1Byla pak všecka země jazyku jednoho a řeči jedné.
1[Ny nanaovan'ny olona ilay tilikambo tao Babela, sy ny nanorokoroan'Andriamanitra ny fitenin'ny olona] Ary ny tany rehetra dia iray fanononana sy iray fiteny.
2I stalo se, když se brali od východu, nalezli pole v zemi Sinear, a bydlili tam.
2Ary raha nifindrafindra niantsinanana ny olona, dia nahita tany lemaka tany amin'ny tany Sinara izy ka nonina teo.
3A řekli jeden druhému: Nuže, nadělejme cihel, a vypalme je ohněm. I měli cihly místo kamení, a zemi lepkou místo vápna.
3Ary niresadresaka hoe izy: Andeha isika hanao biriky ka handotra azy tsara. Ary ny biriky na taony solom-bato, ary ny asfalta nataony solon-drihitra.
4Nebo řekli: Nuže, vystavějme sobě město a věži, jejíž by vrch dosahal k nebi; a tak učiňme sobě jméno, abychom nebyli rozptýleni po vší zemi.
4Ary hoy izy: Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin'ny tany rehetra isika.
5Sstoupil pak Hospodin, aby viděl to město a věži, kterouž stavěli synové lidští.
5Dia nidina Jehovah hizaha ny tanàna sy ny tilikambo, izay nataon'ny zanak'olombelona.
6A řekl Hospodin: Aj, lid jeden a jazyk jeden všechněch těchto, a toť jest začátek díla jejich; nyní pak nedadí sobě v tom překaziti, což umínili dělati.
6Ary hoy Jehovah : Indro, iray foko ny olona, sady iray fanononana izy rehetra, ary ity vao fiandohan'ny hataony; koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay saintsaininy hatao.
7Protož sstupme a změťme tam jazyk jejich, aby jeden druhého jazyku nerozuměl.
7Aoka isika hidina, ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankahala teny izy.
8A tak rozptýlil je Hospodin odtud po vší zemi; i přestali stavěti města toho.
8Dia tao no nampielezan'i Jehovah azy hiala ho eny ambonin'ny tany rehetra; dia nitsahatra tsy nanao ny tanàna intsony izy.
9Protož nazváno jest jméno jeho Bábel; nebo tu zmátl Hospodin jazyk vší země; a odtud rozptýlil je Hospodin po vší zemi.
9Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela; fa tao Jehovah no nanorokoro ny fitenin'ny tany rehetra; ary tao no nampielezan'i Jehovah ny olona ho eny ambonin'ny tany rehetra.
10Titoť jsou rodové Semovi: Sem, když byl ve stu letech, zplodil Arfaxada ve dvou letech po potopě.
10[Ny taranak'i Sema mandraka mby amin'i Tera, rain'i Abrama] Izao no taranak'i Sema: Rehefa zato taona Sema, dia niteraka an'i Arpaksada izy roa taona taorian'ny safo-drano.
11A byl živ Sem po zplození Arfaxada pět set let; a plodil syny a dcery.
11Ary ny andro niainan'i Sema taorian'ny niterahany an'i Arpaksada dia diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
12Arfaxad pak živ byl pět a třidceti let, a zplodil Sále.
12Ary rehefa dimy amby telo-polo taona ny andro niainan'i Arpaksada, dia niteraka an'i Sela izy.
13A po zplození Sále živ byl Arfaxad čtyři sta a tři léta; a plodil syny a dcery.
13Ary ny andro niainan'i Arpaksada taorian'ny niterahany an'i Sela dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
14Sále také živ byl třidceti let, a zplodil Hebera.
14Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan'i Sela, dia niteraka an'i Ebera izy.
15A živ byl Sále po zplození Hebera čtyři sta a tři léta; a plodil syny a dcery.
15Ary ny andro niainan'i Sela taorian'ny niterahany an'i Ebera dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
16Živ pak byl Heber čtyři a třidceti let, a zplodil Pelega.
16Ary rehefa efatra amby telo-polo taona ny andro niainan'i Ebera, dia niteraka an'i Palega izy.
17A živ byl Heber po zplození Pelega čtyři sta a třidceti let; a plodil syny a dcery.
17Ary ny andro niainan'i Ebera taorian'ny niterahany an'i Palega dia telo-polo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
18Peleg pak živ byl třidceti let, a zplodil Réhu.
18Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan'i Palega, dia niteraka an-dReo izy,
19A živ byl Peleg po zplození Réhu dvě stě a devět let; a plodil syny a dcery.
19Ary ny andro niainan'i Palega taorian'ny niterahany an-dReo dia sivy amby roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
20Réhu také živ byl třidceti a dvě létě, a zplodil Sáruga.
20Ary rehefa roa amby telo-polo, taona ny andro niainan-dReo, dia niteraka an'i Seroga izy.
21A po zplození Sáruga živ byl Réhu dvě stě a sedm let; a plodil syny a dcery.
21Ary ny andro niainan-dReo taorian'ny niterahany an'i Seroga dia fito amby roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
22Živ pak byl Sárug třidceti let, a zplodil Náchora.
22Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan'i Seroga, dia niteraka an'i Nahora izy,
23A byl živ Sárug po zplození Náchora dvě stě let; a plodil syny a dcery.
23Ary ny andro niainan'i Seroga taorian'ny niterahany an'i Nahora dia roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
24Náchor pak živ byl dvadceti a devět let, a zplodil Táre.
24Ary rehefa sivy amby roa-polo taona ny andro niainan'i Nahora, dia niteraka an'i Tera izy.
25A živ byl Náchor po zplození Táre sto a devatenácte let; a plodil syny a dcery.
25Ary ny andro niainan'i Nahora taorian'ny niterahany an'i Tera dia sivy ambin'ny folo amby zato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
26Živ pak byl Táre sedmdesáte let, a zplodil Abrama, Náchora a Hárana.
26Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan'i Tera, dia niteraka an'i Abrama sy Nahora ary Harana izy:
27Tito jsou pak rodové Táre: Táre zplodil Abrama, Náchora a Hárana; Háran pak zplodil Lota.
27[Ny taranak'i Tera, sy ny nifindrany nankany Harana] Ary izao no taranak'i Tera: Tera niteraka an'i Abrama sy Nahora ary Harana; ary Harana niteraka an'i Lota.
28Umřel pak Háran prvé než Táre otec jeho v zemi narození svého, totiž v Ur Kaldejských.
28Ary maty Harana, raha mbola teo anatrehan'i Tera rainy tany amin'ny tany nahaterahany, dia tao Oran'ny Kaldeana.
29I zpojímali sobě ženy Abram a Náchor; jméno ženy Abramovy Sarai, a jméno ženy Náchorovy Melcha, dcera Háranova, kterýž byl otec Melchy a Jeschy.
29Ary Abrama sy Nahora dia samy naka vady ho azy: ny anaran'ny vadin'i Abrama dia Saray; ary ny anaran'ny vadin'i Nahora dia Milka, zanakavavin'i Harana, rain'i Milka sy rain'Iska.
30Byla pak Sarai neplodná, a neměla dětí.
30Ary momba Saray; tsy nanan-janaka izy.
31I vzal Táre Abrama syna svého, a Lota syna Háranova, vnuka svého, a Sarai nevěstu svou, ženu Abrama syna svého, a vyšli spolu z Ur Kaldejských, aby se brali do země Kananejské, a přišli až do Cháran, a bydlili tam.
31Ary Tera nitondra an'i Abrama zanany sy Lota zafiny, zanak'i Harana, ary Saray vinantoni-vavy, vadin'i Abrama zanany; dia niaraka taminy ireo ka niala tao Oran'ny Kaldeana hankany amin'ny tany Kanana; dia tonga tao Harana izy ka nonina tao.Ary dimy amby roan-jato taona ny andro niainan'i Tera; dia maty tao Harana izy.
32A byli dnové Táre dvě stě a pět let; i umřel Táre v Cháran.
32Ary dimy amby roan-jato taona ny andro niainan'i Tera; dia maty tao Harana izy.