Czech BKR

Malagasy

Joshua

3

1Vstal pak Jozue velmi ráno, a hnuvše se z Setim, přišli až k Jordánu, on i všickni synové Izraelští, a přenocovali tu, prvé nežli šli přes něj.
1[Ny nitan'ny Zanak'Isiraely an'i Jordana, sy ny tsangam-bato nataony tao Gilgala, ary ny tahotry ny Amorita sy ny Kananita tamin'izany] Dia nifoha maraina koa Josoa; ary ny olona dia niala tany Sitima ka nankany Jordana, dia Josoa sy ny Zanak'Isiraely rehetra, ary nitoetra teo izy aloha vao nita.
2I stalo se, že třetího dne správcové šli prostředkem stanů,
2Ary rehefa afaka hateloana, dia nandeha namaky ny toby ny mpifehy
3A přikazovali lidu, řkouce: Když uzříte truhlu smlouvy Hospodina Boha svého a kněží Levítské, ani ji nesou, vy také hnete se s místa svého a půjdete za ní,
3ka nandidy ny olona hoe: Rehefa hitanareo ny fiaran'ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo ary ny Levita mpisorona mitondra azy, dia mialà amin'izay itoeranareo, ka manaraha azy
4(A však místo mezi vámi a mezi ní bude okolo dvou tisíc loket míry obecné, nepřibližujte se k ní), abyste viděli cestu, kterouž byste jíti měli; nebo nešli jste tou cestou prvé.
4(kanefa asio elanelany, tokony ho roa arivo hakiho, aminareo sy izy, fa aza manakaiky azy), mba ho fantatrareo ny lalana izay mety halehanareo; fa tsy mbola nalehanareo akory izao lalana izao.
5Řekl pak byl Jozue lidu: Posvěťtež se, zítra zajisté učiní Hospodin divné věci mezi vámi.
5Ary hoy Josoa tamin'ny olona: Manamasina ny tenanareo: fa rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo Jehovah.
6Potom řekl Jozue kněžím těmi slovy: Vezměte truhlu smlouvy, a jděte před lidem. I vzali truhlu smlouvy a brali se před lidem.
6Ary niteny tamin'ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Ento ny fiaran'ny fanekena, ka mità eo anoloan'ny olona. Dia nitondra ny fiaran'ny fanekena izy ka nandeha teo anoloan'ny olona.
7Nebo řekl byl Hospodin k Jozue: V tento den začnu tebe zvelebovati před očima všeho Izraele, aby poznali, že jakož jsem byl s Mojžíšem, tak budu s tebou.
7Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Anio no hanandratako anao eo imason'ny Isiraely rehetra, hahafantarany fa tahaka ny nombako an'i Mosesy no hombako anao koa.
8Protož ty přikaž kněžím, kteříž nosí truhlu smlouvy, a rci: Když vejdete na kraj vody Jordánské, zastavte se v Jordáně.
8Ary mandidia ny mpisorona izay mitondra ny fiaran'ny fanekena, ka ataovy hoe: Rehefa mihatra amin'ny moron'i Jordana ianareo, dia mijanòna eo Jordana ihany.
9Řekl také Jozue synům Izraelským: Přistupte sem, a slyšte slova Hospodina Boha vašeho.
9Ary Josoa nanao tamin'ny Zanak'Isiraely hoe: Mankanesa atỳ, ka mihainoa ny tenin'i Jehovah Andriamanitrareo.
10I řekl Jozue: Po tomto poznáte, že Bůh silný živý jest u prostřed vás, a že konečně vyžene od tváři vaší Kananejského, Hetejského, Hevejského, Ferezejského, Gergezejského, Amorejského a Jebuzejského:
10Dia hoy Josoa: Izao no hahafantaranareo fa eo aminareo Andriamanitra velona, ka horoahiny eo alohanareo tokoa ny Kananita sy ny Hetita sy ny Hivita sy ny Perizita sy ny Girgasita sy ny Amorita ary ny Jebosita:
11Aj, truhla smlouvy Panovníka vší země půjde před vámi přes Jordán.
11Indro, ny fiaran'ny faneken'ny Tompon'ny tany rehetra no mandroso eo alohanareo ho eo Jordana;
12Protož nyní vezměte sobě dvanácte mužů z pokolení Izraelských, po jednom muži z každého pokolení.
12koa ankehitriny mangalà lehilahy roa ambin'ny folo amin'ny firenen'Isiraely ho anareo, dia iray avy isam-pirenena;
13I bude, že hned jakž se zastaví kněží, nesoucí truhlu Hospodina Panovníka vší země, u vodě Jordánské, vody Jordánu rozdělí se, a vody tekoucí s vrchu zůstanou v jedné hromadě.
13ary raha vao mijanona eo amin'ny rano Jordana ny faladian'ny mpisorona izay mitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, Tompon'ny tany rehetra, dia ho tapaka ny rano Jordana, dia ny rano izay midina avy any ambony, ka hijanona ho toy ny antontan-javatra.
14Stalo se tedy, když se bral lid z stanů svých, aby šli přes Jordán, a kněží, kteříž nesli truhlu smlouvy, před nimi,
14Ary raha niala tamin'ny lainy hita an'i Jordana ny olona, ary ny mpisorona nitondra ny fiaran'ny fanekena eo alohan'ny olona,
15A když ti, kteříž nesli truhlu, přišli až k Jordánu, a kněží, nesoucí truhlu, omočili nohy v kraji vod: (Jordán pak rozvodňuje se a vystupuje ze všech břehů svých v každý čas žně),
15ka tonga teo Jordana izay nitondra ny fiara, ary naroboky ny mpisorona izay nitondra ny fiara tamin'ny sisin-drano ny tongony (fa tondraka mihoatra ny morony rehetra Jordana mandritra ny fararano),
16Že se zastavily vody, kteréž s hůry přicházely, a shrnuly se v hromadu jednu velmi daleko od Adam města, kteréž leží k straně Sartan, kteréž pak odcházely k moři dolů, k moři slanému sešly a sběhly, a lid přešel naproti Jerichu.
16dia nijanona ny rano izay nidina avy tany ambony ka tonga toy ny antontan-javatra terỳ lavitra erỳ, dia terỳ amin'ny tanàna Adama, izay eo anilan'i Zaretana; eny, tapaka tokoa ny rano izay nidina ho any amin'ny ranomasin'ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira; ary ny olona dia nita tandrifin'i Jeriko. [Heb. Arabà]Ary ny mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nijoro tsara tamin'ny tany maina teo afovoan'i Jordana, ary ny Isiraely rehetra nandeha tamin'ny tany maina mandra-pahatafitan'izy rehetra an'i Jordana.
17Stáli pak kněží, kteříž nesli truhlu smlouvy Hospodinovy na suše u prostřed Jordánu, nehýbajíce se, (a všecken Izrael šel po suše), až se lid všecken přepravil přes Jordán.
17Ary ny mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah dia nijoro tsara tamin'ny tany maina teo afovoan'i Jordana, ary ny Isiraely rehetra nandeha tamin'ny tany maina mandra-pahatafitan'izy rehetra an'i Jordana.