Czech BKR

Malagasy

John

2

1Třetího dne stala se svadba v Káni Galilejské, a byla matka Ježíšova tam.
1Ary tamin'ny andro fahatelo dia nisy fampakaram-bady tao Kana any Galilia; ary tao ny renin'i Jesosy.
2A pozván jest také Ježíš i učedlníci jeho na svadbu.
2Ary Jesosy sy ny mpianany koa dia nalainy ho ao amin'ny fampakaram-bady.
3Když se pak nedostalo vína, řekla matka Ježíšova k němu: Vína nemají.
3Ary rehefa lany ny divay, dia hoy ny renin'i Jesosy taminy: Tsy manana divay izy.
4Dí jí Ježíš: Co mně a tobě ženo? Ještě nepřišla hodina má.
4Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, moa mifaninona akory Izaho sy ianao? tsy mbola tonga ny fotoako.
5Dí matka jeho k služebníkům: Což by koli vám řekl, učiňte.
5Fa hoy ny reniny tamin'ny mpanompo: Ataovy izay asainy ataonareo.
6I bylo tu kamenných stoudví šest postaveno, podle obyčeje očišťování Židovského, beroucí v sebe jedna každá dvě nebo tři míry.
6Ary nisy siny vato enina mahalany rano indroa na intelon'ny vata avy nipetraka teo ho fanadiovana araka ny fanaon'ny Jiosy. [Gr.metatra]
7Řekl jim Ježíš: Naplňte ty stoudve vodou. I naplnili je až do vrchu.
7Dia hoy Jesosy taminy: Fenoy rano ny siny. Dia nofenoiny hatramin'ny molony.
8I dí jim: Nalévejtež již, a neste vrchnímu správci svadby. I nesli.
8Ary hoy Jesosy taminy: Tovozy amin'izao, ka ento ho eo amin'ny mpandahatra ny fanasana. Dia nentiny.
9A jakž okusil vrchní správce svadby vody vínem učiněné, (nevěděl pak, odkud by bylo, ale služebníci věděli, kteříž vážili vodu,) povolal ženicha ten vrchní správce,
9Ary raha nanandrana ny rano tonga divay ny mpandahatra ny fanasana, nefa tsy nahalala izay nihaviany (fa ny mpanompo izay nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra izy
10A řekl mu: Každý člověk nejprve dobré víno dává, a když by se hojně napili, tehdy to, kteréž horší jest. Ale ty zachoval jsi víno dobré až dosavad.
10ka nanao taminy hoe: Araka ny fanaon'ny olona dia ny divay tsara no arosony aloha; ary rehefa nisotro be ny olona, dia vao izay ratsiratsy kokoa; fa ianao kosa dia efa nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny. [Gr.mamo]
11To učinil Ježíš počátek divů v Káni Galilejské, a zjevil slávu svou. I uvěřili v něho učedlníci jeho.
11Izany no nataon'i Jesosy tao Kana any Galilia ho voaloham-pamantarana, ka nasehony ny voninahiny; ary nino Azy ny mpianany.
12Potom sstoupil do Kafarnaum, on i matka jeho, i bratří jeho, i učedlníci jeho, a pobyli tam nemnoho dní;
12Rehefa afaka izany, dia nidina nankany Kapernaomy Jesosy mbamin'ny reniny sy ny rahalahiny ary ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela teo Izy.
13Nebo blízko byla velikanoc Židovská. I vstoupil Ježíš do Jeruzaléma.
13Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy, ka dia niakatra tany Jerosalema Jesosy.
14A nalezl v chrámě, ano prodávají voly a ovce i holubice, a penězoměnce sedící.
14Ary hitany teo an-kianjan'ny tempoly ny nivarotra omby sy ondry sy voromailala ary ny mpanakalo vola izay nipetraka teo;
15A udělav bič z provázků, všecky vyhnal z chrámu, i ovce i voly, a penězoměncům rozsypal peníze, a stoly zpřevracel.
15dia nanao kotopia kofehy Izy ka nandroaka azy rehetra hiala teo an-kianjan'ny tempoly, na ny ondry na ny omby, ary nararany ny volan'ny mpanakalo vola, sady nazerany ny latabatra;
16A těm, kteříž holuby prodávali, řekl: Odnestež tyto věci odsud, a nečiňte domu Otce mého domem kupeckým.
16dia hoy Izy tamin'ny nivarotra ny voromailala: Ento mivoaka ireto zavatra ireto; aza atao trano fivarotana ny tranon'ny Raiko.
17I rozpomenuli se učedlníci jeho, že psáno jest: Horlivost domu tvého snědla mne.
17Ary ny mpianany nahatsiaro fa voasoratra hoe: Ny firehetako ny amin'ny tranonao no haharitra aina ahy (Sal. 69. 9).
18Tedy odpověděli Židé a řekli jemu: Jaké znamení toho nám ukážeš, že tyto věci činíš?
18Fa namaly ny Jiosy ka nanao taminy hoe: Inona no famantarana asehonao aminay, no manao izao zavatra izao Hianao?
19Odpověděl Ježíš a řekl jim: Zrušte chrám tento, a ve třech dnech zase vzdělám jej.
19Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Ravao ity tempoly ity, ary amin'ny hateloana dia hatsangako indray izy.
20I řekli Židé: Čtyřidceti a šest let dělán jest chrám tento, a ty ve třech dnech vzděláš jej?
20Fa hoy ny Jiosy: Enina amby efa-polo taona izay no efa nanaovana ity tempoly ity, ka Hianao va hahatsangana azy amin'ny hateloana?
21Ale on pravil o chrámu těla svého.
21Fa ny tenany no tempoly nolazainy.
22A protož když z mrtvých vstal, rozpomenuli se učedlníci jeho, že jim to byl pověděl. I uvěřili Písmu a slovu, kteréž pověděl Ježíš.
22Ary koa, rehefa nitsangana tamin'ny maty Izy, dia tsaroan'ny mpianany fa efa nilaza izany Izy; ary dia nino ny Soratra Masina sy ny teny izay nolazain'i Jesosy izy.
23A když byl v Jeruzalémě na velikunoc v den sváteční, mnozí uvěřili ve jméno jeho, vidouce divy jeho, kteréž činil.
23Ary nony tao Jerosalema Jesosy tamin'ny Paska, dia tamin'ny andro firavoravoana, maro no nino ny anarany, raha nahita ny famantarana izay nataony.
24Ale Ježíš nesvěřil sebe samého jim, protože on znal všecky.
24Fa Jesosy tsy natoky azy, satria Izy nahalala ny olona rehetra;ary tsy nitady olona hanambara olona Izy; fa ny tenany nahalala izay tao am-pon'ny olona.
25Aniž potřeboval, aby jemu kdo svědectví vydával o člověku; neb on věděl, co by bylo v člověku.
25ary tsy nitady olona hanambara olona Izy; fa ny tenany nahalala izay tao am-pon'ny olona.