1Stalo se pak ve dnech těch, že Amrafel král Sinearský, Arioch král Elasarský, Chedorlaomer král Elamitský, a Thádal král Goimský,
1[Ny namaboana an'i Lota sy ny namonjen'i Abrama azy, ary ny nitsenan'i Melkizedeka an'i Abrama] Ary tamin'ny andron'i Amrafela. mpanjakan'i Sinara, sy Arioka, mpanjakan'i Elasara. sy Kedorlaomera mpanjakan'i Elama. ary Tidala. mpanjakan'ny Goima,
2Vyzdvihli válku proti Bérovi králi Sodomskému, a proti Bersovi králi Gomorskému, a Senábovi králi Adamatskému, a Semeberovi králi Seboimskému, a králi Bélamskému, to jest Ségorskému.
2dia nandeha izy ireo ka nanafika an'i Bera, mpanjakan'i Sodoma. sy Birsa, mpanjakan'i Gomora. sy Sinaba, mpanjakan'i Adma, sy Semebera, mpanjakan'i Zeboima, ary ny mpanjakan'i Bela (dia Zoara izany).
3Všickni tito sjeli se do údolí Siddim, to jest již moře solné.
3Ary ireo rehetra ireo dia nanao fotoana ka nivory tao an-dohasahan'i Sidima (dia ny Ranomasin-tsira izany).
4Dvanácte let sloužili Chedorlaomerovi, třináctého pak léta zprotivili se.
4Fa efa nanompo an'i Kedorlaomera roa ambin'ny folo taona ireo, fa tamin'ny taona fahatelo ambin'ny folo kosa dia niodina izy.
5Protož léta čtrnáctého přitáhl Chedorlaomer a králové, kteříž byli s ním, a pobili Refaimské v Astarotu Karnaimských, a Zuzimské v Cham, a Eminské na rovinách Kariataimských,
5Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo dia tonga Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy ka namely ny Refaita tany Astarta-karnaima sy ny Zozima tany Hama ary ny Emima tany Save-kiriataima
6A Horejské na hoře jich Seir, až k rovině Fáran, kteráž leží nad pouští.
6ary ny Horita tany an-tendrombohitra Seira hatrany Elparana, izay eo anilan'ny efitra.
7A vracejíce se, přitáhli k En Misfat, kteráž již jest Kádes, a pohubili všecku krajinu Amalechitského, také i Amorejského, bydlícího v Hasesontamar.
7Dia niverina indray izy ireo ka nankany Ena-mispata (dia Kadesy izany) ka namely ny tany rehetra an'ny Amalekita sy ny Amorita koa, izay nonina tany Hazazon-tamara.
8Protož vytáhl král Sodomský, a král Gomorský, a král Adamatský, a král Seboimský, a král Bélamský, to jest Ségorský, a sšikovali se proti nim k bitvě v údolí Siddim,
8Dia nivoaka ny mpanjakan'i Sodoma sy ny mpanjakan'i Gomora sy ny mpanjakan'i Adma sy ny mpanjakan'i Zeboima ary ny mpanjakan'i Bela (dia Zoara izany) ka nilahatra hiady amin'ireo teo an-dohasahan'i Sidima,
9Proti Chedorlaomerovi králi Elamitskému, a Thádalovi králi Goimskému, a Amrafelovi králi Sinearskému, i Ariochovi králi Elasarskému, čtyři králové proti pěti.
9dia tamin'Kedorlaomera, mpanjakan'i Elama, sy Tidala, mpanjakan'ny Goima sy Amrafela, mpanjakan'i Sinara ary Arioka, mpanjakan'i Elasara; dia mpanjaka efatra no niady tamin'ny mpanjaka dimy.
10(V údolí pak Siddim bylo mnoho studnic klejovatých.) I utíkajíce král Sodomský a Gomorský, padli tam; a kteří pozůstali, utekli na hory.
10Ary ny lohasahan'i Sidima, dia be lavak'asfalta, ary nandositra ny mpanjakan'i Sodoma sy ny mpanjakan'i Gomora ka latsaka tao; ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra.
11A pobravše všecko zboží Sodomských a Gomorských, a všecky potravy jich, odtáhli.
11Ary izy ireo namabo ny fananana rehetra tao Sodoma sy Gomora ary ny hanina rehetra. dia lasa nandeha.
12Vzali také Lota, a zboží jeho, syna bratra Abramova, a odjeli; nebo on bydlil v Sodomě.
12Ary namabo ny zana-drahalahin'i Abrama koa izy, dia Lota, mbamin'ny fananany, dia lasa nandeha; fa nonina tao Sodoma koa Lota.
13Přišel pak jeden, kterýž byl utekl, a zvěstoval Abramovi Hebrejskému, kterýž tehdáž bydlil v rovinách Mamre Amorejského, bratra Eškolova a bratra Anerova; nebo ti měli smlouvu s Abramem.
13Ary tonga ny anankiray izay efa nandositra ka nanambara tamin'i Abrama Hebreo izay nonina teo an-kazo terebintan'i Mamre Amorita, rahalahin'i Eskola sy Anera; fa ireo dia olona efa vita fanekena tamin'i Abrama.
14Uslyšev tedy Abram, že by zajat byl bratr jeho, vypravil způsobných k boji a v domě svém zrozených služebníků tři sta a osmnácte, a honil je až k Dan.
14Ary raha nahare Abrama fa lasan-ko babo ny rahalahiny dia nitondra ny ompikeliny valo ambin'ny folo amby telon-jato izy, izay efa nahay niady. ka nanenjika hatrany Dana.
15A odděliv se, připadl na ně v noci, on i služebníci jeho, a porazil je; a stihal je až k Chobah, kteréž leží na levo Damašku.
15Dia nitokotoko hamely azy nony alina izy sy ny andevolahiny; dia namely azy izy ka nanenjika azy hatrany Hoba, izay ao avaratr'i Damaskosy.
16I odjal zase všecko zboží; také i Lota bratra svého s statkem jeho zase přivedl, ano i ženy a lid.
16Ary nampody ny fananana rehetra izy, ary Lota rahalahiny sy ny fananany dia nampodiny koa mbamin'ny vehivavy sy ny vahoaka.
17Tedy vyšel král Sodomský proti němu, když se navracoval od pobití Chedorlaomera a králů, kteříž byli s ním, k údolí Sáveh, kteréž jest údolí královské.
17Dia nivoaka ny mpanjakan'1 Sodoma hitsena an'i Abrama teo an-dohasaha Save (Lohasahan'ny mpanjaka izany), rehefa niverina izy avy nandresy an'i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy.
18Melchisedech také král Sálem, vynesl chléb a víno; a ten byl kněz Boha silného nejvyššího.
18Ary Melkizedeka, mpanjakan'i Salema, nivoaka nitondra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra.
19I požehnal mu a řekl: Požehnaný Abram Bohu silnému nejvyššímu, kterýž vládne nebem a zemí;
19Dia nitso-drano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin'Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany;
20A požehnaný Bůh silný nejvyšší, kterýž dal nepřátely tvé v ruce tvé. I dal mu Abram desátky ze všech věcí.
20Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao. Dia nomen'i Abrama azy ny ampahafolon'ny zavatra rehetra.
21Král pak Sodomský řekl Abramovi: Dej mi lid, a zboží vezmi sobě.
21Ary hoy ny mpanjakan'i Sodoma tamin'i Abrama: Omeo ahy ny olona, fa ny fananana ento ihany ho anao.
22I řekl Abram králi Sodomskému: Pozdvihl jsem ruky své k Hospodinu, Bohu silnému nejvyššímu, kterýž vládne nebem i zemí,
22Fa hoy Abrama tamin'ny mpanjakan'i Sodoma: Izaho efa nanangan-tanana tamin'i Jehovah, Andriamanitra Avo Indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany,
23Že nevezmu od niti až do řeménka obuvi ze všech věcí, kteréž jsou tvé, abys neřekl: Já jsem obohatil Abrama,
23fa tsy handray na taretra na fehin-kapa aza amin'izay rehetra mety ho anao andrao hataonao hoe: Izaho no nampanan-karena an'i Abrama),afa-tsy izay efa nohanin'ny zatovo sy ny anjaran'ny olona izay niaraka tamiko, dia Anera sy Eskola ary Mamre; aoka horaisin'ireo ny anjarany.
24Kromě toliko toho, což snědli bojovníci, a dílu mužů, kteříž se mnou šli, totiž Aner, Eškol a Mamre; oni nechať vezmou díl svůj.
24afa-tsy izay efa nohanin'ny zatovo sy ny anjaran'ny olona izay niaraka tamiko, dia Anera sy Eskola ary Mamre; aoka horaisin'ireo ny anjarany.