1I svolal Mojžíš všecken lid Izraelský, a řekl jim: Slyš, Izraeli, ustanovení a soudy, kteréž já dnes mluvím v uši vaše; naučte se jim, a v skutku jich ostříhejte.
1[Ny amin'ny Didy Folo] Ary Mosesy niantso ny Isiraely rehetra ka nanao taminy hoe: Ry Isiraely ô, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay lazaiko eto anatrehanareo anio, ka ianaro ireo, sy mitandrema mba hankatò azy.
2Hospodin Bůh náš učinil s námi smlouvu na Orébě.
2Jehovah Andriamanitsika nanao fanekena tamintsika tany Horeba;
3Ne s otci našimi učinil Hospodin tu smlouvu, ale s námi, kteříž zde jsme nyní my všickni živí.
3tsy tamin'ny razantsika no nanaovan'i Jehovah izany fanekena izany, fa tamintsika, dia isika rehetra izay samy mbola velona eto anio.
4Tváří v tvář mluvil Hospodin s vámi na té hoře z prostředku ohně,
4Niteny nifanatrika taminareo Jehovah tao an-tendrombohitra, tao amin'ny afo.
5(Já jsem pak stál mezi Hospodinem a mezi vámi toho času, abych oznámil vám řeč Hospodinovu; nebo jste se báli ohně, a nevstoupili jste na horu), řka:
5Izaho nitsangana teo anelanelan'i Jehovah sy ianareo tamin'izany andro izany, hanambara aminareo ny tenin'i Jehovah, fa natahotra noho ny fahitana ny afo ianareo ka tsy niakatra tao amin'ny tendrombohitra, ka hoy Izy:
6Já jsem Hospodin Bůh tvůj, kterýž jsem tě vyvedl z země Egyptské z domu služby.
6Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana.
7Nebudeš míti bohů jiných přede mnou.
7Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany.
8Neučiníš sobě rytiny , ani jakého podobenství těch věcí, kteréž jsou na nebi svrchu, ani těch, kteréž na zemi dole, ani těch, kteréž jsou u vodách pod zemí.
8Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra any amin'ny lanitra ambony, na izay etỳ amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany.
9Nebudeš se jim klaněti, ani jich ctíti. Nebo já jsem Hospodin Bůh tvůj, Bůh silný, horlivý, navštěvující nepravost otců na synech do třetího i čtvrtého pokolení těch, kteříž nenávidí mne,
9Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy,
10A činící milosrdenství nad tisíci těch, kteříž mne milují, a ostříhají přikázaní mých.
10nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby, izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko.
11Nevezmeš jména Hospodina Boha svého nadarmo, neboť nenechá bez pomsty Hospodin toho, kdož by bral jméno jeho nadarmo.
11Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany.
12Ostříhej dne sobotního, abys jej světil, jakož přikázal tobě Hospodin Bůh tvůj.
12Mitandrema ny andro Sabata hanamasima azy, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao.
13Šest dní pracovati budeš, a dělati všeliké dílo své;
13Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra.
14Ale dne sedmého odpočinutí jest Hospodina Boha tvého. Nebudeš dělati žádného díla, ty i syn tvůj i dcera tvá, i služebník tvůj i děvka tvá, vůl i osel tvůj i všeliké hovado tvé, i příchozí tvůj, kterýž jest v branách tvých, aby odpočinul služebník tvůj a děvka tvá jako i ty.
14Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao, na ny ombinao, na ny borikinao, na ny biby fiompinao rehetra, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao; mba hitsaharan'ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao tahaka anao koa.
15A pamatuj, že jsi byl služebníkem v zemi Egyptské, a vyvedl tě Hospodin Bůh tvůj odtud v ruce silné, a v rameni vztaženém. Protož přikázal tobě Hospodin Bůh tvůj, abys světil den sváteční.
15Ary tsarovy fa andevo tany amin'ny tany Egypta ianao, ka tanana mahery sy sandry nahinjitra no nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany; izany no nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao hitandrina ny andro Sabata.
16Cti otce svého i matku svou, jakož přikázal tobě Hospodin Bůh tvůj, aby se prodleli dnové tvoji, a aby tobě dobře bylo na zemi, kterouž Hospodin Bůh tvůj dá tobě.
16Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrao anao, mba ho maro andro ianao, ary mba hahita soa any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao.
17Nezabiješ.
17Aza mamono olona. Ary aza mijangajanga. Ary aza mangalatra. Ary aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao.
18Nesesmilníš.
18Ary aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao; ary aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao, na ny taniny, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza.
19Nepokradeš.
19Ireo teny ireo no nolazain'i Jehovah tamin'ny feo mahery tao amin'ny afo sy ny rahona ary ny aizim-pito, raha nivory tany an-tendrombohitra ianareo, ka dia tsy nampiany intsony; ary nosoratany tamin'ny vato fisaka roa ireo ka natolony ahy.
20Nepromluvíš proti bližnímu svému křivého svědectví.
20Ary rehefa renareo ny feo avy tao amin'ny aizina, raha nirehitra afo ny tendrombohitra, dia nanatona ahy ianareo, dia ny loham-pirenenareo rehetra sy ny loholonareo,
21Nepožádáš manželky bližního svého, aniž požádáš domu bližního svého, pole jeho, neb služebníka jeho, aneb děvky jeho, vola jeho neb osla jeho, aneb čehokoli z těch věcí, kteréž jsou bližního tvého.
21ka hoy ianareo: Indro, efa nampahitain'i Jehovah Andriamanitsika ny voninahiny sy ny fahalehibiazany isika, ary efa rentsika ny feony avy tao amin'ny afo; koa efa hitantsika androany fa Andriamanitra miteny amin'ny olona, nefa velona ihany izy.
22Ta slova mluvil Hospodin ke všemu shromáždění vašemu na hoře z prostředku ohně, oblaku a mrákoty, hlasem velikým, a nepřidal nic více, a napsal je na dvou dskách kamenných, kteréž mně dal.
22Koa ankehitriny, nahoana no ho faty izahay? fa handevona anay io afo lehibe io; raha mbola mandre ny feon'i Jehovah Andriamanitsika indray izahay, dia ho faty.
23Vy pak když jste uslyšeli hlas z prostředku tmy, (nebo hora ohněm hořela), přistoupili jste ke mně všickni vůdcové pokolení vašich a starší vaši,
23Fa iza moa tamin'ny nofo rehetra no efa nandre ny feon'Andriamanitra velona niteny tao afovoan'ny afo, tahaka antsika, ka velona ihany?
24A řekli jste: Ej, ukázal nám Hospodin Bůh náš slávu svou a velikost svou, a slyšeli jsme hlas jeho z prostředku ohně; dnešního dne viděli jsme, že Bůh mluvil s člověkem, a on živ zůstal.
24Manatòna ianao, ka mihainoa izay rehetra holazain'i Jehovah Andriamanitsika; ary ianao no aoka hilaza aminay izay rehetra holazain'i Jehovah Andriamanitsika aminao, dia hohenoinay ka harahinay izany.
25Protož nyní proč máme zemříti? Nebo sežral by nás oheň veliký tento; jestli více slyšeti budeme hlas Hospodina Boha našeho, zemřeme.
25Ary Jehovah nandre ny teninareo, raha niteny tamiko ianareo, ka hoy Izy tamiko: Efa reko ny tenin'ireo olona ireo, izay nolazainy taminao, ka tsara izay rehetra nolazainy.
26Nebo co jest všeliké tělo, aby slyše hlas Boha živého mluvícího z prostředku ohně, jako my, mělo živo býti?
26Enga anie ka mba hanana fo toy izany izy hatahorany Ahy sy hitandremany ny didiko rehetra mandrakariva, mba hahita soa izy sy ny taranany mandrakizay
27Přistup ty a slyš všecky věci, kteréž mluviti bude Hospodin Bůh náš; potom ty mluviti budeš nám, což by koli řekl tobě Hospodin Bůh náš, a my slyšeti i činiti budeme.
27Mandehana, ka lazao aminy hoe: Miverena any an-dainareo ianareo.
28Uslyšev pak Hospodin hlas řečí vašich, když jste mluvili ke mně, řekl mi Hospodin: Slyšel jsem hlas řeči lidu tohoto, kterouž mluvili tobě. Cožkoli mluvili, dobřeť jsou mluvili.
28Fa ianao kosa dia mijanòna eto anilako, ka holazaiko aminao ny lalàna rehetra sy ny didy ary ny fitsipika, izay hampianarinao azy mba harahiny any amin'ny tany izay omeko azy ho lovany.
29Ó kdyby bylo jejich srdce takové, aby se báli mne a ostříhali přikázaní mých po všeliký čas, aby jim dobře bylo i synům jejich na věky!
29Koa tandremo mba hanao araka izay efa nandidian'i Jehovah Andriamanitrareo anareo; aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia;fa ny lalana rehetra izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrareo anareo no halehanareo, mba ho velona ianareo ka hahita soa, ary ho maro andro any amin'ny tany izay holovanareo.
30Jdi, rci jim: Navraťte se k stanům vašim.
30fa ny lalana rehetra izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrareo anareo no halehanareo, mba ho velona ianareo ka hahita soa, ary ho maro andro any amin'ny tany izay holovanareo.
31Ty pak stůj tuto při mně, a oznámím tobě všecka přikázaní, ustanovení i soudy, kterýmž je učiti budeš, aby je činili v zemi, kterouž já dávám jim, aby jí dědičně vládli.
32Hleďtež tedy, abyste činili, jakž přikázal vám Hospodin Bůh váš; neuchylujte se na pravo ani na levo.
33Po vší té cestě, kterouž vám přikázal Hospodin Bůh váš, choditi budete, abyste živi byli, a dobře bylo vám, a abyste prodlili dnů na zemi, kterouž dědičně obdržíte.