Czech BKR

Malagasy

Proverbs

20

1Víno činí posměvače, a nápoj opojný nepokojného; pročež každý, kdož se kochá v něm, nebývá moudrý.
1Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka, Koa izay miraikiraiky azon'izany dia tsy hendry.
2Hrůza královská jako řvání mladého lva; kdož ho rozhněvá, hřeší proti životu svému.
2Ny fampitahoran'ny mpanjaka dia toy ny fieron'ny liona tanora; Izay mampahatezitra azy dia mankahà-doza hihatra amin'ny ainy,
3Přestati od sváru jest to každému ku poctivosti, ale kdožkoli se do nich zapletá, blázen jest.
3Voninahitry ny olona ny hanalavitra ny ady; Fa ny adala rehetra kosa misafoaka.
4Lenoch neoře pro zimu, pročež žebrati bude ve žni, ale nadarmo.
4Ny malaina tsy mety miasa amin'ny ririnina, Ka dia hangataka izy raha fararano, fa tsy hahazo.[Na: noho ny ririnina; na: noho ny haben'ny vokatra]
5Rada v srdci muže voda hluboká, muž však rozumný dosáhne jí.
5Rano lalina ny hevitra ao am-pon'ny olona; Fa izay manan-tsaina dia mahay manovo azy ihany,
6Větší díl lidí honosí se účinností svou, ale v pravdě takového kdo nalezne?
6Maro ny olona samy midera ny soa ataon'ny tenany avy; Fa izay olo-mahatoky, iza moa no mahita azy?
7Spravedlivý ustavičně chodí v upřímnosti své; blažení synové jeho po něm.
7Izay olona marina mandeha amin'ny fahitsiany Sambatra ny zanany mandimby azy.
8Král sedě na soudné stolici, rozhání očima svýma všecko zlé.
8Mipetraka eo amin'ny seza fitsarana ny mpanjaka, Ka mikororoka manaisotra ny ratsy rehetra ny masony.
9Kdo může říci: Očistil jsem srdce své? Čist jsem od hříchu svého?
9Iza no mahazo manao hoe: Efa nahadio ny foko aho Ka madio tsy manana ota?
10Závaží rozdílná a míra rozdílná, obé to ohavností jest Hospodinu.
10Ny vato mizana samy hafa sy ny vata famarana samy hafa Dia samy fahavetavetana eo imason'i Jehovah.
11Po skutcích svých poznáno bývá také i pachole, jest-li upřímé a pravé dílo jeho.
11Na dia ny zaza aza dia mampiseho amin'ny fanaony Na madio sy mahitsy ny fitondran-tenany.
12Ucho, kteréž slyší, a oko, kteréž vidí, obé to učinil Hospodin.
12Ny sofina mandre sy ny maso mahita Dia samy nataon'i Jehovah avokoa.
13Nemiluj snu, abys nezchudl, otevři oči své, a nasytíš se chlebem.
13Aza tia torimaso ianao, fandrao tonga malahelo; Ahirato ny masonao, dia ho voky hanina ianao.
14Zlé, zlé, říká ten, kdož kupuje, a odejda, tedy se chlubí.
14Ratsy! ratsy! hoy ny mpividy; Kanjo nony lasa izy, dia mandoka tena.
15Zlato a množství perel, a nejdražší klínot jsou rtové umělí.
15Ao ihany ny volamena sy ny voahangy betsaka; Fa ny molotra misy fahalalana no ravaka soa.[Na: perla]
16Vezmi roucho toho, kterýž slíbil za cizího, a kdo za cizozemku, základ jeho.
16Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon'ny vahiny niantohany.[Na: vahiny janga]
17Chutný jest někomu chléb falše, ale potom ústa jeho pískem naplněna bývají.
17Mamin'ny olona ny hanina azo amin'ny fitaka; Kanjo ho feno fasika ny vavany any am-parany.
18Myšlení radou upevňuj, a s opatrnou radou veď boj.
18Ny hevitra rehetra dia aorin'ny fisainana, Ary ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady.
19Kdo vynáší tajnost, chodí neupřímě, pročež k lahodícímu rty svými nepřiměšuj se.
19Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina, Koa aza miraharaha amin'izay mibedibedy foana.
20Kdo zlořečí otci svému neb matce své, zhasne svíce jeho v temných mrákotách.
20Izay manozona ny rainy na ny reniny, Dia ho faty ao amin'ny alim-pito ny jirony.
21Dědictví rychle z počátku nabytému naposledy nebývá dobrořečeno,
21Ny harena malaky azo foana eo am-boalohany Dia tsy hotahina any am-parany.[Na: mahamahimahina]
22Neříkej: Odplatím se zlým; očekávej na Hospodina, a vysvobodí tě.
22Aza manao hoe: Hamaly ny ratsy nataony aho; Fa andraso Jehovah, fa Izy no hamonjy anao.
23Ohavností jsou Hospodinu závaží rozdílná, a váhy falešné neoblibuje.
23Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny vato samy hafa, Ary ny mizana mandainga dia tsy tsara.
24Od Hospodina jsou krokové muže, ale člověk jak vyrozumívá cestě jeho?
24Avy amin'i Jehovah ny dian'ny olona, Ary hataon'izay olombelona ahoana no hahafantatra ny lalany?
25Osídlo jest člověku pohltiti věc posvěcenou, a po slibu zase toho vyhledávati.
25Fandrika amin'ny olona ny malaky manao hoe: Zavatra masina ity; Ka nony vita ny voady, vao mamototra.
26Král moudrý rozptyluje bezbožné, a uvodí na ně pomstu.
26Ny mpanjaka hendry mikororoka manaisotra ny ratsy fanahy Sady mitarika ny kodia fivelezana eo amboniny.
27Duše člověka jest svíce Hospodinova, kteráž zpytuje všecky vnitřnosti srdečné.
27Jiron'i Jehovah ny fanahin'ny olona, Itsilovana ny efitrefitra rehetra ao am-po.
28Milosrdenství a pravda ostříhají krále, a milosrdenstvím podpírá se trůn jeho.
28Famindram-po sy fahamarinana no miaro ny mpanjaka, Ary ampitoeriny amin'ny famindram-po ny seza fiandrianany.
29Ozdoba mládenců jest síla jejich, a okrasa starců šediny.
29Voninahitry ny zatovo ny fahatanjahany, Ary ravaky ny anti-panahy ny volo fotsy.Ny fampangirifiriana dia mahafaka ny faharatsiana, Ary ny kapoka mahadio ny efitrefitra ao an-kibo.[Heb. ratra avy amin'ny kapoaka]
30Modřiny ran jsou lékařství při zlém, a bití vnitřnostem života.
30Ny fampangirifiriana dia mahafaka ny faharatsiana, Ary ny kapoka mahadio ny efitrefitra ao an-kibo.[Heb. ratra avy amin'ny kapoaka]