1Pozdvih pak očí svých Jákob, uzřel, an Ezau jde, a čtyři sta mužů s ním; i rozdělil syny Líe zvlášť a Ráchele zvlášť, a obou děvek zvlášť.
1Ary Jakoba dia nanopy ny masony ka nahatazana fa indro tamy Esao, mitondra efa-jato lahy. Dia nozarazarainy ny zaza ho amin'i Lea sy Rahely ary ho amin'ny ankizivavy roa.
2Postavil, pravím, děvky s syny jejich napřed, potom Líu s syny jejími za nimi, Ráchel pak a Jozefa nejzáze.
2Ary nataony loha-lalana ny ankizivavy roa sy ny zanany, ary Lea sy ny zanany nanarakaraka, ary Rahely sy Josefa no vodi-lalana.
3A sám šel před nimi, a poklonil se až k zemi po sedmkrát, až právě přišel k bratru svému.
3Ary Jakoba nandeha teo alohan'izy rehetra ka niankohoka impito tamin'ny tany mandra-pahatongany teo akaikin'ny rahalahiny.
4I běžel Ezau proti němu, a objal ho; a pad na šíji jeho, líbal ho. I plakali.
4Dia nihazakazaka hitsena azy Esao, ary nisakambina ny tendany, dia namihina sy nanoroka azy; ary samy nitomany izy mirahalahy.
5Pozdvih pak očí svých, a spatřiv ženy s dětmi, řekl: Kdo jsou onino s tebou? Odpověděl: Jsou dítky, kteréž Bůh dal z milosti služebníku tvému.
5Ary Esao nanopy ny masony ka nahita ny zaza amim-behivavy; dia hoy izy: Iza moa ireto miaraka aminao ireto? Ary hoy kosa Jakoba: Ny zaza izay nomen'Andriamanitra ny mpanomponao noho ny fahasoavany.
6Mezi tím přiblížily se děvky s syny svými, i poklonili se.
6Dia nanatona ny ankizivavy sy ny zanany ka niankohoka.
7Přiblížila se také Lía s syny svými, a poklonili se; a potom přiblížil se Jozef a Ráchel, a také se poklonili.
7Dia nanatona koa Lea sy ny zanany ka niankohoka; ary farany, dia nanatona koa Josefa sy Rahely ka niankohoka.
8I řekl Ezau: K čemu jest všecken ten houf, kterýž jsem potkal? Odpověděl: Abych nalezl milost před očima pána mého.
8Ary hoy Esao: Inona moa no hevitr'ireny antokony rehetra nifanena tamiko ireny? Ary hoy izy: Mba hahitako fitia eto imason'itompokolahy.
9Tedy řekl Ezau: Mám hojně, bratře můj; nech sobě, což tvého jest.
9Ary dia hoy Esao: Manam-be ihany aho, ry rahalahiko; aoka ihany ho anao ny anao.
10I řekl Jákob: Nezbraňuj se, prosím; jestliže jsem nyní nalezl milost před očima tvýma, přijmi dar můj z ruky mé, poněvadž jsem viděl tvář tvou, jako bych viděl tvář Boží, a laskavě jsi mne přijal.
10Ary hoy Jakoba: Trarantitra ianao, aza an'izany; raha mba mahita fitia eto imasonao aho, dia raiso amin'ny tanako ny zavatra nampanateriko; fa efa nahita ny tavanao aho tahaka ny mahita ny tavan'Andriamanitra, ary efa sitrakao aho.
11Přijmi, prosím, dar můj obětovaný tobě, poněvadž štědře obdařil mne Bůh, a mám všeho dosti. Takž ho přinutil, a on vzal.
11Trarantitra ianao, raiso re ny saotro izay nampanaterina ho anao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra, ka manam-be aho. Dia nanery azy izy, ka dia noraisiny ihany ny zavatra.
12I dí: Poď, a jděme; já půjdu s tebou.
12Ary hoy Esao: Aoka hiainga isika, ka handeha hialoha anao aho.
13I řekl k němu Jákob: Ví pán můj, že děti jsou outlí, a mám s sebou ovce i krávy březí; kteréžto budou-li hnány přes moc jeden den, pomře mi všecken dobytek.
13Fa hoy Jakoba taminy: Fantatr'itompokolahy fa mbola osa ny zaza, sady ampianahany ny ondry aman'osy sy ny omby ato amiko; koa raha hokorodonina indray andro aza ireo, dia ho faty avokoa ny ondry aman'osy rehetra.
14Nechžť medle jde pán můj před služebníkem svým, já pak poznenáhlu se poberu, tak jakž bude moci jíti stádo, kteréž před sebou mám, a jakž postačiti budou moci děti, až tak dojdu ku pánu svému do Seir.
14Trarantitra ianao, aoka itompokolahy hialoha ny mpanompony; ary izaho handeha miadana araka izay dian'ny omby aman'ondry, izay ho eo alohako, sy ny dian'ny zaza, mandra-pahatongako any amin'itompokolahy any Seira.
15I řekl Ezau: Nechť ale pozůstavím něco lidu, kterýž mám s sebou. I odpověděl: K čemu to? Nechť toliko naleznu milost před očima pána svého.
15Ary hoy Esao: Masìna ianao, aoka ary mba hamelako hiaraka aminao ny olona izay momba ahy. Fa hoy Jakoba: Ahoana no anaovanao izany? Aoka hahita fitia eto imason'itompokolahy aho.
16Tedy Ezau toho dne navrátil se cestou svou do Seir.
16Dia niverina androtrizay Esao tamin'ny lalany ho any Seira.
17Jákob pak bral se do Sochot, a ustavěl sobě dům, a dobytku svému zdělal stáje; protož nazval jméno místa toho Sochot.
17Ary Jakoba nifindra nankany Sokota ka nanao trano ho azy ary nanao trano rantsan-kazo maromaro ho an'ny omby aman'ondriny; izany no nanaovana ny anaran'io tany io hoe Sokota.
18A tak Jákob navracuje se z Pádan Syrské, přišel ve zdraví k městu Sichem, kteréž jest v zemi Kananejské, a položil se před městem.
18Ary Jakoba tonga soa aman-tsara tao an-tanàna Sekema, izay eo amin'ny tany Kanana, rehefa avy tany Mesopotamia izy; dia nitoby tandrifin'ny tanàna.
19I koupil díl pole toho, na němž byl rozbil stan svůj, od synů Emora, otce Sichemova, za sto ovec.
19Dia novidiny vola zato tamin'ny zanak'i Hamora, rain'i Sekema, ny tany izay nanorenany ny lainy.Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El-elohe-Isiraely ny anarany.
20A postavil tu oltář, kterémužto dal jméno Bůh silný, Bůh Izraelský.
20Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El-elohe-Isiraely ny anarany.