1Stalo se pak, když uslyšeli všickni králové Amorejští, kteříž bydlili za Jordánem k západu, a všickni králové Kananejští, kteříž bydlili při moři, že vysušil Hospodin vody Jordánské před syny Izraelskými, dokudž ho nepřešli: zemdlelo srdce jejich, aniž zůstalo více v nich duše před tváří synů Izraelských.
1Ary ny mpanjaka rehetra amin'ny Amorita any an-dafy andrefan'i Jordana sy ny mpanjaka rehetra tamin'ny Kananita any amoron'ny ranomasina, rehefa nandre ny nanamainan'i Jehovah ny rano Jordana teo anoloan'ny Zanak'Isiraely mandra-pitany, dia ketraka ny fony ka very hevitra izy noho ny tahony ny Zanak'Isiraely. [Na: (mandra-pitantsika)]
2Toho času řekl Hospodin k Jozue: Udělej sobě nože ostré, a obřež opět syny Izraelské po druhé.
2[Ny namorana ny olona izay nateraka tany an-efitra, sy ny nitandremany ny Paska, ary ny nitsaharan'ny mana] Tamin'izany andro izany no nilazan'i Jehovah tamin'i Josoa hoe: Manaova fiharatra vato ho anao, ka atombohy indray ny famorana ny Zanak'Isiraely.
3I udělal sobě Jozue nože ostré, a obřezal syny Izraelské na pahrbku Aralot.
3Dia nanao fiharatra vato ho azy Josoa ka namora ny Zanak'Isiraely teo an-kavoana Haralota.
4Tato pak jest příčina, pro kterouž je obřezal Jozue, že všecken lid, kterýž byl vyšel z Egypta, pohlaví mužského, všickni muži bojovní zemřeli byli na poušti na cestě po vyjití z Egypta.
4Ary izao no anton'ny namoran'i Josoa azy: Ny lehilahy rehetra izay nivoaka avy tany Egypta, dia ny mpanafika rehetra, samy maty tany an-fitra teny an-dalana, tamin'izy efa nivoaka avy tany Egypta.
5Nebo obřezán byl všecken lid, kterýž byl vyšel, ale žádného z toho lidu, kterýž se zrodil na poušti, na cestě po vyjití z Egypta, neobřezali.
5Ary voafora ny lehilahy rehetra izay nivoaka; fa ny lehilahy rehetra nateraka teny an-dalana tany an-efitra, tamin'izy efa nivoaka avy tany Egypta, dia tsy mbola voafora kosa.
6(Nebo čtyřidceti let chodili synové Izraelští po poušti, dokudž nezahynul všecken národ mužů bojovných, kteříž byli vyšli z Egypta, ješto neposlouchali hlasu Hospodinova, jimžto zapřisáhl Hospodin, že neukáže jim země, kterouž s přísahou zaslíbil dáti otcům jejich, že ji nám dá, zemi oplývající mlékem a strdí.)
6Fa efa-polo taona no nandehanan'ny Zanak'Isiraely tany an-efitra, mandra-pahalany ritran'ny olona rehetra, dia ny mpanafika izay nivoaka avy tany Egypta, satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah izy; dia ireo no nianianan'i Jehovah fa tsy havelany hahita ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razana homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.
7Ale syny jejich, kteréž postavil na místo jejich, ty obřezal Jozue, že byli neobřezaní; nebo žádný jich neobřezoval na cestě.
7Ary ny zanany no natsangany handimby azy, ka ireo no noforan'i Josoa; fa tsy mbola voafora ireo, satria tsy noforana teny an-dalana.
8Když pak byl všecken lid obřezán, zůstali na místě svém v ležení, dokudž se nezhojili.
8Ary rehefa noforana ny lehilahy rehetra, dia nitoetra tao amin'ny fitoerany tany an-toby izy mandra-pahasitrany.
9I řekl Hospodin k Jozue: Dnes jsem odjal pohanění Egyptské od vás. A nazval jméno místa toho Galgal až do tohoto dne.
9Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Androany no nanakodiavako ny fandatsan'i Egypta ho afaka aminareo. Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Gilgala mandraka androany. [Gilgala = Fanakodiavana]
10Když pak ležení měli synové Izraelští v Galgala, slavili velikunoc čtrnáctého dne toho měsíce u večer, na rovinách Jericha.
10Ary ny Zanak'Isiraely nitoby tany Gilgala ka nitandrina ny Paska tamin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana, teo amin'ny tani-hay any Jeriko.[Heb. Arabà]
11I jedli z úrod té země na zejtří po velikonoci chleby nekvašené, a pražmu téhož dne.
11Ary nony ampitson'ny Paska, dia nihinana ny vokatry ny tany izy tamin'izany andro izany indrindra, dia mofo tsy misy masirasira sy lango.
12I přestala manna na zejtří, když jedli z obilé té země, a již více neměli synové Izraelští manny, ale jedli z úrod země Kananejské toho roku.
12Ary nitsahatra ny mana tamin'iny andro ampitso iny, dia tamin'ny nihinanany ny vokatry ny tany, ka tsy nisy mana ho an'ny Zanak'Isiraely intsony; fa nihinana ny vokatry ny tany Kanana izy tamin'izany taona izany.
13Stalo se pak, když byl Jozue na poli Jericha, že pozdvihl očí svých a viděl, an muž stojí naproti němu, maje v ruce meč dobytý. I šel Jozue k němu, a řekl jemu: Jsi-li náš, čili nepřátel našich?
13[Ny nisehoan'ny Komandin'ny miaramilan'i Jehovah tamin'i Josoa, sy ny nahafahan'ny Isiraely an'i Jeriko] Ary nony teo akaikin'i Jeriko Josoa, dia nanopy ny masony izy ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy nitsangana tandrifiny, ka ny sabany voatsoaka dia teny an-tànany; ary nanatona Azy Josoa ka nanao taminy hoe: Namanay va Hianao, sa naman'ny fahavalonay?
14I odpověděl: Nikoli, ale já jsem kníže vojska Hospodinova, a nyní jsem přišel. I padl Jozue tváří svou na zem, a pokloniv se, řekl jemu: Co pán můj chce mluviti služebníku svému?
14Dia hoy Izy: Tsia; fa Izaho dia Komandin'ny miaramilan'i Jehovah ka tonga atỳ ankehitriny. Dia niankohoka tamin'ny tany Josoa ka nanao taminy hoe: Inona no holazainao amin'ny mpanomponao, Tompokolahy ?Dia hoy Ilay Komandin'ny miaramilan'i Jehovah tamin'i Josoa: Esory amin'ny tongotrao ny kapanao; fa masina io tany ijanonanao io. Dia nataon'i Josoa izany.
15Tedy odpověděl kníže vojska Hospodinova k Jozue: Szuj obuv svou s noh svých, nebo místo, na němž stojíš, svaté jest. I učinil tak Jozue.
15Dia hoy Ilay Komandin'ny miaramilan'i Jehovah tamin'i Josoa: Esory amin'ny tongotrao ny kapanao; fa masina io tany ijanonanao io. Dia nataon'i Josoa izany.