1Mluvil pak Hospodin k Mojžíšovi na poušti Sinai, léta druhého po vyjití z země Egyptské, měsíce prvního, řka:
1[Ny nitandreman'ny Zanak'Isiraely ny Paska tany an-efitr'i Sinay] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy tany an-efitr'i Sinay tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona faharoa taorian'ny nivoahany avy tany amin'ny tany Egypta ka nanao hoe:
2Slaviti budou synové Izraelští velikunoc v čas svůj vyměřený.
2Aoka hotandreman'ny Zanak'Isiraely ny Paska amin'ny fotoany.
3Čtrnáctého dne měsíce toho u večer budete ji slaviti jistým časem svým, vedlé všech ustanovení jejích, a podlé všech řádů jejích slaviti ji budete.
3Amin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ity volana ity no hitandremanareo azy amin'ny fotoany; araka ny didy sy ny fanao rehetra aminy no hitandremanareo azy.
4I mluvil Mojžíš k synům Izraelským, aby slavili Fáze.
4Ary Mosesy niteny tamin'ny Zanak'Isiraely mba hitandrina ny Paska.
5Tedy slavili Fáze v měsíci prvním, čtrnáctého dne u večer na poušti Sinai; vedlé všeho toho, což přikázal Hospodin Mojžíšovi, tak učinili synové Izraelští.
5Dia nitandrina ny Paska tany an-efitr'i Sinay izy tamin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany; araka izay rehetra efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy no nataon'ny Zanak'Isiraely.
6I byli někteří muži, ješto se poškvrnili při mrtvém, kteříž nemohli slaviti Fáze toho dne. I přistoupili před Mojžíše a Arona v ten den,
6Ary nisy olona sasany izay naloto tamim-paty ka tsy nahazo nitandrina ny Paska tamin'izany andro izany; dia nankeo anatrehan'i Mosesy sy Arona izy tamin'izany andro izany
7A promluvili muži ti k němu: My jsme se poškvrnili nad mrtvým. Nebude-liž nám zbráněno obětovati oběti Hospodinu v jistý čas spolu s syny Izraelskými?
7ka nanao taminy hoe: Maloto tamim-paty izahay, ka nahoana no sakanana tsy hiaraka amin'ny Zanak'Isiraely hanatitra ny fanatitra ho an'i Jehovah amin'ny fotoany?
8I řekl jim Mojžíš: Počekejte, až uslyším, co vám učiniti rozkáže Hospodin.
8Fa hoy Mosesy taminy: Andraso aloha, fa hanontaniako izay handidian'i Jehovah ny aminareo.
9Mluvil pak Hospodin k Mojžíšovi, řka:
9Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
10Mluv k synům Izraelským a rci: Kdož by koli byl poškvrněný nad mrtvým, aneb byl by na cestě daleké, buď z vás aneb z potomků vašich, budeť slaviti Fáze Hospodinu.
10Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy olona eo aminareo, na eo amin'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby, maloto amim-paty, na lasan-davitra, dia mbola hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah ihany koa izy.
11Měsíce druhého, čtrnáctého dne u večer slaviti budou je, s chleby nekvašenými, a s řeřichami jísti je budou.
11Amin'ny harivan'ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana faharoa no hitandremany azy; ary hampiarahina amin'ny mofo tsy misy masirasira sy ny anana mangidy no fihinany azy.
12Nezanechajíť ho nic až do jitra, a kosti v něm nezlámí; vedlé všelikého ustanovení Fáze budou je slaviti.
12Aza avela hasiany sisa ho tra-maraina, ary aza avela hisy hotapahiny ny taolany; araka ny lalàna rehetra ny amin'ny Paska ihany koa no hitandremany azy.
13Ale člověk ten, kterýž by byl čistý, a nebyl na cestě, a však by zanedbal slaviti Fáze, vyhlazena bude duše ta z lidu svého; nebo oběti Hospodinu neobětoval v jistý čas její; hřích svůj ponese člověk ten.
13Fa ny olona izay madio sady tsy lasan-davitra, nefa tsy mety mitandrina ny Paska, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny, satria tsy nanatitra ny fanatitra ho an'i Jehovah tamin'ny fotoany izy; ho meloka izany olona izany.
14Jestliže by s vámi bydlil příchozí, a slavil by Fáze Hospodinu, vedlé ustanovení Fáze, a vedlé řádu jeho bude je slaviti. Ustanovení jednostejné bude vám, tak příchozímu, jako obyvateli v zemi.
14Ary raha misy mivahiny eo aminareo ka mba te-hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah, dia araka ny didy sy ny fanao amin'ny Paska ihany no hanaovany azy; lalàna iray ihany no ho aminareo, na vahiny, na tompon-tany.
15Toho pak dne, v kterémž vyzdvižen jest příbytek, přikryl oblak příbytek, a stál nad stánkem svědectví; u večer pak bývalo nad příbytkem na pohledění jako oheň až do jitra.
15[Ny amin'ny rahona izay nitarihan'i Jehovah ny Zanak'Isiraely] Ary tamin'ny andro izay nananganana ny tabernakely ny rahona dia nanarona ny tabernakely, dia ny trano-lain'ny Vavolombelona; ary nony hariva dia niseho teo ambonin'ny tabernakely tahaka ny afo izy mandra-pahamarain'ny andro.
16Tak bývalo ustavičně, oblak přikrýval jej ve dne, záře pak ohnivá v noci.
16Dia toy izany mandrakariva izy: ny rahona nanarona azy, nefa niseho tahaka ny afo izy nony alina.
17A když se zdvihl oblak od stánku, hned také hýbali se synové Izraelští; a na kterém místě pozůstal oblak, tu také kladli se synové Izraelští.
17Ary rehefa niakatra niala tamin'ny tranolay ny rahona, dia niainga ny Zanak'Isiraely, ka teo amin'izay nijanonan'ny rahona no nitobiany.
18K rozkazu Hospodinovu hýbali se synové Izraelští, a k rozkazu Hospodinovu kladli se; po všecky dny, dokudž zůstával oblak nad příbytkem, i oni leželi.
18Araka ny didin'i Jehovah no niaingan'ny Zanak'Isiraely, ary araka ny didin'i Jehovah koa no nitobiany; tamin'ny andro rehetra izay nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely no nitobiany.
19Když pak trval oblak nad příbytkem po mnohé dny, tedy drželi synové Izraelští stráž Hospodinovu, a netáhli odtud.
19Ary na dia nijanona ela teo ambonin'ny tabernakely aza ny rahona, dia nitandrina izay nasain'i Jehovah notandremana ihany ny Zanak'Isiraely ka tsy niainga.
20A když oblak byl nad příbytkem po nemnohé dny, k rozkazu Hospodinovu kladli se, a k rozkazu Hospodinovu hýbali se.
20Fa indraindray kosa dia andro vitsy ihany no nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely; araka ny didin'i Jehovah ihany no nitobiany, ary araka ny didin'i Jehovah no niaingany.
21Kdyžkoli byl oblak od večera až do jitra, a v jitře se vznesl, hned i oni šli; buď že trval přes den a noc, (jakž kdy vznášel se oblak, tak oni táhli,)
21Ary indraindray kosa dia nijanona hatramin'ny hariva ka hatramin'ny maraina ihany ny rahona, ary raha niakatra izy nony maraina, dia niainga ny Zanak'Isiraely; koa na andro na alina no niakaran'ny rahona, dia niainga izy.
22Buď že za dva dni, aneb za měsíc, aneb za rok prodléval oblak nad příbytkem, zůstávaje nad ním, synové Izraelští také leželi,a nehnuli se; když pak on vznášel se, též i oni táhli.
22Ary na indroa andro, na iray volana, na ela aza, no nijanonan'ny rahona teo ambonin'ny tabernakely dia mbola nitoby ihany ny Zanak'Isiraely, fa tsy niainga; fa raha niakatra kosa ny rahona, dia niainga izy.Araka ny didin'i Jehovah no nitobiany, ary araka ny didin'i Jehovah no niaingany; nitandrina izay nasain'i Jehovah notandremany izy, araka ny tenin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.
23K rozkazu Hospodinovu kladli se, a k rozkazu Hospodinovu hýbali se, stráž Hospodinovu držíce podlé rozkazu jeho skrze Mojžíše.
23Araka ny didin'i Jehovah no nitobiany, ary araka ny didin'i Jehovah no niaingany; nitandrina izay nasain'i Jehovah notandremany izy, araka ny tenin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy.