Czech BKR

Malagasy

Proverbs

4

1Poslouchejte, synové, učení otcova, a pozorujte, abyste poznali rozumnost.
1[Fananarana hikatsaka ny fahendrena tsy hikambana amin'ny mpanao ratsy] Ry zanaka, henoy ny anatry ny ray, Ary tandremo mba hahazoanareo ny fahalalana tsara.
2Nebo naučení dobré dávám vám, neopouštějtež zákona mého.
2Fa anatra tsara no omeko anareo; Aza mahafoy ny lalàko.
3Když jsem byl syn u otce svého mladičký, a jediný při matce své,
3Fa zanak'ikaky aho, Sady tiana no hany malala teo imason'ineny.[Heb. malemilemy]
4On vyučoval mne a říkal mi: Ať se chopí výmluvností mých srdce tvé, ostříhej přikázaní mých, a živ budeš.
4Ary nampianatra ahy izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; Tandremo ny didiko, dia ho velona ianao.
5Nabuď moudrosti, nabuď rozumnosti; nezapomínej, ani se uchyluj od řečí úst mých.
5Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako.
6Neopouštějž jí, a bude tě ostříhati; miluj ji, a zachová tě.
6Aza mahafoy azy, fa hiaro anao izy; Tiavo izy, dia hitandrina anao.
7Předně moudrosti, moudrosti nabývej, a za všecko jmění své zjednej rozumnost.
7Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena; Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.[Na: Fahendrena no ambony indrindra]
8Vyvyšuj ji, a zvýšíť tě; poctí tě, když ji přijmeš.
8Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa Eny, hanome voninahitra anao izy, raha tananao.
9Přidá hlavě tvé příjemnosti, korunou krásnou obdaří tě.
9Dia hasiany fehiloha mahafinaritra ny lohanao; Eny, satro-boninahitra tsara tarehy no homeny anao.
10Slyš, synu můj, a přijmi řeči mé, a tak rozmnoží se léta života tvého.
10Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko; Dia hihamaro ny taona hiainanao.
11Cestě moudrosti učím tě, vedu tě stezkami přímými.
11Làlam-pahendrena no atoroko anao: Eny, mitarika anao amin'ny lalana mahitsy aho.
12Když choditi budeš, nebude ssoužen krok tvůj, a poběhneš-li, neustrčíš se.
12Raha mandeha ianao, dia tsy ho etỳ ny lalanao; Ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina.
13Chopiž se učení, nepouštěj, ostříhej ho, nebo ono jest život tvůj.
13Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; Hazony izy, fa ainao.
14Na stezku bezbožných nevcházej, a nekráčej cestou zlostníků.
14Aza mankany amin'ny alehan'ny ratsy fanahy, Ary aza mizotra amin'ny lalan'ny ratsy.
15Opusť ji, nechoď po ní, uchyl se od ní, a pomiň jí.
15Manalavira azy; aza mandalo eo akory; Mivilia azy, ka mizora.
16Neboť nespí, leč zlost provedou; anobrž zahánín bývá sen jejich, dokudž ku pádu nepřivodí,
16Fa tsy matory ireny, raha tsy efa nanao ratsy; Ary tsy mahita torimaso izy, raha tsy efa nanafintohina ny sasany.
17Proto že jedí chléb bezbožnosti, a víno loupeží pijí.
17Fa mihinana ny mofon'ny faharatsiana izy, Sy misotro ny divain'ny fahalozàna.
18Ale stezka spravedlivých jako světlo jasné, kteréž rozmáhá se, a svítí až do pravého dne.
18Fa ny lalan'ny marina dia toy ny fipoak'andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan'ny andro.
19Cesta pak bezbožných jako mrákota; nevědí, na čem se ustrčiti mohou.
19Ny alehan'ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito; Tsy fantany akory izay manafintohina azy.
20Synu můj, slov mých pozoruj, k řečem mým nakloň ucha svého.
20Anaka, tandremo ny teniko; Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako.
21Nechať neodcházejí od očí tvých, ostříhej jich u prostřed srdce svého.
21Aza avela hiala eo imasonao izy, Fa raketo ao am-ponao.
22Nebo životem jsou těm, kteříž je nalézají, i všemu tělu jejich lékařstvím.
22Fa aina ho an'ny mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an'ny nofony rehetra.
23Přede vším, čehož se stříci sluší, ostříhej srdce svého, nebo z něho pochází život.
23Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian'ny aina. [Heb. fivoahan']
24Odlož od sebe převrácenost úst, a zlost rtů vzdal od sebe.
24Esory aminao ny vava mandainga, Ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka.
25Oči tvé ať k dobrým věcem patří, a víčka tvá ať přímě hledí před tebou.
25Aoka ny masonao hijery mahitsy, Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao.
26Zvaž stezku noh svých, a všecky cesty tvé ať jsou spraveny.
26Ataovy marina ny alehan'ny tongotrao, Dia ho voalamina ny alehanao rehetra;[Na: Saino tsara izay]Aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia; Esory amin'ny ratsy ny tongotrao.
27Neuchyluj se na pravo ani na levo, odvrať nohu svou od zlého.
27Aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia; Esory amin'ny ratsy ny tongotrao.