1Zhřešili pak synové Izraelští přestoupením při věcech proklatých; nebo Achan, syn Charmi, syna Zabdi, syna Záre, z pokolení Juda, vzal něco z věcí proklatých. Pročež rozpálila se prchlivost Hospodinova na syny Izraelské.
1[Ny fahotan'i Akana sy ny namonoana azy] Fa ny Zanak'Isiraely nandika ny didy ny amin'ny zavatra voaozona; fa Akana, zanak'i Karmy, zanak'i Zabdy, zanak'i Zera, avy tamin'ny firenen'i Joda, naka tamin'ny zavatra efa voaozona, ka dia nirehitra tamin'ny Zanak'Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah.
2Nebo když poslal Jozue muže některé od Jericha do Hai, kteréž bylo blízko Betaven, k východní straně Bethel, a mluvil k nim, řka: Vstupte a shlédněte zemi, vstoupili tedy muži ti, a shlédli Hai.
2Ary Josoa naniraka olona hiala tany Jeriko hankany Ay, izay eo anilan'i Betavena, atsinanan'i Betela, ka niteny taminy hoe: Miakara, ka safoy ny tany. Dia niakatra ny olona ka nisafo an'i Ay.
3Kteřížto navrátivše se k Jozue, řekli jemu: Nechť nevstupuje všecken lid tento, okolo dvou tisíc mužů neb okolo tří tisíců mužů nechť vstoupí, a dobudouť Hai; neobtěžuj všeho lidu, vysílaje jej tam, nebo málo jest oněchno.
3Ary niverina tany amin'i Josoa izy ireo ka nanao taminy hoe: Aoka tsy hiakatra avokoa ny vahoaka rehetra; fa olona tokony ho roa arivo na telo arivo no aoka hiakatra hamely an'i Ay; aza manasatra ny vahoaka rehetra hankany, fa vitsy ihany izy.
4Tedy vytáhlo jich z lidu tam okolo tří tisíc mužů, a utekli před muži města Hai.
4Dia niakatra nankany ny olona sasany, tokony ho telo arivo lahy; kanjo nandositra teo anoloan'ny mponina tao Ay ireo.
5I zabili z nich obyvatelé Hai okolo třidcíti a šesti mužů, a honili je od brány až k Sabarim, a porazili je, když s vrchu utíkali. I rozpustilo se srdce lidu, a bylo jako voda.
5Dia nahafaty tokony ho enina amby telo-polo lahy ny mponina tao Ay sady nanenjika azy teo anoloan'ny vavahady ka hatrany Sebarima izy ary namely azy teny am-pidinana; dia ketraka ny fon'ny vahoaka ka tonga tahaka ny rano.
6Tedy Jozue roztrhl roucho své, a padl tváří svou na zem před truhlou Hospodinovou, a ležel až do večera, ano i starší Izraelští, a sypali prach na hlavy své.
6Dia notriarin'i Josoa ny fitafiany, ka niankohoka tamin'ny tany teo anoloan'ny fiaran'i Jehovah mandra-paharivan'ny andro izy sy ny loholon'ny Isiraely, sady nasiany vovoka ny lohany.
7I řekl Jozue: Ach, Panovníče Hospodine, proč jsi kdy převedl lid tento přes Jordán, abys nás vydal v ruku Amorejského, tak aby nás zahubil? Ó kdybychom byli raději zůstali za Jordánem.
7Ary hoy Josoa: Indrisy, Jehovah Tompo ô! nahoana no nampita ity firenena ity foana teo Jordana Hianao, hanoloranao anay eo an-tànan'ny Amorita handringanana anay? Inay anie izahay mba nety nitoetra tany an-dafin'i Jordana ihany!
8Ó Pane, což mám říci, když již lid Izraelský utíká před nepřátely svými?
8Indrisy, Tompo ô! inona intsony no holazaiko, fa ny Isiraely efa niamboho teo anoloan'ny fahavalony?
9Nebo uslyšíce Kananejští a všickni obyvatelé země, obklíčí nás vůkol, a vyhladí jméno naše z země. I což to učiníš jménu svému velikému?
9Ary ho ren'ny Kananita sy ny mponina rehetra amin'ny tany izany, dia hanodidina anay izy ka hamono ny anaranay tsy ho eo amin'ny tany intsony; ary hataonao ahoana ny anaranao lehibe?
10I řekl Hospodin k Jozue: Vstaň. Proč jsi padl na tvář svou?
10Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Mitsangàna; nahoana no miankohoka toy izao ianao?
11Zhřešil Izrael, tak že smlouvu mou přestoupili, kterouž jsem jim přikázal; nebo jsou i vzali z věcí proklatých, k tomu i ukradli, také i sklamali, nad to i odložili mezi nádobí svá.
11Efa nanota ny Isiraely ka nivadika ny fanekeko izay nandidiako azy; fa efa naka tamin'ny zavatra voaozona izy, sady nangalatra sy namitaka koa, ka nataony ao amin'ny entany.
12Protož nebudou moci synové Izraelští ostáti před nepřátely svými, utíkati budou před nepřátely svými, nebo poškvrnili se věcí proklatou. Nebuduť více s vámi, leč vyhladíte prokletí to z prostředku svého.
12Koa tsy mahajanona eo anoloan'ny fahavalony ny Zanak'Isiraely; miamboho eo anoloan'ny fahavalony izy, satria tonga voaozona. Tsy homba anareo intsony Aho, raha tsy holevonina tsy ho eo aminareo ny zavatra efa voaozona.
13Vstaň, posvěť lidu a rci: Posvěťte se k zítřku; nebo takto praví Hospodin Bůh Izraelský: Věc proklatá jest u prostřed tebe, Izraeli, nebudeš moci ostáti před nepřátely svými, dokudž neodejmeš prokletí toho z prostředku svého.
13Mitsangana, manamasina ny vahoaka, ka lazao hoe: Manamasina ny tenanareo mandra-pahamaraina; fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Eo aminao misy zavatra efa voaozona, ry Isiraely; koa tsy mahajanona eo anoloan'ny fahavalonao ianao mandra-panaisotrareo ny zavatra efa voaozona tsy ho eo aminareo intsony.
14Protož přistupovati budete ráno po pokoleních svých, a pokolení, kteréž ukáže Hospodin, přistupovati bude po rodech, takž rod, kterýž ukáže Hospodin, přistupovati bude po domích, a dům, kterýž ukáže Hospodin, přistupovati bude po osobách.
14Dia hampanatonina ianareo raha maraina araka ny firenenareo avy; koa ny firenena izay tanan'i Jehovah dia hanatona isam-pokony; ary ny foko izay tanan'i Jehovah dia hanatona indray isam-pianakaviana; ary ny fianakaviana izay tanan'i Jehovah dia hanatona indray isam-batan'olona.
15Kdož pak postižen bude vinný věcí proklatou, ohněm spálen bude, on i všecko, což jeho jest, proto že přestoupil smlouvu Hospodinovu, a že učinil nešlechetnost v Izraeli.
15Koa izay azo mitana ny zavatra voazona, dia hodorana amin'ny afo izy mbamin'izay rehetra mety ho azy, satria nivadika ny faneken'i Jehovah izy ka nanao izay fady indrindra teo amin'ny Isiraely.[Heb. fahadalana]
16Vstav tedy Jozue ráno, kázal přistupovati Izraelovi po pokoleních jejich. I postiženo jest pokolení Judovo.
16Dia nifoha maraina koa Josoa ka nampanatona ny Isiraely araka ny fireneny avy; ary ny firenen'i Joda no notanana.
17Tedy když kázal přistupovati čeledem Juda, postižena jest čeled Záre. Potom kázal přistupovati čeledi Záre po osobách, a postižen jest Zabdi.
17Dia nitondra ireo fokon'i Joda izy; ka ny fianakavian'i Zera no notanana; dia nampanatona ny fianakavian'i Zera indray isam-batan'olona izy, ka Zabdy no notanana;
18I kázal přistupovati domu jeho po osobách, i postižen jest Achan, syn Charmi, syna Zabdi, syna Záre z pokolení Judova.
18dia nampanatona ny ankohonany araka ny olona tsirairay izy; dia Akana, zanak'i Karmy, zanak'i Zabdy zanak'i Zera, avy tamin'ny firenen'i Joda, no notanana.
19I řekl Jozue Achanovi: Synu můj, dej, prosím, chválu Hospodinu Bohu Izraelskému, a vyznej se jemu, a oznam mi aspoň již, co jsi učinil, netaj již toho přede mnou.
19Dia hoy Josoa tamin'i Akana: Anaka, masìna ianao, omeo voninahitra Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ka mitsora aminy; ary lazao amiko ankehitriny izay nataonao; aza afeninao ahy izany.[Na: miderà azy]
20Tedy odpovídaje Achan k Jozue, řekl: Pravdať jest, já jsem zhřešil proti Hospodinu Bohu Izraelskému, tak že to a toto jsem učinil.
20Ary Akana namaly an'i Josoa ka nanao hoe; Eny tokoa, izaho no nanota tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. ary izao ka izao no nataoko:
21Viděl jsem mezi loupeží plášť jeden Babylonský pěkný, a dvě stě lotů stříbra, a prut zlatý jeden, padesáte lotů ztíží, čehož požádav, vzal jsem to, a aj, jsou ty věci skryté v zemi prostřed stanu mého, a stříbro pod tím.
21Nahita kapôty tsara avy any Babylona aho sy sekely volafotsy roanjato ary anja-bolamena, lanjan-tsekely dimam-polo, tamin'ny babo, dia nitsiriritra ireny aho ka naka; ary, indreo, voàfina ao ambanin'ny tany ao amin'ny laiko ireny, ary ny volafotsy ao ambaniny.
22Tedy poslal Jozue posly, kteříž běželi do stanu, a aj, bylo to skryto v stanu jeho, a stříbro pod tím.
22Dia naniraka olona Josoa, ka nihazakazaka nankany amin'ny lay ireo, ary, indro, voàfina tao anatin'ny lainy ny zavatra, ary ny volafotsy tao ambaniny.
23A vzavše to z stanu, přinesli k Jozue a ke všechněm synům Izraelským, a položili ty věci před Hospodinem.
23Dia nalainy avy ao amin'ny lay ireny ka nentiny teo amin'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely rehetra, ary napetrany teo anatrehan'i Jehovah
24Vzav tedy Jozue a všecken Izrael s ním Achana, syna Záre, a stříbro i plášť, i prut zlatý, i syny jeho, i dcery jeho, voly a osly, dobytek i stan jeho i všecko, což měl, vyvedli je do údolí Achor.
24Dia nalain'i Josoa sy ny Isiraely rehetra Akana, zanak'i Zera, ary ny volafotsy sy ny kapôty sy ny anja-bolamena ary ny zananilahy sy ny zananivavy ary ny ombiny sy ny borikiny sy ny ondriny aman'osiny ary ny lainy mbamin'izay rehetra nety ho azy; dia nentiny ho ao an-dohasaha Akora ireny.
25Kdež řekl Jozue: Proč jsi zkormoutil nás? Zkormutiž tebe Hospodin v tento den. I uházel jej všecken lid kamením, a spálili je ohněm, ukamenovavše je kamením.
25Ary hoy Josoa: Adray ny loza nampidirinao taminay! Mba hahatonga loza aminao kosa Jehovah anio. Dia nitora-bato azy ny Isiraely rehetra ary nandoro ireny tamin'ny afo sady nanangom-bato teo amboniny.Dia nanao antontam-bato lehibe hanarona azy mandraka androany izy. Ary Jehovah dia nionona tamin'ny fahatezerany mirehitra. Izany no nanaovana ny anaran'izany tany mandraka androany hoe Lohasaha Akora.[Akora = fampidiran-doza]
26Potom nametali naň hromadu kamení velikou, kteráž trvá až do tohoto dne; a tak odvrácen jest Hospodin od hněvu prchlivosti své. Protož nazváno jest jméno místa toho údolí Achor, až do dnešního dne.
26Dia nanao antontam-bato lehibe hanarona azy mandraka androany izy. Ary Jehovah dia nionona tamin'ny fahatezerany mirehitra. Izany no nanaovana ny anaran'izany tany mandraka androany hoe Lohasaha Akora.[Akora = fampidiran-doza]