Czech BKR

Malagasy

Numbers

8

1I mluvil Hospodin k Mojžíšovi, řka:
1[Ny amin'ny fampirehetana ny jiro, sy ny nanadiovana ny Levita, ary ny fe-taona hanompoany] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
2Mluv k Aronovi a rci jemu: Když rozsvěcovati budeš lampy, ven z svícnu sedm lamp svítiti má.
2Mitenena amin'i Arona hoe: Raha mampirehitra ny jiro fito ianao, dia ataovy mahazava ny eo anoloan'ny fanaovan-jiro izy.
3I učinil Aron tak; ven z svícnu světlo od sebe dávající rozsvítil lampy jeho, jakož přikázal Hospodin Mojžíšovi.
3Dia nataon'i Arona izany, fa nampirehetiny ny jiro mba hahazava ny eo anoloan'ny fanaovan-jiro, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
4Bylo pak dílo svícnu takové: Z taženého zlata byl všecken, až i sloupec jeho i květové jeho z taženého zlata byli; podlé podobenství toho, kteréž ukázal Hospodin Mojžíšovi, tak udělal svícen.
4Ary izao no toetry ny fanaovan-jiro; volamena novoasana izy; hatramin'ny faladiany sy ny voniny aza dia samy novoasana avokoa; araka ny endrika izay nasehon'i Jehovah an'i Mosesy no nanaovany ny fanaovan-jiro.
5Mluvil také Hospodin k Mojžíšovi, řka:
5Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
6Vezmi Levíty z prostředku synů Izraelských, a očisť je.
6Alao ny Levita avy amin'ny Zanak'Isiraely, ka diovy izy.
7Tímto pak způsobem očišťovati je budeš: Pokropíš jich vodou očištění; oholí všecko tělo své, a zperou roucha svá, a očištěni budou.
7Ary izao no hataonao aminy hanadiovana azy: Fafazo rano fanadiovana izy, ary asaovy haratany avokoa ny tenany rehetra, ary aoka hosasany ny fitafiany, ka dia hadio izy.
8Potom vezmou volka mladého a obět suchou z mouky bělné, olejem skropené; a druhého volka mladého vezmeš k oběti za hřích.
8Dia asaovy maka vantotr'ombilahy iray izy mbamin'ny fanatitra hohanina fombany, dia koba tsara toto voaharo diloilo; ary vantotr'ombilahy iray koa no halainao ho fanatitra noho ny ota.
9Tedy přistoupiti rozkážeš Levítům před stánek úmluvy, a shromáždíš všecko množství synů Izraelských.
9Ary ento ny Levita hankeo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary vorio ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra.
10Postavíš Levíty před Hospodinem, a vloží synové Izraelští ruce své na Levíty.
10Ary ento ny Levita hankeo anatrehan'i Jehovah; ary ny Zanak'Isiraely hametraka ny tànany aminy;
11A obětovati bude Aron Levíty v obět před Hospodinem od synů Izraelských, aby vykonávali službu Hospodinu.
11ary Arona dia hanatitra ny Levita eo anatrehan'i Jehovah ho fanatitra ahevaheva avy amin'ny Zanak'Isiraely, mba hanao ny fanompoana an'i Jehovah izy.
12Levítové pak vloží ruce své na hlavy těch volků; a obětovati budeš jednoho za hřích, a druhého v obět zápalnou Hospodinu k očištění Levítů.
12Ary ny Levita hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy roa; dia atero ny anankiray ho fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah, hanaovana fanavotana ho an'ny Levita.
13A postavíš Levíty před Aronem a před syny jeho, a obětovati je budeš v obět Hospodinu.
13Ary apetraho eo anatrehan'i Arona sy ny zanany ny Levita, ka atero ho fanatitra ahevaheva ho an'i Jehovah izy.
14I oddělíš Levíty z prostředku synů Izraelských, aby moji byli Levítové.
14Ary ampiavaho amin'ny Zanak'Isiraely ny Levita, dia ho Ahy izy.
15Potom pak přijdou Levítové, aby přisluhovali při stánku úmluvy, když bys očistil je a obětoval v obět.
15Ary rehefa afaka izany, dia hiditra ny Levita hanao fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana. Dia hodiovinao toy izany izy ka haterinao ho fanatitra ahevaheva;
16Nebo vlastně dáni jsou mi z prostředku synů Izraelských za všecky otvírající život, za prvorozené ze všech synů Izraelských vzal jsem je sobě.
16fa efa nomena ho Ahy avy tamin'ny Zanak'Isiraely mihitsy izy; ho solon'izay voalohan-teraka rehetra, dia izay lahimatoa rehetra amin'ny Zanak'Isiraely, no nanalako azy ho Ahy.
17Nebo mé jest všecko prvorozené mezi syny Izraelskými, tak z lidí jako z hovad; od toho dne, jakž jsem pobil všecko prvorozené v zemi Egyptské, posvětil jsem jich sobě.
17Fa Ahy ny voalohan-teraka rehetra amin'ny Zanak'Isiraely, na olona na biby fiompy; tamin'ilay andro namelezako ny voalohan-teraka rehetra tany amin'ny tany Egypta no nanamasinako azy ho Ahy.
18Vzal jsem pak Levíty za všecky prvorozené synů Izraelských.
18Ary efa nalaiko ny Levita ho solon'ny lahimatoa rehetra amin'ny Zanak'Isiraely.
19A dal jsem Levíty darem Aronovi i synům jeho z prostředku synů Izraelských, aby konali službu místo synů Izraelských při stánku úmluvy, a očišťovali od hříchů syny Izraelské; a tak nepřijde na syny Izraelské rána,kteráž by přišla, kdyby přistupovali synové Izraelští k svatyni.
19Ary nomeko ho an'i Arona sy ny zanany mihitsy ny Levita, avy amin'ny Zanak'Isiraely, hanao ny fanompoan'ny Zanak'Isiraely ao amin'ny trano-lay fihaonana sy hanao fanavotana ho an'ny Zanak'Isiraely, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha manakaiky ny fitoerana masina izy.
20I učinili Mojžíš a Aron i všecko množství synů Izraelských při Levítích všecko to, což přikázal Hospodin Mojžíšovi o Levítích; tak s nimi učinili synové Izraelští.
20Dia nataon'i Mosesy sy Arona mbamin'ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, tamin'ny Levita izany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny Levita no nataon'ny Zanak'Isiraely taminy.
21A očistili se Levítové a zeprali roucha svá; a obětoval je Aron v obět před Hospodinem, a očistil je Aron, aby byli čisti.
21Dia nodiovin'ny Levita ny tenany ho afaka ota, ary nosasany ny fitafiany; ary Arona nanatitra azy ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah sady nanao fanavotana ho azy hanadiovana azy.
22Potom teprv přistoupili Levítové k vykonávání služby své při stánku úmluvy, před Aronem i před syny jeho; jakž přikázal Hospodin Mojžíšovi o Levítích, tak s nimi učinili.
22Ary rehefa afaka izany, dia niditra ny Levita hanao ny fihaonana teo anatrehan'i Arona sy ny zanany; araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy ny amin'ny Levita no nataony taminy.
23I mluvil opět Hospodin k Mojžíšovi, řka:
23Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
24I toto k Levítům přináleží: V pětmecítma letech zstáří a výše jeden každý z nich přistoupí, a postaví se k ochotnému práce konání v službě při stánku úmluvy.
24Ny amin'ny Levita dia izao: Hatramin'ny dimy amby roa-polo taona no ho miakatra izy no hanatona hilatsaka amin'ny antokony hanao ny fanompoana ao amin'ny trano-lay fihaonana;
25V padesáti pak letech přestane od práce služby té, a více přisluhovati nebude.
25fa rehefa dimam-polo taona kosa izy, dia hiala amin'ny antokon'ny fanompoana ka tsy hanompo intsony;kanefa mahazo manampy ny rahalahiny ao amin'ny trano-lay fihaonana ihany izy mba hitandrina izay anjara-raharaha; fa tsy hanao fanompoana hafa izy. Izany no hataonao amin'ny Levita ny amin'ny anjara-raharahany.
26Ale přisluhovati bude bratřím svým při stánku úmluvy stráž držícím, sám pak služeb konati nebude. Tak učiníš s Levíty při pracech jejich.
26kanefa mahazo manampy ny rahalahiny ao amin'ny trano-lay fihaonana ihany izy mba hitandrina izay anjara-raharaha; fa tsy hanao fanompoana hafa izy. Izany no hataonao amin'ny Levita ny amin'ny anjara-raharahany.