1Na počátku bylo Slovo, a to Slovo bylo u Boha, a to Slovo byl Bůh.
1Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.
2To bylo na počátku u Boha.
2Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany.
3Všecky věci skrze ně učiněny jsou, a bez něho nic není učiněno, což učiněno jest.
3Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.
4V něm život byl, a život byl světlo lidí.
4Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.
5A to Světlo v temnostech svítí, ale tmy ho neobsáhly.
5Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy. [Na: Tsy mahasakana azy]
6Byl člověk poslaný od Boha, jemuž jméno bylo Jan.
6Nisy lehilahy nirahin'Andriamanitra, Jaona no anarany.
7Ten přišel na svědectví, aby svědčil o tom Světle, aby všickni uvěřili skrze něho.
7Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan'ny olona rehetra noho ny teniny.
8Nebyl on to Světlo, ale poslán byl, aby svědectví vydával o tom Světle.
8Tsy izy anefa no Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava ihany izy.
9Tenť byl to pravé Světlo, jenž osvěcuje každého člověka přicházejícího na svět.
9Tao ny tena Mazava Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin'izao tontolo izao. [Na: Izy no tena Mazava] [Na: Ny Mazava marina, Izay mahazava ny olona rehetra, dia tonga amin'izao tontolo izao]
10Na světě byl, a svět skrze něho učiněn jest, a svět ho nepoznal.
10Teo amin'izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy.
11Do svého vlastního přišel, a vlastní jeho nepřijali ho.
11Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.
12Kteříž pak koli přijali jej, dal jim moc syny Božími býti, totiž těm, kteříž věří ve jméno jeho,
12Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, [Na: anarana, na fahefana]
13Kteřížto ne ze krví, ani z vůle těla, ani z vůle muže, ale z Boha zplozeni jsou.
13dia ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra.
14A Slovo to tělo učiněno jest, a přebývalo mezi námi, (a viděli jsme slávu jeho, slávu jakožto jednorozeného od Otce,) plné milosti a pravdy.
14Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana. [Gr. nitoetra an-day]
15Jan svědectví vydával o něm, a volal, řka: Tentoť jest, o němž jsem pravil, že po mně přišed, předšel mne; nebo přednější jest nežli já.
15Jaona nanambara Azy ka niantso hoe: Izy Ilay nolazaiko hoe: Izay avy
16A z plnosti jeho my všickni vzali jsme, a to milost za milost.
16Fa tamin'ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana.
17Nebo zákon skrze Mojžíše dán jest, ale milost a pravda skrze Ježíše Krista stala se jest.
17Fa ny lalàna dia nomena tamin'ny alalan'i Mosesy; [fa] ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy.
18Boha žádný nikdy neviděl, ale jednorozený Syn, kterýž jest v lůnu Otce, onť jest nám vypravil.
18Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara [Azy].
19A totoť jest svědectví Janovo, když poslali Židé z Jeruzaléma kněží a Levíty, aby se ho otázali: Ty kdo jsi?
19Ary izao no nambaran'i Jaona, raha ny Jiosy naniraka mpisorona sy Levita avy tany Jerosalema hankany aminy mba hanontany azy hoe: Iza moa ianao?
20I vyznal a nezapřel, a vyznal: Že já nejsem ten Kristus.
20Ary nilaza marina izy ka tsy nandà, fa hoy ny filàzany: Tsy izaho no Kristy.
21I otázali se ho: Což pak? Eliáš jsi ty? I řekl: Nejsem. Tedy jsi ten Prorok? Odpověděl: Nejsem.
21Ary izy ireo nanontany azy hoe: Ahoana ary? Elia va ianao? Fa hoy izy: Tsy izy aho. Ilay Mpaminany va ianao? Fa izy namaly hoe: Tsia.
22I řekli jemu: Kdožs pak? Ať odpověd dáme těm, kteříž nás poslali. Co pravíš sám o sobě?
22Dia hoy ireo taminy: Iza ary ianao? mba hitondranay valiny ho any amin'izay naniraka anay. Lazainao ho iza moa ny tenanao?
23Řekl: Já jsem hlas volajícího na poušti: Spravte cestu Páně, jakož pověděl Izaiáš prorok.
23Dia hoy izy: Izaho dia feon'ny miantso mafy any an-efitra hoe: Ataovy mahitsy ny lalan'i Jehovah (Isa. 40. 3), araka izay nolazain'Isaia mpaminany.
24Ti pak, kteříž byli posláni, z farizeů byli.
24Ary iraka avy tamin'ny Fariseo ireo.
25I otázali se ho a řekli jemu: Pročež tedy křtíš, poněvadž ty nejsi Kristus, ani Eliáš, ani Prorok?
25Dia nanontany azy ireo ka nanao taminy hoe: Nahoana ary ianao no manao batisa raha tsy ianao no Kristy, na Elia, na Ilay Mpaminany?
26Odpověděl jim Jan, řka: Já křtím vodou, ale uprostřed vás stojí, jehož vy neznáte.
26Jaona namaly azy ka nanao hoe: Izaho manao batisa amin'ny rano; fa eto aminareo misy Anankiray Izay tsy fantatrareo,
27Ten ačkoli po mně přišel, však předšel mne, u jehožto obuvi já nejsem hoden rozvázati řeménka.
27dia Ilay avy ao aoriako, ary tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.
28Toto v Betabaře stalo se za Jordánem, kdežto Jan křtil.
28Izany zavatra izany dia natao tany Betania any an-dafin'i Jordana, izay nanaovan'i Jaona batisa. [Na: Betabara]
29Druhého pak dne uzřel Jan Ježíše, an jde k němu. I dí: Aj, Beránek Boží, kterýž snímá hřích světa.
29Nony ampitso dia nahita an'i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao! [Na: mitondra]
30Tentoť jest, o kterémž jsem já pravil, že za mnou jde muž, kterýž mne předšel; nebo přednější jest nežli já.
30Izy Ilay nolazaiko hoe: Misy Lehilahy avy ao aoriako Izay efa tonga eo alohako, satria talohako Izy.
31A já jsem ho neznal, ale aby zjeven byl lidu Izraelskému, proto jsem já přišel, křtě vodou.
31Ary izaho tsy nahalala Azy; fa mba haseho amin'ny Isiraely Izy, izany no nihaviako manao batisa amin'ny rano.
32A svědectví vydal Jan, řka: Viděl sem Ducha sstupujícího jako holubice s nebe, a zůstal na něm.
32Ary Jaona nanambara ka nanao hoe: Izaho nahita ny Fanahy midina avy any an-danitra tahaka ny voro-mailala ka nitoetra teo amboniny.
33A já jsem ho neznal, ale kterýž mne poslal křtíti vodou, ten mi řekl: Nad kýmž uzříš Ducha sstupujícího a zůstávajícího na něm, tenť jest, kterýž křtí Duchem svatým.
33Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina.
34A já jsem viděl, a svědectví jsem vydal, že on jest ten Syn Boží.
34Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak'Andriamanitra.
35Druhého pak dne opět stál Jan, a z učedlníků jeho dva,
35Nony ampitson'iny indray dia nijanona Jaona sy ny mpianany roa lahy;
36A uzřev Ježíše, an se prochází, řekl: Aj, Beránek Boží.
36ary nijery an'i Jesosy nitsangantsangana izy ka nanao hoe: Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra!
37I slyšeli ho dva učedlníci mluvícího, a šli za Ježíšem.
37Ary ireo mpianatra roa lahy ireo, rehefa nandre azy niteny, dia nanaraka an'i Jesosy.
38I obrátiv se Ježíš, a uzřev je, ani jdou za ním, dí jim:
38Ary Jesosy nitodika ka nahita azy manaraka, dia nanao taminy hoe: Inona no tadiavinareo? Ary hoy izy roa lahy taminy: Raby (izay atao hoe, raha adika, Mpampianatra ô, aiza Hianao no mitoetra?
39Co hledáte? A oni řekli jemu: Rabbi, (jenž se vykládá: Mistře,) kde bydlíš?
39Hoy Izy taminy: Avia, fa ho hitanareo. Koa dia nandeha izy ka nahita izay nitoerany ary nitoetra teo aminy tamin'izany andro izany; ary efa tokony ho ora fahafolo tamin'izay.
40Dí jim: Pojďte a vizte. I šli, aby viděli, kde by bydlil, a zůstali u něho ten den; neb bylo již okolo desáté hodiny.
40Andrea, rahalahin'i Simona Petera, no anankiray tamin'izy roa lahy, izay nandre ny tenin'i Jaona ka nanaraka an'i Jesosy.
41Byl pak Ondřej, bratr Šimona Petra, jeden ze dvou, kteříž byli to slyšeli od Jana, a šli za ním.
41Izy no nahita an'i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy: Efa nahita ny Mesia izahay (izay atso hoe, raha adika, ny Kristy).
42I nalezl ten první bratra svého vlastního Šimona, a řekl mu: Nalezli jsme Mesiáše, jenž se vykládá Kristus.
42Dia nitondra azy ho any amin'i Jesosy izy. Ary nony nijery azy Jesosy, dia hoy Izy: Hianao no Simona, zanak'i Jaona; ianao hatao hoe Kefasy (izay atao hoe, raha adika, Petera) [Petera = vato]
43I přivedl jej k Ježíšovi. A pohleděv naň Ježíš, dí: Ty jsi Šimon, syn Jonášův, ty slouti budeš Céfas, jenž se vykládá Petr.
43Nony ampitso dia te-hiala ho any Galilia Jesosy, ary nahita an'i Filipo Izy ka nanao taminy hoe: Manaraha Ahy.
44Na druhý pak den Ježíš chtěl vyjíti do Galilee, i nalezl Filipa, a řekl jemu: Pojď za mnou.
44Ary Filipo dia avy any Betsaida, tanànan'i Andrea sy Petera.
45A byl Filip z Betsaidy, města Ondřejova a Petrova.
45Filipo kosa nahita an'i Natanaela ka nanao taminy hoe: Efa hitanay Ilay nosoratan'i Mosesy tao amin'ny lalàna, sy nosoratan'ny mpaminany, dia Jesosy, zanak'i Josefa, avy any Nazareta.
46Nalezl také Filip Natanaele. I dí jemu: O kterémž psal Mojžíš v Zákoně a Proroci, nalezli jsme Ježíše, syna Jozefova z Nazaréta.
46Ary hoy Natanaela taminy: Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta? Dia hoy Filipo taminy: Andeha hizaha.
47I řekl jemu Natanael: A může z Nazaréta co dobrého býti? Řekl jemu Filip: Pojď a viz.
47Jesosy nahita an'i Natanaela avy manatona Azy, dia nilaza azy hoe: Indro ny tena Isiraelita tsy misy fitaka.
48Vida Ježíš Natanaele, an jde k němu, i dí o něm: Aj, právě Izraelitský, v němžto lsti není.
48Hoy Natanaela taminy: Ahoana no ahafantaranao ahy? Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Fony tsy mbola niantso anao Filipo, dia hitako teo ambanin'ny aviavy ianao. [aviavimbazaha]
49Řekl mu Natanael: Jakž ty mne znáš? Odpověděl Ježíš a řekl jemu: Prve nežli tě Filip zavolal, kdyžs byl pod fíkem, viděl jsem tebe.
49Dia namaly Natanaela ka nanao hoe: Raby ô, Hianao no Zanak'Andriamanitra; Hianao no Mpanjakan'ny Isiraely.
50Odpověděl Natanael a řekl jemu: Mistře, ty jsi Syn Boží, ty jsi ten Král Izraelský.
50Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Moa ny nilazako taminao va fa hitako teo ambanin'ny aviavy ianao no inoanao? Hahita zavatra lehibe noho izany ianao.Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin'Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin'ny Zanak'olona.
51Odpověděl Ježíš a řekl jemu: Žeť jsem řekl: Viděl jsem tebe pod fíkem, věříš? Větší věci nad tyto uzříš. [ (John 1:52) I dí mu: Amen, amen pravím vám: Od tohoto času uzříte nebe otevřené, a anděly Boží vstupující a sstupující na Syna člověka. ]
51Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin'Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin'ny Zanak'olona.