Czech BKR

Malagasy

Genesis

32

1Jákob pak odšel cestou svou, a potkali se s ním andělé Boží.
1Ary nifoha maraina koa Labana, dia nanoroka ny zananilahy sy ny zananivavy ka nitso-drano azy; dia lasa nandeha Labana nody any amin'ny fonenany.
2I řekl Jákob, když je viděl: Vojsko Boží jest toto. A nazval jméno místa toho Mahanaim.
2Ary Jakoba nizotra tamin'ny lalan-kalehany, dia nisy anjelin'Andriamanitra nitsena azy.
3Poslal pak Jákob posly před sebou k bratru svému Ezau, do země Seir, do kraje Idumejského.
3Ary hoy Jakoba, raha nahita ireo: Tobin'Andriamanitra ity; ary ny anaran'izany tany izany nataony hoe Mahanaima.
4A přikázal jim, řka: Takto povězte pánu mému Ezau: Totoť vzkazuje služebník tvůj Jákob: U Lábana jsem byl pohostinu, a zůstával až do tohoto času.
4[Ny nihaonan'i Jakoba sy Esao] Ary nandefa iraka Jakoba hialoha azy ho any amin'i Esao rahalahiny, ho any Seira, tanin'i Edoma.
5A mám voly a osly, ovce, a služebníky i děvky; a poslal jsem, abych se ohlásil pánu svému, a našel milost před očima tvýma.
5Ary nanome teny azy izy ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin'i Esao tompoko: Izao no tenin'i Jakoba mpanomponao: Efa nivahiny tany amin'i Labana aho ka nitoetra tany mandraka ankehitriny;
6I navrátili se poslové k Jákobovi, řkouce: Přišli jsme k bratru tvému Ezau, kterýž také jde proti tobě, a čtyři sta mužů s ním.
6ary manana omby sy boriky sy ondry aman'osy ary andevolahy aho; dia efa mba naniraka hanambara aminao tompokolahy ihany aho mba hahitako fitia eo imasonao.
7Jákob pak bál se velmi, a rmoutil se náramně. Tedy rozdělil lid, kterýž s sebou měl, ovce také a voly, a velbloudy na dva houfy.
7Dia niverina tany am.in'i Jakoba ny iraka ka nanao hoe: Tafahaona tamin'i Esao rahalahinao izahay, ary izy koa dia avy hitsena anao mitondra olona efa-jato lahy.
8Nebo řekl: Jestliže by přišel Ezau k houfu jednomu, a pobil by jej, bude aspoň zadní houf zachován.
8Dia natahotra indrindra Jakoba ka poritra dia poritra; dia nozarainy roa toko ny olona izay nomba azy mbamin'ny ondry aman'osy sy ny omby ary ny rameva;
9I řekl Jákob: Bože otce mého Abrahama, a Bože otce mého Izáka, Hospodine, kterýž jsi mi řekl: Navrať se do země své, a k příbuznosti své, a dobře učiním tobě,
9fa hoy izy: Raha tafahaona amin'ny antokony anankiray Esao ka mamely azy, dia handositra kosa ny antokony anankiray.
10Menší jsem všech milosrdenství a vší pravdy, kterouž jsi učinil s služebníkem svým; nebo s holí svou přešel jsem Jordán tento, nyní pak dva houfy mám.
10Ary hoy Jakoba: E Andriamanitr'i Abrahama raiko, sady Andriamanitr'Isaka raiko, dia Jehovah Izay efa nanao tamiko hoe: Modia any amin'ny taninao sy any amin'ny havanao dia hanao soa aminao Aho;
11Vytrhni mne, prosím, z ruky bratra mého, z ruky Ezau; nebť se ho bojím, aby přijda, nepohubil mne i matky s dětmi.
11tsy mendrika ho nahazo na kely akory aza aho tamin'ny famindram-po rehetra sy ny fahamarinana rehetra, izay nataonao tamiko mpanomponao; fa tsy nitondra na inona na inona afa-tsy ny tehiko ihany aho fony nita ity Jordana ity; nefa ankehitriny efa tonga toby roa aho.
12Však jsi ty řekl: Dobře učiním tobě, a rozmnožím símě tvé jako písek mořský, kterýžto pro množství sečten býti nemůže.
12O vonjeo aho amin'ny tanan'ny rahalahiko, dia amin'ny tànan'i Esao; fa matahotra azy aho, fandrao avy mamely ahy mbamin'ny vadiko aman-janako izy.
13I zůstal tu noci té; a vzal z toho, což bylo před rukama, poctu bratru svému Ezau:
13Fa Hianao efa nanao hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hataoko maro ny taranakao ho tahaka ny fasika any an-dranomasina, izay tsy azo isaina noho ny hamaroany.
14Totiž dvě stě koz, a kozlů dvadceti, ovec dvě stě, a beranů dvadceti,
14Dia nitoetra teo izy tamin'iny alina iny; ary naka tamin'izay teo an-tànany izy mba hampanaterina ho an'i Esao rahalahiny,
15Velbloudů s mladými jich třidceti, krav čtyřidceti, volů deset, oslic dvadceti, a oslátek deset.
15dia osivavy roan-jato sy osilahy roa-polo, ondrivavy roan-jato sy ondrilahy roa-polo
16A poručil je služebníkům svým, každé stádo obzvláštně, a řekl služebníkům svým: Jděte přede mnou, a stádo od stáda ať jde opodál.
16ary rameva telo-polo ampianahany, vantotr'ombivavy efa-polo sy vantotr'ombilahy folo, borikivavy roa-polo ary zana-boriky folo.
17I poručil přednímu, řka: Když se potká s tebou Ezau bratr můj, a optá se tebe, řka Čí jsi? a kam jdeš? a čí jest to stádo před tebou?
17Dia natolony teo an-tànan'ny mpanompony ireny, mitokantokana isan-toko; ary hoy izy tamin'ny mpanompony: Mandehana eo alohako, ary asio elanelany eo amin'ny isan-toko.
18Řekneš: Jsem služebníka tvého Jákoba, a dar tento jest poslán pánu mému Ezau; a teď i sám jde za námi.
18Dia nanome teny ny voalohany izy ka nanao hoe: Raha mifanena aminao Esao rahalahiko ka manontany anao hoe: An'iza ianao? ary hankaiza moa? ary an'iza ireo alohanao?
19Poručil také druhému i třetímu, a všechněm jdoucím za těmi stády, řka: V táž slova mluvte k Ezau, když byste naň trefili.
19dia lazaonao hoe: An'i Jakoba mpanomponao ireo, dia zavatra nampanaterina ho an'itompokolahy Esao; ary indro koa izy ao aorianay ao.
20A díte také: Aj, služebník tvůj Jákob za námi; nebo řekl: Ukrotím tvář jeho darem, kterýž jde přede mnou, a potom uzřím tvář jeho; snad přijme tvář mou.
20Ary nanome teny ny faharoa sy ny fahatelo koa izy, ary izay rehetra nandeha nanaraka ny isan-toko, ka nanao hoe: Araka izany teny izany no lazaonareo amin'i Esao, raha hitanareo izy.
21A tak předšel dar před ním; on pak zůstal tu noc při houfu.
21Ary lazao hoe koa: Indro, Jakoba mpanomponao ao aorianay ao. Fa hoy izy: Hampionona ny hatezerany aho amin'ireo zavatra nampialohaviko ireo, ary rehefa afaka izany, dia vao hahita ny tavany aho; angamba hahazo fitia aminy aho.
22A vstav ještě v noci, vzal obě ženy své, a dvě děvky své, a jedenácte synů svých, a přešel přes brod Jabok.
22Ary dia lasa nialoha azy ireny zavatra nampanateriny ireny; fa izy mbola nitoetra teo amin'ny toby ihany tamin'iny alina iny.
23Vzav tedy je, přepravil je přes tu řeku; přepravil také i vše, což měl.
23Dia nitsangana tamin 'iny alina iny ihany izy ka nitondra ny vadiny roa vavy sy ny ankizivaviny roa ary ny zananilahy iraika ambin'ny folo, dia nita tamin'ny fitàna tao Jaboka izy.
24A zůstal Jákob sám; a tu zápasil s ním muž až do svitání.
24Ary naka azy ireo izy, dia nampita azy tamin'ny renirano, ary nampita ny fananany koa izy.
25A vida, že ho nepřemůže, obrazil jej v příhbí vrchní stehna jeho; i vyvinulo se příhbí stehna Jákobova, když zápasil s ním.
25Dia Jakoba irery no sisa nitoetra teo; ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy ambara-pahazavaratsin'ny andro.
26A řekl: Pusť mne, nebť zasvitává. I řekl: Nepustím tě, leč mi požehnáš.
26Ary rehefa hitany fa tsy naharesy azy izy, dia notendreny ny foto-peny; ka dia nivika ny foto-pen'i Jakoba, raha mbola nitolona taminy Izy.
27I řekl jemu: Jaké jest jméno tvé? Odpověděl: Jákob.
27Ary hoy Izy: Avelao Aho handeha, fa efa mazavaratsy ny andro. Fa hoy kosa Jakoba: Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahinao aho.
28I dí: Nebude více nazýváno jméno tvé toliko Jákob, ale také Izrael; nebo jsi statečně zacházel s Bohem i lidmi, a přemohls.
28Ary hoy Izy taminy: Iza moa no anaranao? dia hoy izy: Jakoba.
29I otázal se Jákob, řka: Oznam, prosím, jméno své. Kterýžto odpověděl: Proč se ptáš na jméno mé? I dal mu tu požehnání.
29Ary hoy indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely; satria efa nitolona tamin'Andriamanitra sy tamin'ny olona ianao ka nahery.
30Tedy nazval Jákob jméno místa toho Fanuel; nebo jsem prý viděl Boha tváří v tvář, a zachována jest duše má.
30Dia nanontany Jakoba ka nanao hoe: Masìna Hianao, lazao kely izay anaranao. Ary hoy Izy: Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia nitahy azy teo Izy.
31I vzešlo mu slunce, když pominul místa toho Fanuel, a kulhal na nohu svou.
31Ary ny anaran'izany tany izany dia nataon'i Jakoba hoe Peniela; fa, hoy izy, efa nahita an'Andriamanitra nifanatrika tamiko aho, nefa voavonjy ny aiko.
32Protož nejedí synové Izraelští až do tohoto dne té žily krátké, kteráž jest v vrchním příhbí stehna, proto že obrazil příhbí stehna Jákobova na žile krátké.
32Dia niposaka taminy ny masoandro, raha niala teo Peniela izy, ary nitolitsika izy noho ny feny.Izany no tsy ihinanan'ny Zanak'Isiraely ny ozatry ny atodiakanga mandraka androany; satria nanendry ny foto-pen'i Jakoba teo amin'ny ozatry ny atodiakanga Izy.
33Izany no tsy ihinanan'ny Zanak'Isiraely ny ozatry ny atodiakanga mandraka androany; satria nanendry ny foto-pen'i Jakoba teo amin'ny ozatry ny atodiakanga Izy.