Czech BKR

Malagasy

Luke

24

1První pak den po sobotě, velmi ráno vyšedše, přišly k hrobu, nesouce vonné věci, kteréž byly připravily, a některé jiné byly spolu s nimi.
1Fa nony maraina koa tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, dia nankany amin'ny fasana izy nitondra ny zava-manitra izay efa namboariny.
2I nalezly kámen odvalený od hrobu.
2Ary hitany fa, indro, ny vato efa voakodia niala tamin'ny fasana.
3A všedše tam, nenalezly těla Pána Ježíše.
3Dia niditra izy, nefa tsy nahita ny fatin'i Jesosy Tompo.
4I stalo se, když ony se toho užasly, aj, muži dva postavili se podle nich, v rouše stkvoucím.
4Ary raha mbola very hevitra tamin'izany izy, indreo, nisy roa lahy niseho taminy nitafy fitafiana manelatrelatra.
5Když se pak ony bály, a sklonily tváři své k zemi, řekli k nim: Co hledáte živého s mrtvými?
5Ary nony natahotra izy ka niankohoka, dia hoy izy roa lahy taminy: Nahoana no ato amin'ny maty no itadiavanareo ny velona?
6Neníť ho tuto, ale vstalť jest. Rozpomeňte se, kterak mluvil vám, když ještě v Galilei byl,
6Tsy ato Izy fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia, hoe:
7Řka: Že Syn člověka musí vydán býti v ruce hříšných lidí, a ukřižován býti, a třetí den z mrtvých vstáti.
7Ny Zanak'olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan'ny mpanota ka hohomboana amin'ny hazo fijaliana ary hitsangana amin'ny andro fahatelo.
8I rozpomenuly se na slova jeho.
8Dia nahatsiaro ny teniny izy.
9A navrátivše se od hrobu, zvěstovaly to všecko těm jedenácti učedlníkům i jiným všechněm.
9Ary niverina niala tamin'ny fasana izy, dia nilaza izany rehetra izany tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy sy ny namany rehetra.
10Byly pak ženy ty: Maria Magdaléna a Johanna a Maria matka Jakubova, a jiné některé s nimi, kteréž vypravovaly to apoštolům.
10Teo Maria Magdalena sy Johana ary Maria, renin'i Jakoba; ary ny vehivavy sasany izay naman'ireo koa dia nilaza izany tamin'ny Apostoly.
11Ale oni měli za bláznovství slova jejich, a nevěřili jim.
11Nefa nataony ho arirarira foana izany teny izany ka tsy ninoany.
12Tedy Petr vstav, běžel k hrobu, a pohleděv do něho, uzřel prostěradla, ana sama leží. I odšel, divě se sám v sobě, co se to stalo.
12Fa Petera nitsangana, dia nihazakazaka nankany amin'ny fasana; ary niondrika izy ka nahita ny lambam-paty mipetraka mitokana; dia lasa nody izy sady gaga noho ny zavatra izay tonga teo.
13A aj, dva z nich šli toho dne do městečka, kteréž bylo vzdálí od Jeruzaléma honů šedesáte, jemuž jméno Emaus.
13Ary, indreo, nisy roa lahy tamin'ireny nandeha tamin'izany andro izany hankany amin'ny vohitra atao hoe Emaosy, tokony ho enim-polo stadio raha any Jerosalema.[Na: Roa ambin'ny folo kilometatra]
14A rozmlouvali vespolek o těch všech věcech, kteréž se byly staly.
14Dia niresaka ny amin'izay zavatra rehetra nanjo izy.
15I stalo se, když rozmlouvali a sebe se otazovali, že i Ježíš, přiblíživ se k nim, šel s nimi.
15Ary raha mbola niresaka sy niara-nisaina izy, dia nanatona Jesosy ka niaraka taminy.
16Ale oči jejich držány byly, aby ho nepoznali.
16Nefa ny mason'ireo nohazonina mba tsy hahafantarany Azy.
17I řekl k nim: Které jsou to věci, o nichž rozjímáte vespolek, jdouce, a proč jste smutní?
17Ary hoy Izy taminy: Ahoana izao teny resahinareo etỳ am-pandehanana izao? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy.
18A odpověděv jeden, kterémuž jméno Kleofáš, řekl jemu: Ty sám jeden jsi z příchozích do Jeruzaléma, ještos nezvěděl, co se stalo v něm těchto dnů?
18Ary ny anankiray, izay atao hoe Kleopasy, namaly ka nanao taminy hoe: Hianao irery va no vahiny mitoetra any Jerosalema tsy mba mahalala izay zavatra tonga tao tamin'izao andro izao?[ Na: Vahiny mitoetra irery angaha Hianao any Jerosalema ka tsy mahalala]
19Kterýmžto on řekl: I co? Oni pak řekli jemu: O Ježíšovi Nazaretském, kterýž byl muž prorok, mocný v slovu i v skutku, před Bohem i přede vším lidem,
19Fa hoy Izy taminy: Zavatra manao ahoana moa izany? Ary hoy izy roa lahy taminy: Ny amin'i Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin'ny asa sy ny teny teo anatrehan'Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra,
20A kterak jej vydali přední kněží a knížata naše na odsouzení k smrti, i ukřižovali jej.
20dia ny amin'ny nanoloran'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanapaka eto amintsika Azy hanamelohany Azy ho faty, sy ny nanomboany Azy tamin'ny hazo fijaliana.
21My pak jsme se nadáli, že by on měl vykoupiti lid Izraelský. Ale nyní tomu všemu třetí den jest dnes, jakž se to stalo.
21Nefa nantenainay fa Izy no Ilay efa hanavotra ny Isiraely; ary tsy izany ihany, fa androany no andro fahatelo hatr'izay nahatongavan'izany.
22Ale i ženy některé z našich zděsily nás, kteréž ráno byly u hrobu,
22Nefa kosa ny vehivavy sasany izay namanay nahahavery hevitra anay, fa tany amin'ny fasana maraina koa izy,
23A nenalezše těla jeho, přišly, pravíce, že jsou také vidění andělské viděly, kteřížto praví, že by živ byl.
23ary raha tsy nahita ny faty izy, dia tonga ka nilaza fa efa nahita anjely niseho kosa, izay nilaza fa velona Izy.
24I chodili někteří z našich k hrobu, a nalezli tak, jakž pravily ženy, ale jeho neviděli.
24Dia nandeha ny sasany izay nomba anay ka nankany amin'ny fasana, ary nahita araka izay nolazain'ny vehivavy; nefa Izy tsy hitany.
25Tedy on řekl k nim: Ó blázni a zpozdilí srdcem k věření všemu tomu, což mluvili Proroci.
25Ary hoy Izy taminy: Ry adala sy votsa saina ka tsy mino izay rehetra nolazain'ny mpaminany.
26Zdaliž nemusil těch věcí trpěti Kristus a tak vjíti v slávu svou?
26Moa tsy tokony ho niaritra izany va Kristy ka hiditra any amin'ny voninahiny?
27A počav od Mojžíše a všech Proroků, vykládal jim všecka ta písma, kteráž o něm byla.
27Dia nanomboka hatramin'i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy, ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin'ny Soratra Masina rehetra.
28A vtom přiblížili se k městečku, do kteréhož šli, a on potrh se, jako by chtěl dále jíti.
28Ary efa mby teo akaikin'ny vohitra izay efa halehan'izy roa lahy izy, ary Jesosy toa nanao handeha lavitra kokoa.
29Ale oni přinutili ho, řkouce: Zůstaň s námi, nebo se již připozdívá, a den se nachýlil. I všel, aby s nimi zůstal.
29Fa ireo nanery Azy ka nanao hoe: Mitoera atỳ aminay; fa efa ho hariva izao, ka lasan-davitra ny andro. Dia niditra hitoetra tao aminy Izy.
30I stalo se, když seděl s nimi za stolem, vzav chléb, dobrořečil, a lámaje, podával jim.
30Ary raha niara-nipetraka nihinana teo aminy Izy, dia nandray ny mofo ka nisaotra, dia namaky sy nanolotra azy.
31I otevříny jsou oči jejich, a poznali ho. On pak zmizel od očí jejich.
31Dia nahiratra ny mason'ireo, ka nahalala Azy; fa Izy kosa dia tonga tsy hitany.
32I řekli vespolek: Zdaliž srdce naše v nás nehořelo, když mluvil nám na cestě a otvíral nám písma?
32Dia niresaka hoe izy: Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dalana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika?
33A vstavše v tu hodinu, vrátili se do Jeruzaléma, a nalezli shromážděných jedenácte, a ty, kteříž s nimi byli,
33Dia niainga tamin'izany ora izany izy roa lahy ka niverina nankany Jerosalema, ary nahita ny iraika ambin'ny folo lahy mbamin'izay nomba azy tafangona teo
34Ani praví: Že vstal Pán právě, a ukázal se Šimonovi.
34sady nilaza hoe: Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo ka efa niseho tamin'i Simona.
35I vypravovali oni také to, co se stalo na cestě, a kterak ho poznali v lámání chleba.
35Ary ireo kosa dia nilaza izay efa niseho teny an-dalàna sy ny nahafantarany Azy tamin'ny namakiana ny mofo.
36A když oni o tom rozmlouvali, postavil se Ježíš uprostřed nich, a řekl jim: Pokoj vám.
36Ary raha mbola nilaza izany izy, Jesosy dia nitsangana teo afovoany ka nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.
37Oni pak zhrozivše se a přestrašeni byvše, domnívali se, že by ducha viděli.
37Dia taitra sady raiki-tahotra izy, satria nataony fa nahita matoatoa izy.
38I dí jim: Co se strašíte a myšlení vstupují na srdce vaše?
38Nefa hoy Jesosy taminy: Nahoana no taitra ianareo? ary nahoana no miahanahana ny fonareo?
39Vizte ruce mé i nohy mé, žeť v pravdě já jsem. Dotýkejte se a vizte; neboť duch těla a kostí nemá, jako mne vidíte míti.
39Izahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.
40A pověděv to, ukázal jim ruce i nohy.
40Ary rehefa niteny izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny tongony.
41Když pak oni ještě nevěřili pro radost, ale divili se, řekl jim: Máte-li tu něco, ješto by se pojedlo?
41Ary raha mbola tsy nino ihany izy ireo noho ny hafaliana sady mbola talanjona, dia hoy Jesosy taminy: Manan-kanina va ianareo?
42A oni podali jemu kusu ryby pečené a plástu strdi.
42Ary dia nomeny tapaky ny hazandrano voatono Izy.[ Ampio hoe: sy tantely]
43A vzav to, pojedl před nimi,
43Ary Izy nandray, dia nihinana teo anatrehany.
44A řekl jim: Tatoť jsou slova, kteráž jsem mluvil vám, ještě byv s vámi: Že se musí naplniti všecko, což psáno jest v Zákoně Mojžíšově a v Prorocích i v Žalmích o mně.
44Dia hoy Izy taminy: Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola tao aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nanoratana Ahy teo amin'ny lalàn'i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo.
45Tedy otevřel jim mysl, aby rozuměli Písmům.
45Dia nanokatra ny sain'ireo Izy hahalala ny Soratra Masina.
46A řekl jim: Že tak psáno jest a tak musil Kristus trpěti, a třetího dne z mrtvých vstáti,
46Ary hoy Izy taminy: Izany no voasoratra, fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin'ny maty amin'ny andro fahatelo;
47A aby bylo kázáno ve jménu jeho pokání a odpuštění hříchů mezi všemi národy, počna od Jeruzaléma.
47ary mba hotorina amin'ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin'ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema.
48Vy jste pak svědkové toho.
48Ary ianareo no vavolombelon'izany.
49A aj, já pošli zaslíbení Otce svého na vás. Vy pak čekejte v městě Jeruzalémě, dokudž nebudete oblečeni mocí s výsosti.
49Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan'ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin'ny hery avy any amin'ny avo.
50I vyvedl je ven až do Betany, a pozdvih rukou svých, dal jim požehnání.
50Ary Jesosy nitondra azy hatrany Betania, dia nanandratra ny tànany ka nitso-drano azy.
51I stalo se, když jim žehnal, bral se od nich, a nesen jest do nebe.
51Ary raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra.
52A oni poklonivše se jemu, navrátili se do Jeruzaléma s radostí velikou.
52Ary izy ireo nitsaoka Azy, dia niverina ho any Jerosalema sady faly indrindra.Ary teo an-kianjan'ny tempoly isan'andro izy nankalaza an'Andriamanitra.
53A byli vždycky v chrámě, chválíce a dobrořečíce Boha. Amen.
53Ary teo an-kianjan'ny tempoly isan'andro izy nankalaza an'Andriamanitra.