Czech BKR

Malagasy

Psalms

147

1Chvalte Hospodina, nebo dobré jest zpívati žalmy Bohu našemu, nebo rozkošné jest, a ozdobná jest chvála.
1[Haleloia ho an'ny Mpanohana izao rehetra izao, Izay nampody ny fahatsaran'i Jerosalema] Haleloia; Fa tsara ny mihira ho an'Andriamanitsika; Eny, mamy sady mendrika ny fiderana.
2Stavitel Jeruzaléma Hospodin, rozptýlený lid Izraelský shromažďuje,
2Manangana an'i Jerosalema Jehovah; Mamory ny Isiraely voaroaka Izy.
3Kterýž uzdravuje skroušené srdcem, a uvazuje bolesti jejich,
3Mahasitrana ny torotoro fo Izy Sy mamehy ny feriny.
4Kterýž sčítá počet hvězd, a každé z nich ze jména povolává.
4Milaza ny isan'ny kintana Izy: Samy tononiny amin'ny anarany ireny rehetra ireny.
5Velikýť jest Pán náš, a nesmírný v síle; rozumnosti jeho není počtu.
5Lehibe ny Tompontsika sady be hery; Tsy hita lany ny fahalalany.
6Pozdvihuje pokorných Hospodin, ale bezbožné snižuje až k zemi.
6Manandratra ny mpandefitra Jehovah, Fa mampietry ny ratsy fanahy hatramin'ny tany.
7Zpívejte Hospodinu s díkčiněním, zpívejte žalmy Bohu našemu na citaře,
7Mihirà fiderana ho an'i Jehovah; Mankalazà an'Andriamanitsika amin'ny lokanga,
8Kterýž zastírá nebesa hustými oblaky, nastrojuje zemi déšť, a vyvodí trávu na horách.
8Izay manaron-drahona ny lanitra, Izay mamboatra ranonorana ho amin'ny tany, Izay mampaniry ahitra ny tendrombohitra,
9Kterýž dává hovadům potravu jejich, i mladým krkavcům, kteříž volají k němu.
9Manome hanina ho an'ny biby Izy Sy ho an'ny zana-goaika izay mitaraina.
10Nemáť v síle koně zalíbení, aniž se kochá v lejtkách muže udatného.
10Tsy ny herin'ny soavaly no mahafinaritra Azy, Ary tsy ny tongotry ny olona no sitrany.
11Líbost má Hospodin v těch, kteříž se ho bojí, a kteříž doufají v milosrdenství jeho.
11Jehovah mankasitraka izay matahotra Azy, Dia izay manantena ny famindram-pony.
12Chval, Jeruzaléme, Hospodina, chval Boha svého, Sione.
12Mankalazà an'i Jehovah, ry Jerosalema ô; Miderà an'Andriamanitrao, ry Ziona ô.
13Nebo on utvrzuje závory bran tvých, požehnání udílí synům tvým u prostřed tebe.
13Fa manamafy ny hidim-bavahadinao Izy, Sady mitahy ny zanakao eo afovoanao.
14On působí v končinách tvých pokoj, a bělí pšeničnou nasycuje tě.
14Mahatonga ny fari-taninao ho fiadanana Izy; Vokisany vary tsara indrindra ianao.
15On když vysílá na zemi rozkaz svůj, velmi rychle k vykonání běží slovo jeho.
15Mampandeha ny didiny ho amin'ny tany Izy; Miely faingana dia faingana ny teniny.
16Onť dává sníh jako vlnu, jíním jako popelem posýpá.
16Mandatsaka oram-panala tahaka ny landihazo Izy; Mampiely fanala tahaka ny lavenona Izy.[Heb. volon'ondry]
17Hází ledem svým jako skyvami; před zimou jeho kdo ostojí?
17Mandatsaka ny havandrany ta-haka ny sombintsombin-javatra Izy; Iza no maharitra ny hatsiakany?
18Vysílaje slovo své, rozpouští je; hned jakž povane větrem svým, anť tekou vody.
18Mamoaka ny teniny Izy ka mampiempo ireny; Mampifofofofo ny rivony Izy, dia mandriaka ny rano.
19Zvěstuje slovo své Jákobovi, ustanovení svá a soudy své Izraelovi.
19Milaza ny teniny amin'i Jakoba Izy Ary ny didiny sy ny fitsipiny amin'Isiraely.Tsy nanao toy izany tamin'izay firenena hafa Izy; Ary ny fitsipiny tsy mba fantatr'ireny. Haleloia.
20Neučinilť tak žádnému národu, a protož soudů jeho nepoznali. Halelujah.
20Tsy nanao toy izany tamin'izay firenena hafa Izy; Ary ny fitsipiny tsy mba fantatr'ireny. Haleloia.