1I řekl Hospodin k Mojžíšovi: Vyteš sobě dvě dsky kamenné podobné prvním, a napíši na dskách těch slova, kteráž byla na dskách prvních, kteréž jsi rozrazil.
1[Ny nanavaozan'Andriamanitra ny fanekena] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Manamboara ho anao vato fisaka roa tahaka ilay teo, dia hosoratako amin'ireo vato fisaka ireo ny teny izay tamin'ilay vato fisaka teo, izay novakivakinao;
2Budiž tedy hotov ráno, a vstoupíš v jitře na horu Sinai, a staneš přede mnou na vrchu hory té.
2ary aoka hivonona ianao mandra-pahamaraina; dia miakara raha maraina ho ao amin'ny tendrombohitra Sinay, ka mitsangana eo anatrehako ao an-tampon'ny tendrombohitra.
3Žádný ať nevstupuje s tebou, aniž také kdo vidín bude na vší hoře; ani ovce neb volové pásti se budou naproti hoře této.
3Ary aoka tsy hisy olona hiakatra afa-tsy ianao, ary aoka tsy hisy olona ho hita eny amin'ny tendrombohitra Sinay rehetra; ary ny ondry aman'osy koa sy ny omby dia aoka tsy hisy handrasana eny akaikin'izany tendrombohitra izany
4Tedy Mojžíš vytesal dvě dsky kamenné podobné prvním, a vstav ráno, vstoupil na horu Sinai, jakž mu přikázal Hospodin, a vzal v ruku svou dvě dsky kamenné.
4Dia nanamboatra vato fisaka roa tahaka ilay teo Mosesy, ary nifoha maraina koa izy ka niakatra tao amin'ny tendrombohitra Sinay, araka izay nandidian'i Jehovah azy; ary nentiny teny an-tànany ny vato fisaka roa.
5I sstoupil Hospodin v oblaku, a stál s ním tam, a zavolal ze jména: HOSPODIN.
5Ary Jehovah nidina tao anatin'ny rahona ka nijanona teo aminy, dia nanonona ny anaran'i Jehovah.
6Nebo pomíjeje Hospodin tvář jeho, volal: Hospodin, Hospodin, Bůh silný, lítostivý a milostivý, dlouhočekající a hojný v milosrdenství a pravdě,
6Ary Jehovah nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana,
7Milosrdenství čině tisícům, odpouštěje nepravost a přestoupení i hřích, a kterýž nikoli neospravedlňuje vinného, navštěvuje nepravost otců na synech, a na synech synů do třetího i čtvrtého pokolení.
7mitahiry famindram-po ho an'ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka sy ny zafy hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika.
8Mojžíš pak rychle sklonil hlavu k zemi, a poklonu učinil.
8Ary Mosesy dia niondrika faingana tamin'ny tany ka niankohoka;
9A řekl: Prosím, našel-li jsem milost v očích tvých, Pane, nechť jde, prosím, Pán u prostřed nás, nebo lid jest tvrdé šíje, a milostiv buď nepravosti naší a hříchu našemu, a měj nás za dědictví.
9dia hoy izy: Tompo ô, raha mba mahita fitia eo imasonao aho, aoka Hianao, Tompo ô, handeha ao afovoanay (fa firenena mafy hatoka izy), ka mamelà ny helokay sy ny fahotanay ary raiso ho lovanao izahay.
10Kterýžto řekl: Aj, já učiním smlouvu přede vším lidem tvým. Učiním divné věci, kteréž nejsou učiněny na vší zemi a ve všech národech, a viděti bude všecken lid, (mezi nimiž jsi,) skutky Hospodinovy; nebo hrozné bude to, což já učiním s tebou.
10Ary hoy Izy: Indro, manao fanekena Aho, ka eo anatrehan'ny olonao rehetra no hanaovako zava-mahagaga, izay tsy mbola nisy natao tany amin'ny tany rehetra sy tany amin'ny firenena rehetra; ary ny olona rehetra izay itoeranao dia hahita ny asan'i Jehovah, fa mahatahotra izay zavatra efa hataoko amin'ny fiombako anao.
11Zachovej to, což já dnes tobě přikazuji. Aj, já vyženu před tváří tvou Amorea a Kananea, Hetea a Ferezea, Hevea a Jebuzea.
11Tandremo izay andidiako anao anio; indro, efa horoahiko hiala eo anatrehanao ny Amorita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.
12Varuj se pak, abys nečinil smlouvy s obyvateli země té, do kteréž vejdeš, ať by nebyli osídlem u prostřed tebe.
12Koa mitandrema, fandrao hanao fanekena amin'ny mponina eo amin'ny tany izay halehanao ianao, ka ho fandrika eo afovoanao izany.
13Ale zboříte oltáře jejich, a modly jejich polámete, a jejich háje posekáte.
13Fa ravao ny alitarany, ary torotoroy ny tsangam-baton-tsampiny, ary jinjao ny Aserahany.
14Nebo nebudeš se klaněti Bohu jinému, proto že Hospodin jest, jméno má horlivý, Bůh silný, horlivý jest.
14Fa tsy hiankohoka eo anatrehan'izay andriamani-kafa ianao; fa Jehovah, dia saro-piaro no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy,
15Nevcházej v smlouvu s obyvateli země té, aby když by smilnili, jdouce po bozích svých, a obětovali bohům svým, nepovolali tě, a jedl bys z oběti jejich.
15fandrao ianao hanao fanekena amin'ny mponina eo amin'ny tany, ka hijangajanga hanaraka ny andriamaniny sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an'ny andriamaniny izy, ary hasainy ianao ka hihinana amin'ny fanatiny;
16A abys nebral ze dcer jeho synům svým, i smilnily by dcery jejich, jdouce po bozích svých, a naučily by smilniti syny tvé, jdouce po bozích svých.
16ary andrao koa haka amin'ny zananivavy ho vadin'ny zanakao-lahy ianao, ary hijangajanga hanaraka ny andriamaniny ny zananivavy ka hampandeha ny zanakao-lahy hijangajanga hanaraka ny andriamaniny.
17Bohů slitých neuděláš sobě.
17Aza manao andriamanitra anidina ho anao.
18Slavnost přesnic zachovávati budeš. Za sedm dní jísti budeš chleby nekvašené, jakž jsem přikázal tobě, v čas vyměřený měsíce Abib; nebo měsíce toho vyšel jsi z Egypta.
18Tandremo ny andro firavoravoana, dia ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira. Hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin'ny fotoan'andro amin'ny volana Abiba, fa tamin'ny volana Abiba no nivoahanao avy tany Egypta.
19Všecko což otvírá život, mé jest, i všeliký samec v dobytku tvém, prvorozený z volů a ovcí.
19Izay voalohan-teraka rehetra no Ahy, dia ny lahy amin'ny voalohan-teraky ny bibinao, na omby na ondry aman'osy;
20Ale prvorozené osle vyplatíš dobytčetem; pakli bys nevyplatil, šíji zlomíš jemu. Každého prvorozeného z synů svých vyplatíš, aniž ukáží se přede mnou prázdní.
20fa ny voalohan-teraky ny boriky kosa dia hosoloanao zanak'ondry; ary raha tsy hanolo azy ianao, dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin'ny zanakao dia havotanao. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako.
21Šest dní pracovati budeš, dne pak sedmého přestaneš; v čas orání i žně přestaneš.
21Henemana no hiasanao, fa amin'ny andro fahafito dia hitsahatra ianao: na dia amin'ny taom-pamafazana sy amin'ny taom-pijinjana aza dia hitsahatra ihany ianao.
22A učiníš sobě slavnost téhodnů, svátek prvotin žně pšeničné a slavnost klizení po vyjití každého roku.
22Ary tandremo ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro amin'ny fanaterana ny voaloham-bokatra, raha mijinja ny vary tritika, sy ny andro firavoravoana amin'ny fanangonana amin'ny fitsingerenan'ny taona.
23Třikrát v roce ukáže se každý z vás pohlaví mužského před oblíčejem Panovníka Hospodina, Boha Izraelského.
23Intelo isan-kerintaona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan'i Jehovah Tompo, Andriamanitry ny Isiraely.
24Nebo vyvrhu národy od tváři tvé a rozšířím meze tvé, aniž kdo sáhne na zemi tvou, když vstoupíš, abys se ukázal před Hospodinem Bohem svým třikrát v roce.
24Fa handroaka firenena eo alohanao Aho ka hanitatra ny fari-taninao; ary tsy hisy olona haniry ny taninao, raha miakatra hiseho eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao intelo isan-kerintaona ianao.
25Nebudeš obětovati krve oběti mé, dokavadž u tebe kvas jest, aniž zůstane do jitra obět slavnosti Fáze.
25Aza manatitra ny ran'ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy amin'ny andro firavoravoana amin'ny Paska.
26Prvotiny prvních úrod země své přinášeti budeš do domu Hospodina Boha svého. Nebudeš vařiti kozelce v mléce matky jeho.
26Ny santatra amin'ny voaloham-bokatry ny taninao dia haterinao ho ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny.
27I řekl Hospodin Mojžíšovi: Napiš sobě slova tato; nebo podlé slov těch učinil jsem smlouvu s tebou a s Izraelem.
27Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Soraty ireo teny ireo, fa araka ireo teny ireo no nanaovako fanekena aminao sy amin'ny Isiraely.
28Byl pak tam s Hospodinem čtyřidceti dní a čtyřidceti nocí, chleba nejedl a vody nepil; a napsal na dskách slova té smlouvy, totiž deset slov.
28Dia teo amin'i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina izy sady, tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ary nosoratan'i Jehovah tamin'ny vato fisaka ny tenin'ny fanekena, dia ny Didy Folo.
29I stalo se, když sstupoval Mojžíš s hory Sinai, (a měl dvě dsky svědectví v rukou svých, když sstupoval s hory), nevěděl, že by se stkvěla kůže tváři jeho, když mluvil s ním.
29Ary Mosesy nidina avy tao an-tendrombohitra Sinay, ary teny an-tànany ny vato roa izay nisy ny Vavolombelona tamin'izy nidina avy teo an-tendrombohitra, ary tsy fantany ho namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenany taminy.
30A viděl Aron i všickni synové Izraelští Mojžíše, a aj, stkvěla se kůže tváři jeho, a nesměli přistoupiti k němu.
30Ary nony hitan'i Arona sy ny Zanak'Isiraely rehetra Mosesy, ka, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany, dia natahotra azy izy.
31Ale Mojžíš zavolal jich, a navrátili se k němu Aron i všecka knížata shromáždění toho, a mluvil Mojžíš s nimi.
31Ary Mosesy niantso azy, dia niverina Arona sy ny lohan'ny fiangonana rehetra ho eo aminy; ary Mosesy niteny taminy.
32Potom přišli také k němu všickni synové Izraelští, jimžto přikázal všecko, což s ním mluvil Hospodin na hoře Sinai.
32Ary rehefa afaka izany, dia nanakaiky koa ny Zanak'Isiraely rehetra; ary Mosesy nandidy azy araka izay rehetra nolazain'i Jehovah taminy tao amin'ny tendrombohitra Sinay.
33Dokudž pak mluvil Mojžíš s nimi, měl zástěru na tváři své.
33Ary rehefa vita ny teny nataon'i Mosesy taminy, dia nasiany fisalobonana ny tavany.
34Ale když vcházel Mojžíš před tvář Hospodina, aby mluvil s ním, odjímal zástěru, dokudž nevyšel. Vyšed pak, mluvil synům Izraelským, což mu bylo rozkázáno.
34Ary raha niditra teo anatrehan'i Jehovah Mosesy hiteny aminy, dia nanaisotra ny fisalobonana izy mandra-pivoakany. Dia nivoaka izy ka nilaza tamin'ny Zanak'Isiraely izay efa nandidiana azy.Ary hitan'ny Zanak'Isiraely ny tavan'i Mosesy, fa, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany; dia nasaron'i Mosesy ny tavany indray ny fisalobonana mandra-pidiny hiteny aminy indray.
35Tedy viděli synové Izraelští tvář Mojžíšovu, že se stkvěla kůže tváři jeho. A kladl zase Mojžíš zástěru na tvář svou, dokudž nevcházel, aby mluvil s ním.
35Ary hitan'ny Zanak'Isiraely ny tavan'i Mosesy, fa, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany; dia nasaron'i Mosesy ny tavany indray ny fisalobonana mandra-pidiny hiteny aminy indray.