Czech BKR

Malagasy

Proverbs

30

1Slova Agura, syna Jáke. Sepsání řečí muže toho k Itielovi, k Itielovi a Uchalovi.
1[Ny tenin'i Agora] Ny teny mavesa-danja nataon'i Agora, zanak'i Jake, dia ny teny nataon-dralehilahy tamin'Itiela, eny, tamin'Itiela sy Okala:[Na: Ny tenin'i Agora, zanak'i Jake, avy any Masa]
2Jistě žeť jsem hloupější nad jiné, tak že rozumnosti člověka obecného nemám,
2Izaho dia biby, fa tsy olona, Ary tsy manan-tsain'olombelona aho. [Na: Nanasa-tena aho, Andriamanitra ô, nanasa-tena aho, Andriamanitra ô, ka lany ny heriko fa tahaka ny biby aho]
3Aniž jsem se naučil moudrosti, a umění svatých neumím.
3Tsy nianatra fahendrena aho, Na nahazo ny fahalalana ny Iray Masina.
4Kdo vstoupil v nebe, i sstoupil? Kdo sebral vítr do hrstí svých? Kdo shrnul vody v roucho své? Kdo upevnil všecky končiny země? Které jméno jeho, a jaké jméno syna jeho, víš-li?
4Iza no efa niakatra tany an-danitra sady nidina indray? Iza no nahangona ny rivotra tao an-tànany? Iza no nahafono ny rano tamin'ny lambany? Iza no nahamisy ny faran'ny tany rehetra? Iza no anarany, ary iza no anaran'ny zanany? Fa toa fantatrao!
5Všeliká výmluvnost Boží přečištěná jest; onť jest štít doufajících v něho.
5Ny tenin'Andriamanitra dia voadio avokoa; Ampinga ho an'izay mialoka aminy Izy.
6Nepřidávej k slovům jeho, aby tě nekáral, a byl bys ve lži postižen.
6Aza manampy ny teniny, fandrao hanariny ianao Ka ho hita fa mpandainga.
7Dvou věcí žádám od tebe, neoslýchejž mne, prvé než umru:
7Zavatra roa loha no angatahiko aminao; Ka aza lavinao, dieny tsy mbola maty aho:
8Marnost a slovo lživé vzdal ode mne, chudoby neb bohatství nedávej mi, živ mne pokrmem vedlé potřeby mé,
8Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga; Aza manome ahy alahelo na harena; Fahano aho amin'izay anjara-hanina sahaza ho ahy;
9Abych snad nasycen jsa, tě nezapřel, a neřekl: Kdo jest Hospodin? a abych zchudna, nekradl, a nebral naprázdno jména Hospodina Boha svého.
9Fandrao, raha voky aho, dia handà Ka hanao hoe: Iza moa Jehovah? Ary andrao, raha tonga malahelo aho, dia hangalatra Ka hanamavo ny anaran'Andriamanitro.
10Nesoč na služebníka před pánem jeho, aťby nezlořečil, a ty abys nehřešil.
10Aza manendrikendrika ny mpanompo amin'ny tompony, Fandrao hozoniny ianao ka hahazo heloka.
11Jest pokolení, kteréž otci svému zlořečí, a matce své nedobrořečí.
11Misy taranaka izay manozona ny rainy Sady tsy misaotra ny reniny.
12Jest pokolení čisté samo u sebe, ačkoli od nečistot svých není obmyto.
12Misy taranaka manao azy ho madio, Kanjo tsy voasasa ho afaka amin'ny fahalotoany.
13Jest pokolení, jehož vysoké jsou oči, a víčka jeho jsou vyzdvižená.
13Misy taranaka, endrey ny fiandrandran'ny masony Sy ny fisondrotry ny hodi-masony!
14Jest pokolení, jehož zubové jsou mečové, a třenovní zubové jeho nožové, k zžírání chudých na zemi a nuzných na světě.
14Misy taranaka izay toy ny sabatra ny nifiny, Ary toy ny antsy ny vazany, Hamongotra ny ory tsy ho amin'ny tany Sy ny malahelo tsy ho amin'ny olona.
15Pijavice má dvě dcery říkající: Dej, dej. Tři věci nebývají nasyceny, anobrž čtyry, kteréž nikdy neřeknou: Dosti:
15Ny dinta manan-janakavavy roa, dia ny hoe: Omeo, Omeo. Misy zavatra telo tsy mety voky, Eny, efatra aza no tsy manao hoe: Aoka izay:
16Peklo a život neplodné, země též nebývá nasycena vodou, a oheň neříká: Dosti.
16Ny fiainan-tsi-hita; sy ny kibo momba, Ny tany izay tsy vonton-drano, Ary ny afo koa no tsy mba manao hoe: Aoka izay.[Heb. Sheola]
17Oko, kteréž se posmívá otci, a pohrdá poslušenstvím matky, vyklubí krkavci potoční, aneb snědí je orličata.
17Ny maso izay miandranandrana amin-dray Sady tsy mety manaja reny Dia hotsaingotsaingohin'ny goaika eny an-dohasahan-driaka Ary hohanin'ny zana-boromahery.
18Tři tyto věci skryty jsou přede mnou, nýbrž čtyry, kterýchž neznám:
18Misy zavatra telo mahagaga ka tsy takatro, Eny, efatra aza no tsy fantatro:
19Cesty orlice v povětří, cesty hada na skále, cesty lodí u prostřed moře, a cesty muže při panně.
19Ny nalehan'ny voromahery teny amin'ny habakabaka, Ny nalehan'ny bibilava teny amin'ny vatolampy, Ny nalehan'ny sambo teny amin'ny ranomasina, Ary ny nalehan'ny lehilahy tamin'ny tovovavy.
20Takováž jest cesta ženy cizoložné: Jí, a utře ústa svá, a dí: Nepáchala jsem nepravosti.
20Tahaka izany koa no fanaon'ny vehivavy mpijangajanga: Homana izy, dia mamafa ny vavany, Ka dia manao hoe: Tsy nanao ratsy aho.
21Pode třmi věcmi pohybuje se země, anobrž pod čtyřmi, jichž nemůž snésti:
21Izao fitondrana telo izao no tsy mampandry ny tany, Eny, zavatra efatra aza no tsy zakany;
22Pod služebníkem, když kraluje, a bláznem, když se nasytí chleba;
22Raha ny andevo no tonga mpanjaka, Raha ny adala no voky hanina,
23Pod omrzalou, když se vdá, a děvkou, když dědičkou bývá paní své.
23Raha ny vehivavy lany zara no ampakarina, Ary raha ny ankizivavy no mandova ny tompovaviny.[Heb. ankahalaina][Na: mandimby]
24Čtyry tyto věci jsou malé na zemi, a však jsou moudřejší nad mudrce:
24Izao zavatra efatra izao dia kely amin'ny etỳ ambonin'ny tany, Nefa hendry sady mahay:
25Mravenci, lid nesilný, kteříž však připravují v létě pokrm svůj;
25Ny vitsika dia firenena tsy matanjaka, Nefa manangona ny haniny amin'ny fahavaratra izy;
26Králíkové, lid nesilný, kteříž však stavějí v skále dům svůj;
26Ny biby hyraka dia firenena tsy manan-kery, Nefa manao ny tranony ao amin'ny harambato izy;
27Krále nemají kobylky, a však vycházejí po houfích všecky;
27Ny valala tsy manana mpanjaka, Nefa izy rehetra miainga manao antokony tsara;
28Pavouk rukama dělá, a bývá na palácích královských.
28Ny antsiantsy dia mandady amin'ny tànany, Nefa tonga ao an-tranon'ny mpanjaka izy.[Na: azonao samborin-tanana]
29Tři tyto věci udatně vykračují, anobrž čtyry, kteréž zmužile chodí:
29Misy zavatra telo izay tsara famindra, Eny, efatra aza no tsara fandeha;
30Lev nejsilnější mezi zvířaty, kterýž neustupuje před žádným;
30Dia ny liona, izay mahery indrindra amin'ny biby Ka tsy mihemotra na amin'inona na amin'inona,
31Přepásaný na bedrách kůň neb kozel, a král, proti němuž žádný nepovstává.
31Ny soavaly voaomana hiady sy ny osilahy Ary ny mpanjaka tsy azo toherina. [Heb. voafehy kibo][Na: otronin'ny vahoakany]
32Jestliže jsi bláznil, vynášeje se, a myslil-lis zle, ruku na ústa polož.
32Raha adala ka nanandra-tena ianao, Na efa nisaina hanao ratsy, Dia tampeno ny tananao ny vavanao.Ny fanontsankontsanana ny ronono no miteraka rononomandry, Ny fanolanana ny orona no miteraka rà; Ary ny fanetsiketsehana ny fahatezerana no miteraka ady.
33Kdo tluče smetanu, stlouká máslo, a stiskání nosu vyvodí krev, tak popouzení k hněvu vyvodí svár.
33Ny fanontsankontsanana ny ronono no miteraka rononomandry, Ny fanolanana ny orona no miteraka rà; Ary ny fanetsiketsehana ny fahatezerana no miteraka ady.