Czech BKR

Malagasy

Exodus

36

1Tedy dělal Bezeleel a Aholiab i všeliký muž vtipný, jimž dal Hospodin moudrost a rozumnost, aby uměli dělati všeliké dílo k službě svatyně, všecko, což přikázal Hospodin.
1Dia hiasa Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nomen'i Jehovah fahendrena sy fahiratan-tsaina, hahaizany hanao ny asa rehetra ho amin'ny fanompoana ao amin'ny fitoerana masina, araka izay rehetra nandidian'i Jehovah.
2Povolal pak Mojžíš Bezeleele a Aholiaba i každého muže vtipného, v jehož srdce dal Hospodin moudrost, každého také, kohož ponoukalo srdce jeho, aby přistoupil ku práci díla toho.
2Ary Mosesy dia nampaka an'i Bezalila sy Oholiaba ary ny olona hendry rehetra, izay nasian'i Jehovah fahendrena tao am-pony, dia izay rehetra nampahazotoin'ny fony hankeo amin'ny asa hanao azy.
3A vzali od Mojžíše všecky dary, kteréž přinesli synové Izraelští k dílu služebnému svatyně, aby dělali je. Ale oni vždy předce přinášeli k němu každého jitra dary dobrovolné.
3Ary izy ireo dia nandray tamin'i Mosesy ny fanatitra re­hetra izay efa nentin'ny Zanak'Isiraely hanaovana ny asa amin'ny fanompoana ao amin'ny fitoerana masina. Ary ny olona mbola nitondra fanatitra sitra-po isa-maraina ihany ho eo amin'i Mosesy.
4Tedy přišli všickni vtipní dělníci díla svatyně, každý od díla svého, kteréž dělali,
4Dia nanatona ny olon-kendry rehetra, izay nanao ny asa rehetra amin'ny fitoerana masina, samy niala tamin'ny asany izay nataony avy,
5A mluvili k Mojžíšovi těmi slovy: Mnohem více přináší lid, nežli potřebí jest k dělání díla, kteréž přikázal Hospodin dělati.
5ka niteny tamin'i Mosesy hoe: Ny olona mitondra mihoatra lavitra noho izay hahavita ny fanompoana amin'ny asa nandidian'i Jehovah hatao.
6I rozkázal Mojžíš, aby provoláno bylo v vojště takto: Muž ani žena, žádný nepřinášej více oběti k svatyni. I zbráněno jest lidu, aby nenosili.
6Dia nandidy Mosesy ka nandefa teny eran'ny toby rehetra nanao hoe: Aza misy manao zavatra intsony hatao fanatitra ho amin'ny fitoerana masina ianareo, na lahy na vavy. Dia izany no nampitsaharana ny olona tsy hanatitra intsony;
7Nebo měli potřeb hojně dosti k dělání všelikého díla, tak že zbývalo.
7fa ny zavatra efa nateriny dia ampy anaovana ny asa rehetra ka nanana amby aza.
8I dělal každý vtipný z dělníků těch dílo to, příbytek z desíti čalounů, kteříž byli z bílého hedbáví přesukovaného, a z postavce modrého a šarlatu, a z červce dvakrát barveného, cherubíny dílem řemeslným udělal na nich.
8[Ny nanaovana ny tabernakely sy izay rehetra momba azy] Ary ny hendry rehetra teo amin'izay nanao ny raharaha dia nanao ny tabernakely: dia ambainy folo amin'ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
9Dlouhost čalounu jednoho osm a dvadceti loktů, a čtyř loktů širokost čalounu jednoho; všickni čalounové byli jednostejné míry.
9Ny halavan'ny ambainy iray dia valo amby roa-polo hakiho; ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho: nitovy ohatra ny ambainy rehetra.
10Potom spojil pět čalounů jeden s druhým, a pět jiných čalounů spojil jeden s druhým.
10Ambainy dimy navitrany ho iray; ary ambainy dimy koa navitrany ho iray.
11Nadělal i ok z hedbáví modrého po kraji čalounu jednoho na konci, kde se spojovati má s druhým, a tolikéž udělal na kraji čalounu druhého na konci v spojení druhém.
11Ary nanao tadivavarana manga teo an-tsisin'ny ambainy iray izy, dia teo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana; ary nanao toy izany koa tamin'ny ambainy farany izy, dia teo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana koa.
12Padesáte ok udělal na čalounu jednom, a padesáte ok udělal po kraji čalounu, kterýmž připojen byl k druhému; oko jedno proti druhému bylo.
12Tadivavarana dimam-polo no nataony teo amin'ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa no nataony teo amin'ny sisin'ny ambainy izay amin'ny anankiray efa voavitrana koa; ary nifandray ny tadivavarana.
13Udělal i padesáte haklíků zlatých a spojil čalouny jeden s druhým haklíky těmi; a tak udělán jest příbytek jeden.
13Ary nanao farango volamena dimam-polo izy, ka nakambany tamin'ny farango ny ambainy, dia voakambana ho iray ny tabernakely.
14Nadto nadělal houní z srstí kozích na stánek, k přistírání příbytku po vrchu; jedenácte houní udělal.
14Ary nanao ambainy koa tamin'ny volon'osy izy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin'ny folo ambainy no nanaovany azy.
15Dlouhost houně jedné třidceti loktů, a širokost houně jedné čtyř loktů; jednostejná míra byla těch jedenácti houní.
15Ny halavan'ny ambainy iray dia telo-polo hakiho, ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho; nitovy ohatra ny ambainy iraika ambin'ny folo.
16A spojil pět houní obzvláštně, a šest houní obzvláštně.
16Ary navitrany ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana.
17Udělal také padesáte ok po kraji houně na konci, kdež se spojovati má, a padesáte ok udělal po kraji houně v spojení druhém.
17Ary nanao tadivavarana dimam-polo ho eo an­tsisin'ny ambainy iray izay farany amin'ny efa voa vitrana izy; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin'ny ambainy iray amin'ny anankiray koa efa voavitrana.
18Udělal k tomu haklíků měděných padesáte k spojení stánku, aby byl jedno.
18Ary nanao farango varahina dimam-polo izy hampikambana ny lay ho iray.
19Nadto udělal přikrytí stánku z koží skopcových na červeno barvených, a přikrytí z koží jezevčích svrchu.
19Ary nanao rakotry ny lay tamin'ny hoditr'ondrilahy efa nomenaina izy sy sarona hodi-takasy ho eo amboniny.
20Nadělal k příbytku i desk z dříví setim stojatých.
20Ary nanao ny zana-kazo akasia ho amin'ny tabernakely izy.
21Desíti loktů dlouhost dsky, a půl druhého širokost dsky každé.
21Folo hakiho ny hahavon'ny zana-kazo iray, ary iray hakiho sy sasany ny indraben'ny zana-kazo iray.
22Dva čepy měla dska jedna, podobně jako stupně u schodu spořádané, jeden proti druhému; tak udělal u všech desk příbytku.
22Ary lahiny roa no amin'ny zana-kazo iray, ka nasiany izay hikambanany; izany no nanaovany ny zana-kazo rehetra tamin'ny tabernakely.
23Zdělal i dsky k příbytku, dvadceti desk k straně polední, k větru polednímu.
23Ary nanao ny zana-kazo ho amin'ny tabernakely izy, dia zana-kazo roa-polo ho eo amin'ny lafiny atsimo.
24A čtyřidceti podstavků stříbrných udělal pode dvadceti desk, dva podstavky pod jednu dsku ke dvěma čepům jejím, a dva podstavky pod dsku druhou pro dva čepy její.
24Ary nanao faladia volafotsy efa-polo izy ho ambanin'ny zana-kazo roa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo hiorenan'ny lahiny roa.
25Na druhé pak straně příbytku k straně půlnoční udělal dvadceti desk,
25Ary nanao zana-kazo roa-polo ho eo amin'ny lafiny faharoa amin'ny tabernakely izy, dia ny lafiny avaratra.
26A čtyřidceti podstavků jejich stříbrných, dva podstavky pod jednu dsku a dva podstavky pod dsku druhou.
26Ary nanao faladiany volafotsy efa-polo, izy dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo.
27Na straně pak příbytku k západu udělal šest desk.
27Ary nanao zana-kazo enina ho eo amin'ny lafin'ny tabernakely andrefana izy, izay eo ivohony.
28Dvě dsky udělal v úhlech po obou stranách příbytku.
28Ary nanao zana-kazo roa ho eo amin'ny zoron'ny tabernakely tamin'ny lafiny ivoho izy.
29A byly spojené po spodu a tolikéž spojené svrchu k jednomu kruhu; tak udělal po obou stranách ve dvou úhlech.
29Ary nakambana ho iray izy hatramin'ny ambany ka hatramin'ny ambony, ka nasiana vava vola iray ihany; nataony toy izany avokoa izy roa ho eo amin'ny zorony roa.
30A tak bylo osm desk a podstavků jejich stříbrných šestnácte, dva podstavkové pod každou dskou.
30Ary nisy zana-kazo valo sy ny faladiany volafotsy; dia faladia enina ambin'ny folo: faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo iray.
31Nadělal i svlaků z dřívi setim, pět ke dskám straně příbytku jedné,
31Ary hazo akasia no nataony barany: dia dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny iray amin'ny tabernakely,
32A pět svlaků ke dskám druhé strany příbytku, a pět svlaků ke dskám strany příbytku západní, dosahujících k oběma úhlům.
32sy barany dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny iray koa amin'ny tabernakely, ary barany dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny andrefana izay ao ivohony.
33A svlak prostřední udělal, aby šel po prostředku desk od jednoho kraje k druhému.
33Ary nanao ny barany afovoany izy, ho afovoan'ny zana-kazo ka hahatratra ny farany roa.
34Dsky pak obložil zlatem a kruhy jejich udělal z zlata, aby v nich svlaky byly; a obložil svlaky zlatem.
34Ary ny zana-kazo nopetahany takela-bolamena, ary nataony volamena koa ny vava vola aminy, izay hitoeran'ny barany: ary nopetahany takela-bolamena koa ny barany.
35Udělal také oponu z postavce modrého a šarlatu, a z červce dvakrát barveného, a z bílého hedbáví přesukovaného; dílem řemeslným udělal ji s figurami cherubínů.
35Ary ny efitra lamba dia nataony manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, ary kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no nataony sorany.
36A udělal pro ni čtyři sloupy z dříví setim, a obložil je zlatem; hákové pak jejich byli zlatí, a slil k nim čtyři podstavky stříbrné.
36Ary nanao andry efatra tamin'ny hazo akasia izy hihantonan'izany, ary nopetahany takela-bolamena ireo, sady nataony volamena koa ny fihantonany; ary nandrendrika faladia volafotsy efatra izy'hiorenany.
37Udělal také zastření ke dveřům stánku z postavce modrého, z šarlatu a z červce dvakrát barveného a z bílého hedbáví přesukovaného, dílem krumpéřským,
37Ary nanao varavarana lamba ho eo amin'ny varavaran'ny lay izy, dia tamin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra.Ary ny andriny dimy sy ny fihantonany dia nataony koa, ary nopetahany takela-bolamena ny lohany sy ny anjaka hitohizany; ary ny faladiany dimy dia nataony varahina.
38A sloupů k tomu zastření pět s háky jejich, (obložil pak makovice a přepásaní jich zlatem), a podstavků pět měděných.
38Ary ny andriny dimy sy ny fihantonany dia nataony koa, ary nopetahany takela-bolamena ny lohany sy ny anjaka hitohizany; ary ny faladiany dimy dia nataony varahina.