1Po smrti pak Ahoda činili opět synové Izraelští to, což jest zlého před očima Hospodinovýma.
1[Ny nampahorian'i Jabina ny Isiraely, sy ny namonjen'i Debora mpaminanivavy azy] Ary ny Zanak'Isiraely nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray, rehefa maty Ehoda.
2I vydal je Hospodin v ruce Jabína krále Kananejského, kterýž kraloval v Azor; (a kníže vojska jeho byl Zizara), sám pak bydlil v Haroset pohanském.
2Ary Jehovah nivarotra azy ho eo an-tànan'i Jabina, mpanjakan'i Kanana, izay nanjaka tany Hazora, ary Sisera, izay nonina tany Harosetan'ny Jentilisa, no komandin'ny miaramilany.
3Tedy volali synové Izraelští k Hospodinu; nebo devět set vozů železných měl, a on násilně ssužoval Izraele za dvadceti let.
3Dia nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely; fa nanana kalesy vy sivin-jato Jabina, ary nampahory fatratra ny Zanak'Isiraely roa-polo taona izy.
4Debora pak žena prorokyně, manželka Lapidotova, soudila lid Izraelský toho času.
4Ary Debora mpaminanivavy, vadin'i Lapidota, no nitsara ny Isiraely tamin'izany andro izany.
5(A bydlila Debora pod palmou, mezi Ráma a mezi Bethel na hoře Efraim), i chodili k ní synové Izraelští k soudu.
5Ary izy nipetraka teo ambanin'ny hazo rofian'i Debora, teo anelanelan'i Rama sy Betela, tany amin'ny tany havoan'i Efraima; ary niakatra ho any aminy ny Zanak'Isiraely hatsaraina.[Palma]
6Kterážto poslavši, povolala Baráka, syna Abinoemova, z Kádes Neftalímova, a řekla jemu: Zdaližť nerozkázal Hospodin Bůh Izraelský: Jdi, a shromáždě lid na horu Tábor, vezmi s sebou deset tisíc mužů z synů Neftalím a z synů Zabulon.
6Ary Debora naniraka ka niantso an'i Baraka, zanak'i Abinoama, tany Kadesi-naftaly, ka nanao taminy hoe: Moa tsy efa nandidy va Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanao hoe: Mandehana, ka mankanesa any an-tendrombohitra Tabara, ary mitondrà iray alin-dahy amin'ny taranak'i Naftaly sy Zebolona hiaraka aminao?
7Nebo přitáhnu k tobě ku potoku Císon Zizaru kníže vojska Jabínova, a vozy jeho i množství jeho, a dám jej v ruku tvou.
7Dia ho entiko ho eo aminao, eo amoron'ny ony Kisona, Sisera, komandin'ny miaramilan'i Jabina, mbamin'ny kalesiny sy ny vahoakany maro be; dia hanolotra azy eo an-tananao Aho.
8I řekl jí Barák: Půjdeš-li se mnou, půjdu; pakli nepůjdeš se mnou, nepůjdu.
8Ary hoy Baraka taminy: Raha handeha hiaraka amiko ianao, dia handeha aho; fa raha tsy handeha hiaraka amiko kosa ianao, dia tsy handeha aho.
9Kteráž odpověděla: Jáť zajisté půjdu s tebou, ale nebudeť s slávou tvou cesta, kterouž půjdeš, nebo v ruku ženy dá Hospodin Zizaru. Tedy vstavši Debora, šla s Barákem do Kádes.
9Ary hoy kosa izy: handeha hiaraka aminao ihany aho; kanefa tsy ho voninahitrao izao halehanao izao, satria ho eo an-tanam-behivavy no hivarotan'i Jehovah an'i Sisera. Dia niainga Debora ka nandeha niaraka tamin'i Baraka hankany Kadesy
10Svolav pak Barák Zabulonské a Neftalímské do Kádes, vyvedl za sebou deset tisíc mužů; a šla s ním i Debora.
10Ary nantsoin'i Baraka ho any Kadesy ny Zebolona sy ny Naftaly; dia nisy iray alin-dahy niakatra nanaraka azy; ary Debora niara-niakatra taminy.
11Heber pak Cinejský oddělil se od Kaina, od synů Chobab, tchána Mojžíšova, a rozbil stany své až k Elon v Sananim, jenž jest v Kádes.
11Ary Hebera Kenita efa nisaraka tamin'ny Kenita izay avy amin'ny taranak'i Hobaba, zaodahin'i Mosesy, ary nilasy ambara-pahatongany teo amin'ny hazo terebinta ao Zananima, izay eo anilan'i Kadesy.[Na: rafozan']
12Oznámeno pak bylo Zizarovi, že vytáhl Barák syn Abinoemův na horu Tábor.
12Ary nisy nilaza tamin'i Sisera fa Baraka, zanak'i Abinoama, niakatra any an-tendrombohitra Tabara.
13Protož shromáždil Zizara všecky vozy své, devět set vozů železných, a všecken lid, kterýž měl s sebou z Haroset pohanského, ku potoku Císon.
13Dia nangonin'i Sisera ny kalesiny rehetra, dia kalesy vy sivin-jato, sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy avy tany Harosetan'ny Jentilisa, hankany amin'ny ony Kisona.
14I řekla Debora Barákovi: Vstaň, nebo tento jest den, v němž dal Hospodin Zizaru v ruku tvou. Zdali Hospodin nevyšel před tebou? I sstoupil Barák s hory Tábor, a deset tisíc mužů za ním.
14Ary hoy Debora tamin'i Baraka: Miakara, fa anio no andro hanoloran'i Jehovah an'i Sisera eo an-tananao; tsy mivoaka eo anoloanao va Jehovah? Dia nidina Baraka sy ny olona iray alina nanaraka azy, avy tany an-tendrombohitra Tabara.
15A porazil Hospodin Zizaru a všecky ty vozy, i všecka ta vojska ostrostí meče před Barákem; a sskočiv Zizara s vozu, utíkal pěšky.
15Dia nampifanaritahin'i Jehovah tamin'ny lelan-tsabatra Sisera teo anoloan'i Baraka sy ny kalesy rehetra ary ny miaramila rehetra; dia nidina niala tamin'ny kalesy Sisera ka nandositra nandeha tongotra.
16Ale Barák honil ty vozy a vojsko až do Haroset pohanského; i padlo všecko vojsko Zizarovo od ostrosti meče, tak že nezůstalo ani jednoho.
16Ary Baraka nanenjika nanaraka ny kalesy sy ny miaramila hatrany Haroseta; dia lavon'ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan'i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
17Zizara pak utíkal pěšky k stanu Jáhel, manželky Hebera Cinejského; nebo pokoj byl mezi Jabínem králem Azor a mezi čeledí Hebera Cinejského.
17Ary Sisera nandositra nandeha tongotra ho any amin'ny lain'i Jaela, vadin'i Hebera Kenita; fa nihavana Jabina, mpanjakan'i Hazora, sy ny mpianakavin'i Hebera Kenita.
18I vyšedši Jáhel v cestu Zizarovi, řekla jemu: Uchyl se, pane můj, uchyl se ke mně, neboj se. I uchýlil se k ní do stanu, a přistřela jej huní.
18Dia nivoaka Jaela hitsena an'i Sisera ka nanao taminy hoe: Miakara, tompokolahy, miakara atỳ amiko; aza matahotra. Ary rehefa niakatra ho ao aminy ao an-day izy, dia norakofany ny lamba firakotra.
19Kterýž řekl jí: Dej mi, prosím, píti maličko vody, nebo žízním. A otevřevši nádobu mléčnou, dala mu píti a přikryla ho.
19Ary hoy Sisera taminy: Masìna ianao, omeo rano kely hosotroiko, fa mangetaheta aho izany. Dia nanokatra ny siny hoditra nisy ronono izy ka nomeny hosotroiny; ary dia norakofany indray izy.
20Řekl také jí: Stůj u dveří stanu, a při-šel-li by kdo, a ptal se tebe, řka: Jest-li zde kdo? odpovíš: Není.
20Dia hoy izy taminy: Mitsangàna eo am-baravaran'ny lay, ka raha tàhiny misy avy ka manontany anao hoe: Misy olona va ato? dia ataovy hoe: Tsia.
21Potom vzala Jáhel manželka Heberova hřeb od stanu, vzala též kladivo v ruku svou, a všedši k němu tiše, vrazila hřeb do židovin jeho, až uvázl v zemi; (nebo ustav, tvrdě byl usnul), a tak umřel.
21Dia naka tsima-day Jaela, vadin'i Hebera, sady nitondra tantanana teny an-tànany ka nitsaitsaika nankeo aminy; dia natsatony tamin'ny fihirifany ny tsima-day, ka nihatra tamin'ny tany fa efa renoky ny torimaso Sisera, satria sasatra ka dia maty izy.
22A aj, Barák honil Zizaru. I vyšla Jáhel vstříc jemu, a řekla mu: Poď, a ukážiť muže, kteréhož hledáš. I všel k ní, a aj, Zizara ležel mrtvý na zemi, a hřeb v židovinách jeho.
22Ary nony, indro, avy Baraka manenjika an'i Sisera, dia nivoaka hitsena azy Jaela ka nanao taminy hoe; Avia atỳ, fa hasehoko anao ny lehilahy izay tadiavinao. Ary rehefa tonga tao aminy izy, dia indro, ny fatin'i Sisera niampatra teo, ary ny tsima-day teo amin'ny fihirifany.
23A tak ponížil Bůh toho dne Jabína krále Kananejského před syny Izraelskými.
23Dia naetrin'Andriamanitra teo anoloan'ny Zanak'Isiraely tamin'izany andro izany Jabina, mpanjakan'i Kanana.Ary ny tanan'ny Zanak'Isiraely nihahery tamin'i Jabina, mpanjakan'i Kanana, mandra-pandringany azy.
24I dotírala ruka synů Izraelských vždy více, a silila se proti Jabínovi králi Kananejskému, až i vyhladili téhož Jabína krále Kananejského.
24Ary ny tanan'ny Zanak'Isiraely nihahery tamin'i Jabina, mpanjakan'i Kanana, mandra-pandringany azy.