Czech BKR

Malagasy

Genesis

10

1Tito jsou pak rodové synů Noé, Sema, Chama a Jáfeta, jimž se tito synové zrodili po potopě.
1[Ny taranak'izy telo lahy zanak'i Noa, sy ny nielezany] Ary izao no taranaky ny zanakalahin'i Noa, dia Sema sy Hama ary Jafeta: Samy niteraka zazalahy avy izy taorian'ny safo-drano.
2Synové Jáfetovi: Gomer a Magog, a Madai, a Javan, a Tubal, a Mešech, a Tiras.
2Ny zanakalahin'i Jafeta dia Gomera sy Magoga sy Maday sy Javana sy Tobala sy Maseka ary Tirasa.
3Synové pak Gomerovi: Ascenez, Rifat, a Togorma.
3Ary ny zanakalahin'i Gomera dia Askenaza sy Rifata ary Togarma.
4Synové pak Javanovi: Elisa a Tarsis, Cetim a Dodanim.
4Ary ny zanakalahin'i Javana dia Elisaha sy Tarsisy sy ny Kitima sy ny Dodanita.
5Od těch rozděleni jsou ostrovové národů po krajinách jejich, každý podlé jazyku svého, vedlé čeledi své, v národech svých.
5Avy tamin'ireo no niavakavahan'ny nosin'ny firenena tany amin'ny taniny, dia samy araka ny fiteniny avy, araka ny mpianakaviny avy, tamin'ny fireneny avy.
6Synové pak Chamovi: Chus a Mizraim a Put a Kanán.
6Ary ny zanakalahin'i Hama dia Kosy sy Mizraima sy Pota ary Kanana.
7A synové Chusovi: Sába, Evila, a Sabata, a Regma, a Sabatacha. Synové pak Regmovi: Sába a Dedan.
7Ary ny zanakalahin'i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragama ary Sabteka; ary ny zanakalahin'i Ragama dia Seba sy Dedana.
8Zplodil také Chus Nimroda; onť jest počal býti mocným na zemi.
8Ary Kosy niteraka an'i Nimroda; izy no voalohany izay tonga olona mahery tambonin'ny tany.
9To byl silný lovec před Hospodinem; protož se říká: Jako Nimrod silný lovec před Hospodinem.
9Izy dia mpihaza mahery teo anatrehan'i Jehovah, ka izany no nanaovan'ny olona hoe: Tahaka an'i Nimroda, mpihaza mahery eo anatrehan'i Jehovah.
10Počátek pak jeho království byl Babylon a Erech, Achad a Chalne, v zemi Sinear.
10Ary ny niandohan'ny fanjakany dia Babela sy Ereka sy Akada ary Kalne tany amin'ny tany Sinara.
11Z země té vyšel do Assur, kdežto vystavěl Ninive, a Rohobot město, a Chále,
11Ary nivoaka avy tamin'izany tany izany izy ka nankany Asyria, dia nanorina an'i Ninive mbamin'i Rehobot-ira sy Kala
12A Rezen mezi Ninive a mezi Chále; toť jest město veliké.
12ary Resena teo anelanelan'i Ninive sy Kala, dia ilay tanàna lehibe izany.
13Mizraim pak zplodil Ludim a Anamim, a Laabim, a Neftuim,
13Ary Mizraima niteraka ny Lodita sy ny Anamita sy ny Lehabita sy ny Naftohita
14A Fetruzim, a Chasluim, (odkudž pošli Filistinští) a Kafturim.
14sy ny Patrosita sy ny Kaslohita izay nihavian'ny Filistina ary ny Kaftorita.
15Kanán pak zplodil Sidona prvorozeného svého, a Het,
15Ary Kanana niteraka an'i Sidona lahimatoany sy Heta,
16A Jebuzea, a Amorea, a Gergezea,
16ary ny Jebosita , sy ny Amorita sy ny Girgasita
17A Hevea, a Aracea, a Sinea,
17sy ny Hivita sy ny Arkita sy ny Sinita
18A Aradia, a Samarea, a Amatea; a potom odtud rozprostřely se čeledi Kananejských.
18sy ny Arvadita sy ny Zemarita ary ny Hamatita; ary nony taoriana dia niely ny firenen'ny Kananita.
19A bylo pomezí Kananejských od Sidonu, když jdeš k Gerar až do Gázy; a odtud když jdeš k Sodomě a Gomoře, a Adama a Seboim až do Lázy.
19Ary ny fari-tanin'ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao akaikin'i Gerara, ka hatrany Lesa ao akaikin'i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima.
20Ti jsou synové Chamovi po čeledech svých, vedlé jazyků svých, po krajinách svých, v národech svých.
20Ireo no zanak'i Hama, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin'ny taniny, amin'ny fireneny.
21Semovi také, otci všech synů Heber, bratru Jáfeta staršího zrozeni jsou synové.
21Dia niteraka koa Sema, rain'ny zanak'i Ebera rehetra rahalahin'i Jafeta, izay zokiny.
22A tito jsou synové Semovi: Elam, a Assur, a Arfaxad, a Lud, a Aram.
22Ny zanakalahin'i Sema dia Elama sy Asyra sy Arpaksada sy Loda ary Arama.
23Synové pak Aramovi: Hus, a Hul, a Geter, a Mas.
23Ary ny zanakalahin'i Arama dia Oza sy Hola sy Gatera ary Masy.
24Potom Arfaxad zplodil Sále; a Sále zplodil Hebera.
24Ary Arpaksada niteraka an'i Sela; ary Sela niteraka an'i Ebera.
25Heberovi také narodili se dva synové; jméno jednoho Peleg, proto že za dnů jeho rozdělena byla země, a jméno bratra jeho Jektan.
25Ary Ebera niteraka roa lahy: ny anaran'ny iray natao hoe Palega, satria tamin'ny androny no nizarana ny tany; ary Joktana no anaran'ny rahalahiny.
26Jektan pak zplodil Elmodada, a Salefa, a Azarmota, a Járe,
26Ary Joktana niteraka an'i Almodada sy Salefa sy Hazarmaveta sy Jera
27A Adoráma, a Uzala, a Dikla,
27sy Hadorama sy Ozala sy Dikla
28A Obale, a Abimahele, a Sebai,
28sy Obala sy Abimaela sy Sheba
29A Ofira, a Evila, a Jobaba; všickni ti jsou synové Jektanovi.
29sy Ofira sy Havila ary Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Joktana.
30A bylo bydlení jejich od Mesa, když jdeš k Sefar hoře na východ slunce.
30Ary ny fonenan'ireo dia hatrany Mesa ao akaikin'i Sefara, tendrombohitra atsinanana.
31Tiť jsou synové Semovi po čeledech svých, vedlé jazyků svých, po krajinách svých, v národech svých.
31Ireo no zanak'i Sema, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin'ny taniny, araka ny fireneny.Ireo no mpianakavin'ny zanak'i Noa, araka ny taranany, amin'ny fireneny; ary avy tamin'ireo no niavakavahan'ny firenena tambonin'ny tany taorian'ny safo-drano.
32Ty jsou čeledi synů Noé po rodech svých, v národech svých; a od těch rozdělili se národové na zemi po potopě.
32Ireo no mpianakavin'ny zanak'i Noa, araka ny taranany, amin'ny fireneny; ary avy tamin'ireo no niavakavahan'ny firenena tambonin'ny tany taorian'ny safo-drano.