1I stalo se, když již všecken národ přešel Jordán, (nebo byl řekl Hospodin k Jozue, řka:
1Ary rehefa tafita an'i Jordana avokoa ny olona rehetra, Jehovah dia niteny tamin'i Josoa hoe:
2Vezměte sobě z lidu dvanácte mužů, po jednom muži z každého pokolení,
2Mangalà lehilahy roa ambin'ny folo amin'ny olona, dia iray avy isam-pirenena,
3A přikažte jim, řkouce: Vezměte sobě odsud z prostřed Jordánu, s místa, na němž stály nohy kněžské nepohnutě, dvanácte kamenů, a vyneste je s sebou, a sklaďte v ležení, v kterémž přes tuto noc pozůstanete),
3ka mandidia azy hoe: Makà vato roa ambin'ny folo eo afovoan'i Jordana eo amin'ilay nijoroan'ny tongotry ny mpisorona, dia ento miaraka aminareo, ka avelao eo amin'izay handrianareo anio alina.
4Že povolav Jozue dvanácti mužů, kteréž k tomu zřídil z synů Izraelských, po jednom muži z každého pokolení,
4Dia nantsoin'i Josoa ny lehilahy roa ambin'ny folo, izay nofidiny tamin'ny Zanak'Isiraely dia iray avy isam-pirenena,
5I řekl jim Jozue: Jděte před truhlou Hospodina Boha svého do prostřed Jordánu a vezměte sobě každý kámen jeden na rameno své, vedlé počtu pokolení synů Izraelských,
5ary hoy izy taminy: Mandehana eo alohan'ny fiaran'i Jehovah Andriamanitrareo ho eo afovoan'i Jordana, ka samia manainga vato iray avy ho eny an-tsorony ianareo rehetra, araka ny isan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely,
6Aby to bylo na znamení mezi vámi. Když by potom tázali se synové otců svých, řkouce: K čemu jsou vám ti kamenové?
6mba ho famantarana eo aminareo izany, raha manontany ny zanakareo amin'ny andro ho avy manao hoe: Inona no ataonareo ho anton'ireo vato ireo?
7Odpovíte jim, že se rozdělily vody Jordánské před truhlou smlouvy Hospodinovy, (když, pravím, šla přes Jordán, rozdělily se vody Jordánské), i zůstávají kamenové tito na památku synům Izraelským až na věky.
7dia holazainareo aminy hoe: Tapaka ny rano Jordana teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah; fa raha nita an'i Jordana ny fiara, dia tapaka ny rano; ary ireo vato ireo dia ho fahatsiarovana mandrakizay ho an'ny Zanak'Isiraely.
8I učinili synové Izraelští tak, jakž přikázal Jozue, a vzali dvanácte kamenů z prostředku Jordánu, jakož mluvil Hospodin k Jozue, vedlé počtu pokolení synů Izraelských, a přinesli je s sebou na první stanoviště, a tu je složili.
8Dia nanao izany ny Zanak'Isiraely araka izay nandidian'i Josoa ka naka vato roa ambin'ny folo teo afovoan'i Jordana, araka izay nolazain'i Jehovah tamin'i Josoa, araka ny isan'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ka nentiny nita niaraka taminy ho eo amin'izay nitobiany ka napetrany teo.
9Jozue také vyzdvihl dvanácte kamenů u prostřed Jordánu na místě, kdež stály nohy kněží nesoucích truhlu smlouvy, a byli tam až do tohoto dne.
9Ary vato roa ambin'ny folo no natsangan'i Josoa teo Jordana, teo amin'ilay nijoroan'ny tongotry ny mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny fanekena; ary mbola ao ihany ireny mandraka androany.
10Kněží pak, jenž nesli truhlu, stáli u prostřed Jordánu, dokudž se nevyplnilo všeliké slovo, kteréž přikázal Hospodin Jozue, aby oznámil lidu podlé všeho, jakž byl přikázal Mojžíš Jozue. I pospíšil lid a přešli.
10Fa ny mpisorona izay nitondra ny fiara nijanona teo afovoan'i Jordana mandra-pahavitan'ny zavatra rehetra izay nandidian'i Jehovah an'i Josoa holazaina amin'ny olona, araka izay rehetra nandidian'i Mosesy an'i Josoa; dia nita faingana ny olona.
11Když pak již přešel všecken lid, přešla také truhla Hospodinova i kněží, an lid na to hledí.
11Ary rehefa tafita avokoa ny olona rehetra, dia nita koa ny fiaran'i Jehovah sy ireo mpisorona teo anoloan'ny olona.
12Přešli i synové Rubenovi a synové Gádovi, a polovice pokolení Manassesova, vojensky zpořádaní před syny Izraelskými, jakož byl mluvil k nim Mojžíš.
12Ary ny taranak'i Robena sy ny taranak'i Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase dia samy efa voaomana hiady ka nita teo alohan'ny Zanak'Isiraely koa, araka izay efa nolazain'i Mosesy taminy.
13Okolo čtyřidcíti tisíců oděných bojovníků šlo před Hospodinem k boji na roviny Jericha.
13Tokony ho lehilahy efatra alina efa voaomana hiady no nita teo anatrehan'i Jehovah hanafika, ho eo amin'ny tani-hay any Jeriko. [Heb. Arabà]
14V ten den zvelebil Hospodin Jozue před očima všeho Izraele. I báli se ho, jako se báli Mojžíše po všecky dny života jeho.
14Tamin'izany andro izany no nanandratan'i Jehovah an'i Josoa teo imason'ny Isiraely rehetra; ka dia natahotra azy ny olona, tahaka ny efa natahorany an'i Mosesy, tamin'ny andro rehetra niainany.
15Mluvil pak Hospodin k Jozue, řka:
15Ary Jehovah niteny tamin'i Josoa ka nanao hoe:
16Přikaž kněžím, kteříž nesou truhlu svědectví, ať vystoupí z Jordánu.
16Mandidia ny mpisorona izay mitondra ny fiaran'ny Vavolombelona hiakatra hiala eo Jordana. [Dia ny didy folo]
17I přikázal Jozue kněžím, řka: Vystupte z Jordánu.
17Dia nandidy ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Miakara hiala eo Jordana ianareo.
18Když pak vystupovali kněží, jenž nesli truhlu smlouvy Hospodinovy, z prostřed Jordánu, jakž jen vytrhli kněží nohy na sucho, navrátily se vody Jordánské k místu svému, a tekly předce jako i prvé ve všech březích svých.
18Ary rehefa niakatra niala teo afovoan'i Jordana ka nanainga ny faladiany ho eo amin'ny tanety ireo mpisorona izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah ireo, dia avy indray ny rano Jordana nankamin'ny fitoerany ka nihoatra ny morony rehetra tahaka ny teo aloha ihany.
19Vyšed pak lid z Jordánu desátého dne měsíce prvního, položili se v Galgala k straně východní Jericha;
19Ary ny olona niakatra niala teo Jordana tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana voalohany ka nitoby tany Gilgala, teo amin'ny sisin-tany atsinanan'i Jeriko.
20A dvanácte kamenů těch, kteréž vynesli z Jordánu, postavil Jozue v Galgala.
20Ary ireny vato roa ambin'ny folo nalainy teo Jordana ireny dia natsangan'i Josoa tany Gilgala.
21A mluvil k synům Izraelským takto: Když by se otázali potom synové vaši otců svých, řkouce: Co ti kamenové znamenají?
21Dia niteny tamin'ny Zanak'Isiraely izy ka nanao hoe: Raha manontany ny rainy ny taranakareo any amin'ny andro ho avy hoe: Inona no anton'ireo vato ireo?
22Oznámíte synům svým a díte: Po suše přešel Izrael Jordán tento.
22dia hambaranareo aminy hoe: Tamin'ny tany maina no nitan'ny Isiraely ity Jordana ity.
23Nebo vysušil Hospodin Bůh váš vody Jordánské před tváří vaší, až jste přešli, jakož učinil Hospodin Bůh váš moři Rudému, kteréž vysušil před tváří naší, až jsme přešli,
23Fa nataon'i Jehovah Andriamanitrareo maina ny falehan'ny rano Jordana teo anoloanareo mandra-pitanareo, dia tahaka ny nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ny Ranomasina Mena, izay nataony maina teo anoloantsika mandra-pitantsika,mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa mahery ny tànan'i Jehovah, ary mba hatahorany an'i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay.
24Aby poznali všickni národové země ruku Hospodinovu, že silná jest, a abyste se báli Hospodina Boha vašeho po všecky dny.
24mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin'ny tany fa mahery ny tànan'i Jehovah, ary mba hatahorany an'i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay.