1Synové pak Aronovi Nádab a Abiu, vzavše jeden každý kadidlnici svou, dali do nich oheň a položili na něj kadidlo, a obětovali před Hospodinem oheň cizí, čehož jim byl nepřikázal.
1[Ny nitondran'i Nadaba sy Abiho afo tsy izy, sy ny nataon'Andriamanitra noho izany] Ary Nadaba sy Abiho, zanak'i Arona, samy naka ny fitondran'afony avy ka nanisy afo teo anatiny, ary nanisy ditin-kazo manitra teo, dia nanatitra afo tsy izy teo anatrehan'i Jehovah, izay tsy nandidiany azy.
2Protož sstoupiv oheň od Hospodina, spálil je; a zemřeli tu před Hospodinem.
2Dia nisy afo nivoaka avy teo anatrehan'i Jehovah ka nahafaty azy roa lahy, dia maty teo anatrehan'i Jehovah izy.
3I řekl Mojžíš Aronovi: Toť jest, což mluvil Hospodin, řka: V těch, kteříž přistupují ke mně, posvěcen budu, a před oblíčejem všeho lidu oslaven budu. I mlčel Aron.
3Dia hoy Mosesy tamin'i Arona: Izany dia ilay nolazain'i Jehovah hoe: Amin'izay akaiky Ahy no hisehoako ho masina, ary eo anatrehan'ny olona rehetra no hampisehoako ny voninahitro. Dia sina Arona.
4Tedy povolal Mojžíš Mizaele a Elizafana, synů Uziele, strýce Aronova, a řekl jim: Poďte a vyneste bratří své od svatyně ven za stany.
4Ary Mosesy dia nampaka an'i Misaela sy Elzafana, zanak'i Oziela, rahalahin-drain'i Arona, ka nanao taminy hoe: Manatòna, ka ento ny rahalahinareo hiala eo anoloan'ny fitoerana masina ho eny ivelan'ny toby.
5I přišli a vynesli je v sukních jejich ven za stany, jakž byl rozkázal Mojžíš.
5Dia nanatona izy roa lahy ka nitondra azy, mbola miakanjo ny akanjo lavany ihany, ho eny ivelan'ny toby, araka izay efa nolazain'i Mosesy.
6Mluvil pak Mojžíš Aronovi, Eleazarovi a Itamarovi, synům jeho: Hlav svých neodkrývejte a roucha svého neroztrhujte, abyste nezemřeli, a aby se Bůh na všecko množství nerozhněval; ale bratří vaši, všecka rodina Izraelská, budou plakati nad tím spálením, kteréž uvedl Hospodin.
6Ary hoy Mosesy tamin'i Arona ary tamin'i Eleazara sy Itamara, zananilahy: Aza mirakaraka volo, na mandriatra ny akanjonareo, fandrao mba maty koa ianareo, sady hisy fahatezerana hahatratra ny olona rehetra; fa aoka ny rahalahinareo, dia ny taranak'Isiraely rehetra, no hitomany noho ny fahamaizana izay narehitr'i Jehovah.
7Vy pak ze dveří stánku úmluvy nevycházejte, abyste nezemřeli; nebo olej pomazání Hospodinova jest na vás. I učinili vedlé rozkázaní Mojžíšova.
7Ary aza miala eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, fandrao maty ianareo; fa efa mby aminareo ny diloilo fanosoran'i Jehovah. Dia nanao araka ny tenin'i Mosesy izy.
8Mluvil také Hospodin Aronovi, řka:
8Ary Jehovah niteny tamin'i Arona ka nanao hoe:
9Vína a nápoje opojného nebudeš píti,ty ani synové tvoji s tebou, kdyžkoli budete míti vcházeti do stánku úmluvy, abyste nezemřeli, (ustanovení věčné to bude po rodech vašich);
9Aza misotro divay na toaka ianao, na ny zanakao, raha miditra ao amin'ny trano-lay fihaonana, mba tsy ho faty ianareo (ho lalàna mandrakizay amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby izany),
10Také abyste rozeznati mohli mezi svatým a neposvěceným, a mezi čistým a nečistým;
10ary mba hahaizanareo manavaka ny masina sy ny tsy masina, ary ny madio sy ny tsy madio,
11Též abyste učili syny Izraelské všechněm ustanovením, kteráž mluvil Hospodin k nim skrze Mojžíše.
11ary mba hampianarinareo ny Zanak'Isiraely ny didy rehetra izay nasain'i Jehovah holazain'i Mosesy taminy.
12Mluvil pak Mojžíš Aronovi, Eleazarovi a Itamarovi, synům jeho, kteříž živi zůstali: Vezměte obět suchou, kteráž zůstala z ohnivých obětí Hospodinových, a jezte ji s přesnicemi u oltáře; nebo svatá svatých jest.
12Ary hoy Mosesy tamin'i Arona ary tamin'i Eleazara sy Itamara zananilahy sisa: Alao ny fanatitra hohanina izay sisa amin'ny fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Jehovah, ka hano eo anilan'ny alitara izany, nefa aza asiana masirasira; fa masina dia masina izany.
13Protož jísti budete ji na místě svatém, nebo to jest právo tvé a právo synů tvých z ohnivých obětí Hospodinových; tak zajisté jest mi přikázáno.
13Ary hano eo amin'izay fitoerana masina izany, fa anjaranao sy ny zanakao avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany; fa izany no nandidiany ahy.
14Hrudí pak sem i tam obracení, a plece vznášení jísti budete na místě čistém, ty i synové tvoji, i dcery tvé s tebou; nebo to právem tobě a synům tvým dáno jest z pokojných obětí synů Izraelských.
14Ary ny tratrany ahevaheva sy ny sorony asandratra hohaninareo eo amin'izay fitoerana madio, dia ianao mbamin'ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy koa; fa nomena ho anjaranao sy ny zanakao ireo avy amin'ny fanati-pihavanana aterin'ny Zanak'Isiraely.
15Plece vzhůru vznášení a hrudí sem i tam obracení s obětmi ohnivými tuků, kteréž přinesou, aby sem i tam obracíno bylo, tak jako obět obracení před Hospodinem, bude tobě i synům tvým s tebou právem věčným, jakož přikázal Hospodin.
15Ny sorony asandratra sy ny tratrany ahevaheva mbamin'ny saborany izay fanatitra atao amin'ny afo dia ho entiny mba hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; dia ho anao sy ny zanakao koa ireo, ho anjaranareo mandrakizay, araka izay nandidian'i Jehovah.
16Mojžíš pak hledal pilně kozla k oběti za hřích, a hle, již spálen byl. Tedy rozhněval se na Eleazara a Itamara, syny Aronovy pozůstalé, a řekl:
16Ary Mosesy nitady fatratra ny osilahy izay natao fanatitra noho ny ota, kanjo efa voadotra izany; dia tezitra tamin'ny zanak'i Arona sisa izy, dia tamin'i Eleazara sy Itamara, ka hoy izy:
17Pročež jste nejedli oběti za hřích na místě svatém? Nebo svatá svatých byla, poněvadž ji dal vám, abyste nesli nepravost všeho množství k očištění jejich před Hospodinem.
17Nahoana no tsy nohaninareo teo amin'ny fitoerana masina ny fanatitra noho ny ota? fa masina dia masina izany, ary efa nomeny anareo izy hitondranareo ny heloky ny fiangonana, hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah.
18A hle, ani krev její není vnesena do vnitřku svatyně. Jísti jste měli ji v svatyni, jakož jsem byl přikázal.
18Indro, ny ràny tsy nampidirina tao anatin'ny fitoerana masina, koa tokony ho nihinana azy mihitsy teo amin'ny fitoerana masina ianareo, araka izay nandidiako.
19Tedy odpověděl Aron Mojžíšovi: Aj, dnes obětovali obět svou za hřích a obět svou zápalnou před Hospodinem, ale přihodila se mně taková věc, že, kdybych byl jedl obět za hřích dnes, zdali by se to líbilo Hospodinu?
19Ary Arona niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Indro, androany no nanaterany ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatitra dorany teo anatrehan'i Jehovah, ary efa azon'izao manjo izao aho; koa raha tàhiny nihinana ny fanatitra noho ny ota androany aho, moa ho tsara teo imason'i Jehovah va izany?Ary raha ren'i Mosesy izany, dia nankasitrahany.
20Což když uslyšel Mojžíš, přestal na tom.
20Ary raha ren'i Mosesy izany, dia nankasitrahany.