1Zpívala pak písničku Debora a Barák syn Abinoemův v ten den, řkouc:
1[Ny fihirana nataon'i Debora noho ny nandresena an'i Sisera] Ary Debora sy Baraka, zanak'i Abinoama, dia nihira tamin'izany andro izany ka nanao hoe:
2Pro pomstu učiněnou v Izraeli, a pro lid, kterýž se k tomu dobrovolně měl, dobrořečte Hospodinu.
2Noho ny fitarihan'ny lehibe tamin'ny Isiraely sy ny fahazotoan'ny vahoaka nanolotena, dia miderà an'i Jehovah.[Na: fitombadahin']
3Slyštež králové, a ušima pozorujte knížata, já, já zpívati budu Hospodinu, žalmy zpívati budu Hospodinu Bohu Izraelskému.
3Mandrenesa ianareo, ry mpanjaka, mihainoa ianareo, ry mpanapaka! Izaho indrindra no hihira ho an'i Jehovah; hankalaza an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.
4Hospodine, když jsi vyšel z Seir, když jsi se bral z pole Edomského, třásla se země, nebesa dštila, a oblakové déšť vydali.
4Jehovah ô, fony nivoaka avy tany Seïra Hianao ary nandeha avy tany amin'ny tany Edoma, dia nihorohoro ny tany, ary ny lanitra koa nitete; Eny, ny rahona matevina nitete rano.[Heb. tamin'ny saha]
5Hory se rozplynuly od tváři Hospodinovy, i ta hora Sinai třásla se před tváří Hospodina Boha Izraelského.
5Ny tendrombohitra niempo teo anatrehan'i Jehovah. Eny, na dia iry Sinay iry aza teo anatrehan'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
6Za dnů Samgara syna Anatova, a za dnů Jáhel spustly silnice, kteříž pak šli stezkami, zacházeli cestami křivými.
6Tamin'ny andron'i Samgara, zanak'i Anata, sy tamin'ny andron'i Jaela dia tsy nodiavina ny lalambe, fa ny sakeli-dalana mivilivily no nalehan'ny mpandeha.
7Spustly vsi v Izraeli, spustly, pravím, až jsem povstala já Debora, povstala jsem matka v Izraeli.
7Lao ny tany an-tsaha; eny, lao tamin'ny Isiraely izany, Mandra-pitsangako, izaho Debora, eny, mandra-pitsangako ho reny teo amin'ny Isiraely.[Na: Tsy nisy mpanapaka; eny nitsahatra]
8Kterýžto kdyžkoli sobě zvoloval bohy nové, tedy bývala válka v branách, pavézy pak ani kopí nebylo vidíno mezi čtyřidcíti tisíci v Izraeli.
8Nifidy andriamani-baovao ny olona, Ary tamin'izay dia nisy ady hatrany am-bavahady. Moa nisy ampinga na lefona na dia iray akory aza hita va teo amin'ny olona efatra alina tamin'ny Isiraely?
9Srdce mé nakloněno jest k správcům Izraelským a k těm, kteříž tak ochotní byli mezi jinými. Dobrořečtež Hospodinu.
9Ny foko mankasitraka ny mpanapaka amin'ny Isiraely, izay nazoto nanolo-tena teo amin'ny vahoaka, miderà an'i Jehovah ianareo.
10Kteříž jezdíte na bílých oslicích, kteříž bydlíte při Middin, a kteříž chodíte po cestách, vypravujtež,
10Hianareo izay mitaingina borikivavy fotsy, ianareo izay mipetraka amin'ny lamba fitoerana, ary ianareo koa izay mandeha amin'ny lalana, samia milaza.
11Že vzdálen hluk střelců na místech, kdež se voda váží; i tam vypravujte hojnou spravedlnost Hospodinovu, hojnou spravedlnost k obyvatelům vsí jeho v Izraeli; tehdážť vstupovati bude k branám lid Hospodinův.
11Lavitra ny feon'ny mpandefa zana-tsipìka, dia eo amin'ny fantsakan-drano, no hiresahany ny asa marina nataon'i Jehovah, dia ny fahamarinany tamin'ny tany Isily; Tamin'izany dia nidina ny olon'i Jehovah ho any am-bavahady.[Na: tamin'ny fitondrany ny]
12Povstaň, povstaň, Deboro, povstaniž, povstaniž a vypravuj píseň, povstaň, Baráku, a zajmi jaté své, synu Abinoemův.
12Mifohaza, mifohaza, ry Debora; Mifohaza, mifohaza, ka mihirà! Mitsangana, ry Baraka; ento ny babonao, ry zanakalahin'i Abinoama.
13Tehdážtě potlačenému dopomoženo k opanování silných reků z lidu; Hospodintě mi ku panování dopomohl nad silnými.
13Tamin'izany dia nidina izay olo-malaza sisa mbamin'ny vahoaka, Jehovah nidina homba ahy koa hamely ny olo-mahery.[Na: ho isan']
14Z Efraima kořen jejich bojoval proti Amalechitským; za tebou, Efraime, Beniamin s lidem tvým; z Machira táhli vydavatelé zákona, a z Zabulona písaři.
14Ny avy amin'i Efraima, izay miorina amin'i Amaleka, dia nomba anao teo amin'ny firenenao, ry Benjamina; Avy tany Makira no nidinan'ny mpanao lalàna, ary avy tamin'i Zebolona ireo mitana ny tehin'ny mpifehy.[Na: mpanoratra]
15Knížata také z Izachar s Deborou, ano i všecko pokolení Izacharovo, jako i Barák do údolí poslán jest pěšky, ale veliké hrdiny u sebe jsou v podílu Rubenovu.
15Ary ny andrianan'Isakara niaraka tamin'i Debora, dia Isakara sy Baraka koa; Nampandehanina nanaraka azy any an-dohasaha izy. Lehibe ny fiheverana am-po teny amin'ny sakeli-dranon'i Robena!
16Jak jsi mohl mlče seděti mezi dvěma ohradami, poslouchaje řvání stád? Veliké hrdiny u sebe jsou v podílu Rubenovu.
16Nahoana ianao no nitoetra teo anelanelan'ny vala, hihainoanao ny feon-tsodina any amin'ny ondry? Lehibe ny fiheverana am-po teny amin'ny sakeli-dranon'i Robena!
17Zdali i Galád před Jordánem nebydlil? Ale Dan proč zůstal při lodech? Asser seděl na břehu mořském, a v lomích svých bydlil.
17Gileada nitoetra tany an-dafin'i Jordana; Ary nahoana Dana no nitoetra tany an-tsambo? Asera nitoetra tany amoron-dranomasina, Ary teny amin'ny fitodiany no nipetrahany.
18Zabulon, lid udatný, vynaložil duši svou na smrt, též i Neftalím na vysokých místech pole.
18Zebolona dia firenena nanao tsinontsinona ny ainy, na dia ho faty aza, Ary Naftaly koa teo amin'ny fitoerana avo any an-tsaha.
19Králové přitáhše, bojovali, tehdáž bojovali králové Kananejští v Tanach při vodách Mageddo, a však kořisti stříbra nevzali.
19Tonga ireo mpanjaka ka niady, eny, niady tao Tanaka ireo mpanjakan'i Kanana, dia teo anilan'ny ranon'i Megido; Tsy nisy volafotsy azony ho babo.
20S nebe bojováno, hvězdy z míst svých bojovaly proti Zizarovi.
20Avy tany an-danitra no nisy ady: ny kintana tamin'ny nalehany niady tamin'i Sisera.
21Potok Císon smetl je, potok Kedumim, potok Císon; všecko to pošlapala jsi, duše má, udatně.
21Ny ony Kisona nipaoka azy, Izany ony ela izany, dia ny ony Kisona. Mandrosoa amin-kery ianao, ry fanahiko![Na: ony be ady]
22Tehdáž otloukla se kopyta koňů od dupání velikého pod jezdci silnými.
22Tamin'izany dia nikatrokatroka ny kitron-tsoavaly noho ny fihazakazaka, dia ny fihazakazaky ny maheriny.
23Zlořečte Merozu, praví anděl Hospodinův, zlořečte velice obyvatelům jeho, nebo nepřišli na pomoc Hospodinu, ku pomoci Hospodinu proti silným.
23Ozony Meroza, hoy Ilay Anjelin'i Jehovah, Ozony dia ozòny ny mponina ao, Satria tsy mba tonga hanampy an'i Jehovah izy, eny, tsy nanampy an'i Jehovah hamely ny mahery.[Na: isan']
24Požehnaná buď nad jiné ženy Jáhel, manželka Hebera Cinejského, nad ženy v staních bydlící buď požehnaná.
24Hotahina mihoatra noho ny vehivavy anie Jaela, vadin'i Hebera Kenita; Eny, hotahina mihoatra noho ny vehivavy mitoetra an-day anie izy.
25On vody žádal, ona mléka dala, v koflíku knížecím podala másla.
25Rano no nangatahin-dralehilahy, fa ronono aza no nomeny azy; Teo an-dovian'andriana no nitondrany rononomandry.
26Levou ruku svou k hřebu vztáhla, a pravou ruku svou k kladivu dělníků, i udeřila Zizaru, a ztloukla hlavu jeho, probodla a prorazila židoviny jeho.
26Ny tànany nandray ny tsima-day, Ary ny tànany ankavanana nandray ny tantanan'ny mpiasa, dia namely an'i Sisera tamin'ny tantanana izy ka nahavoa ny lohany; Namely mafy izy, dia nahaboroaka ny fihirifany.
27U noh jejích skrčil se, padl, ležel, u noh jejích skrčil se, padl; kdež se skrčil, tu padl zabitý.
27Teo amin'ny tongo-dravehivavy no niondrehany nahalavoany niamparany, eny, teo amin'ny tongony no niondrehany nahalavoany teo amin'izay niondrehany no niamparan'ny fatiny.
28Vyhlídala z okna skrze mříži, a naříkala matka Zizarova, řkuci: Proč se tak dlouho vůz jeho nevrací? Proč prodlévají vraceti se domů vozové jeho?
28Tao amin'ny varavarankely no nitsirihan'ny renin'i Sisera ka niantsoantsoany mafy; Eny, niantso tao amin'ny makarakara izy hoe: Nahoana no ela izato kalesiny vao tonga? Nahoana no mitaredretra ny kodian'ny kalesiny?
29Moudřejší pak z předních služebnic jejích odpovídaly, i ona sama také sobě odpovídala:
29Izay hendry tamin'ny andriambaviny no namaly azy, eny, ny tenany aza namaly hoe:
30Zdali ale dosáhli něčeho, a dělí kořisti? Děvečku jednu neb dvě na každého muže, loupeže rozdílných barev samému Zizarovi, kořisti rozdílných barev krumpovaným dílem, roucho rozdílných barev krumpovaným dílem na hrdlo loupežníků.
30Tsy efa mahita va izy? Tsy mizara babo va izy? Dia zazavavy iray na roa ho an'ny isan-dahy, Ary lamba samy hafa volo ho babon'i Sisera, Lamba roa samy hafa soratra ho eo am-bozon'ny nahazo babo.Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô; Fa aoka izay tia Azy kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin'ny heriny izy. Dia nandry ny tany efa-polo taona.
31Tak ať zahynou všickni nepřátelé tvoji, ó Hospodine, tebe pak milující ať jsou jako slunce vzcházející v síle své. I byla v pokoji země za čtyřidceti let.
31Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô; Fa aoka izay tia Azy kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin'ny heriny izy. Dia nandry ny tany efa-polo taona.