ny Didy Folo ary nosoratany teo amin'ny vato fisaka roa ireo.
14Mně také přikázal Hospodin toho času, abych učil vás ustanovením a soudům, abyste činili je v zemi, do kteréž jdete k dědičnému držení jí.
14Ary izaho nodidian'i Jehovah tamin'izany andro izany hampianatra anareo didy sy fitsipika, mba harahinareo any amin'ny tany izay efa hidiranareo holovana.
15Protož pilně pečujte o duše své, (nebo neviděli jste žádného obrazu toho dne, když k vám mluvil Hospodin na Orébě z prostředku ohně),
15Dia tandremo tsara ny fanahinareo; fa tsy nahita endrika akory ianareo tamin'ny andro izay nitenenan'i Jehovah taminareo tao amin'ny afo tany Horeba;
16Abyste neporušili cesty své, a neučinili sobě rytiny aneb podobenství nějakého obrazu, tvárnosti muže neb ženy,
16fandrao manao ratsy ianareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka izay endri-javatra na inona na inona, dia sarin-dehilahy, na sarim-behivavy,
17Podobenství nějakého hovada, kteréž jest na zemi, aneb podobenství jakéhokoli ptáka křídla majícího, kterýž létá v povětří,
17na sarim-biby izay etỳ ambonin'ny tany, na sarim-borona manana elatra izay manidina eny amin'ny habakabaka,
18Podobenství jakéhokoli zeměplazu na zemi, aneb podobenství jakékoli ryby, kteráž jest u vodě pod zemí.
18na sarim-biby mandady na mikisaka amin'ny tany, na sarin-kazandrano izay ao amin'ny rano ambanin'ny tany.
19Ani pozdvihuj očí svých k nebi, abys, vida slunce a měsíc, i hvězdy se vším zástupem nebeským a ponuknut jsa, klaněl bys se jim a sloužil bys jim, ješto ty věci oddal Hospodin Bůh tvůj všechněm lidem pode vším nebem,
19Ary andrao raha miandrandra ny lanitra ianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, dia izay rehetra eny amin'ny lanitra, dia ho voataona ianao hiankokoha eo anatrehany sy hanompo azy, izay nataon'i Jehovah Andriamanitrao ho anjaran'ny firenena rehetra ambanin'ny lanitra.
20Vás pak vzal Hospodin, a vyvedl vás jako z peci železné z Egypta, abyste byli jeho lid dědičný, jako jste dne tohoto.
20Fa ianareo no nalain'i Jehovah ka nentiny nivoaka avy tao amin'ny memy fandrendreham-by (dia avy tany Egypta) mba ho firenena ho Azy tahaka ny amin'izao anio izao.
21Ale na mne rozhněval se Hospodin příčinou vaší, a přisáhl, že nepřejdu Jordánu, ani nevejdu do země té výborné, kterouž Hospodin Bůh tvůj dává tobě v dědictví.
21Ary Jehovah dia tezitra tamiko noho ny aminareo ka nianiana fa tsy hita an'i Jordana aho, na hiditra any amin'ny tany soa izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.
22Nebo já umru v zemi této, a nepřejdu Jordánu, vy pak přejdete, a dědičně obdržíte zemi tu výbornou.
22Fa izaho ho faty amin'ity tany ity, fa tsy hita an'i Jordana; fa ianareo kosa no hita ka handova izany tany soa izany.
23Hleďtež, abyste se nezapomínali na smlouvu Hospodina Boha svého, kterouž učinil s vámi, a nečinili sobě rytiny, aneb obrazu jakékoli věci, jakož přikázal tobě Hospodin Bůh tvůj.
23Mitandrema ianareo, fandrao manadino ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo izay nataony taminareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka ny endriky ny zavatra izay efa nandraran'i Jehovah Andriamanitrao anao.
24Nebo Hospodin Bůh tvůj jest oheň sžírající, Bůh silný, horlivý.
24Fa Jehovah Andriamanitrao dia afo mandevona; eny, Andriamanitra saro-piaro Izy.
25Když zplodíš syny a vnuky, a zstaráte se v zemi té, jestliže porušíte cestu svou, a uděláte rytinu ku podobenství jakékoli věci, aneb učiníte něco zlého před očima Hospodina Boha svého, popouzejíce ho:
25Raha miteraka sy ho loa-jafy koa ianao, ka efa nitoetra ela teo amin'ny tany ianareo ary manao ratsy ka manao sarin-javatra voasokitra, araka izay endriky ny zavatra na inona na inona, sy manao ratsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ary mampahatezitra Azy,
26Osvědčuji proti vám dnes před nebem i zemí, že hrozně a rychle vyhlazeni budete z země, do kteréž půjdete přes Jordán, abyste vládli jí. Nedlouho bydliti budete v ní, ale do konce vyhlazeni budete.
26dia miantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aho anio fa vetivety foana dia ho fongotra tokoa ianareo tsy ho eo amin'ny tany izay alehanareo hita an'i Jordana holovana; tsy ho maro andro eo ianareo, fa haringana tokoa.
27A rozptýlí vás Hospodin mezi národy, a maličký počet vás zůstane mezi pohany, do kterýchž zavede vás Hospodin,
27Ary Jehovah hampiely anareo any amin'ny firenen-tsamy hafa; ary ho tonga olom-bitsy izay sisa aminareo any amin'ny firenen-tsamy hafa izay hitondran'i Jehovah anareo.
28A sloužiti tam budete bohům, dílu rukou lidských, dřevu a kameni, ješto nevidí ani slyší, ani jedí, ani čijí.
28Ary any no hanompoanareo andriamanitra asan'ny tànan'olona, dia vato aman-kazo, izay tsy mahita, na mandre, na mihinana, na manimbolo.
29Jestliže pak i tam hledati budeš Hospodina Boha svého, tedy nalezneš, budeš-li ho hledati z celého srdce svého a z celé duše své.
29Kanefa any ianao no hitady an'i Jehovah Andriamanitrao ka hahita Azy, raha mitady Azy amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.
30Kdyžť úzko bude, a přijdou na tě všecky ty věci, naposledy však, jestliže bys se navrátil k Hospodinu Bohu svému, a poslouchal bys hlasu jeho,
30Raha azom-pahoriana ianao, fa manjo anao ireo zavatra rehetra ireo, dia hiverina amin'i Jehovah Andriamanitrao ianao any am-parany ka hihaino ny feony;
31(Poněvadž Hospodin Bůh tvůj jest Bůh silný, milosrdný,) neopustí tebe, ani tě nezkazí, ani zapomene se na smlouvu otců tvých, kterouž s přísahou utvrdil jim.
31fa Andriamanitra mamindra fo Jehovah Andriamanitrao ka tsy hahafoy anao, na handringana anao, na hanadino ny fanekena tamin'ny razanao, izay efa nianianany taminy.
32Nebo ptej se nyní na dni staré, kteříž byli před tebou, od toho dne, v kterémž stvořil Bůh člověka na zemi, a od jednoho kraje nebe až do druhého, stala-li se kdy věc podobná této tak veliké, aneb slýcháno-li kdy co takového?
32Fa anontanio ange ny andro lasa, izay teo alohanao hatramin'ny andro izay namoronan'Andriamanitra olombelona tetỳ ambonin'ny tany ary hatramin'ny faravodilanitra manodidina, raha mba nisy zavatra lehibe tahaka izany, na mba efa nisy re tahaka izany.
33Zdali kdy slyšel který lid hlas Boha mluvícího z prostředku ohně, jako jsi ty slyšel a živ zůstal?
33Moa efa nisy firenena nandre ny feon'Andriamanitra niteny tao amin'ny afo, tahaka ny efa renao, ka velona ihany?
34Aneb zdali se kdy který Bůh pokusil, aby přijda, vzal sobě národ některý z jiného národu s zkušováním, znameními a s zázraky, skrze boje a ruku silnou, v rameni vztaženém a v hrůzi veliké, jako učinil všecko toto pro vás Hospodin Bůh váš v Egyptě před očima vašima?
34Moa efa nanandrana handeha haka firenena ho Azy avy amin'ny firenena hafa va Andriamanitra amin'ny fizahan-toetra sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny ady sy ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe, araka izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo tany Egypta teo imasonao?
35Toběť jest to ukázáno, abys věděl, že Hospodin jest Bůh, a že není jiného kromě něho.
35Hianao no nampahitainy izany, mba hahafantaranao fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy.
36Dalť s nebe slyšeti hlas svůj, aby vyučil tebe, a na zemi ukázal tobě oheň svůj veliký, a slova jeho slyšel jsi z prostředku ohně.
36Avy tany an-danitra no nampandrenesany anao ny feony hananarany anao; ary teo ambonin'ny tany no nanehoany anao ny afony lehibe; ary ny teniny efa renao avy tao afovoan'ny afo.
37Proto že miloval otce tvé, vyvolil símě jejich po nich, a vyvedl tě před sebou mocí svou velikou z Egypta,
37Ary satria tia ny razanao Izy ka nifidy ny zanany mandimby azy, dia Izy no nitondra anao nivoaka avy tany Egypta tamin'ny heriny lehibe,
38Aby vyžena národy veliké a silnější, než jsi ty, před tváří tvou, uvedl tebe a dal tobě zemi jejich v dědictví, jakož dnes vidíš.
38handroahany eo anoloanao firenena maro izay lehibe sy mahery noho ianao, mba hampidirany anao sy hanomezany anao ny taniny ho lova, tahaka ny amin'izao anio izao.
39Věziž tedy dnes a obnov to v srdci svém, že Hospodin jest Bůh na nebi svrchu i na zemi dole, a není žádného jiného.
39Koa aoka ho fantatrao anio, ka tsarovy ao am-ponao, fa Jehovah no Andriamanitra any amin'ny lanitra ambony sy etỳ amin'ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy.
40Protož ostříhej po všecky dny ustanovení a přikázaní jeho, kteráž já dnes přikazuji tobě, aby dobře bylo tobě i synům tvým po tobě, a abys prodlil dnů v zemi, kterouž Hospodin Bůh tvůj dá tobě.
40Dia tandremo ny lalàny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro ianao any amin'ny tany, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay.
41Tehdy oddělil Mojžíš tři města před Jordánem k východu slunce.
41[Ny nanendrena tanàna telo handosiran'izay nahafaty olona tsy nahy] Ary tamin'izay Mosesy dia nanokana tanàna telo any an-dafy atsinanan'i Jordana,
42Aby utekl do nich vražedlník, kterýž by zabil bližního svého nechtě, a neměl by ho před tím v nenávisti; když by utekl do jednoho z těch měst, aby živ zůstal:
42mba handosiran'izay nahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha, dia ho velona izy raha mandositra ao amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo:
43Bozor na poušti, na rovinách v kraji Rubenitských, a Rámot v Galád, v pokolení Gád, a Golan v Bázan, v pokolení Manasse.
43dia Bazera any an-efitra, amin'ny tany lemaka, an'ny Robenita; ary Ramota-gileada an'ny Gadita; ary Golana any Basana an'ny Manasita.
44Ten jest zákon, kterýž předložil Mojžíš synům Izraelským,
44[Fitarihan-teny nataon'i Mosesy ny amin'ny lalàna] Ary izao no lalàna izay nalahatr'i Mosesy teo anatrehan'ny Zanak'Isiraely.
45A tato jsou svědectví a ustanovení i soudové, kteréž předložil Mojžíš synům Izraelským, když vyšli z Egypta,
45Izao no teni-vavolombelona sy didy ary fitsipika, izay nambaran'i Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy,
46Před Jordánem v údolí naproti Betfegor, v zemi Seona, krále Amorejského, kterýž bydlil v Ezebon, jejž porazil Mojžíš a synové Izraelští, když vyšli z Egypta,
46tany an-dafin'i Jordana, tao an-dohasaha tandrifin'i Beti-peora, tao amin'ny tanin'i Sihona, ilay mpanjakan'ny Amorita nonina tao Hesbona, dia ilay noresen'i Mosesy sy ny Zanak'Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy,
47A uvázali se dědičně v zemi jeho, a v zemi Oga, krále Bázan, dvou králů Amorejských, v zemi, kteráž jest před Jordánem k východu slunce,
47ka dia azony ny tanin'i Sihona sy ny tanin'i Oga, mpanjakan'i Basana, dia ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, izay tany an-dafy atsinanan'i Jordana,
48Od Aroer, (jenž leží při břehu potoka Arnon), až k hoře Sion, kteráž jest Hermon.
48hatrany Aroera, izay ao amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatramin'ny tendrombohitra Siona (Hermona izany),dia ny tani-hay rehetra any an-dafy atsinanan'i Jordana ka hatramin'ny ranomasina amin'ny tani-hay eo ambodin'i Pisga.
49I ve všecku rovinu před Jordánem k východu až k moři pustému, ležící pod horou Fazga.
49dia ny tani-hay rehetra any an-dafy atsinanan'i Jordana ka hatramin'ny ranomasina amin'ny tani-hay eo ambodin'i Pisga.