1Toto mluvil jsem vám, abyste se nezhoršili.
1Izany teny izany dia efa nolazaiko taminareo, mba tsy hahatafintohina anareo.
2Vypovědíť vás ze škol, ano přijdeť čas, že všeliký, kdož vás mordovati bude, domnívati se bude, že tím Bohu slouží.
2Handroaka anareo hiala amin'ny synagoga izy; eny, ho avy ny andro, ka hataon'izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitra izy. [ Gr. ora]
3A toť učiní vám proto, že nepoznali Otce ani mne.
3Ary izany no hataony, satria tsy fantany ny Ray na Izaho.
4Ale toto mluvil jsem vám, abyste, když přijde ten čas, rozpomenuli se na to, že jsem já to předpověděl vám. Tohoť jsem vám s počátku nemluvil, neb jsem byl s vámi.
4Fa izany teny izany efa nolazaiko taminareo, mba hotsaroanareo, raha tonga ny fotoan'androny, fa Izaho efa nilaza izany taminareo. Ary tsy mba nolazaiko taminareo hatramin'ny voalohany izany, satria mbola tatỳ aminareo ihany Aho.
5Nyní pak jdu k tomu, kterýž mne poslal, a žádný z vás neptá se mne: Kam jdeš?
5Fa ankehitriny mankany amin'izay naniraka Ahy Aho, ary tsy misy aminareo manontany Ahy hoe: Hankaiza Hianao?
6Ale že jsem vám tyto věci mluvil, zámutek naplnil srdce vaše.
6Fa satria nilaza izany taminareo Aho, dia vonton'alahelo ny fonareo.
7Já pak pravdu pravím vám, že jest vám užitečné, abych já odšel. Nebo neodejdu-liť, Utěšitel nepřijde k vám; a pakliť odejdu, pošli ho k vám.
7Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy. [ Izahao 14.16]
8A onť přijda, obviňovati bude svět z hříchu, a z spravedlnosti, a z soudu.
8Ary raha tonga Izy, dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana:
9Z hříchu zajisté, že nevěří ve mne;
9ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy;
10A z spravedlnosti, že jdu k Otci, a již více neuzříte mne;
10ny fahamarinana, satria mankany amin'ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony ianareo;
11Z soudu pak, že Kníže tohoto světa již jest odsouzeno.
11ny fitsarana, satria ny andrianan'izao tontolo izao dia efa voatsara.
12Ještěť bych měl mnoho mluviti vám, ale nemůžete snésti nyní.
12Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny.
13Ale když přijde ten Duch pravdy, uvedeť vás ve všelikou pravdu. Nebo nebude mluviti sám od sebe, ale cožkoli uslyší, toť mluviti bude; ano i budoucí věci zvěstovati bude vám.
13Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.
14Onť mne oslaví; nebo z mého vezme, a zvěstuje vám.
14Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.
15Všecko, cožkoli má Otec, mé jest. Protož jsem řekl, že z mého vezme, a zvěstuje vám.
15Izay rehetra ananan'ny Ray dia Ahy avokoa, koa izany no nilazako fa mandray avy amin'ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.
16Maličko, a neuzříte mne, a opět maličko, a uzříte mne; nebo já jdu k Otci.
16Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo.
17I řekli někteří z učedlníků jeho mezi sebou: Co jest to, že praví nám: Maličko, a neuzříte mne, a opět maličko, a uzříte mne, a že já jdu k Otci?
17Ary ny mpianany sasany niresaka hoe: Inona izany nolazainy tamintsika hoe: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo, ary, satria mankany amin'ny Ray Aho?
18Protož pravili: Co jest to, že praví: Maličko? Nevíme, co praví.
18Ary hoy koa ireo: Inona izany lazainy hoe vetivety foana izany? Tsy fantatsika izay lazainy.
19I poznal Ježíš, že se ho chtěli otázati. I řekl jim: O tom tížete mezi sebou, že jsem řekl: Maličko, a neuzříte mne, a opět maličko, a uzříte mne?
19Ary Jesosy nahalala fa ta-hanontany Azy ireo, dia hoy Izy taminy: Mifanontany va ianareo, satria hoy Izaho: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo, ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo?
20Amen, amen pravím vám, že plakati a kvíliti budete vy, ale svět se bude radovati; vy pak se budete rmoutiti, ale zámutek váš obrátíť se v radost.
20Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Hitomany sy hisaona ianareo, fa izao tontolo izao kosa hifaly; ary ianareo halahelo, nefa ny alahelonareo hody fifaliana.
21Žena, když rodí, zámutek má, nebo přišla hodina její; ale když porodí dítě, již nepamatuje na soužení, pro radost, že se narodil člověk na svět.
21Manam-pahoriana ny vehivavy raha miteraka, satria tonga ny fotoany; fa rehefa velon-jaza izy, dia tsy tsaroany intsony ilay fahoriany, noho ny fifaliany fa misy zaza nateraka ho ambonin'ny tany.
22Protož i vy zámutek máte nyní, ale opět uzřím vás, a radovati se bude srdce vaše, a radosti vaší žádný neodejme od vás.
22Ary ianareo dia manana alahelo ankehitriny; fa hahita anareo indray Aho, dia ho faly ny fonareo, ary tsy misy olona manaisotra ny fifalianareo aminareo.
23A v ten den nebudete se mne tázati o ničemž. Amen, amen pravím vám: Že zač byste koli prosili Otce ve jménu mém, dáť vám.
23Ary amin'izany andro izany dia tsy hanontany Ahy na inona na inona ianareo; lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo amin'ny Ray dia homeny anareo amin'ny anarako izany.
24Až dosavad za nic jste neprosili ve jménu mém. Prostež, a vezmete, aby radost vaše doplněna byla.
24Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin'ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo.
25Toto v příslovích mluvil jsem vám; přijdeť hodina, když již ne v příslovích budu mluviti vám, ale zjevně o Otci svém zvěstovati budu vám.
25Fanoharana no nilazako izany zavatra izany taminareo; fa ho avy ny andro izay tsy hilazako fanoharana aminareo intsony, fa hambarako tsotra aminareo ny amin'ny Ray. [Gr. ora]
26V ten den ve jménu mém prositi budete, a nepravímť vám, že já budu prositi Otce za vás.
26Amin'izany andro izany dia hangataka amin'ny anarako ianareo; ary tsy milaza aminareo Aho fa Izaho no hangataka amin'ny Ray ho anareo;
27Nebo sám Otec miluje vás, proto že jste vy mne milovali, a uvěřili, že jsem já od Boha vyšel.
27fa ny Ray dia tia anareo satria ianareo efa tia Ahy, ary efa nino fa nivoaka avy tamin'ny Ray Aho.
28Vyšelť jsem od Otce, a přišel jsem na svět; a opět opouštím svět, a jdu k Otci.
28Eny, nivoaka avy tamin'ny Ray Aho ka tonga amin'izao tontolo izao; ary hiala amin'izao tontolo izao indray Aho ka hankany amin'ny Ray.
29Řkou jemu učedlníci jeho: Aj, nyní zjevně mluvíš, a přísloví žádného nepravíš.
29Hoy ny mpianany: Indro, milaza tsotra Hianao ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory.
30Nyní víme, že víš všecko, a nepotřebuješ, aby se kdo tebe tázal. Skrze to věříme, že jsi od Boha přišel.
30Ankehitriny dia fantatray fa mahalala ny zavatra rehetra Hianao ka tsy mitady olona hanontany Anao; izany no inoanay fa nivoaka avy tamin'Andriamanitra Hianao.
31Odpověděl jim Ježíš: Nyní věříte.
31Jesosy namaly azy hoe: Mino va ianareo ankehitriny?
32Aj, přijdeť hodina, anobrž již přišla, že se rozprchnete jeden každý k svému, a mne samého necháte. Ale nejsemť sám, nebo Otec se mnou jest.
32Indro, avy ny andro, eny, efa tonga, izay hielezanareo samy ho any amin'ny azy avy, ary hilaozanareo ho irery Aho; kanefa tsy irery Aho, fa ny Ray no ato amiko. [Gr ora]Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.
33Tyto věci mluvil jsem vám, abyste ve mně pokoj měli. Na světě soužení míti budete, ale doufejtež, jáť jsem přemohl svět.
33Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.