1Nenásleduj lidí zlých, aniž žádej bývati s nimi.
1Aza mialona ny olona ratsy fanahy, Na maniry ho namany;
2Nebo o zhoubě přemýšlí srdce jejich, a rtové jejich o trápení mluví.
2Fa fandravana no saintsainin'ny fony, Ary fampahoriana notenenin'ny molony.
3Moudrostí vzdělán bývá dům, a rozumností upevněn.
3Fahendrena no anaovana trano; Ary fahalalinan-tsaina no mampaharitra azy;
4Skrze umění zajisté pokojové naplněni bývají všelijakým zbožím drahým a utěšeným.
4Sady fahalalana no hamenoana ny efi-trano Amin'izay harena soa sy mahafinaritra rehetra.
5Muž moudrý jest silný, a muž umělý přidává síly.
5Be hery ny lehilahy hendry, Eny, mitombo hery ny olona manam-pahalalana;
6Nebo skrze rady opatrné svedeš bitvu, a vysvobození skrze množství rádců.
6Fa ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady, Ary raha maro ny mpanolo-tsaina, dia misy famonjena.
7Vysoké jsou bláznu moudrosti; v bráně neotevře úst svých.
7Avo tsy takatry ny adala ny fahendrena, Tsy mba mahaloa-bava eo am-bavahady izy.[Na: Ataon'ny adala ho haingohaingo foana ny fahendrena]
8Kdo myslí zle činiti, toho nešlechetným nazovou.
8Izay misaintsaina hanao ratsy Dia atao hoe mpamoron-tsain-dratsy.
9Zlé myšlení blázna jest hřích, a ohavnost lidská posměvač.
9Ota ny fikasan'ny hadalana; Ary fahavetavetana eo imason'ny olona ny mpaniratsira.
10Budeš-li se lenovati ve dni ssoužení, špatná bude síla tvá.
10Raha reraka amin'ny andro fahoriana ianao, Dia kely ny herinao.
11Vytrhuj jaté k smrti; nebo od těch, ješto se chýlí k zabití, což bys se zdržel?
11Vonjeo izay entina hovonoina, Ary enga anie ka mba harovanao izay mangozohozo efa ho mby eo am-pamonoana!
12Díš-li: Aj, nevěděli jsme o tom: zdaliž ten, jenž zpytuje srdce, nerozumí, a ten, kterýž jest strážce duše tvé, nezná, a neodplatí každému podlé skutků jeho?
12Raha hoy ianao: Tsia, tsy mahalala izany izahay, Moa Izay mandanja ny fo tsy hihevitra izany va? Ary Izay mandinika ny fanahinao tsy hahalala izany va? Eny, hovaliany araka ny ataony avy ny olona rehetra.[Na: io]
13Synu můj, jez med, nebo dobrý jest, a plást sladký dásním tvým.
13Anaka, homàna tantely, fa tsara izany, Ary ny toho-tantely, fa ho mamy eo am-bavanao;[Heb.lanilaninao]
14Tak umění moudrosti duši tvé. Jestliže ji najdeš, onať bude mzda, a naděje tvá nebude vyťata.
14Ary aoka ho toy izany no hianaranao fahendrena ho an'ny fanahinao; Fa raha azonao izany, dia hisy hiafarana, Ka tsy ho foana ny fanantenanao.
15Nečiniž úkladů, ó bezbožníče, příbytku spravedlivého, a nekaz odpočinutí jeho.
15Aza manotrika ao akaikin'ny tranon'ny marina ianao, ry ilay ratsy, Aza ravanao ny fonenany;
16Nebo ač sedmkrát padá spravedlivý, však zase povstává, bezbožníci pak padají ve zlém.
16Fa potraka im-pito ny marina, nefa tafarina ihany; Ary ny ratsy fanahy kosa solafaka, raha azom-pahoriana.[Na: ka idiran-doza]
17Když by padl nepřítel tvůj, neraduj se, a když by klesl, nechať nepléše srdce tvé,
17Aza faly, raha lavo ny fahavalonao, Ary aza ravoravo ny fonao, raha tafintohina izy;
18Aby snad nepopatřil Hospodin, a nelíbilo by se to jemu, a odvrátil by od něho hněv svůj.
18Fandrao hitan'i Jehovah izany ka ataony ho ratsy, Ary ampialainy aminy ny fahatezerany.
19Nehněvej se příčinou zlostníků, aniž následuj bezbožných.
19Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy, Ary aza mialona ny ratsy fanahy;
20Nebo zlý nebude míti odplaty; svíce bezbožných zhasne.
20Fa tsy hisy fanantenana ho an'ny ratsy; Eny, ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy.[Heb. farany]
21Boj se Hospodina, synu můj, i krále, a k neustavičným se nepřiměšuj.
21Anaka, matahora an'i Jehovah sy ny mpanjaka; Ary aza mikambana amin'izay miovaova;[Na: hafa saina noho izany]
22Nebo v náhle nastane bída jejich, a pomstu obou těch kdo zná?
22Fa ho tampoka no hitrangan'izay hanjo ireny; Ary iza no mahalala izay loza hiseho amin'ny androny? [Heb. taonany]
23Také i toto moudrým náleží: Přijímati osobu v soudu není dobré.
23Izao koa no tenin'ny hendry: Tsy mety raha mizaha tavan'olona amin'ny fitsarana.
24Toho, kdož říká bezbožnému: Spravedlivý jsi, klnouti budou lidé, a v ošklivost jej vezmou národové.
24Izay manao amin'ny meloka hoe: Marina ianao, Dia hozonin'ny olona sady ho halan'ny firenena;
25Ale kteříž kárají, budou potěšeni, a přijde na ně požehnání dobrého.
25Fa izay mitsara marina kosa no hahita soa sy hahazo fitahiana tsara.
26Bude líbati rty toho, kdož mluví slova pravá.
26Izay mahavoa tsara amin'ny famaliana dia manoroka ny molotra.
27Nastroj vně dílo své, a sprav je sobě na poli; potom také vystavíš dům svůj.
27Amboary ny asanao any ivelany, Ary ataovy lavorary ny any an-tsaha; Ka rehefa vita izany, dia mahazo manao ny tranonao ianao.
28Nebývej svědkem všetečným proti bližnímu svému, aniž lahodně namlouvej rty svými.
28Aza mety ho vavolombelona foana hanameloka ny namanao; Moa hamitaka amin'ny molotrao va ianao?
29Neříkej: Jakž mi učinil, tak mu učiním; odplatím muži tomu podlé skutku jeho.
29Aza manao hoe: Araka izay nataony tamiko no mba hataoko aminy kosa, Hovaliako ny olona araka izay nataony.
30Přes pole muže lenivého šel jsem, a přes vinici člověka nemoudrého,
30Nandalo ny sahan'ny kamo Sy ny tanim-boaloboky ny tsy ampy saina aho;
31A aj, porostlo všudy trním, přikryly všecko kopřivy, a ohrada kamenná její byla zbořená.
31Ary, indro, feno sampivato izy Sady voasaron'ny amiana, Ary nirodana ny ampiantany vatony.
32A vida to, posoudil jsem toho; vida, vzal jsem to k výstraze.
32Dia nojereko ka noheveriko tsara, Eny, hitako ka nahazoako anatra.
33Maličko pospíš, maličko zdřímeš, maličko složíš ruce, abys poležel,
33Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany. Mbola hanohon-tanana kely hatory;Dia ho tonga toy ny mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.
34V tom přijde jako pocestný chudoba tvá, a nouze tvá jako muž zbrojný.
34Dia ho tonga toy ny mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.