1Stalo se pak dne osmého, povolal Mojžíš Arona a synů jeho i starších Izraelských.
1[Ny nanombohan'i Arona sy ny zanany ny raharahany] Ary tamin'ny andro fahavalo Mosesy dia nampaka an'i Arona sy ny zanany ary ny loholon'ny Isiraely.
2I řekl Aronovi: Vezmi sobě tele k oběti za hřích, a skopce k oběti zápalné, obé bez poškvrny, a obětuj před Hospodinem.
2Dia hoy izy tamin'i Arona: Makà ombilahy kely ho anao hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy ho fanatitra dorana, izay samy tsy misy kilema, ka atero eo anatrehan'i Jehovah.
3K synům pak Izraelským mluviti budeš, řka: Vezměte kozla k oběti za hřích, a tele a beránka, roční, bez vady, k oběti zápalné,
3Ary ny Zanak'Isiraely dia ilazao hoe: Makà osilahy hatao fanatitra noho ny ota sy ombilahy kely ary zanak'ondry, izay samy iray taona sady samy tsy misy kilema, hatao fanatitra dorana,
4Vola také a skopce k oběti pokojné, abyste obětovali před Hospodinem, a obět suchou zadělanou olejem; nebo dnes se vám ukáže Hospodin.
4ary omby sy ondrilahy hatao fanati-pihavanana, hovonoina ho fanatitra eo anatrehan'i Jehovah, ary fanatitra hohanina voaharo diloilo; fa anio no hisehoan'i Jehovah aminareo.
5Tedy vzali ty věci, kteréž přikázal Mojžíš před stánkem úmluvy, a přistoupivši všecko shromáždění, stáli před Hospodinem.
5Dia nitondra izay nandidian'i Mosesy azy ho eo anoloan'ny trano-lay fihaonana izy; ary ny fiangonana rehetra nanatona ka nijanona teo anatrehan'i Jehovah.
6I řekl Mojžíš: Toto jest ta věc, kterouž přikázal Hospodin. Vykonejtež ji, a ukáže se vám sláva Hospodinova.
6Ary hoy Mosesy: Izao no zavatra izay nandidian'i Jehovah, koa ataovinareo, dia hiseho aminareo ny voninahitr'i Jehovah.
7Aronovi pak řekl Mojžíš: Přistup k oltáři a obětuj obět za hřích svůj, a obět zápalnou svou k vykonání očištění za sebe i za lid tento; obětuj také obět lidu všeho, a učiň očištění za ně, jakož přikázal Hospodin.
7Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Manatona ny alitara, dia manatera ny fanatitrao noho ny ota sy ny fanatitra odoranao ka manaova fanavotana ho an'ny tenanao sy ho an'ny olona; dia manatera ny fanatitry ny olona ka manaova fanavotana ho azy, araka izay nandidian'i Jehovah.
8Přistoupiv tedy Aron k oltáři, zabil tele své k oběti za hřích.
8Dia nanatona ny alitara Arona ka namono ny ombilahy kely hatao fanatitra noho ny ota, izay ho an'ny tenany.
9I dali mu synové Aronovi krev. Kterýžto omočiv prst svůj ve krvi, pomazal rohů oltáře, ostatek pak krve vylil k spodku oltáře.
9Ary nentin'ny zanak'i Arona ho eo aminy ny rà, dia nanoboka ny fanondrony tamin'ny rà Arona, ka notentenany ny tandroky ny alitara ary ny rà sisa dia naidiny teo am-bodin'ny alitara;
10Ale tuk a ledvinky, i branici s jater té oběti za hřích pálil na oltáři, jakož byl přikázal Hospodin Mojžíšovi.
10fa ny saborany sy ny voany roa ary ny ila-atiny lehibe avy tamin'ny fanatitra noho ny ota dia nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara, araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy;
11Maso pak s kůží spálil vně za stany.
11ary ny hena sy ny hoditra dia nodorany tamin'ny afo teny ivelan'ny toby.
12Zabil také obět zápalnou. I podali mu synové Aronovi krve, kterouž pokropil po vrchu oltáře vůkol.
12Dia namono ny fanatitra dorana Arona; ary ny zanany nanolotra azy ny rà dia nanopy izany manodidina tamin'ny lafin'ny alitara izy.
13Podali jemu také i oběti zápalné s kusy jejími i hlavy její, a pálil ji na oltáři.
13Ary ny fanatitra dorana mbamin'ny lohany dia natolotr'ireo azy tsirairay araka ny nandrasàna azy ka nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara.
14A vymyv střeva i nohy její, pálil je s obětí zápalnou na oltáři.
14Ary nanasa ny taovany sy ny tongony izy, dia nandoro ireo ho fofona niaraka tamin'ny fanatitra dorana teo ambonin'ny alitara.
15Obětoval také obět všeho lidu. A vzav kozla oběti za hřích, kterýž byl všeho lidu, zabil jej a obětoval ho za hřích jako i prvního.
15Dia nentiny nanatona ny fanatitry ny olona, ka nalainy ny osilahy hatao fanatitra noho ny ota, izay ho an'ny olona, dia namono azy izy ka nanatitra azy ho fanatitra noho ny ota, tahaka ilay anankiray teo.
16Obětoval též obět zápalnou a učinil ji vedlé obyčeje.
16Dia nanatitra ny fanatitra dorana izy ka nanao azy araka ny fanao.
17Tolikéž i obět suchou obětoval, a vzav plnou hrst z ní, pálil to na oltáři, mimo obět zápalnou jitřní.
17Dia nentiny nanatona koa ny fanatitra hohanina ka nangalany eran-tànan-ila, dia nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara izany, ho fanampin'ny fanatitra dorana maraina.
18Zabil ještě i vola a skopce k oběti pokojné, kteráž byla za lid. I podali mu synové Aronovi krve, kterouž pokropil oltáře po vrchu vůkol.
18Dia namono ny omby sy ny ondrilahy koa izy hatao fanati-pihavanana, izay haterina noho ny olona; ary ny zanak'i Arona nanolotra azy ny rà, dia nanopy izany manodidina tamin'ny lafin'ny alitara izy.
19Dali jemu také tuk z vola a z skopce ocas, a tuk přikrývající střeva i ledvinky a branici s jater.
19Ary natolony azy koa ny saboran'ny omby sy ny hofaky ny ondrilahy mbamin'ny safodrorohany ary ny voany roa sy ny ila-atiny lehibe,
20A položili včecken tuk na hrudí; i pálil ten tuk na oltáři.
20dia napetrany teo ambonin'ny tratran'ireo ny saborany, ary nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara izany;
21Hrudí pak a plece pravé obracel sem i tam Aron v obět obracení před Hospodinem, jakož byl přikázal Mojžíšovi.
21fa ny tratrany sy ny sorony ankavanana kosa dia nahevahevan'i Arona ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah, araka izay nandidian'i Mosesy.
22Potom Aron pozdvihna rukou svých k lidu, dal jim požehnání, a sstoupil od obětování oběti za hřích a oběti zápalné i oběti pokojné.
22Ary Arona nanandratra ny tànany manandrify ny olona ka nitso-drano azy; dia nidina izy, rehefa avy nanatitra ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana ary ny fanati-pihavanana.
23Tedy všel Mojžíš s Aronem do stánku úmluvy; a když vycházeli z něho, požehnání dávali lidu. I ukázala se sláva Hospodinova všemu lidu.
23Ary Mosesy sy Arona niditra tao amin'ny trano-lay fihaonana, dia nivoaka ka nitso-drano ny olona; ary ny voninahitr'i Jehovah niseho tamin'ny olona rehetra.Ary nisy afo nivoaka avy teo anatrehan'i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny saborany teo ambonin'ny alitara; ary nony hitan'ny olona rehetra izany, dia nihoby izy sady niankohoka.
24Nebo sstoupil oheň od tváři Hospodina, a spálil na oltáři obět zápalnou i všecken tuk. Což když uzřel veškeren lid, zkřikli a padli na tváři své.
24Ary nisy afo nivoaka avy teo anatrehan'i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny saborany teo ambonin'ny alitara; ary nony hitan'ny olona rehetra izany, dia nihoby izy sady niankohoka.