1Na ložci svém v noci hledala jsem toho, kteréhož miluje duše má. Hledala jsem ho, ale nenašla jsem ho.
1Teo am-pandriako nony alina dia mazàna nitady ilay tian'ny fanahiko aho; Nitady azy aho, fa tsy nahita azy.
2Již tedy vstanu, a zchodím město; po ryncích i po ulicech hledati budu toho, kteréhož miluje duše má. Hledala jsem ho, ale nenašla jsem ho.
2Dia hoy izaho: Hifoha aho ka handehandeha eo an-tanàna, dia eny an-dalambe sy eny an-kalalahana, hitady ilay tian'ny fanahiko eny, nitady azy aho, nefa tsy nahita azy.
3Našli mne ponocní, kteříž chodí po městě. Viděli-liž jste toho, kteréhož miluje duše má?
3Hitan'ny antily izay mandehandeha eny an-tanàna aho; Dia hoy izaho: Sao mba hitanareo lahy ilay tian'ny fanahiko iny?
4A jakž jsem jich jen pominula, takž jsem našla toho, kteréhož miluje duše má. Chopila jsem ho, aniž ho pustím, až ho uvedu do domu matky své, a do pokojíka rodičky své.
4Nony vao nandalo ireo vetivety foana aho, dia hitako ilay tian'ny fanahiko, ka nohazoniko izy, fa tsy navelako handeha, mandra-pitondrako azy ho any an-tranon'ineny, dia any amin'ny efi-tranon'ilay niteraka ahy.
5Přísahou vás zavazuji, dcery Jeruzalémské, skrze srny a laně polní, abyste nebudily a nevyrážely ze sna milého mého, dokudž by sám nechtěl.
5Mampianiana anareo amin'ny gazela na amin'ny dieravavy any an-tsaha aho, ry zanakavavin'i Jerosalema; Aza manaitra na mamoha ny fitiavana, raha tsy efa sitrapony.[Anaram-biby haingan-tongotra]
6Která jest to, jenž vstupuje z pouště jako sloupové dymu, okouřena jsuc mirrou a kadidlem, dražším nad všelijaký prach apatekářský?
6[Ny amin'ny nampakarana an-dravehivavy] Iza moa iry vehivavy miakatra avy any an-efitra, tahaka ny setroka mitankosina, sady tsara fofona amin'ny miora sy ny ditin-kazo mani-pofona mbamin'ny vovoka manitra samy hafa entin'ny mpandranto?
7Aj, lože Šalomounovo, okolo něhož šedesáte udatných z nejsilnějších Izraelských,
7Indro ny filanjan'i Solomona! Lehilahy enim-polo, mahery avokoa, avy amin'ny lehilahy mahery amin'ny Isiraely, no manotrona azy.[Heb. farafara]
8Vše vládnoucích mečem, vycvičených v boji, z nichž jeden každý má svůj meč při boku svém z příčiny strachu nočního.
8An-tsabatra avokoa izy rehetra sady mahay miady, samy mitondra ny sabany eo am-balahany avy noho ny tahotra amin'ny alina.
9Schranu vystavěl sobě král Šalomoun z dříví Libánského,
9Nanao filanjana ho azy Solomona mpanjaka tamin'ny hazo avy any Libanona: [Heb. farafara]
10Při níž udělal sloupy stříbrné, dno zlaté a ponebí šarlatové, vnitřek pak jeho postlaný milostí dcer Jeruzalémských.
10Volafotsy no nataony andriny, ary volamena ny fiankinana, volomparasy ny ondany, ny ao anatiny voaravaka amin'ny fanomezam-pitiavana avy tamin'ny zanakavavin'i Jerosalema.Mivoaha, ry zanakavavin'i Ziona, ka mijere an'i Solomona mpanjaka, misatroka ilay satro-boninahitra nasatro-dreniny azy tamin'ny andro nampakarany vady, dia tamin'ny andro nifalian'ny fony.
11Vyjděte a pohleďte, dcery Sionské, na krále Šalomouna v koruně, kterouž ho korunovala matka jeho v den oddávání jeho a v den veselí srdce jeho.
11Mivoaha, ry zanakavavin'i Ziona, ka mijere an'i Solomona mpanjaka, misatroka ilay satro-boninahitra nasatro-dreniny azy tamin'ny andro nampakarany vady, dia tamin'ny andro nifalian'ny fony.