Czech BKR

Malagasy

Joshua

8

1I řekl Hospodin k Jozue: Neboj se, ani se strachuj; pojmi s sebou všecken lid bojovný, a vstana, táhni k Hai. Aj, dal jsem v ruku tvou krále Hai a lid jeho, město i zemi jeho.
1[Ny nahafahan'ny Isiraely an'i Ay sy Betela] Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra na mivadi-po ianao, ento miaraka aminao ny vahoaka rehetra mpanafika, ka miaingà, iakaro Ay; indro, efa natolotro eo an-tananao ny mpanjakan'i Ay mbamin'ny vahoakany sy ny tanànany ary ny taniny.
2A učiníš Hai a králi jeho, jako jsi učinil Jerichu a králi jeho, loupež však a dobytky jeho rozbitujete mezi sebe. Zdělejž sobě zálohy k městu po zadu.
2Dia tahaka ny nataonao tamin'i Jeriko sy ny mpanjakany no hataonao koa amin'i Ay sy sy mpanjakany; nefa ny fananana rehetra sy ny biby fiompy ao dia halainareo ho babo ho anareo ihany; asio otrika eo ankoatry ny tanàna.
3Tedy vstal Jozue a všecken lid bojovný, aby táhli k Hai. I vybral Jozue třidcet tisíců mužů velmi silných, a předeslal je v noci.
3Dia niainga Josoa sy ny mpanafika rehetra hiakatra any Ay, ary nifidy lehilahy mahery telo alina Josoa ka nandefa ireo tamin'ny alina.
4A přikázal jim, řka: Šetřtež vy, kteříž uděláte zálohy městu po zadní straně města, abyste nebyli příliš daleko od něho, ale buďte všickni pohotově.
4Dia nandidy azy izy ka nanao hoe: Indro, ianareo hanotrika eo ivohon'ny tanàna hamely azy, ka aza manalavitra azy loatra, fa miomàna ianareo rehetra.
5Já pak i všecken lid, kterýž se mnou jest, přitáhneme k městu. A když oni nám vyjdou vstříc, jako prvé, utíkati budeme před nimi.
5Ary izaho sy ny vahoaka rehetra izay miaraka amiko kosa dia hanatona ny tanàna; ary rehefa mivoaka hamely anay tahaka ny teo ny olona, dia handositra eo anoloany izahay.
6Tedy honiti budou nás, až bychom poodvedli jich od města, (nebo řeknou: Utíkají před námi, jako prvé), utíkajíce před nimi.
6Dia hivoaka hanenjika anay izy mandra-pitarikay azy hiala ao an-tanàna; fa izy hanao hoe: Mandositra eo anoloantsika tahaka ny teo izy; dia hanao tari-dositra eo anoloany izahay.
7Vy mezi tím vyskočíte z záloh, a vyženete ostatní obyvatele města, nebo dá je Hospodin Bůh váš v ruku vaši.
7Ary dia hiroatra avy ao amin'ny fanotrehana kosa ianareo, ka ho azonareo ny tanàna; fa atolotr'i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tananareo izy.
8A když vezmete město, zapálíte je ohněm, podlé slova Hospodinova učiníte; šetřtež toho, což jsem přikázal vám.
8Ary rehefa afakareo ny tanàna, dia dory amin'ny afo; araka ny didin'i Jehovah no hataonareo; indro, efa nandidy anareo aho.
9I poslal Jozue, a oni šli k zálohám, a zůstali mezi Bethel a Hai, od západní strany Hai; Jozue pak zůstal té noci u prostřed lidu.
9Dia nampandehanin'i Josoa izy ireo, ary nandeha hanotrika ka nitoetra teo andrefan'i Ay, teo anelanelan'i Betela sy Ay; fa Josoa kosa nitoetra teo amin'ny vahoaka ihany tamin'izany alina izany.
10Potom vstav Jozue velmi ráno, sečtl lid, i bral se napřed, on a starší Izraelští před lidem k Hai.
10Dia nifoha maraina koa Josoa ka nandamina ny vahoaka, ary niakatra teo alohan'ny vahoaka hankany Ay izy sy ny loholon'ny Isiraely.
11Všecken také lid bojovný, kterýž byl s ním, táhnouce, přiblížili se, až přišli naproti městu, a položili se po straně půlnoční Hai; údolí pak bylo mezi nimi a mezi Hai.
11Ary ny vahoaka rehetra mpanafika, izay niaraka tamin'i Josoa, dia niakatra ka nanakaiky sy nanandrify ny tanàna; ary nitoby teo avaratr'i Ay izy, ka ny lohasaha no teo anelanelan'izy sy Ay.
12Vzal pak byl okolo pěti tisíc mužů, kteréž postavil v zálohách mezi Bethel a Hai, od západní stany města.
12Dia naka olona tokony ho dimy arivo lahy izy ka nampanotrika azy teo anelanelan'i Betela sy Ay, andrefan'ny tanàna.
13I přiblížil se lid, totiž všecko vojsko, kteréž bylo od půlnoční strany města, a kteříž byli v zálohách jeho od západní strany města; a tak vtáhl Jozue noci té do prostřed údolí.
13Ary rehefa voalahatry ny vahoaka ny toby rehetra izay teo avaratry ny tanàna sy ny otrika teo andrefan'ny tanàna, dia nandeha nankeo amin'ny lohasaha Josoa tamin'izany alina izany.
14I stalo se, že když je uzřel král Hai, pospíšili, a ráno vstavše, vyšli lidé města vstříc Izraelovi k boji, on i všecken lid jeho toho času před rovinu; nevěděl pak, že zálohy udělány byly jemu po zadu města.
14Ary rehefa hitan'ny mpanjakan'i Ay izany, dia nifoha maraina koa ny olona tao an-tanàna ka nivoaka faingana hiady tamin'ny Isiraely, teo amin'ny tany nifamotoanany tandrifin'ny tani-hay, dia ny mpanjaka sy ny vahoakany: fa tsy fantany ho nisy otrika hamely azy tao ankoatry ny tanàna. [Na: fotoana]
15I postoupil Jozue a všecken Izrael před nimi, a utíkali cestou pouště.
15Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra nody resy teo anoloany ka nanao tari-dositra tamin'ny lalana mankany an-efitra.
16I svolán jest všecken lid v městě, aby je honili. I honili Jozue, a vzdálili se od města svého,
16Dia nifampiantso hanenjika azy ny vahoaka rehetra izay tao an-tanàna; ary nanenjika an'i Josoa izy, ka dia voatarika ho tafavoaka ny tanàna.
17Tak že nezůstal žádný z obyvatelů Hai a Bethel, kdo by nevyšel, aby honil Izraele; a nechali města otevřeného, a honili Izraele.
17Ary tsy nisy lehilahy sisa, na tao Ay na tao Betela, izay tsy nivoaka hanenjika ny Isiraely; ary nilaozany mbola nivoha ny tanàna, ka lasa nanenjika ny Isiraely izy.
18Řekl pak Hospodin k Jozue: Zdvihni korouhev, kterouž máš v rukou svých, proti Hai, nebo v ruce tvé dám je. I zdvihl Jozue korouhev, kterouž měl v ruce své, proti městu.
18Ary hoy Jehovah tamin'i Josoa: Atondroy an'i Ay ny lefona izay eny an-tananao; fa hatolotro eo an-tananao Ay. Dia natondron'i Josoa ny tanàna ny lefona izay teny an-tànany.
19Tedy, kteříž byli v zálohách, rychle vyskočili z místa svého, a běželi, když pozdvihl ruky své, a všedše do města, vzali je, a spěšně zapálili město ohněm.
19Dia niroatra faingana ny otrika avy tao amin'ny nitoerany ka nihazakazaka, raha vao natondrony ny tànany; dia niditra tao an-tanàna izy ka nahafaka azy ary nandoro azy faingana tamin'ny afo.
20Muži pak města Hai ohlédše se nazpět, uzřeli, a aj, vstupoval dým města k nebi, a neměli místa k utíkání sem ani tam; nebo lid, kterýž utíkati počal k poušti, obrátil se na ty, kteříž je honili.
20Ary niherika ny mponina tao Ay, ka hitany fa, indro, ny setroky ny tanàna niakatra ho any an-danitra, sady tsy nisy handosirany akory , na ho etỳ, na ho erỳ; fa ny Isiraely izay nanao tari-dositra ho any an-efitra dia nifotitra namely ny mpanenjika kosa.
21Jozue zajisté a všecken Izrael, když viděli, že z záloh vzali město, a že se vznáší dým města, obrátili se, a bili muže Hai.
21Fa rehefa hitan'i Josoa sy ny Isiraely rehetra fa efa azon'ny otrika ny tanàna, ka niakatra ny setroky ny tanàna, dia nifotitra izy ka namely ny mponina tao Ay.
22Onino také vyšli z města proti nim, a obklíčil Izrael nepřátely své, jedni odsud, druzí od onud; a zmordovali je, tak že žádný živ nezůstal ani neušel.
22Ary ireo tao an-tanàna nivoaka hamely azy, ka dia latsaka teo afovoan'ny Isiraely ny olona, fa ny Isiraely sasany teo an-daniny iray, ary ny sasany teo an-daniny iray koa; dia nifandafaran'ny Isiraely teo izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza.
23Ale krále Hai jali živého, a přivedli ho k Jozue.
23Ary ny mpanjakan'i Ay nataony sambo-belona ka nentiny teo amin'i Josoa.
24Když pak pomordoval Izrael všecky obyvatele Hai v poli, totiž na poušti, kamž je honili, a padli ti všickni od ostrosti meče, až i zahlazeni jsou: navrátil se všecken Izrael do Hai, a zmordovali ostatky jeho mečem.
24Ary rehefa namono ny mponina rehetra tao Ay tany an-tsaha ny Isiraely, dia tany amin'ny efitra nanenjehany azy, ka lavo tamin'ny lelan-tsabatra avokoa izy rehetra mandra-pahalany ritrany, dia niverina tany Ay ny Isiraely rehetra ka namely azy tamin'ny lelan-tsabatra.
25A bylo všech, kteříž padli v ten den, od muže až do ženy, dvanácte tisíců; všickni ti byli z Hai.
25Ary izay rehetra maty tamin'izany andro izany, na lehilahy na vehivavy, dia roa arivo amby iray alina, dia ny mponina rehetra tao Ay.
26Ale Jozue nespustil ruky své, kterouž vyzdvihl korouhev, dokudž nebyli zmordováni všickni obyvatelé Hai.
26Ary Josoa tsy nampihemotra ny tànany izay nanondro tamin'ny lefona mandra-pandringana ny mponina rehetra tao Ay.[Heb. herema]
27Toliko hovada a loupež města toho rozbitovali mezi sebou synové Izraelští podlé slova Hospodinova, kteréž on přikázal Jozue.
27Nefa ny biby fiompy mbamin'ny fananana rehetra tao amin'izany tanàna izany dia nalain'ny Isiraely ho babony ihany, araka ny tenin'i Jehovah izay nandidiany an'i Josoa.
28Tedy vypálil Jozue Hai, a položil je v hromadu věčnou a pustinu, až do tohoto dne.
28Ary Ay dia nodoran'i Josoa ka nofoanany ho tanànaolo mandrakizay, dia toy izany mandraka androany izy.
29Krále pak Hai oběsil na dřevě, a nechal ho tam až do večera. A když zapadlo slunce, rozkázal Jozue, aby složili tělo jeho s dřeva, a povrhli je u brány města, a nametali na ně hromadu kamení velikou, kteráž trvá až do dnešního dne.
29Ary ny mpanjakan'i Ay nahantony tamin'ny hazo mandra-paharivan'ny andro; ary rehefa tokony ho maty masoandro, dia nasain'i Josoa nesorina tamin'ny hazo ny fatiny ka nariana teo anoloan'ny vavahadin'ny tanàna ary notsindriany antontam-bato avo mandraka androany.
30Tedy vzdělal Jozue oltář Hospodinu Bohu Izraelskému na hoře Hébal,
30[Ny nanoratan'i Josoa ny dikan'ny lalàna tamin'ny vato, sy ny namakiana ny fitahiana sy ny fanozonana teo an-tendrombohitra Gerizima sy Ebala] Ary tamin'izany Josoa dia nanorina alitara tao an-tendrombohitra Ebala ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
31(Jakož přikázal Mojžíš, služebník Hospodinův, synům Izraelským, jakož psáno jest v knize zákona Mojžíšova,) oltář z kamení celého, nad nímž nebylo zdviženo železo, a obětovali na něm oběti zápalné Hospodinu, obětovali i oběti pokojné.
31araka izay nandidian'i Mosesy mpanompon'i Jehovah, ny Zanak'Isiraely, dia araka ny voasoratra eo amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy dia alitara vato tsy voavoatra, izay tsy nopehim-by; ary dia nanatitra fanatitra dorana teo amboniny ho an'i Jehovah izy sady namono zavatra hatao fanati-pihavanana.
32Napsal také tam na kameních výpis zákona Mojžíšova, kterýž psal před syny Izraelskými.
32Dia nosoratany teo amin'ny vato ny dikan'ny lalàn'i Mosesy, izay efa nosoratany teo anatrehan'ny Zanak'Isiraely.
33Všecken pak Izrael a starší jeho, i správcové i soudcové jeho stáli po obou stranách truhly před kněžími Levítskými, kteříž nosili truhlu smlouvy Hospodinovy, tak cizí jako doma zrozený, polovice jich proti hoře Garizim, a polovice proti hoře Hébal, jakož byl prvé přikázal Mojžíš, služebník Hospodinův, aby dobrořečil lidu Izraelskému nejprvé.
33Ary ny Isiraely rehetra sy ny loholony sy ny mpifehy azy ary ny mpitsara azy dia nitsangana teo an-daniny roa amin'ny fiara, teo anatrehan'ny Levita mpisorona, izay nitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah, na olona hafa firenena, na Isiraely: ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Gerizima, ary ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Ebala, araka izay efa nandidian'i Mosesy mpanompon'i Jehovah fahiny, mba hitso-drano ny olona Isiraely.
34A potom četl všecka slova zákona, požehnání i zlořečení, tak jakž psáno jest v knize zákona.
34Ary rehefa afaka izany, dia namaky ny tenin'ny lalàna rehetra izy, dia ny fitahiana sy ny fanozonana, araka izay rehetra voasoratra eo amin'ny bokin'ny lalàna.Tsy nisy teny tamin'izay rehetra nandidian'i Mosesy, izay tsy novakin'i Josoa teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, mbamin'ny vehivavy sy ny ankizy madinika ary ny vahiny izay teo aminy.
35Nebylo ani slova ze všeho, což přikázal Mojžíš, jehož by nečetl Jozue přede vším shromážděním Izraelským, i ženami i dětmi i příchozími, kteříž šli u prostřed nich.
35Tsy nisy teny tamin'izay rehetra nandidian'i Mosesy, izay tsy novakin'i Josoa teo anatrehan'ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, mbamin'ny vehivavy sy ny ankizy madinika ary ny vahiny izay teo aminy.