1Tedy svolal Mojžíš všecko shromáždění synů Izraelských, a řekl jim: Tato jsou slova, kteráž přikázal vám Hospodin, abyste je činili.
1[Ny nilazan'i Mosesy ny didin'i Jehovah ny amin'ny hitandremana ny Sabata sy ny hanaovana ny tabernakely, ary ny zavatra naterin'ny olona hanaovana azy] Ary Mosesy dia namory ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanao taminy hoe: Izao no teny nandidian'i Jehovah hatao:
2Šest dní děláno bude dílo, ale v sedmý den mějte svátek, sobotu odpočinutí Hospodinova. Kdo by dělal v něm dílo, umře.
2Henemana no hanaovanao raharaha, fa ny andro fahafito ho masina aminareo, dia tena andro fitsaharana ho an'i Jehovah; izay rehetra manao raharaha amin'izany dia hatao maty.
3Nezanítíte ohně nikdež v příbytcích svých v den sobotní.
3Aza mampirehitra afo amin'ny andro Sabata any amin'izay rehetra itoeranareo.
4Mluvil také Mojžíš ke všemu shromáždění synů Izraelských takto: Toto jest slovo, kteréž přikázal Hospodin, řka:
4Ary Mosesy niteny tamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Izao no teny izay nandidian'i Jehovah:
5Sebeřte z sebe obět pozdvižení Hospodinu. Každý, kdož jest ochotný v srdci svém, přinese tu obět Hospodinu: Zlato, stříbro a měď,
5Manalà ao aminareo fanatitra ho an'i Jehovah: izay rehetra amporisihin'ny fony dia aoka hitondra fanatitra ho an'i Jehovah: dia volamena sy volafotsy sy varahina,
6A postavec modrý, a šarlat, a červec dvakrát barvený, a bílé hedbáví, a kozí srsti;
6ary manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika, ary volon'osy
7Též kůže skopců na červeno barvené, a kůže jezevčí, a dříví setim,
7sy hoditr'ondrilahy efa nomenaina sy hodi-takasy ary hazo akasia,
8A olej k svícení a vonné věci na olej ku pomazání a pro kadění vonné,
8sy diloilo hatao fanazavana sy zava-manitra ho amin'ny diloilo fanosorana sy ho ditin-kazo mani-pofona,
9A kamení onychinové, a jiné kamení k vsazování do náramenníku a náprsníku.
9ary vato beryla sy vato halatsaka an-tranontranony ho amin'ny efoda sy ho amin'ny saron-tratra.
10A všickni, kdož jsou vtipní mezi vámi, přijdou a dělati budou, cožkoli přikázal Hospodin:
10Ary aoka ny hendry rehetra eo aminareo ho avy ka hanao izay rehetra nandidian'i Jehovah:
11Příbytek, stánek jeho i přikrytí jeho a háky jeho, dsky jeho, svlaky jeho, sloupy jeho i podstavky jeho;
11dia ny tabernakely sy ny lainy sy ny firakony sy ny farangony, sy ny zana-kazony sy ny barany sy ny andriny sy ny faladiany,
12Truhlu s sochory jejími, slitovnici a oponu zastření;
12ary ny fiara sy ny baony sy ny rakotra fanaovam-panavotana sy ny efitra lamba fanakonana,
13Stůl i sochory k němu se všemi nádobami jeho, i chléb předložení;
13ary ny latabatra sy ny baony mbamin'ny fanaka rehetra momba azy, ary ny mofo aseho,
14A svícen k svícení s nádobami jeho i lampy jeho, a olej k svícení;
14ary ny fanaovan-jiro ho fanazavana mbamin'ny fanaka momba azy ary ny lela fanaovan-jirony sy ny diloilo hatao fanazavana,
15Též oltář pro kadění a sochory jeho, i olej pomazání a kadidlo z vonných věcí, i zastření dveří v příbytku;
15ary ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra sy ny baony, ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo mani-pofona, ary ny varavarana lamba ho eo amin'ny varavaran'ny tabernakely,
16Oltář k zápalu a rošt jeho měděný a sochory jeho, i všecka nádobí jeho, i umyvadlo s podstavkem jeho;
16ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny harato varahina ho eo aminy sy ny baony ary ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy sy ny faladiany,
17Koltry očkovaté k síni, sloupy její a podstavky její, i zastření brány do síně;
17ary ny fefy lamba ho amin'ny kianja sy ny tsangantsangany sy ny faladiany sy ny vavahady lamba ho eo amin'ny vavahadin'ny kianja,
18Kolíky k příbytku, a kolíky síně s provázky jejich;
18ary ny tsimatry ny tabernakely sy ny tsimatry ny kianja sy ny kofehiny,
19Roucha k službě, k přisluhování v svatyni, i roucho svaté Arona kněze, i roucho synů jeho k konání úřadu kněžského.
19ary ny fitafiana makarakara ho entiny manao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina sy ny fitafiana masina ho an'i Arona mpisorona ary ny fitafian'ny zanany ho entiny misorona.
20Vyšlo tedy všecko shromáždění synů Izraelských od tváři Mojžíšovy,
20Dia niala teo anatrehan'i Mosesy ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra.
21A přišli, každý muž, kteréhož ponuklo srdce jeho, a každý, v němž duch jeho byl dobrovolný, a přinesli obět pozdvižení Hospodinu, k dílu stánku úmluvy a ke vší službě jeho, i k rouchu svatému.
21Ary samy nanatona izy, dia izay rehetra nampahazotoin'ny fony, ary izay rehetra namporisihin'ny fanahiny, ka nitondra ny fanatitra ho an'i Jehovah hanaovana ny trano-lay fihaonana sy ny fanompoana rehetra momba azy ary ny fitafiana masina.
22Přicházeli muži i ženy, každý, kdož byl ochotný v srdci, a přinášeli spinadla, a náušnice, a prsteny, a záponky z pravých rukou, všelijaké nádobí zlaté, a kdožkoli obětoval obět zlata Hospodinu.
22Dia nanatona ny lehilahy mbamin'ny vehivavy rehetra izay namporisihin'ny fony, ka nitondra fisisika sy kavina sy peratra sy voa volamena, dia izay firavaka volamena samy hafa rehetra, dia ny olona rehetra izay efa nanatitra volamena ho fanatitra ho an'i Jehovah.
23Každý, kdož měl postavec modrý a šarlat, a červec dvakrát barvený, a bílé hedbáví a kozí srsti, a kůže skopců na červeno barvené, a kůže jezevčí, přinesl to.
23Ary ny olona rehetra izay nanana manga sy volomparasy sy mena sy rongony fotsy madinika sy volon'osy sy hoditr'ondrilahy efa nomenaina ary hodi-takasy dia nitondra azy.
24Kdokoli obětoval obět stříbra a mědi, přinášeli to za obět pozdvižení Hospodinu; každý také, kdo měl dříví setim, ke všelikému dílu služebnosti, přinášeli je.
24Izay rehetra nanatitra fanatitra volafotsy sy varahina dia nitondra ny fanatitra ho an'i Jehovah; ary izay rehetra nanana hazo akasia hanaovana zavatra ho amin'ny fanompoana dia nitondra azy.
25Ano i všecky ženy vtipné rukama svýma předly, a přinesly, co napředly, postavec modrý a šarlat, a červec dvakrát barvený a bílé hedbáví.
25Ary ny vehivavy rehetra izay hendry dia namoly tamin'ny tànany ka nitondra izay nofolesiny, dia ny manga sy volomparasy sy mena ary ny rongony fotsy madinika.
26Všecky pak ženy, kterýchž ponuklo srdce jejich, aby předly uměle, předly srsti kozí.
26Ary ny vehivavy rehetra izay nampahazotoin'ny fony tamin'ny fahendrena dia namoly ny volon'osy.
27Knížata pak přinášeli kamení onychinové, a jiné kamení k vsazování do náramenníku a náprsníku,
27Ary ny loholona nitondra ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony ho amin'ny efoda sy ho amin'ny saron-tratra,
28Též vonné věci a olej k svícení, a k oleji pomazání, a k vonnému kadidlu.
28ary ny zava-manitra sy ny diloilo hatao fanazavana sy ho amin'ny diloilo fanosorana ary ho amin'ny ditin-kazo mani-pofona.
29Každý muž i žena, v nichž ochotné srdce jejich bylo k tomu, aby přinášeli potřeby ke všelikému dílu, kteréž byl přikázal dělati Hospodin skrze Mojžíše, přinášeli synové Izraelští obět dobrovolnou Hospodinu.
29Ary ny Zanak'Isiraely nitondra fanatitra sitra-po ho an'i Jehovah: dia ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay namporisihin'ny fony hitondra izay hanaovana ny zavatra rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy hatao.
30Tedy řekl Mojžíš synům Izraelským: Pohleďte, povolal ze jména Hospodin Bezeleele, syna Uri, syna Hur, z pokolení Judova.
30Ary hoy Mosesy tamin'ny Zanak'Isiraely: Indro, efa notononin'i Jehovah anarana Bezalila, zanak'i Ory, zanak'i Hora, avy amin'ny firenen'i Joda,
31A naplnil ho duchem Božím, moudrostí, rozumností i uměním všelijakého řemesla,
31ka efa nofenoiny fanahin'Andriamanitra, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin'ny tao-zavatra samy hafa,
32Aby vtipně smysliti uměl, jak by se co dělati mělo na zlatu a stříbru a mědi,
32dia ny hamoron-tsaina hanao asa kanto, sy ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina,
33I v řemeslném strojení kamenů k vsazování, i v díle od dřeva, aby dělal všelijakým řemeslem vtipným.
33ary ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony sy ny handrafitra hazo, hanaovana izay asa kanto samy hafa rehetra.
34Dal nadto v srdce jeho i to, aby učiti mohl on i Aholiab, syn Achisamechův z pokolení Dan.
34Ary ny fahaizana hampianatra koa dia efa nataon'Andriamanitra tao am-pony, dia izy sy Oholiaba, zanak'i Ahisamaka avy amin'ny firenen'i Dana.Ary efa nofenoiny fahendrena izy roa lahy, hanaovany ny tao-zavatra samy hafa, dia ny an'ny mpiasa tefy sy rafitra ary ny an'ny mpanenona mahay tenona samy hafa soratra, dia amin'ny manga sy volomparasy sy mena ary amin'ny rongony fotsy madinika ary ny an'ny mpanenona, dia ny ho mpanao ny asa samy hafa sy ho mpamorona asa kanto.
35Naplnil je moudrostí srdce, aby dělali všelijaké dílo tesařské a řemeslné, i krumpéřské a vytkávané z postavce modrého a šarlatu, a červce dvakrát barveného, a bílého hedbáví, a aby dělali všelijaké dílo a vymýšleli vtipné věci.
35Ary efa nofenoiny fahendrena izy roa lahy, hanaovany ny tao-zavatra samy hafa, dia ny an'ny mpiasa tefy sy rafitra ary ny an'ny mpanenona mahay tenona samy hafa soratra, dia amin'ny manga sy volomparasy sy mena ary amin'ny rongony fotsy madinika ary ny an'ny mpanenona, dia ny ho mpanao ny asa samy hafa sy ho mpamorona asa kanto.