Czech BKR

Malagasy

Numbers

32

1Měli pak synové Ruben a synové Gád dobytka velmi mnoho, a uzřeli zemi Jazer a zemi Galád, ano místo to místo příhodné pro dobytek.
1[Ny nahazoan'ny firenen'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase zara-tany tao an-dafy atsinanan'i Jordana] Ary nanana omby aman'ondry be indrindra ny taranak'i Robena sy ny taranak'i Gada; ary rehefa nahita ny tany Jazera sy ny tany Gileada izy, fa tany tsara ho fiandrasana omby aman'ondry io,
2Protož přistoupivše synové Gád a synové Ruben, mluvili k Mojžíšovi a k Eleazarovi knězi a knížatům shromáždění, řkouce:
2dia avy ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ka niteny tamin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona sy tamin'ny lohan'ny fiangonana ka nanao hoe:
3Atarot a Dibon, a Jazer a Nemra, Ezebon a Eleale, a Saban a Nébo a Beon,
3Atarota sy Dibona sy Jazera sy Nimra sy Hesbona sy Elale sy Sebama sy Nebo ary Beona,
4Země, kterouž zbil Hospodin před shromážděním Izraelským, jest země příhodná ku pastvě dobytku, a my služebníci tvoji máme drahně dobytka.
4ireo tany noresen'i Jehovah teo anoloan'ny fiangonan'ny Isiraely, dia tany tsara ho fiandrasana omby aman'ondry, ary ny mpanomponao manana omby aman'ondry;
5(Protož řekli:) Jestliže jsme nalezli milost před očima tvýma, nechť jest dána krajina ta služebníkům tvým k vládařství, ať nechodíme za Jordán.
5dia hoy koa izy: Raha mahita fitia eo imasonao izahay; aoka homena anay mpanomponao ho zara-taninay io tany io; fa aza ampitaina an'i Jordana izahay.
6I odpověděl Mojžíš synům Gád a synům Ruben: Což bratří vaši půjdou sami k boji, a vy zde zůstanete?
6Dia hoy Mosesy tamin'ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena: Ny rahalahinareo handeha hanafika, ka ianareo kosa hijanona eto va?
7I proč roztrhujete mysli synů Izraelských, aby nesměli jíti do země, kterouž jim dal Hospodin?
7Nahoana ianareo no mampiketraka ny fon'ny Zanak'Isiraely, mba tsy handehanany ho any amin'ny tany izay nomen'i Jehovah azy?
8Takť jsou učinili otcové vaši, když jsem je poslal z Kádesbarne, aby prohlédli zemi tu.
8Izany no nataon'ny rainareo, fony nirahiko avy tao Kadesi-barnea hisafo ny tany izy;
9Kteřížto, když přišli až k údolí Eškol a shlédli zemi, potom vrátivše se, odvrátili mysl synů Izraelských, aby nešli do země, kterouž dal jim Hospodin.
9fa raha niakatra hatrany an-dohasaha Eskola izy ka nahita ny tany, dia nampiketraka ny fon'ny Zanak'Isiraely izy, mba tsy handehanany ho any amin'ny tany izay efa nomen'i Jehovah azy.
10Čímž popuzen jsa k hněvu Hospodin v den ten, přisáhl, řka:
10Ary nirehitra ny fahatezeran'i Jehovah tamin'izay andro izay, dia nianiana Izy ka nanao hoe:
11Zajisté že lidé ti, kteříž vyšli z Egypta, od dvadcítiletých a výše, neuzří země té, kterouž jsem s přísahou zaslíbil Abrahamovi, Izákovi a Jákobovi, nebo ne cele následovali mne,
11Ny olona izay niakatra avy tany Egypta, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia tsy hisy hahita ny tany izay efa nianianako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy, satria tsy tanteraka tamin'ny fanarahana Ahy izy;
12Kromě Kálefa, syna Jefonova Cenezejského, a Jozue, syna Nun, nebo cele následovali Hospodina.
12afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone Kenizita, sy Josoa, zanak'i Nona, izay tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah.
13I popudila se prchlivost Hospodinova na Izraele, a učinil, aby byli tuláci na poušti za čtyřidceti let, dokudž nezahynul všecken ten věk, kterýž činil zlé před očima Hospodinovýma.
13Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka nampirenireny azy tany an-efitra efa-polo taona Izy mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imason'i Jehovah.
14A hle, vy nastoupili jste na místo otců svých, plémě lidí hříšných, abyste vždy přidávali k hněvu prchlivosti Hospodinovy na Izraele.
14Ary, indreto, ianareo mitsangana hisolo ny rainareo, ho taranaka mbola mpanota, hampitombo ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah amin'ny Isiraely.
15Jestliže se odvrátíte od následování jeho, i onť také opustí jej na poušti této, a tak budete příčina zahynutí všeho lidu tohoto.
15Fa raha miala amin'ny fanarahana Azy ianareo dia hamela azy any an-efitra Indray Izy; ka dia ianareo no handringana izao olona rehetra izao.
16Přistoupivše pak znovu, řekli jemu: Stáje dobytkům a stádům svým zde vzděláme, a města dítkám svým,
16Ary dia nanatona azy izy ireo ka nanao hoe: Hanao vala eto izahay ho an'ny omby aman'ondrinay sy tanàna koa ho an'ny zanakay madinika;
17Sami pak v odění pohotově budeme, statečně sobě počínajíce před syny Izraelskými, dokavadž jich neuvedeme na místo jejich; mezi tím zůstanou dítky naše v městech hrazených, pro bezpečnost před obyvateli země.
17fa ny tenanay dia hiomana faingana handroso eo alohan'ny Zanak'Isiraely mandra-pitondranay azy ho any amin'ny taniny; ary ny zanakay madinika dia hitoetra amin'ny tanàna mimanda noho ny mponina amin'ny tany.
18Nenavrátíme se do domů svých, až prvé vládnouti budou synové Izraelští jeden každý dědictvím svým;
18Tsy hody any an-tranonay izahay, mandra-pahazon'ny Zanak'Isiraely ny zara-taniny avy.
19Aniž vezmeme jakého dědictví s nimi za Jordánem neb dále, když dosáhneme dědictví svého z této strany Jordánu, k východu slunce.
19Fa tsy hiara-mandray zara-tany aminy izahay hatrany an-dafin'i Jordana no ho miankandrefana, satria efa azonay atỳ an-dafy atsinanan'i Jordana atỳ ny zara-taninay.
20I odpověděl jim Mojžíš: Jestliže učiníte tak, jakž jste mluvili, a jestliže půjdete v odění před Hospodinem k boji,
20Dia hoy Mosesy taminy: Raha hanao izany zavatra izany ianareo ka hiomana eo anatrehan'i Jehovah ho any an-tafika,
21A šli byste za Jordán vy všickni v odění před Hospodinem, dokavadž by nevyhnal nepřátel svých od tváři své,
21ary rehefa samy efa voaomana hiady, dia hita ho any an-dafin'i Jordana eo anatrehan'i Jehovah, mandra-pandroakany ny fahavalony hiala eo anoloany,
22A nebyla podmaněna všecka země před Hospodinem: potom navrátíte se, a budete bez viny před Hospodinem i před Izraelem; tak přijde země tato vám v dědictví před Hospodinem.
22ka ho resy eo anatrehan'i Jehovah ny tany; ary rehefa vita izany, dia hody ianareo ka tsy hanan-tsiny, na amin'i Jehovah, na amin'ny Isiraely; ary ity tany ity ho zara-taninareo eo anatrehan'i Jehovah.
23Pakli neučiníte toho, hle, zhřešíte proti Hospodinu, a vězte, že pomsta vaše přijde na vás.
23Fa raha tsy hanao izany kosa ianareo, dia manota amin'i Jehovah; ary aoka ho fantatrareo fa hanody anareo ny fahotanareo.
24Stavějte sobě tedy města pro dítky, a stáje pro dobytky své, a což vyšlo z úst vašich, učiňte.
24Manaova tanàna ho an'ny zanakareo madinika sy vala ho an'ny ondry aman'osinareo, ka ataovy izay naloaky ny vavanareo.
25I odpovědělo pokolení synů Gád a synů Ruben Mojžíšovi, řka: Služebníci tvoji učiní, jakž pán náš rozkazuje.
25Dia niteny tamin'i Mosesy ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ka nanao hoe: Ny mpanomponao dia hanao araka izay andidianao, tompoko:
26Dítky naše a ženy naše, dobytek náš a všecka hovada naše, tu zůstanou v městech Galád,
26ny zanakay madinika sy ny vadinay sy ny ondry aman'osinay ary ny biby fiompinay rehetra dia hitoetra ato amin'ny tanànan'i Gileada;
27Služebníci pak tvoji přejdou jeden každý v odění způsobný před Hospodinem k boji, jakož mluví pán můj.
27fa ny mpanomponao handeha hita, samy efa voaomana hiady eo anatrehan'i Jehovah, ho any an-tafika, araka izay nolazainao, tompoko.
28I poručil o nich Mojžíš Eleazarovi knězi a Jozue, synu Nun, a předním v čeledech pokolení synů Izraelských,
28Ary Mosesy dia nandidy an'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ny amin'ireo
29A řekl jim: Jestliže přejdou synové Gád a synové Ruben s vámi za Jordán všickni hotovi k boji před Hospodinem, a byla by již podmaněna země před vámi, dáte jim zemi Galád k vládařství.
29ka nanao taminy hoe: Raha handeha hita an'i Jordana hiaraka aminareo ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena, samy efa voaomana hiady eo anatrehan'i Jehovah, ka ho resy ny tany eo anoloanareo, dia homenareo azy ny tany Gileada ho zara-taniny;
30Pakli by nešli v odění s vámi, tedy dědictví míti budou u prostřed vás v zemi Kanán.
30fa raha tsy mandeha samy efa voaomana hiady miaraka aminareo Izy, dia eo aminareo amin'ny tany Kanana ihany no hahazoany zara-tany.
31I odpověděli synové Gád a synové Ruben, řkouce: Jakž mluvil Hospodin služebníkům tvým, tak učiníme:
31Dia namaly ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ka nanao hoe: Araka izay nolazain'i Jehovah tamin'ny mpanomponao no hataonay:
32My půjdeme v odění před Hospodinem do země Kanán, a zůstane nám v dědictví vládařství naše z této strany Jordánu.
32Izabay handeha hita eo anatrehan'i Jehovah ho any amin'ny tany Kanana samy efa voaomana hiady, kanefa etỳ an-dafin'i Jordana etỳ ihany no hahazoanay zara-tany.
33Tedy dal jim Mojžíš, synům totiž Gád a synům Ruben a polovici pokolení Manasses, syna Jozefova, království Seona, krále Amorejského, a království Oga, krále Bázanského, zemi s městy jejími při pomezích, i města země té všudy vůkol.
33Dia nomen'i Mosesy ho an'ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ary ny an-tsasaky ny firenen'i Manase, zanak'i Josefa, ny fanjakan'i Sihona, mpanjakan'ny Amorka, sy ny fanjakan'i Oga, mpanjakan'i Basana dia ny tany mbamin'ny tanànany ao amin'ny fari-tany, dia ny tanàna eny amin'ny tany manodidina.
34A vzdělali synové Gád, Dibon, Atarot a Aroer,
34Ary ny taranak'i Gada nanao an'i Dibona sy Atarota sy Aroera
35A Atrot, Sofan, Jazer a Jegbaa,
35sy Atrota-sofana sy Jazera ary Jogbeha
36A Betnemra a Betaran, města hrazená, a stáje pro dobytky.
36sy Beti-nimra sy Beti-harana, tanàna mimanda, ary vala ho an'ny ondry.
37Synové pak Ruben vystavěli Ezebon, Eleale a Kariataim,
37Ary ny taranak'i Robena nanao an'i Hesbona sy Elale sy Kiriataima
38A Nébo a Balmeon, změnivše jim jména; také Sabma, a dali jiná jména městům, kteráž vzdělali.
38sy Nebo sy Bala-meona (nefa novana ny anaran'ireo) ary Sibma; ary nasiany anarana vaovao ny tanàna izay nataony.
39Táhli pak synové Machir, syna Manassesova, do Galád, a vzavše tu krajinku, vyhnali Amorejského, kterýž tam bydlil.
39Ary ny taranak'i Makira, zanak'i Manase, nankany Gileada ka nahafaka azy, dia nandroaka ny Amorita izay nonina teo.
40I dal Mojžíš zemi Galád Machirovi, synu Manassesovu, a bydlil v ní.
40Ary Gileada dia nomen'i Mosesy an'i Makira, zanak'i Manase, ka nonina tao izy.
41Jair také syn Manassesův táhl a vzal vsi jejich, a nazval je vsi Jairovy.
41Ary Jaira, zanak'i Manase, nandeha ka nahafaka ny tanàna madinika teo, ary ny anarany nataony hoe Havota-jaira.Ary Noba nandeha ka nahafaka an'i Kenata sy ny zana-bohiny, dia nataony hoe Noba, araka ny anarany izy.
42Nobe také táhl, a vzal Kanat a městečka jeho, a nazval je Nobe od jména svého.
42Ary Noba nandeha ka nahafaka an'i Kenata sy ny zana-bohiny, dia nataony hoe Noba, araka ny anarany izy.