1Aj, já posílám anděla svého, kterýž připraví cestu před tváří mou. V tom hned přijde do chrámu svého Panovník, kteréhož vy hledáte, a anděl smlouvy, v němž vy líbost máte. Aj, přijdeť, praví Hospodin zástupů.
1Indro, haniraka ny irako Aho, ary izy hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo Izay tadiavinareo dia ho avy tampoka ho eo an-tempoliny; ary ny Anjelin'ny fanekena Izay irinareo, dia, indro, tamy Izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. [Na: Iraky]
2Ale kdo bude moci snésti den příchodu jeho? A kdo ostojí, když se on ukáže? Nebo on jest jako oheň rozpouštějící a jako mýdlo běličů.
2Nefa iza no mahatanty ny andro hihaviany? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon'ny mpandrendrika sy ny savonin'ny mpanasa lamba.
3I sedna, přeháněti bude a přečišťovati stříbro, a přečistí syny Léví, a vyčistí je jako zlato a jako stříbro. I budou Hospodinovi, obětujíce oběti v spravedlnosti.
3Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak'i Levy Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an'i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana.
4I zachutná sobě Hospodin obět Judovu a Jeruzalémských, jako za dnů prvních, a jako za let starodávních.
4Dia ho mamin'i Jehovah ny fanatitry ny Joda sy Jerosalema toy ny tamin'ny andro fahiny sy toy ny tamin'ny taona taloha.
5K vám pak přikročím s pomstou, a budu rychlým svědkem proti kouzedlníkům, a proti cizoložníkům, a proti křivopřísežníkům, i proti těm, kteříž s útiskem zadržují mzdu nájemníka, vdově a sirotku, a příchozímu křivdu činíce, nebojí se mne, praví Hospodin zástupů.
5Ary hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona faingana hanameloka ny mpanana ody sy ny mpijangajanga sy ny mpianian-tsy tò sy ny mpampahory ny mpikarama amin'ny karamany mbamin'ny mpitondratena sy ny kamboty ary izay mampahory ny vahiny; fa tsy matahotra Ahy izy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
6Nebo já Hospodin neměním se, protož vy, synové Jákobovi, nevzali jste skončení.
6Fa Izaho Jehovah dia tsy miova, ary ianareo, ry taranak'i Jakoba, dia tsy fongana.
7Hned ode dnů otců vašich odešli jste od ustanovení mých, a neostříhali jste jich. Navraťtež se ke mně, a navrátím se k vám, praví Hospodin zástupů. Ale říkáte: V čem bychom se navrátiti měli?
7Hatramin'ny andron'ny razanareo dia efa niala tamin'ny didiko ianareo ka tsy nitandrina azy. Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. Nefa hoy ianareo: Ahoana ary no ho fiverinay?
8Loupiti-liž má člověk Boha, že vy loupíte mne? A však říkáte: V čem tě loupíme? V desátcích a obětech.
8Handroba an'Andriamanitra va ny olona, no mandroba Ahy ianareo ? Nefa hoy ianareo: Amin'inona moa no androbanay Anao ? Amin'ny fahafolon-karena sy ny fanatitra. [Heb. fanatitra asandratra]
9Naprosto zlořečení jste, proto že mne loupíte, vy pokolení všecko.
9Voaozona amin'ny ozona ianareo nefa Izaho no robainareo, dia izao ianareo rehetra iray firenena izao.
10Sneste všecky desátky do obilnice, aby byla potrava v domě mém, a zkuste mne nyní v tom, praví Hospodin zástupů, nezotvírám-liť vám průduchů nebeských, a nevyleji-li na vás požehnání, tak že neodoláte.
10Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.
11A přimluvím pro vás tomu, což zžírá, a nebude vám kaziti úrod zemských, aniž vám pochybí vinný kmen na poli, praví Hospodin zástupů.
11Ary hasiako teny mafy ny valala noho ny aminareo, ka tsy hanimba ny vokatry ny tany intsony ireny, ka dia hahavanom-boa ny voalobokareo any an-tsaha, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. [Heb. mpandany]
12I budou vás blažiti všickni národové; nebo vy budete zemí rozkošnou, praví Hospodin zástupů.
12Ary ianareo hataon'ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany mahafinaritra ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
13Rozmohlať se proti mně slova vaše, praví Hospodin, a však říkáte: Což jsme mluvili proti tobě?
13Ny teninareo dia mahery mamely Ahy hoy Jehovah. Nefa hoy ianareo: Inona no resakay nentinay namely Anao?
14Říkáte: Daremná jest věc sloužiti Bohu, a jaký zisk, budeme-li ostříhati nařízení jeho, a budeme-li choditi zasmušile, bojíce se Hospodina zástupů?
14Tamin'ny nanaovanareo hoe: zava-poana ny manompo an'Andriamanitra; ary inona moa no soa efa azo tamin'ny fitandremantsika izay nasainy notandremana sy tamin'ny nandehanantsika nitafy lamba fisaonana teo anatrehan'i Jehovah, Tompon'ny maro. [Na: nijoretra]
15Nýbrž nyní blahoslavíme pyšné. Ti, kteříž páší bezbožnost, vzdělávají se, a pokoušející Boha vysvobozeni bývají.
15Ary ankehitriny isika dia midera ny mpirehareha hoe sambatra; eny, voaorina tsara izay nanao ratsy, sady efa naka fanahy an'Andriamanitra izy, nefa afa-nandositra ihany.
16Tehdy ti, kteříž se bojí Hospodina, tytýž mluvili jeden k druhému. I pozoroval Hospodin a slyšel, a psána jest kniha pamětná před ním pro ty, kteříž se bojí Hospodina, a myslí na jméno jeho.
16Ary tamin'izany izay natahotra an'i Jehovah dia samy niresaka tamin'ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an'i Jehovah sy mihevitra ny anarany.
17Tiť budou, praví Hospodin zástupů, v den, kterýž já učiním, mým klínotem, a slituji se nad nimi, jako se slitovává otec nad synem svým, kterýž mu slouží.
17Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zananilahy izay manompo azy.
18Tehdy obrátíte se, a uzříte rozdíl mezi spravedlivým a bezbožným, mezi tím, kdo slouží Bohu, a tím, kdo jemu neslouží.
18Ka dia ho hitanareo indray ny tsi-fitovian'ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an'Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.
19Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy na fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny sampany.
20Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron'ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin'ny tanany; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak'omby mifahy; [Heb. elany]
21ary hohitsahinareo ny ratsy fanahy; fa ho lavenona eo ambanin'ny faladianareo izay amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
22Tsarovinareo ny lelan'i Mosesy mpanompoko, izay nandidiako azy tao Horeba ny amin'ny Isiraely rehetra, dia ny didy sy ny fitsipika.
23Indro, Izaho haniraka an'i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron'i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra;ary izay hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny fon'ny zanaka ho amin'ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin'ny fandringanana. [Heb. herema]
24ary izay hampody ny fon'ny ray ho amin'ny zanaka, ary ny fon'ny zanaka ho amin'ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin'ny fandringanana. [Heb. herema]