1To pověděv Ježíš, i pozdvihl očí svých k nebi a řekl: Otče, přišlať jest hodina, oslaviž Syna svého, aby i Syn tvůj oslavil tebe;
1Rehefa nolazain'i Jesosy izany teny izany, dia nanandratra ny masony ho amin'ny lanitra Izy ka nanao hoe: Ray ô, tonga ny fotoana; mankalazà ny Zanakao, mba hankalazan'ny Zanaka Anao.
2Jakož jsi dal jemu moc nad každým člověkem, aby těm všechněm, kteréž jsi dal jemu, on život věčný dal.
2araka ny nanomezanao Azy fahefana amin'ny nofo rehetra mba hanome fiainana mandrakizay ho an'izay rehetra nomenao Azy.
3Totoť jest pak věčný život, aby poznali tebe samého pravého Boha, a kteréhož jsi poslal, Ježíše Krista.
3Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.
4Jáť jsem oslavil tebe na zemi; dílo jsem vykonal, kteréž jsi mi dal, abych činil.
4Izaho efa nankalaza Anao tetỳ ambonin'ny tany; vitako ny asa nomenao Ahy hataoko.
5A nyní oslaviž ty mne, Otče, u sebe samého, slávou, kterouž jsem měl u tebe, prve nežli svět byl.
5Ary ankehitriny, Ray ô, mankalazà Ahy amin'ny tenanao, dia amin'ny voninahitra niarahako nanana taminao, fony tsy mbola ary izao tontolo izao.
6Oznámil jsem jméno tvé lidem, kteréž jsi mi dal z světa. Tvojiť jsou byli, a mně jsi je dal, a řeč tvou zachovali.
6Nasehoko tamin'ny olona izay nomenao Ahy avy tamin'izao tontolo izao ny anaranao; Anao ireny ka nomenao Ahy; ary notandremany ny teninao.
7A nyní poznali, že všecky věci, kteréž jsi mi dal, od tebe jsou.
7Fantany ankehitriny fa avy taminao izay rehetra efa nomenao Ahy.
8Nebo slova, kteráž jsi mi dal, dal jsem jim; a oni přijali, a poznali vpravdě, že jsem od tebe vyšel, a uvěřili, že jsi ty mne poslal.
8Fa ny teny izay nomenao Ahy dia nomeko azy kosa, ary noraisiny, ka fantany marina tokoa fa avy taminao Aho; ary nino izy fa Hianao no naniraka Ahy.
9Já za ně prosím, ne za svět prosím, ale za ty, kteréž jsi mi dal, nebo tvoji jsou.
9Izaho mangataka ho azy; tsy mangataka ho an'izao tontolo izao Aho, fa ho an'izay nomenao Ahy, satria Anao izy.
10A všecky věci mé tvé jsou, a tvé mé jsou, a já oslaven jsem v nich.
10Ary izay Ahy rehetra dia Anao; ary izay Anao dia Ahy; ary efa ankalazaina eo aminy Aho.
11Již pak více nejsem na světě, ale oni jsou na světě, a já k tobě jdu. Otče svatý, ostříhejž jich ve jménu svém, kteréž jsi mi dal, ať by byli jedno jako i my.
11Ary tsy ho eto amin'izao tontolo izao intsony Aho, fa izy ireto no ho eto amin'izao tontolo izao, ary Izaho mankany aminao. Ray masina ô, tehirizo ireo amin'ny anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray ihany izy, tahaka ny mahiray Antsika.
12Dokudž jsem s nimi byl na světě, já jsem jich ostříhal ve jménu tvém. Kteréž jsi mi dal, zachoval jsem, a žádný z nich nezahynul, než syn zatracení, aby #se Písmo naplnilo.
12Raha mbola teo aminy Aho, dia nitahiry azy tamin'ny anaranao izay nomenao Ahy; ary notandremako izy, ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany; mba hahatanteraka ny Soratra Masina.
13Ale nyní k tobě jdu, a toto mluvím na světě, aby měli radost mou plnou v sobě.
13Fa ankehitriny mankany aminao Aho; ary izany teny izany no lazaiko eto amin'izao tontolo izao, mba hananany ny fifaliako tanteraka ao aminy.
14Já jsem jim dal slovo tvé, a svět jich nenáviděl; nebo nejsou z světa, jako i já nejsem z světa.
14Efa nomeko azy ny teninao; ary halan'izao tontolo izao izy, satria tsy naman'izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman'izao tontolo izao. [Gr. avy amin']
15Neprosímť, abys je vzal z světa, ale abys jich zachoval od zlého.
15Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin'izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin'ny ratsy. [Na: amin'ilay ratsy]
16Z světať nejsou, jakož i já nejsem z světa.
16Tsy naman izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman'izao tontolo izao. [Gr. avy amin']
17Posvětiž jich v pravdě své, slovo tvé pravda jest.
17Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana.
18Jakož jsi mne poslal na svět, i já jsem je poslal na svět.
18Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin'izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin'izao tontolo izao.
19A já posvěcuji sebe samého za ně, aby i oni posvěceni byli v pravdě.
19Ary ho an'ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan'ny fahamarinanao azy.
20Ne za tytoť pak toliko prosím, ale i za ty, kteříž skrze slovo jejich mají uvěřiti ve mne,
20Nefa tsy ho an'ireto ihany no angatahako, fa ho an'izay mino Ahy koa noho ny teniny;
21Aby všickni jedno byli, jako ty, Otče, ve mně, a já v tobě, aby i oni v nás jedno byli, aby uvěřil svět, že jsi ty mne poslal.
21mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan'izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy.
22A já slávu, kterouž jsi mi dal, dal jsem jim, aby byli jedno, jakož i my jedno jsme.
22Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika:
23Já v nich, a ty ve mně, aby dokonáni byli v jedno, a aby poznal svět, že jsi ty mne poslal, a že jsi je miloval, jakožs i mne miloval.
23Izaho ao aminy, ary Hianao ato amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr'izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy.
24Otče, kteréž jsi mi dal, chciť, kdež jsem já, aby i oni byli se mnou, aby hleděli na slávu mou, kteroužs mi dal; nebo jsi mne miloval před ustanovením světa.
24Ray ô, tiako mba ho any amiko amin'izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao.
25Otče spravedlivý, tebeť jest svět nepoznal, ale já jsem tebe poznal, a i tito poznali, že jsi ty mne poslal.
25Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao; fa Izaho nahalala Anao, ary ireto efa mahalala fa Hianao no naniraka Ahy.Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy.
26A známéť jsem jim učinil jméno tvé, a ještě známo učiním, aby to milování, kterýmž jsi mne miloval, bylo v nich, a i já v nich.
26Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao, ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy.