1A tak nyní k vám přikázání to, ó kněží.
1[Ny tsi-fahamarinan'ny mpisorona, sy ny namalian'Andriamanitra azy] Ary ankehitriny, ry mpisorona, dia ho aminareo izao didy izao:
2Neuposlechnete-li a nesložíte-li v srdci, abyste dali slávu jménu mému, praví Hospodin zástupů, zajisté že pošli na vás zlořečenství, a zlořečiti budu požehnáním vašim. Anobrž již jsem zlořečil každému z nich, nebo jste nikoli nesložili toho v srdci.
2Raha tsy hihaino na handatsaka am-po ka hanome voninahitra ny anarako ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia halefako hamely anareo ny ozona, ka hozoniko ny tso-drano ataonareo; eny, efa voaozoko sahady izany, satria tsy nandatsaka am-po ianareo.
3Aj, já pokazím vám to, což nasejete, a vkydnu lejno na tváře vaše, lejno obětí vašich, tak že vás zachvátí k sobě.
3Indro, hasiako teny mafy ny voa afafinareo, ary hofafazako tain-droroha ny tavanareo, dia ny tain-droroha avy amin'ny andro firavoravoanareo; ary hailika miaraka aminy ianareo.
4Nebo víte, že jsem poslal k vám přikázaní to, aby byla stálá smlouva s Léví, praví Hospodin zástupů.
4Dia ho fantatrareo fa nampitondra izany didy izany ho aminareo Aho, mba haharetan'ny fanekeko amin'i Levy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. [Na: mba ho fanekeko amin'ny Levy zanany]
5Smlouva má byla s ním života a pokoje, a dal jsem jemu to pro bázeň; nebo se bál mne, a pro jméno mé potřín byl.
5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan'ny anarako izy.
6Zákon pravdy byl v ústech jeho, a nepravost nebyla nalezena ve rtech jeho, v pokoji a upřímosti chodil se mnou, a mnohé odvrátil od nepravosti.
6Ny lalàn'ny fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin'ny molony; tamin'ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin'ny heloka.
7Nebo rtové kněze mají ostříhati umění, a na zákon doptávati se z úst jeho; posel zajisté Hospodina zástupů jest.
7Fa ny molotry ny mpisorona tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalàna hotadiavina eo am-bavany, satria irak'i Jehovah, Tompon'ny maro, izy.
8Vy pak sešli jste s cesty, byli jste příčinou mnohým, aby činili proti zákonu; zrušili jste smlouvu Levítskou, praví Hospodin zástupů.
8Fa ianareo kosa dia efa nivily lalana sady nampahatafintohina olona maro ny amin'ny lalàna ary namadika ny fanekena amin'i Levy, hoy Jehovah; Tompon'ny maro.
9Pročež i já také vydal jsem vás v potupu a v nevážnost všemu lidu, jakož vy v ničemž neostříháte cest mých, a přijímáte osoby v zákoně.
9Ary Izaho kosa dia efa nanolotra anareo ho fanazimbazimba sy ho fanao tsinontsinona eo anatrehan'ny vahoaka rehetra, noho ny tsy nitandremanareo ny lalako sy ny nizahanareo tavan'olona ny amin'ny lalàna.
10Zdaliž není jeden otec všech nás? Zdaliž Bůh jeden nestvořil nás? Proč nevěrně činiti máme jeden druhému a zlehčovati smlouvu otců našich?
10[Fananarana ny olona noho ny fisaoram-bady nataony sy ny nifanambadiany tamin'ny jentilisa] Tsy mpiombon-dray va isika rehetra? Tsy Andriamanitra iray ihany va no nahary antsika ? Koa nahoana no samy mivadika amin'ny rahalahintsika avy isika ka mamadika ny fanekena tamin'ny razantsika?
11Nevěrně činí Juda, a ohavnost se děje v Izraeli a v Jeruzalémě; nebo poškvrňuje Juda svatosti Hospodinovy, kterouž by milovati měl, pojímaje za manželku dceru boha jiného.
11Ny Joda efa namitaka, ary misy fahavetavetana atao ao amin'ny Isiraely sy ao Jerosalema; fa ny Joda efa nandoto ny fitoera-masin'i Jehovah, izay tiany, sady efa nanambady ny zanaka-vavin'ny andriamani-kafa.
12Vypléní Hospodin muže, kterýž to činí, z stánků Jákobových, bdícího i odpovídajícího, i obětujícího dar Hospodinu zástupů.
12Enga anie ka hofongoran'i Jehovah hiala amin'ny lain'i Jakoba ny lehilahy izay manao izany, na iza na iza, sy izay manatitra fanatitra ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro. [Heb. na ny mpiambina, na ny mpamaly]
13Již to podruhé činíte, že přikrýváte slzami oltář Hospodinův, pláčem a křikem, pročež nikoli nepatří již více k daru, aniž přijímá oběti vzácné z ruky vaší.
13Ary faharoan'izany, dia izao koa no ataonareo: Saronanareo ranomaso sy fitomaniana ary fisentoana ny alitaran'i Jehovah, ka tsy mba jereny intsony ny fanatitra, ary tsy handray fankasitrahana avy amin'ny tananareo Izy.
14A však říkáte? Pro kterou příčinu? Proto že Hospodin jest svědkem mezi tebou a manželkou mladosti tvé, kteréž ty nevěrně činíš, ješto ona jest tovaryška tvá, a manželka smlouvy tvé.
14Nefa hoy ianareo: Nahoana? Satria Jehovah no vavolombelona ny aminao sy ny vadin'ny fahatanoranao izay nofitahinao, na dia namanao sady vady efa vita fanekena taminao aza izy.
15Zdaliž neučinil jedno, ačkoli ještě více ducha měl? Proč pak jedno? Aby hledali semene Božího. Protož ostříhejte ducha svého, a manželce mladosti své nečiňte nevěrně.
15Moa tsy nisy anankiray nanao izany va, nefa mbola nanam-panahy ihany ? Fa inona andrefa no notadiavin'ilay anankiray? Taranaka araka an'Andriamanitra. Koa dia tandremo ny fanahinareo, ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin'ny fahatanorany. [Na: moa tsy iray va no nataony? Nefa nanana fanahy sisa ihany Izy. Ary nahoana no iray? Nitady taranaka araka an'Andriamanitra Izy]
16Proto že v nenávisti má propouštění, praví Hospodin Bůh Izraelský, proto že takový přikrývá ukrutnost pláštěm jeho, praví Hospodin zástupů, protož ostříhejte ducha svého, abyste nečinili nevěrně.
16Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy ny fanosenana fampahoriana amin'ny fitafiany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; koa tandremo ny fanahinareo, ary aza mamitaka ianareo.[Ny amin'ny andron'i Jehovah] Efa manasatra an'i Jehovah amin'ny teninareo ianareo. Nefa hoy ianareo: Amin'inona moa no anasaranay Azy ? Amin'ny fanaovanareo hoe: Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason'i Jehovah ka ankasitrahany, na amin'ny hoe: Aiza Andriamanitry ny fitsarana ?
17Těžcí jste Hospodinu slovy svými, a však říkáte: V čem jsme těžcí? Když říkáte: Každý, kdož činí zlé, líbí se Hospodinu, a v těch on líbost má, aneb: Kde jest Bůh soudu?
17[Ny amin'ny andron'i Jehovah] Efa manasatra an'i Jehovah amin'ny teninareo ianareo. Nefa hoy ianareo: Amin'inona moa no anasaranay Azy ? Amin'ny fanaovanareo hoe: Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason'i Jehovah ka ankasitrahany, na amin'ny hoe: Aiza Andriamanitry ny fitsarana ?