1Vstoupil tedy Abram z Egypta on i žena jeho i všecko, což měl, a Lot s ním, ku poledni.
1[Ny nisarahan'i Abrama sy Lota, ary ny teny fikasana nataon'Andriamanitra tamin'i Abrama] Ary Abrama dia niakatra niala tany Egypta, dia izy sy ny vadiny mbamin'ny fananany rehetra, ary Lota koa niaraka taminy, ho any amin'ny tany atsimo.
2(Byl pak Abram bohatý velmi na dobytek, na stříbro i na zlato.)
2Ary Abrama nanana harena be, dia omby aman'ondry sy volafotsy ary volamena.
3A šel cestami svými od poledne až do Bethel, až k místu tomu, kdež prvé byl stánek jeho, mezi Bethel a Hai,
3Ary mbola nandeha ihany izy ka nifindrafindra hatrany amin'ny tany atsimo ka hatrany Betela, izay niorenan'ny lainy tamin'ny voalohany, teo anelanelan'i Betela sy Ay,
4K místu oltáře, kterýž tam byl prvé vzdělal, kdežto vzýval Abram jméno Hospodinovo.
4dia teo amin'ny tany izay nisy ilay alitara nataony tamin'ny voalohany; ary dia niantso ny anaran'i Jehovah teo Abrama.
5Také i Lot, kterýž s Abramem chodil, měl ovce a voly i stany.
5Ary Lota koa, izay niara-nandeha tamin'i Abrama, dia mba nanana ondry sy omby sy lay.
6A nemohla jim země postačovati, aby spolu bydlili, proto že zboží jich bylo veliké, tak že nemohli spolu bydliti.
6Ary tsy omby azy roa lahy ny tany hiraisany monina; fa efa be ny fananany, ka tsy nahazo niray monina izy.
7Odkudž vznikla nesnáz mezi pastýři stáda Abramova a mezi pastýři stáda Lotova; nebo Kananejští a Ferezejští tehdáž bydlili v zemi té.
7Dia niady ny mpiandry ombin'i Abrama sy ny mpiandry ombin'i Lota; ary ny Kananita sy ny Perizita no tompon-tany tao Kanana fahizay.
8Řekl tedy Abram k Lotovi: Nechžť, prosím, není nesnáze mezi mnou a tebou, a mezi pastýři mými a pastýři tvými, poněvadž muži bratří jsme.
8Ary hoy Abrama tamin'i Lota: Aoka re mba tsy hisy ady amintsika roa lahy, na amin'ny mpiandry ombiko sy ny mpiandry ombinao, fa mpirahalahy isika.
9Zdaliž není před tebou všecka země? Odděl se, prosím, ode mne. Půjdeš-li na levo, já na pravo se držeti budu; pakli půjdeš na pravo, na levo se držeti budu.
9Moa tsy eo anoloanao va ny tany rehetra? Masìna ianao, aoka hisaraka amiko ianao; raha hianavaratra ianao. dia hianatsimo aho; fa raha hianatsimo ianao, dia hianavaratra kosa aho.
10Pozdvih tedy Lot očí svých, spatřil všecku rovinu vůkol Jordánu, kteráž před tím, než Hospodin zkazil Sodomu a Gomoru, všecka až k Ségor svlažována byla, jako zahrada Hospodinova, a jako země Egyptská.
10Ary Lota nanopy ny masony ka nitazana ny tany rehetra teny amoron'i Jordana hatrany akaikin'i Zoara, fa azon-drano avokoa izy rehetra (talohan'ny nandravan'i Jehovah an'i Sodoma sy Gomora izany), tahaka ny sahan'i Jehovah sy tahaka ny tany Egypta.
11I zvolil sobě Lot všecku rovinu Jordánskou, a bral se k východu; a tak oddělili se jeden od druhého.
11Dia nofidin'i Lota ho azy ny tany rehetra amoron'i Jordana, ka nifindra niantsinanana izy; ka dia nisaraka izy roa lahy.
12Abram bydlil v zemi Kananejské, ale Lot přebýval v městech té roviny, podav stanů až k Sodomě.
12Ary Abrama nonina tao amin'ny tany Kanana. fa Lota kosa nonina tao an-tanàna amin'ny tany amoron'i Jordana ka nifindrafindra toby hatrany Sodoma.
13Lidé pak Sodomští byli zlí, a hříšníci před Hospodinem velicí.
13Ary ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy fanahy sady mpanota indrindra tamin'i Jehovah.
14I řekl Hospodin Abramovi, když se oddělil od něho Lot: Pozdvihni nyní očí svých, a pohleď z místa, na němž jsi, na půlnoci a na poledne, i na východ a na západ.
14Ary Jehovah niteny tamin'i Abrama taorian'ny nisarahan'i Lota taminy ka nanao hoe: Atopazy ny masonao, ka hatramin'ity tany itoeranao ity dia mitazana mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinanana sy miankandrefana;
15Nebo všecku zemi, kterouž vidíš, tobě dám a semeni tvému až na věky.
15fa ny tany rehetra izay tazanao dia homeko anao sy ny taranakao mandrakizay.
16A rozmnožím símě tvé jako prach země; nebo jestliže kdo bude moci sčísti prach země, tedy i símě tvé sečteno bude.
16Ary hataoko maro tahaka ny vovo-tany ny taranakao; koa raha misy olona mahisa ny vovo-tany, dia ho azo isaina koa ny taranakao.
17Vstaň, projdi tu zemi na dýl i na šíř její; nebo tobě ji dám.
17Miaingà ianao, mandehana mitety ny tany, dia any amin'ny lavany sy any amin'ny sakany; fa homeko anao izy.Ary Abrama nifindrafindra toby. dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan'i Mamre, izay any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an'i Jehovah izy.
18Tedy Abram hnuv se s stanem, přišel a bydlil v rovinách Mamre, kteréž jsou při Hebronu, kdežto vzdělal oltář Hospodinu.
18Ary Abrama nifindrafindra toby. dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan'i Mamre, izay any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an'i Jehovah izy.