1Potom padl los synům Jozefovým, od Jordánu proti Jerichu při vodách Jerišských k východu, poušť, kteráž se začíná od Jericha přes hory Bethel.
1[Ny zara-tanin'ny taranak'i Josefa]Ary ny faritry ny tany azon'ny taranak'i Josefa tamin'ny filokana dia hatrany Jordana tandrifin'i Jeriko, dia tao amin'ny ranon'i Jeriko atsinanana, ka hatramin'ny efitra izay fiakarana avy any Jeriko, mamaky ny tany havoan'i Betela,
2A od Bethel vychází do Lůza, a přichází ku pomezí Archi do Atarot.
2dia hatrany Betela ka hatrany Lozy, ka nandroso hatramin'ny fari-tanin'ny Arkita hatrany Atarota,
3Potom jde k moři ku pomezí Jefleti, až ku pomezí Betoron dolního, a až k Gázer, a skonává se při moři.
3dia nidina niankandrefana nahazo ny tanin'ny Jafletita ka hatramin'ny fari-tanin'i Bedhorona ambany sy Gazera ka dia nihatra tamin'ny ranomasina.
4I vzali dědictví své synové Jozefovi, Manasses a Efraim.
4Dia azon'i Manase sy Efraima, taranak'i Josefa, ny lovany.
5Byla pak meze synů Efraimových po čeledech jejich, ta byla meze dědictví jejich na východ, od Atarot Addar až do Betoron vrchního.
5Ary ny amin'ny fari-tanin'ny taranak'i Efraima araka ny fokony, ny fari-taniny atsinanana amin'ny lovany dia hatrany Atarot-adara ka hatrany Beti-horona ambony.
6A vychází meze ta k moři při Michmetat od půlnoční strany, a obchází meze k východu Tanatsilo, a přechází ji od východu k Janoe.
6Ary ny fari-taniny dia nandroso niankandrefana hatrany avaratr'i Mikmeta, dia niolaka niantsinanana hatrany Tanata-silo ka nihoatra eo atsinanany hatrany Janoha,
7A sstupuje z Janoe do Atarot a Nárat, a přichází do Jericha, a vychází k Jordánu.
7dia nidina hatrany Janoha ka hatrany Atarota sy Narata, dia nipaka tamin'i Jeriko ary dia nihatra tany Jordana.
8Od Tafue meze jde k moři ku potoku Kána, a skonává se při moři. To jest dědictví pokolení synů Efraim po čeledech jejich.
8Ary hatrany Tapoa dia niankandrefana ny fari-tany hatramin'ny lohasahan-driak'i Kana, ka dia nihatra tamin'ny ranomasina. Izany no lovan'ny firenena taranak'i Efraima araka ny fokony,
9Města pak oddělená synům Efraimovým byla u prostřed dědictví synů Manassesových, všecka města s vesnicemi svými.
9mbamin'ny tanàna natokana ho an'ny taranak'i Efraima teo amin'ny lovan'ny taranak'i Manase koa, dia ny tanàna rehetra mbamin'ny zana-bohiny.Ary tsy nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gazera izy; fa monina eo amin'i Efraima ny Kananita mandraka androany ka ampanaovina fanompoana.
10A nevyplénili Kananea bydlícího v Gázer. I bydlil Kananejský u prostřed Efraima až do dnes, dávaje plat.
10Ary tsy nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gazera izy; fa monina eo amin'i Efraima ny Kananita mandraka androany ka ampanaovina fanompoana.