1Aj, jak jsi ty krásná, přítelkyně má, aj, jak jsi krásná! Oči tvé jako holubičí mezi kadeři tvými, vlasy tvé jako stáda koz, kteréž vídati na hoře Galád.
1Endrey, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako! Endrey, tsara tarehy ianao! Ny masonao dia voromailala eo amin'ny fisalobonanao; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny an-kilan'ny tendrombohitr'i Gileada.[Na: volonao milantolanto]
2Zubové tvoji podobní stádu ovcí jednostejných, když vycházejí z kupadla, z nichž každá mívá po dvém, a mezi nimiž není žádné neplodné.
2Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany efa voahety, izay miakatra avy eo amin'ny fampandroana; Samy kambana avy ireo, fa tsy misy tsy mana-namana.
3Jako provázek z hedbáví červeného dvakrát barveného rtové tvoji, a řeč tvá ozdobná; jako kus jablka zrnatého židoviny tvé mezi kadeři tvými.
3Tahaka ny kofehy jaky ny molotrao, ary mahafinaritra ny vavanao; Tahaka ny hasin'ampongaben-danitra ny takolakao eo amin'ny fisalobonanao,[Heb. fitenenanao][Na: volonao milantolanto]
4Hrdlo tvé jest jako věže Davidova, vystavená k chování zbroje, v níž na tisíce pavéz visí, vše štítů mužů udatných.
4Ny vozonao dia tahaka ny tilikambon'i Davida, natao ho trano fihantonam-piadiana; Ampinga arivo no voahantona eo, dia ny ampinga rehetra an'ny lehilahy mahery.
5Oba tvé prsy jako dvé telátek bliženců srních, jenž se pasou v kvítí.
5Ny nononao roa dia toy ny diera kambana mbola tanora, izay homana eny amin'ny lilia.
6Ažby zavítal ten den, a utekli by stínové, poodejdu k hoře mirrové a pahrbku kadidlovému.
6Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, dia handeha aho ho any amin'ny tendrombohitry ny miora sy ny havoan'ny ditin-kazo mani-pofona.[Heb. mandositra ny aloka]
7Všecka jsi krásná, přítelkyně má, a není na tobě poškvrny.
7Tsara avokoa izato bikanao izato, ry tompokovavy havako; Tsy misy kilema ianao.
8Se mnou z Libánu, ó choti má, se mnou z Libánu půjdeš, a pohledíš s vrchu hory Amana, s vrchu Senir a Hermon, z peleší lvových a s hor pardových.
8Hiaraka amiko avy any Libanona ianao, ry ampakariko, eny, hiaraka amiko avy any Libanona, hitazana eny an-tampon'i Amana, eny an-tampon'i Senira sy Hermona, eny an-davaky ny liona, eny an-tendrombohitry ny leoparda.
9Jala jsi srdce mé, sestro má choti, jala jsi srdce mé jedním okem svým, a jedinou točenicí hrdla svého.
9Efa lasanao ny foko, ry havako ampakariko, efa lasanao ny foko tamin'ny masonao an-ila sy tamin'ny rojo anankiray amin'ny vozonao.[Heb. ampakariko]
10Jak utěšené jsou milosti tvé, sestro má choti! Jak vzácnější jsou milosti tvé než víno, a vůně mastí tvých nade všecky vonné věci.
10Akory ny hatsaran'ny fitiavanao, ry havako ampakariko! Akory ny hatsaran'ny fitiavanao! eny, tsara noho ny divay! Ary ny fofon'ny menaka manitrao dia mihoatra noho ny zava-manitra rehetra! [Heb. ampakariko]
11Strdí tekou rtové tvoji, ó choti, med a mléko pod jazykem tvým, a vůně roucha tvého jako vůně Libánu.
11Mitete tantely toy ny avy amin'ny tohotra ny molotrao, ry ampakariko; Tantely sy ronono no ao ambanin'ny lelanao, ary ny fofon'ny fitafianao dia tahaka ny fofon'i Libanona.
12Zahrada zamčená jsi, sestro má choti, vrchoviště zamčené, studnice zapečetěná.
12Saha voahidy ny havako ampakariko, loharano voahidy, fantsakan-drano voaisy tombo-kase.[Heb. anabaviko]
13Výstřelkové tvoji jsou zahrada stromů jablek zrnatých s ovocem rozkošným cypru a nardu,
13Hianao no saha anirian'ny ampongaben-danitra tsara voa, sady misy kofera sy narda,
14Nardu s šafránem, prustvorce s skořicí, a s každým stromovím kadidlo vydávajícím, mirry a aloes, i s všelijakými zvláštními věcmi vonnými.
14Eny, narda sy safrona, veromanitra sy havozomanitra sy ny hazo misy ny ditin-kazo mani-pofona rehetra. Miora sy hazo manitra Mbamin'ny zava-manitra tsara rehetra;[Heb. ahalota]
15Ó ty sám vrchoviště zahradní, studnice vod živých, a tekoucích z Libánu.
15Loharano ao an-tanimboly ianao, loharano miboiboika, ary renirano kely avy any Libanona.Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra; avia, ry avy any atsimo, Mitsofa eny an-tsahako hielezan'ny fofony manitra. Aoka ny malalako hankatỳ an-tanimboliny ka hihinana ny voankazony tsara.
16Věj, větříčku půlnoční, a přiď, větříčku polední, prověj zahradu mou, ať tekou vonné věci její, a ať příjde milý můj do zahrady své, a jí rozkošné ovoce své.
16Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra; avia, ry avy any atsimo, Mitsofa eny an-tsahako hielezan'ny fofony manitra. Aoka ny malalako hankatỳ an-tanimboliny ka hihinana ny voankazony tsara.