1 Dyma'r gair a ddaeth at Jeremeia oddi wrth yr ARGLWYDD:
1[Ny nivadihan'ny Isiraely tamin'ny fanekena nataon'i Jehovah taminy, sy ny nanao azy noho izany] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah:
2 "Clywch eiriau'r cyfamod hwn, a llefarwch wrth bobl Jwda a thrigolion Jerwsalem,
2Mihainoa ny tenin'izao fanekena izao ianareo, ary mitenena amin'ny Joda sy amin'ny mponina any Jerosalema,
3 a dweud wrthynt, 'Fel hyn y dywed ARGLWYDD Dduw Israel: Melltith ar y sawl na wrendy ar eiriau'r cyfamod hwn,
3Ary ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: ho voaozona izay olona tsy mankatò ny tenin'izao fanekena izao,
4 a orchmynnais i'ch hynafiaid y dydd y dygais hwy allan o'r Aifft, o'r ffwrnais haearn, a dweud, "Gwrandewch arnaf, a gwnewch yn unol �'r hyn a orchmynnaf i chwi; a byddwch yn bobl i mi, a byddaf finnau'n Dduw i chwi."
4Izay nandidiako ny razanareo tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, dia avy tao amin'ny memy fandrendreham-by, ka nanaovako hoe: Mihainoa ny feoko, ary mankatoava ireny araka izay rehetra andidiako anareo, dia ho oloko ianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo,
5 Fel hyn y gwireddir y llw a dyngais i'ch hynafiaid, i roi iddynt wlad yn llifeirio o laeth a m�l, fel y mae heddiw.'" Atebais innau, "Amen, ARGLWYDD."
5Mba hotoviko ny fianianana izay nianianako tamin'ny razanareo, dia ny hanomezana azy tany tondra-dronono sy tantely tahaka ny amin'izao anio izao. Dia namaly aho ka nanao hoe: Ho izany tokoa anie, Jehovah ô![Heb. Amena]
6 Yna dywedodd yr ARGLWYDD wrthyf, "Cyhoedda'r holl eiriau hyn yn ninasoedd Jwda ac yn heolydd Jerwsalem, a dywed, 'Clywch eiriau'r cyfamod hwn, a'u gwneud.
6Ary hoy Jehovah tamiko: Torio any an-tanànan'ny Joda sy any an-dalamben'i Jerosalema Izany teny rehetra izany, ka lazao hoe: Henoy ny tenin'izao fanekena izao, ka ankatoavy izy.
7 Oherwydd rhybuddiais eich hynafiaid o'r dydd y dygais hwy o'r Aifft hyd y dydd hwn; rhybuddiais hwy yn ddifrifol, a dweud, "Gwrandewch arnaf."
7Fa nananatra mafy ny razanareo Aho tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta ka ambaraka androany; Eny, nifoha maraina koa Aho ka nananatra hoe: Mihainoa ny feoko.
8 Ond ni wrandawsant, nac estyn clust i glywed, ond rhodiodd pob un yn �l ystyfnigrwydd ei galon ddrygionus. Felly dygais arnynt holl eiriau'r cyfamod hwn y gorchmynnais iddynt ei wneud ond na wnaethant.'"
8Nefa tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny, fa samy nandeha tamin'ny ditry ny fo ratsiny ihany izy; Ka dia nataoko mihatra aminy ny teny rehetra amin'izao fanekena izao, ilay nasaiko nataony, nefa tsy nataony.
9 Dywedodd yr ARGLWYDD wrthyf, "Cafwyd cynllwyn ymhlith pobl Jwda a thrigolion Jerwsalem.
9Ary hoy koa Jehovah tamiko: Misy tetika fikomiana hita ao amin'ny Joda sy amin'ny mponina any Jerosalema.
10 Troesant yn �l at ddrygioni eu hynafiaid gynt pan wrthodent wrando fy ngeiriau. Aethant ar �l duwiau eraill i'w gwasanaethu, a thorrodd tu375? Israel a thu375? Jwda fy nghyfamod, a wneuthum �'u hynafiaid.
10Fa izy niverina nankamin'ny heloky ny razany, izay tsy nety nihaino ny teniko, ary lasa nanaraka andriamani-kafa izy ka nanompo azy; Ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda efa nivadika ny fanekeko, izay nataoko tamin'ny razany.
11 Am hynny fel hyn y dywed yr ARGLWYDD: Rwyf am ddwyn drwg arnynt na allant ei osgoi; a gwaeddant arnaf, ond ni wrandawaf.
11Koa izao no lazain'i Jehovah: Indro, Izaho hahatonga loza aminy, izay tsy azony handosirana; Ary na dia hitaraina amiko aza izy, dia tsy hihaino azy Aho.
12 Yna fe � dinasoedd Jwda a thrigolion Jerwsalem i weiddi ar y duwiau yr arferent arogldarthu iddynt, ond yn sicr ni allant hwy eu gwaredu yn amser eu drygfyd.
12Dia handeha ny tanànan'ny Joda sy ny mponina any Jerosalema ka hitaraina amin'ireny andriamaniny, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra; Nefa ireny tsy hahavonjy azy akory amin'ny andro fahoriany.
13 Yn wir, y mae dy dduwiau mor aml �'th ddinasoedd, O Jwda, ac wrth nifer heolydd Jerwsalem codasoch allorau er cywilydd, allorau i arogldarthu i Baal.
13Fa araka ny isan'ny tanànanao, ry Joda, no isan'ny andriamanitrao, Ary araka ny isan'ny lalamben'i Jerosalema no isan'ny alitara naorinareo ho an'ilay mampahamenatra. Dia alitara handoroana ditin-kazo manitra ho an'i Bala.
14 "Ond amdanat ti, paid � gwedd�o dros y bobl hyn, na chodi cri na gweddi, oherwydd ni fynnaf wrando pan alwant arnaf yn ystod eu drygfyd.
14Koa aza mivavaka ho an'ity firenena ity ianao, ary aza manandratra fitarainana na fifonana ho azy; Fa amin'ny andro izay hitarainany amiko noho ny fahoriany dia tsy hihaino azy Aho.
15 "Beth sydd a wnelo f'anwylyd �'m tu375?, a hithau'n cyflawni gweithredoedd ysgeler? A all llwon, neu gig sanctaidd, droi dy ddinistr heibio, fel y gelli lawenychu?
15Hanao inona ao an-tranoko ny malalako fa efa namoron-tsain-dratsy niaraka tamin'ny maro izy, ary ny hena masina dia esorina aminao; Raha azon-doza ianao, mifalia ary![Na: Nahoana ny malalako no manao fahavetavetana eto an-tranoko? Moa ny voady sy ny hena masina va no hampiala ny faharatsianao, na hahafahanao handositra?]
16 Olewydden ddeiliog deg a ffrwythlon y galwodd yr ARGLWYDD di; ond � thrwst cynnwrf mawr fe gyneua d�n ynddi, ac ysir ei changau.
16Hazo oliva maitso sady misy voany maha-te-hizaha no nataon'i Jehovah anaranao; Tamin'ny fihorakorahana be no nandrehetany afo taminy, ary notapahina ny rantsany.
17 ARGLWYDD y Lluoedd, yr un a'th blannodd, a draetha ddrwg yn dy erbyn, oherwydd y drygioni a wnaeth tu375? Israel a thu375? Jwda, gan fy nigio ac arogldarthu i Baal."
17Fa Jehovah, Tompon'ny maro, Izay namboly anao, no nanambara ny loza hanjo anao, noho ny ratsy nataon'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, Izay nahavoa ny tenany ka nahatezitra Ahy. Dia tamin'ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an'i Bala.
18 Yr ARGLWYDD a'm hysbysodd, a mi a'i gwn; dangosodd i mi eu gweith-redoedd.
18[Ny teny nasain'i Jehovah nolazaina ny amin'ny mponina tao Anatota, izay nitady hamono an'i Jeremia] Ary nampahafantarin'i Jehovah aho, ka dia nahalala; Tamin'izany dia nasehonao ahy ny fanaony.
19 Yr oeddwn innau fel oen tyner yn cael ei arwain i'w ladd, ac ni wyddwn mai ar fy nghyfer i y gosodent gynllwynion, gan ddweud, "Distrywiwn y pren a'i ffrwyth; torrwn ef ymaith o dir y rhai byw, fel na chofir ei enw mwy."
19Fa izaho dia tahaka ny zanak'ondry bonaika, izay entina hovonoina; Ary tsy fantatro fa izao no tetika nataony namelezany ahy: Aoka hosimbantsika ny hazo mbamin'ny voany, ary aoka hofongorantsika hiala amin'ny tanin'ny velona izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anarany.
20 O ARGLWYDD y Lluoedd, barnwr cyfiawn, chwiliwr y galon a'r deall, rho i mi weld dy ddialedd arnynt, canys i ti y datguddiaf fy nghwyn.
20Nefa, ry Jehovah, Tompon'ny maro ô, Izay mitsara marina ka mamantatra ny voa sy ny fo aoka ho hitako ny famalianao azy; Fa aminao no efa nanankinako ny adiko.
21 Am hynny, fel hyn y dywed yr ARGLWYDD am bobl Anathoth, sydd yn ceisio fy einioes ac yn dweud, "Paid � phroffwydo mwyach yn enw yr ARGLWYDD, ac ni fyddi farw trwy ein dwylo ni."
21Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'ny mponina ao Anatota, izay mitady ny ainao ka manao hoe: Aza maminany amin'ny anaran'i Jehovah, fandrao matin'ny tananay ianao,
22 Am hynny, fel hyn y dywed ARGLWYDD y Lluoedd: "Rwyf am ddial arnynt; bydd eu gwu375?r ifainc farw trwy'r cleddyf, a'u meibion a'u merched o newyn;
22izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, hovaliako Izy, ka ny zatovo ho fatin-tsabatra, ary ny zananilahy sy ny zananivavy ho fati-mosary;Ka tsy hisy hiangana izy; Fa hahatonga loza amin'ny mponina ao Anatota Aho amin'ny taona hamaliana azy.
23 ac ni bydd gweddill ohonynt. Dygaf ddrygfyd ar bobl Anathoth ym mlwyddyn eu cosbi."
23Ka tsy hisy hiangana izy; Fa hahatonga loza amin'ny mponina ao Anatota Aho amin'ny taona hamaliana azy.